The Division of the Land

1. Now these are the names of the tribes. From the north end to the coast of the way of Hethlon, as one goeth to Hamath, Hazarenan, the border of Damascus northward, to the coast of Hamath; for these are his sides east and west; a portion for Dan.
1. Voici les noms des tribus. Depuis l`extrémité septentrionale, le long du chemin de Hethlon à Hamath, Hatsar Énon, la frontière de Damas au nord vers Hamath, de l`orient à l`occident: Dan, une tribu.
1. "Ary izao no anaran' ny foko: hatramin' ny farany avaratra ka hatrany amoron-dranomasina amin' ny lalana mankany Hetlona any akaikin' i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin' i Damaskosy eo avaratra, hatrany anilan' i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an' i Dana."
2. And by the border of Dan, from the east side unto the west side, a portion for Asher.
2. Sur la limite de Dan, de l`orient à l`occident: Aser, une tribu.
2. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Dana, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Asera.
3. And by the border of Asher, from the east side even unto the west side, a portion for Naphtali.
3. Sur la limite d`Aser, de l`orient à l`occident: Nephthali, une tribu.
3. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Naftaly.
4. And by the border of Naphtali, from the east side unto the west side, a portion for Manasseh.
4. Sur la limite de Nephthali, de l`orient à l`occident: Manassé, une tribu.
4. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Manase.
5. And by the border of Manasseh, from the east side unto the west side, a portion for Ephraim.
5. Sur la limite de Manassé, de l`orient à l`occident: Éphraïm, une tribu.
5. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Efraima.
6. And by the border of Ephraim, from the east side even unto the west side, a portion for Reuben.
6. Sur la limite d`Éphraïm, de l`orient à l`occident: Ruben, une tribu.
6. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Robena.
7. And by the border of Reuben, from the east side unto the west side, a portion for Judah.
7. Sur la limite de Ruben, de l`orient à l`occident: Juda, une tribu.
7. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Robena hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Joda.
8. And by the border of Judah, from the east side unto the west side, shall be the offering which ye shall offer of five and twenty thousand reeds in breadth, and in length as one of the other parts, from the east side unto the west side: and the sanctuary shall be in the midst of it.
8. "Sur la frontière de Juda, de l`orient à l`occident, sera la portion que vous prélèverez, large de vingt-cinq mille cannes et longue comme l`une des parts de l`orient à l`occident; et le sanctuaire sera au milieu."
8. "Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian' ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin' ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin' ny anjaran' ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany."
9. The oblation that ye shall offer unto the LORD shall be of five and twenty thousand in length, and of ten thousand in breadth.
9. La portion que vous prélèverez pour l`Éternel aura vingt-cinq mille cannes de longueur et dix mille de largeur.
9. Ny tany izay hatokanareo ho an' i Jehovah, dia ho dimy arivo amby roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany.
10. And for them, even for the priests, shall be this holy oblation; toward the north five and twenty thousand in length, and toward the west ten thousand in breadth, and toward the east ten thousand in breadth, and toward the south five and twenty thousand in length: and the sanctuary of the LORD shall be in the midst thereof.
10. "C`est aux sacrificateurs qu`appartiendra cette portion sainte: vingt-cinq mille cannes au septentrion, dix mille en largeur à l`occident, dix mille en largeur à l`orient, et vingt-cinq mille en longueur au midi; et le sanctuaire de l`Éternel sera au milieu."
10. Ary ho an' ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo, ary ny fitoerana masin' i Jehovah no ho eo afovoany.
11. It shall be for the priests that are sanctified of the sons of Zadok; which have kept my charge, which went not astray when the children of Israel went astray, as the Levites went astray.
11. Elle appartiendra aux sacrificateurs consacrés, aux fils de Tsadok, qui ont fait le service de mon sanctuaire, qui ne se sont point égarés, lorsque les enfants d`Israël s`égaraient, comme s`égaraient les Lévites.
11. Ho an' ny mpisorona izay nohamasinina avy amin' ny taranak' i Zadoka izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandremana ka tsy nivily tamin' ny nivilian' ny Zanak' Isiraely, tahaka ny nivilian' ny Levita,
12. And this oblation of the land that is offered shall be unto them a thing most holy by the border of the Levites.
12. Elle leur appartiendra comme portion très sainte, prélevée sur la portion du pays qui aura été prélevée, à côté de la limite des Lévites.
12. Ary izany tany halaina amin' ilay efa voatokana izany dia ho zavatra masina indrindra aminy, mifanolotra amin' ny fari-tanin' ny Levita.
13. And over against the border of the priests the Levites shall have five and twenty thousand in length, and ten thousand in breadth: all the length shall be five and twenty thousand, and the breadth ten thousand.
13. Les Lévites auront, parallèlement à la limite des sacrificateurs, vingt-cinq mille cannes en longueur et dix mille en largeur, vingt-cinq mille pour toute la longueur et dix mille pour la largeur.
13. Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin' ny fari-tanin' ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany sy iray alina ny sakany.
