A Prophecy Against Ammon

1. The word of the LORD came again unto me, saying,
1. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
1. Ary tonga tamiko indray ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
2. Son of man, set thy face against the Ammonites, and prophesy against them;
2. Fils de l`homme, tourne ta face vers les enfants d`Ammon, Et prophétise contre eux!
2. Ry zanak'olona, manandrifia ny Amonita ary maminania ny hamelezana azy,
3. And say unto the Ammonites, Hear the word of the Lord GOD; Thus saith the Lord GOD; Because thou saidst, Aha, against my sanctuary, when it was profaned; and against the land of Israel, when it was desolate; and against the house of Judah, when they went into captivity;
3. Tu diras aux enfants d`Ammon: Écoutez la parole du Seigneur, de l`Éternel! Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce que tu as dit: Ah! ah! Sur mon sanctuaire qui était profané, Sur la terre d`Israël qui était dévastée, Et sur la maison de Juda qui allait en captivité,
3. "Ka lazao amin' ny Amonita hoe: mihainoa ny tenin' i Jehovah Andriamanitra: izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny nanaovanao hoe: Hia! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, ary noravana ny tanin' ny Isiraely, sady lasan-ko babo ny taranak' i Joda;"
4. Behold, therefore I will deliver thee to the men of the east for a possession, and they shall set their palaces in thee, and make their dwellings in thee: they shall eat thy fruit, and they shall drink thy milk.
4. "Voici, je te donne en possession aux fils de l`Orient; Ils établiront au milieu de toi leurs enclos, Et ils y placeront leurs demeures; Ils mangeront tes fruits, Ils boiront ton lait."
4. "Dia indro kosa, hatolotro ho fananan' ny zanaky ny atsinanana ianao, ka haoriny ao aminao ny lapany ary hataony ao aminao ny fonenany; ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao."
5. And I will make Rabbah a stable for camels, and the Ammonites a couching place for flocks: and ye shall know that I am the LORD.
5. Je ferai de Rabba un parc pour les chameaux, Et du pays des enfants d`Ammon un bercail pour les brebis. Et vous saurez que je suis l`Éternel.
5. "Ary Raba dia hataoko trano fitoeran' ny rameva, ary ny taranak' i Amona ho trano fandrian' ny ondry aman' osy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah."
6. For thus saith the Lord GOD; Because thou hast clapped thine hands, and stamped with the feet, and rejoiced in heart with all thy despite against the land of Israel;
6. Car ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce que tu as battu des mains Et frappé du pied, Parce que tu t`es réjoui dédaigneusement et du fond de l`âme Au sujet de la terre d`Israël,
6. Fa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin' ny tongotrao ary nifalian' ny fonao tamin' izay rehetra fanaovanao tsinontsinona ny tanin' ny Isiraely,
7. Behold, therefore I will stretch out mine hand upon thee, and will deliver thee for a spoil to the heathen; and I will cut thee off from the people, and I will cause thee to perish out of the countries: I will destroy thee; and thou shalt know that I am the LORD.
7. "Voici, j`étends ma main sur toi, Et je te livre en proie aux nations; Je t`extermine du milieu des peuples, Je te retranche du nombre des pays, Je te détruis. Et tu sauras que je suis l`Éternel."
7. "Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon' ny jentilisa ianao; ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao ka hataoko lany ritra tsy ho amin' ny tany; eny, haringako ianao ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah."

