1. Afterward he brought me to the temple, and measured the posts, six cubits broad on the one side, and six cubits broad on the other side, which was the breadth of the tabernacle.
1. "Il me conduisit dans le temple. Il mesura les poteaux; il y avait six coudées de largeur d`un côté, et six coudées de largeur de l`autre, largeur de la tente."
1. "Ary nentiny ho ao amin' ny tempoly aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin' ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin' ny lafiny iray; sakan' ny tranolay izany."
2. And the breadth of the door was ten cubits; and the sides of the door were five cubits on the one side, and five cubits on the other side: and he measured the length thereof, forty cubits: and the breadth, twenty cubits.
2. "La largeur de la porte était de dix coudées; il y avait cinq coudées d`un côté de la porte, et cinq coudées de l`autre. Il mesura la longueur du temple, quarante coudées, et la largeur, vingt coudées."
2. "Ary ny sakan' ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin' ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany ka efapolo hakiho ary ny sakany roapolo."
3. Then went he inward, and measured the post of the door, two cubits; and the door, six cubits; and the breadth of the door, seven cubits.
3. Puis il entra dans l`intérieur. Il mesura les poteaux de la porte, deux coudées, la porte, six coudées, et la largeur de la porte, sept coudées.
3. Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy, ary norefesiny ny tongo-bato eo an-danin' ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho ary ny sakan' ny varavarana fito hakiho.
4. So he measured the length thereof, twenty cubits; and the breadth, twenty cubits, before the temple: and he said unto me, This is the most holy place.
4. "Il mesura une longueur de vingt coudées, et une largeur de vingt coudées, sur le devant du temple; et il me dit: C`est ici le lieu très saint."
4. "Dia norefesiny ny lavany, ka roapolo hakiho ary ny sakany roapolo hakiho teo anoloan' ny tempoly; dia hoy izy tamiko: io no fitoerana masina indrindra."
5. After he measured the wall of the house, six cubits; and the breadth of every side chamber, four cubits, round about the house on every side.
5. Il mesura le mur de la maison, six coudées, et la largeur des chambres latérales tout autour de la maison, quatre coudées.
5. Ary samy norefesiny manodidina ka ny hatevin' ny rindrin' ny trano dia enina hakiho ary ny sakan' ny paosin-trano dia efatra hakiho.
6. And the side chambers were three, one over another, and thirty in order; and they entered into the wall which was of the house for the side chambers round about, that they might have hold, but they had not hold in the wall of the house.
6. "Les chambres latérales étaient les unes à côté des autres, au nombre de trente, et il y avait trois étages; elles entraient dans un mur construit pour ces chambres tout autour de la maison, elles y étaient appuyées sans entrer dans le mur même de la maison."
6. "Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telopolo milahatra; ary niankina tamin' ny rindrin-trano izay ho an' ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin' ny rindrin' ny trano."
7. And there was an enlarging, and a winding about still upward to the side chambers: for the winding about of the house went still upward round about the house: therefore the breadth of the house was still upward, and so increased from the lowest chamber to the highest by the midst.
7. "Les chambres occupaient plus d`espace, à mesure qu`elles s`élevaient, et l`on allait en tournant; car on montait autour de la maison par un escalier tournant. Il y avait ainsi plus d`espace dans le haut de la maison, et l`on montait de l`étage inférieur à l`étage supérieur par celui du milieu."
7. "Ary ny sakan' ireo efitrano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon' ny ambony amin' ny antenatenany dia tahaka ny tombon' ny antenatenany amin' ny ambany."
8. I saw also the height of the house round about: the foundations of the side chambers were a full reed of six great cubits.
8. Je considérai la hauteur autour de la maison. Les chambres latérales, à partir de leur fondement, avaient une canne pleine, six grandes coudées.
8. Dia hitako koa fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan' ny paosin-trano, dia eran' ilay volotara hatramin' ny ifanohizany.
9. The thickness of the wall, which was for the side chamber without, was five cubits: and that which was left was the place of the side chambers that were within.
9. Le mur extérieur des chambres latérales avait une épaisseur de cinq coudées. L`espace libre entre les chambres latérales de la maison
9. "Ny hatevin' ny rindrina ivelany amin' ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary ohatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano."
10. And between the chambers was the wideness of twenty cubits round about the house on every side.
10. et les chambres autour de la maison, avait une largeur de vingt coudées, tout autour.
10. Ary ny teo anelanelan' ny efitrano dia roapolo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
11. And the doors of the side chambers were toward the place that was left, one door toward the north, and another door toward the south: and the breadth of the place that was left was five cubits round about.
11. "L`entrée des chambres latérales donnait sur l`espace libre, une entrée au septentrion, et une entrée au midi; et la largeur de l`espace libre était de cinq coudées tout autour."
11. "Ary ny varavaran' ny paosin-trano dia mankao amin' ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan' ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina."
12. Now the building that was before the separate place at the end toward the west was seventy cubits broad; and the wall of the building was five cubits thick round about, and the length thereof ninety cubits.
12. Le bâtiment qui était devant la place vide, du côté de l`occident, avait une largeur de soixante-dix coudées, un mur de cinq coudées d`épaisseur tout autour, et une longueur de quatre-vingt-dix coudées.
12. "Ary ny trano izay teo anoloan' ilay kianja voatokana tamin' ny lafiny andrefana dia fitopolo hakiho ny sakany; ary ny rindrin' ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin' ny manodidina ary sivifolo hakiho ny lavany."
