A Lament for Pharaoh
1. And it came to pass in the twelfth year, in the twelfth month, in the first day of the month, that the word of the LORD came unto me, saying,
1. La douzième année, le premier jour du douzième mois, la parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
1. Ary izao no niseho tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana faharoa ambin' ny folo tamin' ny taona faharoa ambin' ny folo, dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
2. Son of man, take up a lamentation for Pharaoh king of Egypt, and say unto him, Thou art like a young lion of the nations, and thou art as a whale in the seas: and thou camest forth with thy rivers, and troubledst the waters with thy feet, and fouledst their rivers.
2. "Fils de l`homme, Prononce une complainte sur Pharaon, roi d`Égypte! Tu lui diras: Tu ressemblais à un lionceau parmi les nations; Tu étais comme un crocodile dans les mers, Tu t`élançais dans tes fleuves, Tu troublais les eaux avec tes pieds, Tu agitais leurs flots."
2. "Ry zanak' olona, manaova hira fahalahelovana ny amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Tahaka ny liona tanora amin' ny firenena ianao, ary tahaka ny trozona any an-dranomasina; dia nitsoriaka teny amin' ny oninao ianao ary nanakobankobana ny rano tamin' ny tongotrao ka nahaloto ny ony."
3. Thus saith the Lord GOD; I will therefore spread out my net over thee with a company of many people; and they shall bring thee up in my net.
3. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: J`étendrai sur toi mon rets, Dans une foule nombreuse de peuples, Et ils te tireront dans mon filet.
3. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: ny olona maro tafatambatra no hoentiko hamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin' ireny amin' ny haratoko ianao,
4. Then will I leave thee upon the land, I will cast thee forth upon the open field, and will cause all the fowls of the heaven to remain upon thee, and I will fill the beasts of the whole earth with thee.
4. "Je te laisserai à terre, Je te jetterai sur la face des champs; Je ferai reposer sur toi tous les oiseaux du ciel, Et je rassasierai de toi les bêtes de toute la terre."
4. Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina eny an-danitra rehetra ary homeko hivokisan' ny biby amin' ny tany rehetra ny tenanao.
5. And I will lay thy flesh upon the mountains, and fill the valleys with thy height.
5. "Je mettrai ta chair sur les montagnes, Et je remplirai les vallées de tes débris;"
5. Ary haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao ary hofenoiko ny haavonao ny lohasaha.
6. I will also water with thy blood the land wherein thou swimmest, even to the mountains; and the rivers shall be full of thee.
6. J`arroserai de ton sang le pays où tu nages, Jusqu`aux montagnes, Et les ravins seront remplis de toi.
6. "Hataoko safotry ny ranao koa ny tany ilomanosanao, eny, hatramin' ny tendrombohitra aza; ary ho feno anao ny ony."
7. And when I shall put thee out, I will cover the heaven, and make the stars thereof dark; I will cover the sun with a cloud, and the moon shall not give her light.
7. Quand je t`éteindrai, je voilerai les cieux Et j`obscurcirai leurs étoiles, Je couvrirai le soleil de nuages, Et la lune ne donnera plus sa lumière.
7. "Ary raha hovonoiko ny fahazavanao dia hosaronako ny lanitra; hohamaiziniko ny kintany; ny masoandro hotakonako rahona ary ny volana tsy hangarahara."
8. All the bright lights of heaven will I make dark over thee, and set darkness upon thy land, saith the Lord GOD.
8. J`obscurcirai à cause de toi tous les luminaires des cieux, Et je répandrai les ténèbres sur ton pays, Dit le Seigneur, l`Éternel.
8. Ny fahazavana rehetra eny amin' ny lanitra dia hohamaiziniko aminao avokoa, ary hosaronako haizina ny taninao, hoy Jehovah Andriamanitra.
9. I will also vex the hearts of many people, when I shall bring thy destruction among the nations, into the countries which thou hast not known.
9. J`affligerai le coeur de beaucoup de peuples, Quand j`annoncerai ta ruine parmi les nations A des pays que tu ne connaissais pas.
9. Hataoko mitebiteby koa ny fon' ny olona maro raha hampandrenesiko ny faharavanao ny firenena maro, dia any amin' ny tany izay tsy fantatrao.
