A Prophecy Against the Mountains of Israel
1. And the word of the LORD came unto me, saying,
1. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
1. Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
2. Son of man, set thy face toward the mountains of Israel, and prophesy against them,
2. Fils de l`homme, tourne ta face vers les montagnes d`Israël, Et prophétise contre elles!
2. Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely ary maminania ny hamelezana azy,
3. And say, Ye mountains of Israel, hear the word of the Lord GOD; Thus saith the Lord GOD to the mountains, and to the hills, to the rivers, and to the valleys; Behold, I, even I, will bring a sword upon you, and I will destroy your high places.
3. Tu diras: Montagnes d`Israël, Écoutez la parole du Seigneur, de l`Éternel! Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel, Aux montagnes et aux collines, aux ravins et aux vallées: Voici, je fais venir l`épée contre vous, Et je détruirai vos hauts lieux.
3. "Ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô, mihainoa ny tenin' i Jehovah Andriamanitra: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra amin' ny tendrombohitra sy ny havoana, sy ny ony sy ny lohasaha; Indro, Izaho, eny Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo ary horavako ny fitoerana avonareo."
4. And your altars shall be desolate, and your images shall be broken: and I will cast down your slain men before your idols.
4. Vos autels seront dévastés, Vos statues du soleil seront brisées, Et je ferai tomber vos morts devant vos idoles.
4. "Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hopotehina ny sarin-javatrareo; ary hataoko mitsitra eo anoloan' ny sampinareo ny fatinareo;"
5. And I will lay the dead carcases of the children of Israel before their idols; and I will scatter your bones round about your altars.
5. Je mettrai les cadavres des enfants d`Israël devant leurs idoles, Et je disperserai vos ossements autour de vos autels.
5. "Ary ny fatin' ny Zanak' Isiraely hataoko eo anoloan' ny sampiny; ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny."
6. In all your dwellingplaces the cities shall be laid waste, and the high places shall be desolate; that your altars may be laid waste and made desolate, and your idols may be broken and cease, and your images may be cut down, and your works may be abolished.
6. "Partout où vous habitez, vos villes seront ruinées, Et vos hauts lieux dévastés; Vos autels seront délaissés et abandonnés, Vos idoles seront brisées et disparaîtront, Vos statues du soleil seront abattues, Et vos ouvrages anéantis."
6. Amin' ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao ny alitaranareo, ka hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo ary hokapaina ny sarin-javatrareo ka dia holevonina ny asanareo.
7. And the slain shall fall in the midst of you, and ye shall know that I am the LORD.
7. Les morts tomberont au milieu de vous, Et vous saurez que je suis l`Éternel.
7. Ary ny faty hiampatrampatra eo aminareo ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8. Yet will I leave a remnant, that ye may have some that shall escape the sword among the nations, when ye shall be scattered through the countries.
8. Mais je laisserai quelques restes d`entre vous, Qui échapperont à l`épée parmi les nations, Lorsque vous serez dispersés en divers pays.
8. Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy sasany ho afaka amin' ny sabatra any amin' ny firenena, rehefa voaely ho any amin' ny tany samy hafa ianareo.
9. And they that escape of you shall remember me among the nations whither they shall be carried captives, because I am broken with their whorish heart, which hath departed from me, and with their eyes, which go a whoring after their idols: and they shall lothe themselves for the evils which they have committed in all their abominations.
9. "Vos réchappés se souviendront de moi Parmi les nations où ils seront captifs, Parce que j`aurai brisé leur coeur adultère et infidèle, Et leurs yeux qui se sont prostitués après leurs idoles; Ils se prendront eux-mêmes en dégoût, A cause des infamies qu`ils ont commises, A cause de toutes leurs abominations."
9. Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin' ny firenena izay hitondrana azy ho babo, satria torotoro Aho noho ny fony mijangajanga izay efa niala tamiko sy ny masony izay mijangajanga manaraka ny sampiny ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra.
10. And they shall know that I am the LORD, and that I have not said in vain that I would do this evil unto them.
10. Et ils sauront que je suis l`Éternel, Et que ce n`est pas en vain que je les ai menacés De leur envoyer tous ces maux.
10. Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
11. Thus saith the Lord GOD; Smite with thine hand, and stamp with thy foot, and say, Alas for all the evil abominations of the house of Israel! for they shall fall by the sword, by the famine, and by the pestilence.
11. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Frappe de la main, frappe du pied, et dis: Hélas! Sur toutes les méchantes abominations de la maison d`Israël, Qui tombera par l`épée, par la famine et par la peste.
11. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Mameleza amin' ny tananao ianao, ary mitotoa amin' ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon' ny taranak' Isiraely, fa ho lavon' ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy!
12. He that is far off shall die of the pestilence; and he that is near shall fall by the sword; and he that remaineth and is besieged shall die by the famine: thus will I accomplish my fury upon them.
12. Celui qui sera loin mourra de la peste, Celui qui sera près tombera par l`épée, Celui qui restera et sera assiégé périra par la famine. J`assouvirai ainsi ma fureur sur eux.
12. "Ny lavitra ho fatin' ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon' ny sabatra, ary izay sisa sy izay voafahirano dia ho faty mosary; ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako."
13. Then shall ye know that I am the LORD, when their slain men shall be among their idols round about their altars, upon every high hill, in all the tops of the mountains, and under every green tree, and under every thick oak, the place where they did offer sweet savour to all their idols.
13. Et vous saurez que je suis l`Éternel, Quand leurs morts seront au milieu de leurs idoles, Autour de leurs autels, Sur toute colline élevée, sur tous les sommets des montagnes, Sous tout arbre vert, sous tout chêne touffu, Là où ils offraient des parfums d`une agréable odeur A toutes leurs idoles.
13. "Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miampatrampatra eny amin' ny sampiny manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin' ny havoana andrandraina rehetra, eny an-tampon' ny tendrombohitra rehetra, sy eny ambanin' ny hazo maitso rehetra ary eny ambanin' ny oaka misandrahaka rehetra, dia eny amin' izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin' ny sampiny rehetra;"
14. So will I stretch out my hand upon them, and make the land desolate, yea, more desolate than the wilderness toward Diblath, in all their habitations: and they shall know that I am the LORD.
14. J`étendrai ma main contre eux, Et je rendrai le pays plus solitaire et plus désolé Que le désert de Dibla, Partout où ils habitent. Et ils sauront que je suis l`Éternel.
14. "Dia hahinjitro aminy ny tanako ary ny tany any amin' ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr' i Dibla; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah."