The Prince, the Levites, the Priests
1. Then he brought me back the way of the gate of the outward sanctuary which looketh toward the east; and it was shut.
1. Il me ramena vers la porte extérieure du sanctuaire, du côté de l`orient. Mais elle était fermée.
1. "Dia nentiny niverina aho tamin' ny lalana mankamin' ny vavahady ivelany amin' ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io."
2. Then said the LORD unto me; This gate shall be shut, it shall not be opened, and no man shall enter in by it; because the LORD, the God of Israel, hath entered in by it, therefore it shall be shut.
2. "Et l`Éternel me dit: Cette porte sera fermée, elle ne s`ouvrira point, et personne n`y passera; car l`Éternel, le Dieu d`Israël est entré par là. Elle restera fermée."
2. "Dia hoy Jehovah tamiko: ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran' olona; fa efa nidiran' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely io ka izany no hirindrinany."
3. It is for the prince; the prince, he shall sit in it to eat bread before the LORD; he shall enter by the way of the porch of that gate, and shall go out by the way of the same.
3. "Pour ce qui concerne le prince, le prince pourra s`y asseoir, pour manger le pain devant l`Éternel; il entrera par le chemin du vestibule de la porte, et il sortira par le même chemin."
3. "Kanefa kosa ho an' ny mpanjaka izany; ary ny mpanapaka no hipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan' i Jehovah; amin' ny lalana mankamin' ny lavarangan' ny vavahady no hidirany, ary amin' ny lalana nalehany ihany no hivoahany."
4. Then brought he me the way of the north gate before the house: and I looked, and, behold, the glory of the LORD filled the house of the LORD: and I fell upon my face.
4. Il me conduisit vers la porte du septentrion, devant la maison. Je regardai, et voici, la gloire de l`Éternel remplissait la maison de l`Éternel. Et je tombai sur ma face.
4. "Dia nentiny nankamin' ny vavahady avaratra ho eo anoloan' ny trano koa aho, dia hitako fa indro, ny voninahitr' i Jehovah dia nameno ny tranon' i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho."
5. And the LORD said unto me, Son of man, mark well, and behold with thine eyes, and hear with thine ears all that I say unto thee concerning all the ordinances of the house of the LORD, and all the laws thereof; and mark well the entering in of the house, with every going forth of the sanctuary.
5. "L`Éternel me dit: Fils de l`homme, sois attentif, et regarde de tes yeux! Écoute de tes oreilles tout ce que je te dirai au sujet de toutes les ordonnances de la maison de l`Éternel et de toutes ses lois; considère attentivement l`entrée de la maison et toutes les issues du sanctuaire."
5. "Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak' olona, mandiniha tsara ka mijere amin' ny masonao ary aoka hohenoin' ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin' ny didy sy ny lalàna rehetra amin' ny tranon' i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin' ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin' ny fitoerana masina."
6. And thou shalt say to the rebellious, even to the house of Israel, Thus saith the Lord GOD; O ye house of Israel, let it suffice you of all your abominations,
6. Tu diras aux rebelles, à la maison d`Israël: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Assez de toutes vos abominations, maison d`Israël!
6. Ary lazao amin' ireo mpiodina, dia ny taranak' Isiraely, hoe: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Aoka izay ny fahavetavetanareo rehetra, ry taranak' Isiraely!
7. In that ye have brought into my sanctuary strangers, uncircumcised in heart, and uncircumcised in flesh, to be in my sanctuary, to pollute it, even my house, when ye offer my bread, the fat and the blood, and they have broken my covenant because of all your abominations.
7. "Vous avez introduit dans mon sanctuaire des étrangers incirconcis de coeur et incirconcis de chair, pour profaner ma maison; vous avez offert mon pain, la graisse et le sang à toutes vos abominations, vous avez rompu mon alliance."
7. Dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo sy tsy mifora nofo hitoetra ao amin' ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin' ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny ra, ka dia nivadika ny fanekeko ireo noho ny fahavetavetanareo rehetra.
8. And ye have not kept the charge of mine holy things: but ye have set keepers of my charge in my sanctuary for yourselves.
8. Vous n`avez pas fait le service de mon sanctuaire, mais vous les avez mis à votre place pour faire le service dans mon sanctuaire.
8. Ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin' ny zavatro masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin' ny fitoerako masina hisolo anareo.
9. Thus saith the Lord GOD; No stranger, uncircumcised in heart, nor uncircumcised in flesh, shall enter into my sanctuary, of any stranger that is among the children of Israel.
9. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Aucun étranger, incirconcis de coeur et incirconcis de chair, n`entrera dans mon sanctuaire, aucun des étrangers qui seront au milieu des enfants d`Israël.
9. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Ny vahiny tsy mifora fo sy tsy mifora nofo rehetra sy izay vahiny ao amin' ny Zanak' Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin' ny fitoerako masina.
10. And the Levites that are gone away far from me, when Israel went astray, which went astray away from me after their idols; they shall even bear their iniquity.
10. De plus, les Lévites qui se sont éloignés de moi, quand Israël s`égarait et se détournait de moi pour suivre ses idoles, porteront la peine de leur iniquité.
10. Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin' ny nivilian' ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11. Yet they shall be ministers in my sanctuary, having charge at the gates of the house, and ministering to the house: they shall slay the burnt offering and the sacrifice for the people, and they shall stand before them to minister unto them.
11. "Ils seront dans mon sanctuaire comme serviteurs, ils auront la garde des portes de la maison; et feront le service de la maison; ils égorgeront pour le peuple les victimes destinées aux holocaustes et aux autres sacrifices, et ils se tiendront devant lui pour être à son service."
11. "Nefa mbola ho mpanao asa fanompoana ao amin' ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin' ny vavahadin' ny tempoly; hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra ho an' ny olona izy ary hitoetra eo anatrehany hanao ny asa fanompoana ho azy."
12. Because they ministered unto them before their idols, and caused the house of Israel to fall into iniquity; therefore have I lifted up mine hand against them, saith the Lord GOD, and they shall bear their iniquity.
12. Parce qu`ils l`ont servi devant ses idoles, et qu`ils ont fait tomber dans le péché la maison d`Israël, je lève ma main sur eux, dit le Seigneur, l`Éternel, pour qu`ils portent la peine de leur iniquité.
12. "Satria nanao asa fanompoana ho azy teo anatrehan' ny sampiny izy ka nahatonga ny taranak' Isiraely ho lavon-keloka; dia izany no nananganako tanana hamely azy fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Andriamanitra."
13. And they shall not come near unto me, to do the office of a priest unto me, nor to come near to any of my holy things, in the most holy place: but they shall bear their shame, and their abominations which they have committed.
13. "Ils ne s`approcheront pas de moi pour être à mon service dans le sacerdoce, ils ne s`approcheront pas de mes sanctuaires, de mes lieux très saints; ils porteront la peine de leur ignominie et des abominations qu`ils ont commises."
13. "Ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, ao amin' ny toerana masina indrindra; fa hitambesaran' ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy."
14. But I will make them keepers of the charge of the house, for all the service thereof, and for all that shall be done therein.
14. Je leur donnerai la garde de la maison, et ils en feront tout le service et tout ce qui doit s`y faire.
14. Fa hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin' ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra hatao ao.
15. But the priests the Levites, the sons of Zadok, that kept the charge of my sanctuary when the children of Israel went astray from me, they shall come near to me to minister unto me, and they shall stand before me to offer unto me the fat and the blood, saith the Lord GOD:
15. Mais les sacrificateurs, les Lévites, fils de Tsadok, qui ont fait le service de mon sanctuaire quand les enfants d`Israël s`égaraient loin de moi, ceux-là s`approcheront de moi pour me servir, et se tiendront devant moi pour m`offrir la graisse et le sang, dit le Seigneur, l`Éternel.
15. "Fa ny Levita mpisorona, taranak' i Zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara raharaha ny amin' ny fitoerako masina, fony niala tamiko ny Zanak' Isiraely, dia izy no hanatona Ahy hanao asa fanompoana eo Amiko, ary hitsangana eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny ra, hoy Jehovah Andriamanitra;"
16. They shall enter into my sanctuary, and they shall come near to my table, to minister unto me, and they shall keep my charge.
16. Ils entreront dans mon sanctuaire, ils s`approcheront de ma table pour me servir, ils seront à mon service.
16. Hiditra eo amin' ny fitoerako masina izy sy hanatona ny latabatro hanao ny asa fanompoana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17. And it shall come to pass, that when they enter in at the gates of the inner court, they shall be clothed with linen garments; and no wool shall come upon them, whiles they minister in the gates of the inner court, and within.
17. "Lorsqu`ils franchiront les portes du parvis intérieur, ils revêtiront des habits de lin; ils n`auront sur eux rien qui soit en laine, quand ils feront le service aux portes du parvis intérieur et dans la maison."
17. Ary izao no hiseho, raha miditra amin' ny vavahadin' ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy fa tsy hisy volon' ondry eny aminy raha manao ny asa fanompoana ao am-bavahadin' ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18. They shall have linen bonnets upon their heads, and shall have linen breeches upon their loins; they shall not gird themselves with any thing that causeth sweat.
18. "Ils auront des tiares de lin sur la tête, et des caleçons de lin sur leurs reins; ils ne se ceindront point de manière à exciter la sueur."
18. Satroka rongony no ho eo an-dohany ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
19. And when they go forth into the utter court, even into the utter court to the people, they shall put off their garments wherein they ministered, and lay them in the holy chambers, and they shall put on other garments; and they shall not sanctify the people with their garments.
19. "Lorsqu`ils sortiront pour aller dans le parvis extérieur, dans le parvis extérieur vers le peuple, ils ôteront les vêtements avec lesquels ils font le service, et les déposeront dans les chambres du sanctuaire; ils en mettront d`autres, afin de ne pas sanctifier le peuple par leurs vêtements."