10. Yea, I will make many people amazed at thee, and their kings shall be horribly afraid for thee, when I shall brandish my sword before them; and they shall tremble at every moment, every man for his own life, in the day of thy fall.
10. "Je frapperai de stupeur beaucoup de peuples à cause de toi, Et leurs rois seront saisis d`épouvante à cause de toi, Quand j`agiterai mon épée devant leur face; Ils trembleront à tout instant chacun pour sa vie, Au jour de ta chute."
10. Eny, hataoko talanjona anao ny olona maro, ary hipararetra mafy noho ny aminao ny mpanjakany raha hantsodiko eo imasony ny sabatro ary samy hangovitra lalandava izy amin' ny fanahian' ny tsirairay avy ny ainy raha mby amin' ny andro haharavanao.
11. For thus saith the Lord GOD; The sword of the king of Babylon shall come upon thee.
11. Car ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: L`épée du roi de Babylone fondra sur toi.
11. Fa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: ny sabatry ny mpanjakan' i Babylona dia ho tonga aminao.
12. By the swords of the mighty will I cause thy multitude to fall, the terrible of the nations, all of them: and they shall spoil the pomp of Egypt, and all the multitude thereof shall be destroyed.
12. "Je ferai tomber ta multitude par l`épée de vaillants hommes, Tous les plus violents d`entre les peuples; Ils anéantiront l`orgueil de l`Égypte, Et toute sa multitude sera détruite."
12. Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin' ny firenena, no hoentiko mandavo ny vahoakanao rehetra, dia horavany ny reharehan' i Egypta ka dia ho fongotra ny vahoakany rehetra.
13. I will destroy also all the beasts thereof from beside the great waters; neither shall the foot of man trouble them any more, nor the hoofs of beasts trouble them.
13. "Je ferai périr tout son bétail près des grandes eaux; Le pied de l`homme ne les troublera plus, Le sabot des animaux ne les troublera plus."
13. Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron' ny rano lehibe, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona na handoto azy ny kitron' ny biby fiompy.
14. Then will I make their waters deep, and cause their rivers to run like oil, saith the Lord GOD.
14. Alors je calmerai ses eaux, Et je ferai couler ses fleuves comme l`huile, Dit le Seigneur, l`Éternel
14. Dia hohalaliniko ny ranony ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Andriamanitra.
15. When I shall make the land of Egypt desolate, and the country shall be destitute of that whereof it was full, when I shall smite all them that dwell therein, then shall they know that I am the LORD.
15. Quand je ferai du pays d`Égypte une solitude, Et que le pays sera dépouillé de tout ce qu`il contient, Quand je frapperai tous ceux qui l`habitent, Ils sauront que je suis l`Éternel.
15. Rehefa hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo, rehefa hamely izay rehetra monina ao aminy Aho, dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
16. This is the lamentation wherewith they shall lament her: the daughters of the nations shall lament her: they shall lament for her, even for Egypt, and for all her multitude, saith the Lord GOD.
16. "C`est là une complainte, et on la dira; Les filles des nations diront cette complainte; Elles la prononceront sur l`Égypte et sur toute sa multitude, Dit le Seigneur, l`Éternel."
16. "Izany no hira fahalahelovana hataon' ny olona aminy; ny zanakavavin' ny firenena no hihira izany; eny, ho fahalahelovana an' i Egypta sy ny vahoakany marobe rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Andriamanitra."
17. It came to pass also in the twelfth year, in the fifteenth day of the month, that the word of the LORD came unto me, saying,
17. La douzième année, le quinzième jour du mois, la parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
17. Ary izao no niseho, tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo tamin' ny volana tamin' ny taona faharoa ambin' ny folo dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
18. Son of man, wail for the multitude of Egypt, and cast them down, even her, and the daughters of the famous nations, unto the nether parts of the earth, with them that go down into the pit.
18. Fils de l`homme, Lamente-toi sur la multitude d`Égypte, et précipite-la, Elle et les filles des nations puissantes, Dans les profondeurs de la terre, Avec ceux qui descendent dans la fosse!
18. Ry zanak' olona, isaony ny vahoaka maroben' i Egypta ary ampidino izy mbamin' ny zanakavavin' ny firenena malaza ho any amin' ny fanambanin' ny tany, miaraka amin' izay midina any an-davaka.