13. So he measured the house, an hundred cubits long; and the separate place, and the building, with the walls thereof, an hundred cubits long;
13. Il mesura la maison, qui avait cent coudées de longueur. La place vide, le bâtiment et ses murs, avaient une longueur de cent coudées.
13. Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
14. Also the breadth of the face of the house, and of the separate place toward the east, an hundred cubits.
14. La largeur de la face de la maison et de la place vide, du côté de l`orient, était de cent coudées.
14. Ary ny sakan' ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
15. And he measured the length of the building over against the separate place which was behind it, and the galleries thereof on the one side and on the other side, an hundred cubits, with the inner temple, and the porches of the court;
15. Il mesura la longueur du bâtiment devant la place vide, sur le derrière, et ses galeries de chaque côté: il y avait cent coudées.
15. "Dia norefesiny ny lavan' ny trano teo anoloan' ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalantsarany teo an-daniny roa ka zato hakiho.Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin' ny kianja;"
16. The door posts, and the narrow windows, and the galleries round about on their three stories, over against the door, cieled with wood round about, and from the ground up to the windows, and the windows were covered;
16. Le temple intérieur, les vestibules extérieurs, les seuils, les fenêtres grillées, les galeries du pourtour aux trois étages, en face des seuils, étaient recouverts de bois tout autour. Depuis le sol jusqu`aux fenêtres fermées,
16. Ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin' izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin' ny tany ka hatramin' ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
17. To that above the door, even unto the inner house, and without, and by all the wall round about within and without, by measure.
17. jusqu`au-dessus de la porte, le dedans de la maison, le dehors, toute la muraille du pourtour, à l`intérieur et à l`extérieur, tout était d`après la mesure,
17. Ary ny eo ambonin' ny varavarana, na amin' ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin' ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, dia samy natao tamin' ny refy avokoa.
18. And it was made with cherubims and palm trees, so that a palm tree was between a cherub and a cherub; and every cherub had two faces;
18. et orné de chérubins et de palmes. Il y avait une palme entre deux chérubins. Chaque chérubin avait deux visages,
18. Ary nisy sarin' ny kerobima sy ny hazo palma natao, ka ny sarin' ny hazo palma dia teo anelanelan' ny kerobima, dia samy nanana tarehy roa avy,
19. So that the face of a man was toward the palm tree on the one side, and the face of a young lion toward the palm tree on the other side: it was made through all the house round about.
19. "une face d`homme tournée d`un côté vers la palme, et une face de lion tournée de l`autre côté vers l`autre palme; il en était ainsi tout autour de la maison."
19. "Ka ny tarehin' olona no nanatrika ny hazo palma tamin' ny ankilany iray ary ny tarehin-diona kosa no nanatrika ny hazo palma ankilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra."
20. From the ground unto above the door were cherubims and palm trees made, and on the wall of the temple.
20. Depuis le sol jusqu`au-dessus de la porte, il y avait des chérubins et des palmes, et aussi sur la muraille du temple.
20. Hatramin' ny tany ka hatrany ambonin' ny varavarana no nasiana sarin' ny kerobima sy ny hazo palma, dia teo amin' ny rindrin' ny tempoly.
21. The posts of the temple were squared, and the face of the sanctuary; the appearance of the one as the appearance of the other.
21. Les poteaux du temple étaient carrés, et la face du sanctuaire avait le même aspect.
21. Efa-joro ny tolànan' ny tempoly, ary ny anoloana amin' ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin' izany koa.
22. The altar of wood was three cubits high, and the length thereof two cubits; and the corners thereof, and the length thereof, and the walls thereof, were of wood: and he said unto me, This is the table that is before the LORD.
22. L`autel était de bois, haut de trois coudées, et long de deux coudées. Ses angles, ses pieds, et ses côtés étaient de bois. L`homme me dit: C`est ici la table qui est devant l`Éternel.
22. "Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny haavony ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: io no latabatra izay eo anatrehan' i Jehovah."
23. And the temple and the sanctuary had two doors.
23. Le temple et le sanctuaire avaient deux portes.
23. Ary ny tempoly sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.
24. And the doors had two leaves apiece, two turning leaves; two leaves for the one door, and two leaves for the other door.
24. Il y avait aux portes deux battants, qui tous deux tournaient sur les portes, deux battants pour une porte et deux pour l`autre.
24. Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin' ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin' ny anankiray.
25. And there were made on them, on the doors of the temple, cherubims and palm trees, like as were made upon the walls; and there were thick planks upon the face of the porch without.
25. Des chérubins et des palmes étaient sculptés sur les portes du temple, comme sur les murs. Un entablement en bois était sur le front du vestibule en dehors.
25. "Ary nisy sarin' ny kerobima sy ny hazo palma natao teo amin' ny varavaran' ny tempoly tahaka izay natao teo amin' ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan' ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany."
26. And there were narrow windows and palm trees on the one side and on the other side, on the sides of the porch, and upon the side chambers of the house, and thick planks.
26. Il y avait des fenêtres fermées, et il y avait des palmes de part et d`autre, ainsi qu`aux côtés du vestibule, aux chambres latérales de la maison, et aux entablements.
26. Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin' ny hazo palma teo an-daniny roa, dia teo anilan' ny lavarangana fidirana sy teo amin' ny efitrano momba ny trano ary teo amin' ny tokonana.
<
>