19. Ary raha mivoaka ho any amin' ny kianja ivelany hankany amin' ny olona izy, dia hoesoriny ilay fitafiana nentiny nanao ny asa fanompoana ka havelany ao amin' ny efitrano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy fa tsy hahamasina ny olona amin' ny fitafiany.
20. Neither shall they shave their heads, nor suffer their locks to grow long; they shall only poll their heads.
20. "Ils ne se raseront pas la tête, et ne laisseront pas non plus croître leurs cheveux; mais ils devront couper leur chevelure."
20. Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo fa hataony tsara hety.
21. Neither shall any priest drink wine, when they enter into the inner court.
21. Aucun sacrificateur ne boira du vin lorsqu`il entrera dans le parvis intérieur.
21. Tsy hisy mpisorona hisotro divay raha miditra any amin' ny kianja anatiny izy.
22. Neither shall they take for their wives a widow, nor her that is put away: but they shall take maidens of the seed of the house of Israel, or a widow that had a priest before.
22. "Ils ne prendront pour femme ni une veuve, ni une femme répudiée, mais ils prendront des vierges de la race de la maison d`Israël; ils pourront aussi prendre la veuve d`un sacrificateur."
22. Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy, fa virijina avy amin' ny taranak' Isiraely na izay novinadin' ny mpisorona efa maty, no ho vadiny.
23. And they shall teach my people the difference between the holy and profane, and cause them to discern between the unclean and the clean.
23. Ils enseigneront à mon peuple à distinguer ce qui est saint de ce qui est profane, ils lui feront connaître la différence entre ce qui est impur et ce qui est pur.
23. Ary hampianatra ny oloko ny tsy fitovian' ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsy fitovian' ny tsy madio sy ny madio.
24. And in controversy they shall stand in judgment; and they shall judge it according to my judgments: and they shall keep my laws and my statutes in all mine assemblies; and they shall hallow my sabbaths.
24. Ils seront juges dans les contestations, et ils jugeront d`après mes lois. Ils observeront aussi mes lois et mes ordonnances dans toutes mes fêtes, et ils sanctifieront mes sabbats.
24. "Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin' ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko ary ireo sabatako dia hohamasininy."
25. And they shall come at no dead person to defile themselves: but for father, or for mother, or for son, or for daughter, for brother, or for sister that hath had no husband, they may defile themselves.
25. "Un sacrificateur n`ira pas vers un mort, de peur de se rendre impur; il ne pourra se rendre impur que pour un père, pour une mère, pour un fils, pour une fille, pour un frère, et pour une soeur qui n`était pas mariée."
25. Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny, kanefa raha rainy, na reniny, na zanany lahy, na zanany vavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manambady dia mahazo mandoto ny tenany ihany izy.
26. And after he is cleansed, they shall reckon unto him seven days.
26. Après sa purification, on lui comptera sept jours.
26. Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
27. And in the day that he goeth into the sanctuary, unto the inner court, to minister in the sanctuary, he shall offer his sin offering, saith the Lord GOD.
27. Le jour où il entrera dans le sanctuaire, dans le parvis intérieur, pour faire le service dans le sanctuaire, il offrira son sacrifice d`expiation, dit le Seigneur, l`Éternel.
27. Ary amin' ny andro hidirany ao amin' ny fitoerana masina, dia any amin' ny kianja anatiny, hanao asa fanompoana ao amin' ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatitra noho ny ota izy, hoy Jehovah Andriamanitra.
28. And it shall be unto them for an inheritance: I am their inheritance: and ye shall give them no possession in Israel: I am their possession.
28. Voici l`héritage qu`ils auront: c`est moi qui serai leur héritage. Vous ne leur donnerez point de possession en Israël: je serai leur possession.
28. "Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin' ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany."
29. They shall eat the meat offering, and the sin offering, and the trespass offering: and every dedicated thing in Israel shall be theirs.
29. "Ils se nourriront des offrandes, des sacrifices d`expiation et de culpabilité; et tout ce qui sera dévoué par interdit en Israël sera pour eux."
29. "Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin' ny Isiraely dia ho azy koa."
30. And the first of all the firstfruits of all things, and every oblation of all, of every sort of your oblations, shall be the priest's: ye shall also give unto the priest the first of your dough, that he may cause the blessing to rest in thine house.
30. "Les prémices de tous les fruits, et toutes les offrandes que vous présenterez par élévation, appartiendront aux sacrificateurs; vous donnerez aux sacrificateurs les prémices de votre pâte, afin que la bénédiction repose sur votre maison."
30. "Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin' ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin' ny zavatra atao fanatitra dia ho an' ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa mba hampitoerany fitahiana ao an-tranonao."
31. The priests shall not eat of any thing that is dead of itself, or torn, whether it be fowl or beast.
31. Les sacrificateurs ne mangeront d`aucun oiseau et d`aucun animal mort ou déchiré.
31. Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby dia samy tsy hohanin' ny mpisorona.