Daniel's Training in Babylon
1. In the third year of the reign of Jehoiakim king of Judah came Nebuchadnezzar king of Babylon unto Jerusalem, and besieged it.
1. La troisième année du règne de Jojakim, roi de Juda, Nebucadnetsar, roi de Babylone, marcha contre Jérusalem, et l`assiégea.
1. Tamin'ny taona fahatelo nanjakan' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda, no nankanesan' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2. And the Lord gave Jehoiakim king of Judah into his hand, with part of the vessels of the house of God: which he carried into the land of Shinar to the house of his god; and he brought the vessels into the treasure house of his god.
2. Le Seigneur livra entre ses mains Jojakim, roi de Juda, et une partie des ustensiles de la maison de Dieu. Nebucadnetsar emporta les ustensiles au pays de Schinear, dans la maison de son dieu, il les mit dans la maison du trésor de son dieu.
2. "Ary ny Tompo nanolotra an' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda, mbamin' ny fanaka sasany tao an-tranon' Andriamanitra ho eo an-tanany, ka nentiny ho any amin' ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon' andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin' ny trano firaketan' andriamaniny."
3. And the king spake unto Ashpenaz the master of his eunuchs, that he should bring certain of the children of Israel, and of the king's seed, and of the princes;
3. Le roi donna l`ordre à Aschpenaz, chef de ses eunuques, d`amener quelques-uns des enfants d`Israël de race royale ou de famille noble,
3. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Aspenaza, lehiben' ny ionokany, hitondra ny sasany amin' ny Zanak' Isiraely, dia amin' ny taranaky ny mpanjaka sy amin' ny zanak' andriana,
4. Children in whom was no blemish, but well favoured, and skilful in all wisdom, and cunning in knowledge, and understanding science, and such as had ability in them to stand in the king's palace, and whom they might teach the learning and the tongue of the Chaldeans.
4. de jeunes garçons sans défaut corporel, beaux de figure, doués de sagesse, d`intelligence et d`instruction, capables de servir dans le palais du roi, et à qui l`on enseignerait les lettres et la langue des Chaldéens.
4. Dia zazalahy izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin' ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mahafantatra siansa ka mendrika hitoetra ao an-dapan' ny mpanjaka, sady azony nampianarina ny fianarana sy ny tenin' ny Kaldeana.
5. And the king appointed them a daily provision of the king's meat, and of the wine which he drank: so nourishing them three years, that at the end thereof they might stand before the king.
5. Le roi leur assigna pour chaque jour une portion des mets de sa table et du vin dont il buvait, voulant les élever pendant trois années, au bout desquelles ils seraient au service du roi.
5. Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an' ireo isan' andro avy tamin' ny haniny sy avy tamin' ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan' ny mpanjaka izy.
6. Now among these were of the children of Judah, Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah:
6. Il y avait parmi eux, d`entre les enfants de Juda, Daniel, Hanania, Mischaël et Azaria.
6. Ary tamin' ireo dia nisy avy amin' ny taranak' i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7. Unto whom the prince of the eunuchs gave names: for he gave unto Daniel the name of Belteshazzar; and to Hananiah, of Shadrach; and to Mishael, of Meshach; and to Azariah, of Abednego.
7. Le chef des eunuques leur donna des noms, à Daniel celui de Beltschatsar, à Hanania celui de Schadrac, à Mischaël celui de Méschac, et à Azaria celui d`Abed Nego.
7. Ary izy ireo nomen' ny lehiben' ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
8. But Daniel purposed in his heart that he would not defile himself with the portion of the king's meat, nor with the wine which he drank: therefore he requested of the prince of the eunuchs that he might not defile himself.
8. Daniel résolut de ne pas se souiller par les mets du roi et par le vin dont le roi buvait, et il pria le chef des eunuques de ne pas l`obliger à se souiller.
8. "Fa Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin' ny anjara-hanina avy tamin' ny hanin' ny mpanjaka, na tamin' ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin' ny lehiben' ny ionoka izy mba havelany tsy handoto ny tenany."
9. Now God had brought Daniel into favour and tender love with the prince of the eunuchs.
9. Dieu fit trouver à Daniel faveur et grâce devant le chef des eunuques.
9. Dia nataon' Andriamanitra nahita fitia sy famindrampo tamin' ilay lehiben' ny ionoka Daniela.
10. And the prince of the eunuchs said unto Daniel, I fear my lord the king, who hath appointed your meat and your drink: for why should he see your faces worse liking than the children which are of your sort? then shall ye make me endanger my head to the king.
