The River From the Temple

1. Afterward he brought me again unto the door of the house; and, behold, waters issued out from under the threshold of the house eastward: for the forefront of the house stood toward the east, and the waters came down from under from the right side of the house, at the south side of the altar.
1. "Il me ramena vers la porte de la maison. Et voici, de l`eau sortait sous le seuil de la maison, à l`orient, car la face de la maison était à l`orient; l`eau descendait sous le côté droit de la maison, au midi de l`autel."
1. "Taorian' izany dia nentiny niverina ho eo amin' ny varavaran' ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin' ny tokonan' ny trano fa manatrika ny atsinanana ny trano ary ny rano nidina avy teo ambanin' ny lafiny ankavanan' ny trano teo atsimon' ny alitara."
2. Then brought he me out of the way of the gate northward, and led me about the way without unto the utter gate by the way that looketh eastward; and, behold, there ran out waters on the right side.
2. Il me conduisit par le chemin de la porte septentrionale, et il me fit faire le tour par dehors jusqu`à l`extérieur de la porte orientale. Et voici, l`eau coulait du côté droit.
2. Dia nentiny nivoaka tamin' ny lalana mankamin' ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin' ny lalana ivelany hankany amin' ny vavahady ivelany, dia teo amin' ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin' ny ilany ankavanana.
3. And when the man that had the line in his hand went forth eastward, he measured a thousand cubits, and he brought me through the waters; the waters were to the ankles.
3. "Lorsque l`homme s`avança vers l`orient, il avait dans la main un cordeau, et il mesura mille coudées; il me fit traverser l`eau, et j`avais de l`eau jusqu`aux chevilles."
3. Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tanany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho ka hakitrokely ny rano.
4. Again he measured a thousand, and brought me through the waters; the waters were to the knees. Again he measured a thousand, and brought me through; the waters were to the loins.
4. Il mesura encore mille coudées, et me fit traverser l`eau, et j`avais de l`eau jusqu`aux genoux. Il mesura encore mille coudées, et me fit traverser, et j`avais de l`eau jusqu`aux reins.
4. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
5. Afterward he measured a thousand; and it was a river that I could not pass over: for the waters were risen, waters to swim in, a river that could not be passed over.
5. "Il mesura encore mille coudées; c`était un torrent que je ne pouvais traverser, car l`eau était si profonde qu`il fallait y nager; c`était un torrent qu`on ne pouvait traverser."
5. Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
6. And he said unto me, Son of man, hast thou seen this? Then he brought me, and caused me to return to the brink of the river.
6. Il me dit: As-tu vu, fils de l`homme? Et il me ramena au bord du torrent.
6. Dia hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron' ny ony izy.
7. Now when I had returned, behold, at the bank of the river were very many trees on the one side and on the other.
7. Quand il m`eut ramené, voici, il y avait sur le bord du torrent beaucoup d`arbres de chaque côté.
7. Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron' ny ony, dia teny an-daniny roa.
8. Then said he unto me, These waters issue out toward the east country, and go down into the desert, and go into the sea: which being brought forth into the sea, the waters shall be healed.
8. "Il me dit: Cette eau coulera vers le district oriental, descendra dans la plaine, et entrera dans la mer; lorsqu`elle se sera jetée dans la mer, les eaux de la mer deviendront saines."
8. "Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin' ny tany atsinanana, dia midina any amin' ny tani-hay ka miditra eo amin' ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia ho sitrana ny rano."
9. And it shall come to pass, that every thing that liveth, which moveth, whithersoever the rivers shall come, shall live: and there shall be a very great multitude of fish, because these waters shall come thither: for they shall be healed; and every thing shall live whither the river cometh.
9. "Tout être vivant qui se meut vivra partout où le torrent coulera, et il y aura une grande quantité de poissons; car là où cette eau arrivera, les eaux deviendront saines, et tout vivra partout où parviendra le torrent."
9. "Ary izao no hiseho, ny zava-manan' aina rehetra izay mihetsika na aiza na aiza alehan' ny ony dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa ho tonga ao ity rano ity, ka ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran' ny ony."
10. And it shall come to pass, that the fishers shall stand upon it from Engedi even unto Eneglaim; they shall be a place to spread forth nets; their fish shall be according to their kinds, as the fish of the great sea, exceeding many.
10. "Des pêcheurs se tiendront sur ses bords; depuis En Guédi jusqu`à En Églaïm, on étendra les filets; il y aura des poissons de diverses espèces, comme les poissons de la grande mer, et ils seront très nombreux."
10. "Ary izao no hiseho, ny mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima, ho toerana famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin' ny Ranomasina Lehibe."
11. But the miry places thereof and the marishes thereof shall not be healed; they shall be given to salt.
11. Ses marais et ses fosses ne seront point assainis, ils seront abandonnés au sel.
11. Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
12. And by the river upon the bank thereof, on this side and on that side, shall grow all trees for meat, whose leaf shall not fade, neither shall the fruit thereof be consumed: it shall bring forth new fruit according to his months, because their waters they issued out of the sanctuary: and the fruit thereof shall be for meat, and the leaf thereof for medicine.
12. Sur le torrent, sur ses bords de chaque côté, croîtront toutes sortes d`arbres fruitiers. Leur feuillage ne se flétrira point, et leurs fruits n`auront point de fin, ils mûriront tous les mois, parce que les eaux sortiront du sanctuaire. Leurs fruits serviront de nourriture, et leurs feuilles de remède.
12. "Ary eny amoron' ny ony, eny an-daniny roa, no anirian' ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny na ho lany ny voany, fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin' ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany sady ho fanafody ny raviny."

