Two Adulterous Sisters
1. The word of the LORD came again unto me, saying,
1. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
1. Ary tonga tamiko indray ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
2. Son of man, there were two women, the daughters of one mother:
2. Fils de l`homme, il y avait deux femmes, Filles d`une même mère.
2. "Ry zanak' olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;"
3. And they committed whoredoms in Egypt; they committed whoredoms in their youth: there were their breasts pressed, and there they bruised the teats of their virginity.
3. "Elles se sont prostituées en Égypte, Elles se sont prostituées dans leur jeunesse; Là leurs mamelles ont été pressées, Là leur sein virginal a été touché."
3. "Nanao ny fanaon' ny janga tany Egypta izy, fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon' ny fahavirijinany."
4. And the names of them were Aholah the elder, and Aholibah her sister: and they were mine, and they bare sons and daughters. Thus were their names; Samaria is Aholah, and Jerusalem Aholibah.
4. "L`aînée s`appelait Ohola, Et sa soeur Oholiba; Elles étaient à moi, Et elles ont enfanté des fils et des filles. Ohola, c`est Samarie; Oholiba, c`est Jérusalem."
4. "Ny anaran' ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin' ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba."
5. And Aholah played the harlot when she was mine; and she doted on her lovers, on the Assyrians her neighbours,
5. "Ohola me fut infidèle; Elle s`enflamma pour ses amants, Les Assyriens ses voisins,"
5. "Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin' ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,"
6. Which were clothed with blue, captains and rulers, all of them desirable young men, horsemen riding upon horses.
6. Vêtus d`étoffes teintes en bleu, Gouverneurs et chefs, Tous jeunes et charmants, Cavaliers montés sur des chevaux.
6. Izay mitafy mangamanga, dia kapiteny sy mpanapaka, tovolahy bikana izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
7. Thus she committed her whoredoms with them, with all them that were the chosen men of Assyria, and with all on whom she doted: with all their idols she defiled herself.
7. "Elle s`est prostituée à eux, A toute l`élite des enfants de l`Assyrie; Elle s`est souillée avec tous ceux pour lesquels elle s`était enflammée, Elle s`est souillée avec toutes leurs idoles."
7. "Toy izany no nanaovany ny fombany fanaon' ny janga tamin' ireny, dia tamin' izay tsara indrindra tamin' ny lehilahin' i Asyria sy tamin' izay rehetra nahamaimay azy; tamin' ny sampiny rehetra no nandotoany tena."
8. Neither left she her whoredoms brought from Egypt: for in her youth they lay with her, and they bruised the breasts of her virginity, and poured their whoredom upon her.
8. Elle n`a pas renoncé à ses prostitutions d`Égypte: Car ils avaient couché avec elle dans sa jeunesse, Ils avaient touché son sein virginal, Et ils avaient répandu sur elle leurs prostitutions.
8. "Ary ny fombany fanaon' ny janga hatrany Egypta dia tsy nafoiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian' ireny ary ireny no nitsapatsapa ny tratran' ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy."
9. Wherefore I have delivered her into the hand of her lovers, into the hand of the Assyrians, upon whom she doted.
9. C`est pourquoi je l`ai livrée entre les mains de ses amants, Entre les mains des enfants de l`Assyrie, Pour lesquels elle s`était enflammée.
9. Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tanan' ireo lehilahiny izy, dia eo an-tanan' ny Asyriana izay nahamaimay azy.
10. These discovered her nakedness: they took her sons and her daughters, and slew her with the sword: and she became famous among women; for they had executed judgment upon her.
10. "Ils ont découvert sa nudité, Ils ont pris ses fils et ses filles, Ils l`ont fait périr elle-même avec l`épée; Elle a été en renom parmi les femmes, Après les jugements exercés sur elle."
10. "Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan' ireny, ary ny tenany novonoiny tamin' ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin' ny vehivavy izy ary efa niharan' ny fitsarana."
11. And when her sister Aholibah saw this, she was more corrupt in her inordinate love than she, and in her whoredoms more than her sister in her whoredoms.
11. "Sa soeur Oholiba vit cela, Et fut plus déréglée qu`elle dans sa passion; Ses prostitutions dépassèrent celles de sa soeur."
11. Ary nony hitan' i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny filàn-dratsiny ary ny fombany fanaon' ny janga manoatra noho ny an' ny rahavaviny.
12. She doted upon the Assyrians her neighbours, captains and rulers clothed most gorgeously, horsemen riding upon horses, all of them desirable young men.