19. Whom dost thou pass in beauty? go down, and be thou laid with the uncircumcised.
19. Qui surpasses-tu en beauté? Descends, et couche-toi avec les incirconcis!
19. Mihoatra noho ny an' iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka mandria amin' ny tsy voafora.
20. They shall fall in the midst of them that are slain by the sword: she is delivered to the sword: draw her and all her multitudes.
20. Ils tomberont au milieu de ceux qui sont morts par l`épée. Le glaive est donné: Entraînez l`Égypte et toute sa multitude!
20. "Any amin' ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; voatolotra ho amin' ny sabatra izy; tariho izy mbamin' ny vahoakany marobe rehetra."
21. The strong among the mighty shall speak to him out of the midst of hell with them that help him: they are gone down, they lie uncircumcised, slain by the sword.
21. Les puissants héros lui adresseront la parole Au sein du séjour des morts, Avec ceux qui étaient ses soutiens. Ils sont descendus, ils sont couchés, les incirconcis, Tués par l`épée.
21. Izy sy izay manampy azy no hiresahin' ireo malaza amin' ny lehilahy mahery any amin' ny helo manao hoe: tafidina ireo, miampatra tsy voafora, matin' ny sabatra.
22. Asshur is there and all her company: his graves are about him: all of them slain, fallen by the sword:
22. "Là est l`Assyrien, avec toute sa multitude, Et ses sépulcres sont autour de lui; Tous sont morts, sont tombés par l`épée."
22. "Ao koa Asora mbamin' ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany; maty izy rehetra, samy lavon' ny sabatra."
23. Whose graves are set in the sides of the pit, and her company is round about her grave: all of them slain, fallen by the sword, which caused terror in the land of the living.
23. "Ses sépulcres sont dans les profondeurs de la fosse, Et sa multitude est autour de son sépulcre; Tous sont morts, sont tombés par l`épée; Eux qui répandaient la terreur dans le pays des vivants."
23. "Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany ary ny vahoakany marobe dia manodidina ny fasany; maty izy rehetra, lavon-tsabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin' ny tanin' ny velona."
24. There is Elam and all her multitude round about her grave, all of them slain, fallen by the sword, which are gone down uncircumcised into the nether parts of the earth, which caused their terror in the land of the living; yet have they borne their shame with them that go down to the pit.
24. "Là est Élam, avec toute sa multitude, Autour est son sépulcre; Tous sont morts, sont tombés par l`épée; Ils sont descendus incirconcis dans les profondeurs de la terre, Eux qui répandaient la terreur dans le pays des vivants, Et ils ont porté leur ignominie vers ceux qui descendent dans la fosse."
24. "Ao Elama mbamin' ny vahoakany marobe rehetra manodidina ny fasany; maty izy rehetra, samy lavon-tsabatra, ka tafidina tsy voafora ho any amin' ny fanambanin' ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin' ny tanin' ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin' izay midina any an-davaka izy ireo."
25. They have set her a bed in the midst of the slain with all her multitude: her graves are round about him: all of them uncircumcised, slain by the sword: though their terror was caused in the land of the living, yet have they borne their shame with them that go down to the pit: he is put in the midst of them that be slain.
25. "On a fait sa couche parmi les morts avec toute sa multitude, Et ses sépulcres sont autour de lui; Tous ces incirconcis sont morts par l`épée, Car ils répandaient la terreur dans le pays des vivants, Et ils ont porté leur ignominie vers ceux qui descendent dans la fosse; Ils ont été placés parmi les morts."
25. "Teo amin' ny voavono no nanaovana fandriana ho azy mbamin' ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany, izy rehetra dia tsy voafora sady matin-tsabatra, na dia efa niely tany amin' ny tanin' ny velona aza ny fahatahorana azy, dia samy mitondra henatra miaraka amin' izay midina any an-davaka izy; ao amin' ny voavono no nametrahana azy."
26. There is Meshech, Tubal, and all her multitude: her graves are round about him: all of them uncircumcised, slain by the sword, though they caused their terror in the land of the living.
26. "Là sont Méschec, Tubal, et toute leur multitude, Et leurs sépulcres sont autour d`eux; Tous ces incirconcis sont morts par l`épée, Car ils répandaient la terreur dans le pays des vivants."