A Prophecy Against Moab

8. Thus saith the Lord GOD; Because that Moab and Seir do say, Behold, the house of Judah is like unto all the heathen;
8. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce que Moab et Séir ont dit: Voici, la maison de Juda est comme toutes les nations!
8. "Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny nitenenan' i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak' i Joda efa tonga tahaka ny Jentilisa rehetra;"
9. Therefore, behold, I will open the side of Moab from the cities, from his cities which are on his frontiers, the glory of the country, Bethjeshimoth, Baalmeon, and Kiriathaim,
9. A cause de cela, voici, j`ouvre le territoire de Moab Du côté des villes, de ses villes frontières, L`ornement du pays, Beth Jeschimoth, Baal Meon et Kirjathaïm,
9. Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin' ny Moaba, hatrany amin' ny tanànany rehetra izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,
10. Unto the men of the east with the Ammonites, and will give them in possession, that the Ammonites may not be remembered among the nations.
10. Je l`ouvre aux fils de l`orient Qui marchent contre les enfants d`Ammon, Et je le leur donne en possession, Afin que les enfants d`Ammon ne soient plus comptés parmi les nations.
10. Ho an' ny zanaky ny atsinanana koa tahaka ny taranak' i Amona ihany, eny hatolotro ho fananan' ireny izy, mba tsy hotsarovana ao amin' ny firenena intsony ny taranak' i Amona.
11. And I will execute judgments upon Moab; and they shall know that I am the LORD.
11. J`exercerai mes jugements contre Moab. Et ils sauront que je suis l`Éternel.
11. Ary hotanterahiko ny fitsarana an' i Moaba ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

A Prophecy Against Edom

12. Thus saith the Lord GOD; Because that Edom hath dealt against the house of Judah by taking vengeance, and hath greatly offended, and revenged himself upon them;
12. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce qu`Édom s`est livré à la vengeance Envers la maison de Juda, Parce qu`il s`est rendu coupable Et s`est vengé d`elle,
12. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny namelezan' i Edoma ny taranak' i Joda tamin' ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,
13. Therefore thus saith the Lord GOD; I will also stretch out mine hand upon Edom, and will cut off man and beast from it; and I will make it desolate from Teman; and they of Dedan shall fall by the sword.
13. "Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: J`étends ma main sur Édom, J`en extermine les hommes et les bêtes, J`en fais un désert, de Théman à Dedan; Ils tomberont par l`épée."
13. "Dia izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: hahinjitro amin' i Edoma koa ny tanako ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon' ny sabatra hatrany Dedana."
14. And I will lay my vengeance upon Edom by the hand of my people Israel: and they shall do in Edom according to mine anger and according to my fury; and they shall know my vengeance, saith the Lord GOD.
14. "J`exercerai ma vengeance sur Édom Par la main de mon peuple d`Israël; Il traitera Édom selon ma colère et ma fureur; Et ils reconnaîtront ma vengeance, Dit le Seigneur, l`Éternel."
14. "Ary ny tanan' ny Isiraely oloko no hoentiko mamaly an' i Edoma, ka hanao amin' i Edoma araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Andriamanitra."

A Prophecy Against Philistia

15. Thus saith the Lord GOD; Because the Philistines have dealt by revenge, and have taken vengeance with a despiteful heart, to destroy it for the old hatred;
15. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce que les Philistins se sont livrés à la vengeance, Parce qu`ils se sont vengés dédaigneusement et du fond de l`âme, Voulant tout détruire, dans leur haine éternelle,
15. "Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny famaliana nataon' ny Filistina sy noho ny namaliany tamin' ny fo manao tsinontsinona azy, mba handringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela;"
16. Therefore thus saith the Lord GOD; Behold, I will stretch out mine hand upon the Philistines, and I will cut off the Cherethims, and destroy the remnant of the sea coast.
16. Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, j`étends ma main sur les Philistins, J`extermine les Kéréthiens, Et je détruis ce qui reste sur la côte de la mer.
16. "Dia izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: indro, hahinjitro amin' ny Filistina ny tanako, ka haringako ny Keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;"
17. And I will execute great vengeance upon them with furious rebukes; and they shall know that I am the LORD, when I shall lay my vengeance upon them.
17. J`exercerai sur eux de grandes vengeances, En les châtiant avec fureur. Et ils sauront que je suis l`Éternel, Quand j`exercerai sur eux ma vengeance.
17. "Ary famaizana mirehitra no hoentiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako."
<
>