A Lament for Egypt

1. The word of the LORD came again unto me, saying,
1. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
1. Ary tonga tamiko indray ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
2. Son of man, prophesy and say, Thus saith the Lord GOD; Howl ye, Woe worth the day!
2. Fils de l`homme, prophétise, et dis: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Gémissez!... Malheureux jour!
2. Ry zanak' olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
3. For the day is near, even the day of the LORD is near, a cloudy day; it shall be the time of the heathen.
3. Car le jour approche, le jour de l`Éternel approche, Jour ténébreux: ce sera le temps des nations.
3. Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron' i Jehovah, dia andro mandrahona, ho fotoanan' ny jentilisa izany.
4. And the sword shall come upon Egypt, and great pain shall be in Ethiopia, when the slain shall fall in Egypt, and they shall take away her multitude, and her foundations shall be broken down.
4. L`épée fondra sur l`Égypte, Et l`épouvante sera dans l`Éthiopie, Quand les morts tomberont en Égypte, Quand on enlèvera ses richesses, Et que ses fondements seront renversés.
4. "Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fanaintainana mafy any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; ary ho lasa ny hamaroany, sady ho rava ny fanorenany."
5. Ethiopia, and Libya, and Lydia, and all the mingled people, and Chub, and the men of the land that is in league, shall fall with them by the sword.
5. L`Éthiopie, Puth, Lud, toute l`Arabie, Cub, Et les fils du pays allié, Tomberont avec eux par l`épée.
5. Etiopia sy Lybia sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.
6. Thus saith the LORD; They also that uphold Egypt shall fall; and the pride of her power shall come down: from the tower of Syene shall they fall in it by the sword, saith the Lord GOD.
6. "Ainsi parle l`Éternel: Ils tomberont, les soutiens de l`Égypte, Et l`orgueil de sa force périra; De Migdol à Syène ils tomberont par l`épée, Dit le Seigneur, l`Éternel."
6. Izao no lazain' i Jehovah: ho lavo koa izay manohana an' i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan' ny heriny hatrany amin' ny tilikambon' i Syena dia ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Andriamanitra.
7. And they shall be desolate in the midst of the countries that are desolate, and her cities shall be in the midst of the cities that are wasted.
7. Ils seront dévastés entre les pays dévastés, Et ses villes seront entre les villes désertes.
7. Ho lao ao amin' ny tany lao izy, ary ny tanànany ho ao afovoan' ny tanàna rava.
8. And they shall know that I am the LORD, when I have set a fire in Egypt, and when all her helpers shall be destroyed.
8. Et ils sauront que je suis l`Éternel, Quand je mettrai le feu dans l`Égypte, Et que tous ses soutiens seront brisés.
8. Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho ka torotoro izay rehetra manampy azy.
9. In that day shall messengers go forth from me in ships to make the careless Ethiopians afraid, and great pain shall come upon them, as in the day of Egypt: for, lo, it cometh.
9. "En ce jour-là, des messagers iront de ma part sur des navires Troubler l`Éthiopie dans sa sécurité; Et l`épouvante sera parmi eux au jour de l`Égypte, Car voici, ces choses arrivent!"
9. "Amin' izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia fanaintainana mafy no hahazo azy tahaka ny tamin' ny andron' i Egypta; fa, indro, avy izany."
10. Thus saith the Lord GOD; I will also make the multitude of Egypt to cease by the hand of Nebuchadrezzar king of Babylon.
10. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Je ferai disparaître la multitude de l`Égypte, Par la main de Nebucadnetsar, roi de Babylone.
10. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Ny tanan' i Nebokadnezara mpanjakan' i Babylona koa no hoentiko mahafoana ny hamaroan' i Egypta.
11. He and his people with him, the terrible of the nations, shall be brought to destroy the land: and they shall draw their swords against Egypt, and fill the land with the slain.
11. "Lui et son peuple avec lui, Le plus violent d`entre les peuples, Seront envoyés pour détruire le pays; Ils tireront l`épée contre l`Égypte, Et rempliront le pays de morts."
11. "Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin' ny firenena, no hoentina handrava ny tany; ary hanatsoaka ny sabany hamely an' i Egypta ireny ka ho feno faty ny tany."
12. And I will make the rivers dry, and sell the land into the hand of the wicked: and I will make the land waste, and all that is therein, by the hand of strangers: I the LORD have spoken it.
12. "Je mettrai les canaux à sec, Je livrerai le pays entre les mains des méchants; Je ravagerai le pays et ce qu`il renferme, par la main des étrangers. Moi, l`Éternel, j`ai parlé."
12. "Ary hahatankina ny renirano Aho, sy hivarotra ny tany ho eo an-tanan' ny ratsy fanahy ary ny tanan' ny vahiny no hoentiko mandrava ny tany mbamin' izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany."
13. Thus saith the Lord GOD; I will also destroy the idols, and I will cause their images to cease out of Noph; and there shall be no more a prince of the land of Egypt: and I will put a fear in the land of Egypt.
13. "Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: J`anéantirai les idoles, Et j`ôterai de Noph les vains simulacres; Il n`y aura plus de prince du pays d`Égypte, Et je répandrai la terreur dans le pays d`Égypte."
13. "Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Horavako koa ny sampy ary hatsahatro ny sarin-javany ao Nofa; ary tsy hisy mpanapaka intsony ao Egypta ka hasiako tahotra ao amin' ny tany Egypta."