26. "Ao koa Meseka, Tobala mbamin' ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany; tsy voafora izy rehetra sady matin-tsabatra, na dia nahatonga ny fahatahorana azy tany amin' ny tanin' ny velona aza izy."
27. And they shall not lie with the mighty that are fallen of the uncircumcised, which are gone down to hell with their weapons of war: and they have laid their swords under their heads, but their iniquities shall be upon their bones, though they were the terror of the mighty in the land of the living.
27. "Ils ne sont pas couchés avec les héros, Ceux qui sont tombés d`entre les incirconcis; Ils sont descendus au séjour des morts avec leurs armes de guerre, Ils ont mis leurs épées sous leurs têtes, Et leurs iniquités ont été sur leurs ossements; Car ils étaient la terreur des héros dans le pays des vivants."
27. "Ary tsy hiara-mandry amin' ny lehilahy mahery izay lavon' ny tsy voafora izy, dia izay tafidina any amin' ny helo mitondra ny fiadiany; nametraka ny sabany teo ambanin' ny lohany izy nefa ny helony ho eo ambonin' ny taolany na dia nampahatahotra ny mahery tany amin' ny tanin' ny velona aza izy."
28. Yea, thou shalt be broken in the midst of the uncircumcised, and shalt lie with them that are slain with the sword.
28. "Toi aussi, tu seras brisé au milieu des incirconcis; Tu seras couché avec ceux qui sont morts par l`épée."
28. Eny, ianao dia haripaka ao amin' ny tsy voafora ka hiara-mandry amin' ny voavonon' ny sabatra.
29. There is Edom, her kings, and all her princes, which with their might are laid by them that were slain by the sword: they shall lie with the uncircumcised, and with them that go down to the pit.
29. "Là sont Édom, ses rois et tous ses princes, Qui, malgré leur vaillance, ont été placés Avec ceux qui sont morts par l`épée; Ils sont couchés avec les incirconcis, Avec ceux qui descendent dans la fosse."
29. Ao Edoma mbamin' ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy izay natao ao amin' ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, hiara-mandry amin' ny tsy voafora sy izay midina any an-davaka izy ireo.
30. There be the princes of the north, all of them, and all the Zidonians, which are gone down with the slain; with their terror they are ashamed of their might; and they lie uncircumcised with them that be slain by the sword, and bear their shame with them that go down to the pit.
30. "Là sont tous les princes du septentrion, et tous les Sidoniens, Qui sont descendus vers les morts, Confus, malgré la terreur qu`inspirait leur vaillance; Ces incirconcis sont couchés avec ceux qui sont morts par l`épée, Et ils ont porté leur ignominie vers ceux qui descendent dans la fosse."
30. "Ao ireo andrianan' ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra izay niara-nidina tamin' ny voatrabaka; menatra izy na dia efa natahorana noho ny heriny aza ary mandry tsy voafora ao amin' izay voatrabaky ny sabatra izy, ka mitondra henatra ao amin' izay midina any an-davaka."
31. Pharaoh shall see them, and shall be comforted over all his multitude, even Pharaoh and all his army slain by the sword, saith the Lord GOD.
31. Pharaon les verra, Et il se consolera au sujet de toute sa multitude, Des siens qui sont morts par l`épée et de toute son armée, Dit le Seigneur, l`Éternel.
31. Ireny dia ho hitan' i Farao, ka dia hionona izy ny amin' ny vahoakany marobe. Voatrabaky ny sabatra Farao mbamin' ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Andriamanitra.
32. For I have caused my terror in the land of the living: and he shall be laid in the midst of the uncircumcised with them that are slain with the sword, even Pharaoh and all his multitude, saith the Lord GOD.
32. "Car je répandrai ma terreur dans le pays des vivants; Et ils seront couchés au milieu des incirconcis, Avec ceux qui sont morts par l`épée, Pharaon et toute sa multitude, Dit le Seigneur, l`Éternel."
32. Fa efa nahatonga ny fahatahorana Ahy any amin' ny tanin' ny velona Aho, ary Farao dia hampandrina ao amin' ny tsy voafora miaraka amin' ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao sy ny vahoakany marobe rehetra, hoy Jehovah Andriamanitra.