14. And they shall not sell of it, neither exchange, nor alienate the firstfruits of the land: for it is holy unto the LORD.
14. "Ils n`en pourront rien vendre ni échanger; et les prémices du pays ne seront point aliénées, car elles sont consacrées à l`Éternel."
14. "Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin' ny tany; fa masina ho an' i Jehovah izany."
15. And the five thousand, that are left in the breadth over against the five and twenty thousand, shall be a profane place for the city, for dwelling, and for suburbs: and the city shall be in the midst thereof.
15. "Les cinq mille cannes qui resteront en largeur sur les vingt-cinq mille seront destinées à la ville, pour les habitations et la banlieue; et la ville sera au milieu."
15. "Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin' ny sakany mifanolotra amin' ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an' ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany."
16. And these shall be the measures thereof; the north side four thousand and five hundred, and the south side four thousand and five hundred, and on the east side four thousand and five hundred, and the west side four thousand and five hundred.
16. En voici les mesures: du côté septentrional quatre mille cinq cents, du côté méridional quatre mille cinq cents, du côté oriental quatre mille cinq cents, et du côté occidental quatre mille cinq cents.
16. Ary izao no ho refiny: ny avaratra ho dimanjato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho dimanjato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho dimanjato amby efatra arivo ary ny andrefana ho dimanjato amby efatra arivo.
17. And the suburbs of the city shall be toward the north two hundred and fifty, and toward the south two hundred and fifty, and toward the east two hundred and fifty, and toward the west two hundred and fifty.
17. La ville aura une banlieue de deux cent cinquante au nord, de deux cent cinquante au midi, de deux cent cinquante à l`orient, et de deux cent
17. Ary ny amin' ny zana-bohitry ny tanàna, eo amin' ny avaratra dia ho dimampolo amby roanjato ary eo amin' ny atsimo dia ho dimampolo amby roanjato ary ny eo amin' ny atsinanana dia ho dimampolo amby roanjato ary ny eo amin' ny andrefana dia ho dimampolo amby roanjato.
18. And the residue in length over against the oblation of the holy portion shall be ten thousand eastward, and ten thousand westward: and it shall be over against the oblation of the holy portion; and the increase thereof shall be for food unto them that serve the city.
18. Le reste sur la longueur, parallèlement à la portion sainte, dix mille à l`orient et dix mille à l`occident, parallèlement à la portion sainte, formera les revenus destinés à l`entretien de ceux qui travailleront pour la ville.
18. "Ary ny lavany sisa mifanolotra amin' ny anjara masina voatokana dia ho iray alina miantsinanana ary iray alina miankandrefana ary hifanolotra amin' ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokatra avy aminy hohanin' ny mpiasa ao an-tanàna."
19. And they that serve the city shall serve it out of all the tribes of Israel.
19. Le sol en sera cultivé par ceux de toutes les tribus d`Israël qui travailleront pour la ville.
19. Ary izay mpiasa ao an-tanàna no hiasa azy avy amin' ireo fokon' ny Isiraely rehetra.
20. All the oblation shall be five and twenty thousand by five and twenty thousand: ye shall offer the holy oblation foursquare, with the possession of the city.
20. "Toute la portion prélevée sera de vingt-cinq mille cannes en longueur sur vingt-cinq mille en largeur; vous en séparerez un carré pour la propriété de la ville."
20. "Ny tany voatokana rehetra dia ho dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna."
21. And the residue shall be for the prince, on the one side and on the other of the holy oblation, and of the possession of the city, over against the five and twenty thousand of the oblation toward the east border, and westward over against the five and twenty thousand toward the west border, over against the portions for the prince: and it shall be the holy oblation; and the sanctuary of the house shall be in the midst thereof.
21. "Ce qui restera sera pour le prince, aux deux côtés de la portion sainte et de la propriété de la ville, le long des vingt-cinq mille cannes de la portion sainte jusqu`à la limite de l`orient, et à l`occident le long des vingt-cinq mille cannes vers la limite de l`occident, parallèlement aux parts. C`est là ce qui appartiendra au prince; et la portion sainte et le sanctuaire de la maison seront au milieu."
21. Ary ho an' ny mpanapaka ny sisa an-daniny roa amin' ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna, mifanolotra amin' ny dimy arivo amby roa alina amin' ny anjara voatokana hatramin' ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin' ny dimy arivo amby roa alina hatramin' ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin' ireo anjara ho an' ny mpanapaka izany, ary ho anjara masina voatokana izany ary ny trano fitoerana masina no ho eo afovoany.
22. Moreover from the possession of the Levites, and from the possession of the city, being in the midst of that which is the prince's, between the border of Judah and the border of Benjamin, shall be for the prince.
22. "Ainsi ce qui appartiendra au prince sera l`espace compris depuis la propriété des Lévites et depuis la propriété de la ville; ce qui sera entre la limite de Juda et la limite de Benjamin appartiendra au prince."