14. And I will make Pathros desolate, and will set fire in Zoan, and will execute judgments in No.
14. Je dévasterai Pathros, Je mettrai le feu à Tsoan, Et j`exercerai mes jugements sur No.
14. "Ary handrava an' i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana ary hotanterahiko ny fitsarana an' i No;"
15. And I will pour my fury upon Sin, the strength of Egypt; and I will cut off the multitude of No.
15. Je répandrai ma fureur sur Sin, la forteresse de l`Égypte, Et j`exterminerai la multitude de No.
15. Ary hampidina ny fahatezerako amin' i Sina, fiarovana mafy any Egypta Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
16. And I will set fire in Egypt: Sin shall have great pain, and No shall be rent asunder, and Noph shall have distresses daily.
16. "Je mettrai le feu dans l`Égypte; Sin sera saisie d`angoisse, No sera ouverte par la brèche, Et Noph conquise en plein jour par les ennemis."
16. "Ary hampirehitra afo any Egypta Aho; hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; ho banga No ary Nofa hanam-pahoriana isan' andro."
17. The young men of Aven and of Pibeseth shall fall by the sword: and these cities shall go into captivity.
17. Les jeunes hommes d`On et de Pi Béseth tomberont par l`épée, Et ces villes iront en captivité.
17. Ny zatovon' i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra ka ho lasan-ko babo ireo tanàna ireo.
18. At Tehaphnehes also the day shall be darkened, when I shall break there the yokes of Egypt: and the pomp of her strength shall cease in her: as for her, a cloud shall cover her, and her daughters shall go into captivity.
18. "A Tachpanès le jour s`obscurcira, Quand j`y briserai le joug de l`Éternel, Et que l`orgueil de sa force y prendra fin; Un nuage couvrira Tachpanès, Et ses filles iront en captivité."
18. "Ary Tapanesa koa dia ho maizina ny andro raha hotapahiko any ny ziogan' i Egypta ary hitsahatra ny fiavonavonan' ny heriny; fa ny aminy dia ho voasaron' ny rahona izy sady ho lasan-ko babo ny zanany vavy."
19. Thus will I execute judgments in Egypt: and they shall know that I am the LORD.
19. J`exercerai mes jugements sur l`Égypte, Et ils sauront que je suis l`Éternel.
19. "Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an' i Egypta; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah."
20. And it came to pass in the eleventh year, in the first month, in the seventh day of the month, that the word of the LORD came unto me, saying,
20. La onzième année, le septième jour du premier mois, la parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
20. Ary izao no niseho, tamin' ny andro fahafito tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona fahiraika ambin' ny folo dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
21. Son of man, I have broken the arm of Pharaoh king of Egypt; and, lo, it shall not be bound up to be healed, to put a roller to bind it, to make it strong to hold the sword.
21. "Fils de l`homme, j`ai rompu le bras de Pharaon, roi d`Égypte; Et voici, on ne l`a point pansé pour le guérir, On ne l`a point enveloppé d`un bandage Pour le lier et le raffermir, Afin qu`il puisse manier l`épée."
21. Ry zanak' olona, ny sandrin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy hofehezina mba ho sitrana izy na hofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
22. Therefore thus saith the Lord GOD; Behold, I am against Pharaoh king of Egypt, and will break his arms, the strong, and that which was broken; and I will cause the sword to fall out of his hand.
22. C`est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, j`en veux à Pharaon, roi d`Égypte, Et je lui romprai les bras, Celui qui est en bon état et celui qui est cassé. Et je ferai tomber l`épée de sa main.
22. "Koa izany no nanaovan' i Jehovah Andriamanitra hoe: Indro, efa hamely an' i Farao, mpanjakan' i Egypta Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tanany Aho."
23. And I will scatter the Egyptians among the nations, and will disperse them through the countries.
23. Je répandrai les Égyptiens parmi les nations, Je les disperserai en divers pays.
23. Dia haeliko ho any amin' ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin' ny tany samy hafa.
24. And I will strengthen the arms of the king of Babylon, and put my sword in his hand: but I will break Pharaoh's arms, and he shall groan before him with the groanings of a deadly wounded man.
24. "Je fortifierai les bras du roi de Babylone, Et je mettrai mon épée dans sa main; Je romprai les bras de Pharaon, Et il gémira devant lui comme gémissent les mourants."
24. "Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin' ny mpanjakan' i Babylona, ka hataoko eny an-tanany ny sabatro; fa hotorotoroiko ny sandrin' i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan' ny voatrabaka ho faty izy."
25. But I will strengthen the arms of the king of Babylon, and the arms of Pharaoh shall fall down; and they shall know that I am the LORD, when I shall put my sword into the hand of the king of Babylon, and he shall stretch it out upon the land of Egypt.
25. Je fortifierai les bras du roi de Babylone, Et les bras de Pharaon tomberont. Et ils sauront que je suis l`Éternel, Quand je mettrai mon épée dans la main du roi de Babylone, Et qu`il la tournera contre le pays d`Égypte.
25. "Eny, hampahatanjahiko ny sandrin' ny mpanjakan' i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin' i Farao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tanan' ny mpanjakan' i Babylona ny sabatro ka haingainy hamelezana ny tany Egypta izany."
26. And I will scatter the Egyptians among the nations, and disperse them among the countries; and they shall know that I am the LORD.
26. Je répandrai les Égyptiens parmi les nations, Je les disperserai en divers pays, Et ils sauront que je suis l`Éternel.
26. "Dia haeliko ho any amin' ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin' ny tany samy hafa; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah."
<
>