The Boundaries of the Land

13. Thus saith the Lord GOD; This shall be the border, whereby ye shall inherit the land according to the twelve tribes of Israel: Joseph shall have two portions.
13. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici les limites du pays que vous distribuerez en héritage aux douze tribus d`Israël. Joseph aura deux parts.
13. "Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Izao no ho faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny fokon' Isiraely roa ambin' ny folo; anjaran-droa no ho an' i Josefa."
14. And ye shall inherit it, one as well as another: concerning the which I lifted up mine hand to give it unto your fathers: and this land shall fall unto you for inheritance.
14. "Vous en aurez la possession l`un comme l`autre; car j`ai juré, la main levée, de le donner à vos pères. Ce pays vous tombera donc en partage."
14. Ary samy handova avokoa ianareo rehetra satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an' ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
15. And this shall be the border of the land toward the north side, from the great sea, the way of Hethlon, as men go to Zedad;
15. Voici les limites du pays. Du côté septentrional, depuis la grande mer, le chemin de Hethlon jusqu`à Tsedad,
15. Ary izao no ho faritry ny tany: ny lafiny avaratra dia hatramin' ny Ranomasina Lehibe amin' ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin' i Zedada,
16. Hamath, Berothah, Sibraim, which is between the border of Damascus and the border of Hamath; Hazarhatticon, which is by the coast of Hauran.
16. "Hamath, Bérotha, Sibraïm, entre la frontière de Damas et la frontière de Hamath, Hatzer Hatthicon, vers la frontière de Havran;"
16. Dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan' ny fari-tanin' i Damaskosy sy ny fari-tanin' i Hamata, Hazara afovoany izay eo an-tsisin' i Haorana.
17. And the border from the sea shall be Hazarenan, the border of Damascus, and the north northward, and the border of Hamath. And this is the north side.
17. ainsi la limite sera, depuis la mer, Hatsar Énon, la frontière de Damas, Tsaphon au nord, et la frontière de Hamath: ce sera le côté septentrional.
17. Ary ny fari-taniny dia hatramin' ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin' i Damaskosy, ary amin' ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18. And the east side ye shall measure from Hauran, and from Damascus, and from Gilead, and from the land of Israel by Jordan, from the border unto the east sea. And this is the east side.
18. "Le côté oriental sera le Jourdain, entre Havran, Damas et Galaad, et le pays d`Israël; vous mesurerez depuis la limite septentrionale jusqu`à la mer orientale: ce sera le côté oriental."
18. "Ary ny lafiny atsinanana dia ho refesinareo hatrany anelanelan' i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin' ny Isiraely dia Jordana; hatramin' ny fari-tany ka hatreo amoron' ny ranomasina atsinanana no horefesinareo.Izany no lafiny atsinanana."
19. And the south side southward, from Tamar even to the waters of strife in Kadesh, the river to the great sea. And this is the south side southward.
19. Le côté méridional, au midi, ira depuis Thamar jusqu`aux eaux de Meriba à Kadès, jusqu`au torrent vers la grande mer: ce sera le côté méridional.
19. Ary ny lafiny atsimo mianatsimo dia hatrany Tamara ka hatramin' ny ranon' ny fifandirana any Kadesy, ny renirano ka hatramin' ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo mianatsimo.
20. The west side also shall be the great sea from the border, till a man come over against Hamath. This is the west side.
20. Le côté occidental sera la grande mer, depuis la limite jusque vis-à-vis de Hamath: ce sera le côté occidental.
20. Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin' ny fari-tany ka mandra-pahatonga akaikin' i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
21. So shall ye divide this land unto you according to the tribes of Israel.
21. Vous partagerez ce pays entre vous, selon les tribus d`Israël.
21. Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny fokon' Isiraely.
22. And it shall come to pass, that ye shall divide it by lot for an inheritance unto you, and to the strangers that sojourn among you, which shall beget children among you: and they shall be unto you as born in the country among the children of Israel; they shall have inheritance with you among the tribes of Israel.
22. "Vous le diviserez en héritage par le sort pour vous et pour les étrangers qui séjourneront au milieu de vous, qui engendreront des enfants au milieu de vous; vous les regarderez comme indigènes parmi les enfants d`Israël; ils partageront au sort l`héritage avec vous parmi les tribus d`Israël."
22. "Ary izao no hiseho, amin' ny an-tsapaka no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay hiteraka ao aminareo ka izy dia hataonareo ho tahaka ny teraka tao an-tanàna teo amin' ny Zanak' Isiraely; hiara-mandova aminareo eo amin' ny fokon' Isiraely."
23. And it shall come to pass, that in what tribe the stranger sojourneth, there shall ye give him his inheritance, saith the Lord GOD.
23. Vous donnerez à l`étranger son héritage dans la tribu où il séjournera, dit le Seigneur, l`Éternel.
23. Ary izao no hiseho, amin' ny foko hitoeran' ny vahiny, dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Andriamanitra.
<
>