22. Ary hatramin' ny zara-tanin' ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, izay ao ampovoan' ny an' ny mpanapaka, anelanelan' ny fari-tanin' i Joda sy Benjamina, dia ho an' ny mpanapaka izany.
23. As for the rest of the tribes, from the east side unto the west side, Benjamin shall have a portion.
23. Voici les autres tribus. De l`orient à l`occident: Benjamin, une tribu.
23. Ary ny amin' ny foko sisa dia hatramin' ny lafiny atsinanana ka hatramin' ny andrefana dia hisy anjara iray ho an' i Benjamina.
24. And by the border of Benjamin, from the east side unto the west side, Simeon shall have a portion.
24. Sur la limite de Benjamin, de l`orient à l`occident: Siméon, une tribu.
24. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Simeona.
25. And by the border of Simeon, from the east side unto the west side, Issachar a portion.
25. Sur la limite de Siméon, de l`orient à l`occident: Issacar, une tribu.
25. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' Isakara.
26. And by the border of Issachar, from the east side unto the west side, Zebulun a portion.
26. Sur la limite d`Issacar, de l`orient à l`occident: Zabulon, une tribu.
26. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' Isakara hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Zebolona.
27. And by the border of Zebulun, from the east side unto the west side, Gad a portion.
27. Sur la limite de Zabulon, de l`orient à l`occident: Gad, une tribu.
27. Ny mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray ho an' i Gada.
28. And by the border of Gad, at the south side southward, the border shall be even from Tamar unto the waters of strife in Kadesh, and to the river toward the great sea.
28. Sur la limite de Gad, du côté méridional, au midi, la frontière ira depuis Thamar, jusqu`aux eaux de Meriba à Kadès, jusqu`au torrent vers la grande mer.
28. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Gada, amin' ny lafiny atsimo mianatsimo, ny fari-tany dia hatrany Tamara ka hatramin' ny ranon' ny fifandirana any Kadesy sy ny renirano ka hatramin' ny Ranomasina lehibe.
29. This is the land which ye shall divide by lot unto the tribes of Israel for inheritance, and these are their portions, saith the Lord GOD.
29. Tel est le pays que vous diviserez en héritages par le sort pour les tribus d`Israël et telles sont leurs parts, dit le Seigneur, l`Éternel.
29. Izany no tany hozarainareo amin' ny antsapaka ho an' ireo fokon' ny Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany, hoy Jehovah Andriamanitra.

The Gates of the City

30. And these are the goings out of the city on the north side, four thousand and five hundred measures.
30. Voici les issues de la ville. Du côté septentrional quatre mille cinq cents cannes.
30. Ary izao no fivoahana ny tanàna amin' ny lafiny avaratra: dimanjato amby efatra arivo refy.
31. And the gates of the city shall be after the names of the tribes of Israel: three gates northward; one gate of Reuben, one gate of Judah, one gate of Levi.
31. et les portes de la ville d`après les noms des tribus d`Israël, trois portes au nord: la porte de Ruben, une, la porte de Juda, une, la porte de Lévi, une.
31. Ary ny anaran' ny vavahady dia ho araka ny anaran' ireo fokon' ny Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin' i Robena ny iray, vavahadin' i Joda ny iray, vavahadin' Levy ny iray.
32. And at the east side four thousand and five hundred: and three gates; and one gate of Joseph, one gate of Benjamin, one gate of Dan.
32. Du côté oriental quatre mille cinq cents cannes, et trois portes: la porte de Joseph, une, la porte de Benjamin, une, la porte de Dan, une.
32. Ary amin' ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo, ary ny vavahady telo, dia vavahadin' i Josefa ny iray, vavahadin' i Benjamina ny iray ary vavahadin' i Dana ny iray.
33. And at the south side four thousand and five hundred measures: and three gates; one gate of Simeon, one gate of Issachar, one gate of Zebulun.
33. Du côté méridional quatre mille cinq cents cannes, et trois portes: la porte de Siméon, une, la porte d`Issacar, une, la porte de Zabulon, une.
33. Ary amin' ny atsimo dimanjato amby efatra arivo refy, ary ny vavahady telo dia vavahadin' i Simeona ny iray, vavahadin' i Isakara ny iray, vavahadin' i Zebolona ny iray.
34. At the west side four thousand and five hundred, with their three gates; one gate of Gad, one gate of Asher, one gate of Naphtali.
34. Du côté occidental quatre mille cinq cents cannes, et trois portes: la porte de Gad, une, la porte d`Aser, une, la porte de Nephthali, une.
34. Ary amin' ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin' i Gada ny iray, vavahadin' i Asera ny iray, vavahadin' i Naftaly ny iray.
35. It was round about eighteen thousand measures: and the name of the city from that day shall be, The LORD is there.
35. Circuit: dix-huit mille cannes. Et, dès ce jour, le nom de la ville sera: l`Éternel est ici.
35. "Valo arivo amby iray alina refy ny manodidina; ary ny anaran' ny tanàna hatramin' izay andro izay dia ho Jehovah no Ao."
<
>