10. "Le chef des eunuques dit à Daniel: Je crains mon seigneur le roi, qui a fixé ce que vous devez manger et boire; car pourquoi verrait-il votre visage plus abattu que celui des jeunes gens de votre âge? Vous exposeriez ma tête auprès du roi."
10. "Ary hoy ilay lehiben' ny ionoka tamin' i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an' ny zazalahy namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin' ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?"
11. Then said Daniel to Melzar, whom the prince of the eunuchs had set over Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah,
11. Alors Daniel dit à l`intendant à qui le chef des eunuques avait remis la surveillance de Daniel, de Hanania, de Mischaël et d`Azaria:
11. Dia hoy Daniela tamin' i Melzara, izay notendren' ny lehiben' ny ionoka ho mpiadidy an' i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12. Prove thy servants, I beseech thee, ten days; and let them give us pulse to eat, and water to drink.
12. "Éprouve tes serviteurs pendant dix jours, et qu`on nous donne des légumes à manger et de l`eau à boire;"
12. Masìna ianao, izahao toetra hafoloana ny mpanomponao, ary aoka izahay homena legioma hohaninay sy rano hosotroinay.
13. Then let our countenances be looked upon before thee, and the countenance of the children that eat of the portion of the king's meat: and as thou seest, deal with thy servants.
13. tu regarderas ensuite notre visage et celui des jeunes gens qui mangent les mets du roi, et tu agiras avec tes serviteurs d`après ce que tu auras vu.
13. Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin' ny zazalahy izay mihinana ny anjara avy amin' ny hanin' ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin' ny mpanomponao.
14. So he consented to them in this matter, and proved them ten days.
14. Il leur accorda ce qu`ils demandaient, et les éprouva pendant dix jours.
14. Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15. And at the end of ten days their countenances appeared fairer and fatter in flesh than all the children which did eat the portion of the king's meat.
15. Au bout de dix jours, ils avaient meilleur visage et plus d`embonpoint que tous les jeunes gens qui mangeaient les mets du roi.
15. Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an' ny zazalahy rehetra izay nihinana anjara avy tamin' ny hanin' ny mpanjaka.
16. Thus Melzar took away the portion of their meat, and the wine that they should drink; and gave them pulse.
16. L`intendant emportait les mets et le vin qui leur étaient destinés, et il leur donnait des légumes.
16. Dia najanon' i Melzara ny anjara haniny sy ny divay tokony hosotroiny ka legioma no nomeny azy.
17. As for these four children, God gave them knowledge and skill in all learning and wisdom: and Daniel had understanding in all visions and dreams.
17. "Dieu accorda à ces quatre jeunes gens de la science, de l`intelligence dans toutes les lettres, et de la sagesse; et Daniel expliquait toutes les visions et tous les songes."
17. "Ary ireo zazalahy efatra ireo dia nomen' Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin' ny fianarana sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin' ny fahitana sy ny nofy rehetra."
18. Now at the end of the days that the king had said he should bring them in, then the prince of the eunuchs brought them in before Nebuchadnezzar.
18. Au terme fixé par le roi pour qu`on les lui amenât, le chef des eunuques les présenta à Nebucadnetsar.
18. Ary nony tonga ny faran' ny andro nasain' ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin' ilay lehiben' ny ionoka niditra teo anatrehan' i Nebokadnezara izy ireo.
19. And the king communed with them; and among them all was found none like Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah: therefore stood they before the king.
19. "Le roi s`entretint avec eux; et, parmi tous ces jeunes gens, il ne s`en trouva aucun comme Daniel, Hanania, Mischaël et Azaria. Ils furent donc admis au service du roi."
19. Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an' i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin' izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan' ny mpanjaka izy ireo.
20. And in all matters of wisdom and understanding, that the king enquired of them, he found them ten times better than all the magicians and astrologers that were in all his realm.
20. Sur tous les objets qui réclamaient de la sagesse et de l`intelligence, et sur lesquels le roi les interrogeait, il les trouvait dix fois supérieurs à tous les magiciens et astrologues qui étaient dans tout son royaume.
20. Ary ny amin' ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian' ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanantombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin' ny fanjakany rehetra aza izy ireo.
21. And Daniel continued even unto the first year of king Cyrus.
21. Ainsi fut Daniel jusqu`à la première année du roi Cyrus.
21. Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan' i Kyrosy mpanjaka.