12. Elle s`enflamma pour les enfants de l`Assyrie, Gouverneurs et chefs, ses voisins, Vêtus magnifiquement, Cavaliers montés sur des chevaux, Tous jeunes et charmants.
12. Maimay tamin' ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia kapiteny sy mpanapaka mareva-pitafiana, sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikana izy rehetra.
13. Then I saw that she was defiled, that they took both one way,
13. Je vis qu`elle s`était souillée, Que l`une et l`autre avaient suivi la même voie.
13. "Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan' izy mirahavavy;"
14. And that she increased her whoredoms: for when she saw men pourtrayed upon the wall, the images of the Chaldeans pourtrayed with vermilion,
14. Elle alla même plus loin dans ses prostitutions. Elle aperçut contre les murailles des peintures d`hommes, Des images de Chaldéens peints en couleur rouge,
14. Ary mbola nampitomboiny ihany ny fombany fanaon' ny janga, fa raha nahita sariolona voasoratra teo amin' ny rindrina izy, sy ny sarin' ny Kaldeana voasoratra tamin' ny lokomena,
15. Girded with girdles upon their loins, exceeding in dyed attire upon their heads, all of them princes to look to, after the manner of the Babylonians of Chaldea, the land of their nativity:
15. "Avec des ceintures autour des reins, Avec des turbans de couleurs variées flottant sur la tête, Tous ayant l`apparence de chefs, Et figurant des enfants de Babylone, De la Chaldée, leur patrie;"
15. "Samy nisy fehikibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny Babyloniana avy tany amin' ny tany Kaldea tany nahaterahany."
16. And as soon as she saw them with her eyes, she doted upon them, and sent messengers unto them into Chaldea.
16. Elle s`enflamma pour eux, au premier regard, Et leur envoya des messagers en Chaldée.
16. Ary raha vao hitan' ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
17. And the Babylonians came to her into the bed of love, and they defiled her with their whoredom, and she was polluted with them, and her mind was alienated from them.
17. Et les enfants de Babylone se rendirent auprès d`elle, Pour partager le lit des amours, Et ils la souillèrent par leurs prostitutions. Elle s`est souillée avec eux, Puis son coeur s`est détaché d`eux.
17. Ary tonga tany aminy ho ao amin' ny fandriam-pitiavana ireo Babyloniana ka nandoto azy tamin' ny fombany fanaon' ny janga ary rehefa voaloton' ireny izy, dia niombotra niala tamin' ireny ny fanahiny.
18. So she discovered her whoredoms, and discovered her nakedness: then my mind was alienated from her, like as my mind was alienated from her sister.
18. "Elle a mis à nu son impudicité, Elle a découvert sa nudité; Et mon coeur s`est détaché d`elle, Comme mon coeur s`était détaché de sa soeur."
18. Koa nasehony ny fombany fanaon' ny janga ary nasehony ny fitanjahany ka dia niombotra niala taminy ny fanahiko toy ny efa niombotan' ny fanahiko niala tamin' ny rahavaviny ihany.
19. Yet she multiplied her whoredoms, in calling to remembrance the days of her youth, wherein she had played the harlot in the land of Egypt.
19. Elle a multiplié ses prostitutions, En pensant aux jours de sa jeunesse, Lorsqu`elle se prostituait au pays d`Égypte.
19. Dia nampitombo ny fombany fanaon' ny janga ihany izy tamin' ny nahatsiarovany ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin' tany Egypta.
20. For she doted upon their paramours, whose flesh is as the flesh of asses, and whose issue is like the issue of horses.
20. Elle s`est enflammée pour des impudiques, Dont la chair était comme celle des ânes, Et l`approche comme celle des chevaux.
20. Fa izy dia maimay tamin' ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky ary ny avy aminy dia toy ny avy amin' ny soavaly.
21. Thus thou calledst to remembrance the lewdness of thy youth, in bruising thy teats by the Egyptians for the paps of thy youth.
21. Tu t`es souvenue des crimes de ta jeunesse, Lorsque les Égyptiens pressaient tes mamelles, A cause de ton sein virginal.
21. Nahatsiaro ny fijejojejoan' ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan' ny Egyptiana ny nononao, satria nonon' ny fahavirijinanao ireo.
22. Therefore, O Aholibah, thus saith the Lord GOD; Behold, I will raise up thy lovers against thee, from whom thy mind is alienated, and I will bring them against thee on every side;
22. "C`est pourquoi, Oholiba, ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, j`excite contre toi tes amants, Ceux dont ton coeur s`est détaché, Et je les amène de toutes parts contre toi;"
22. Koa izao, ry Oholiba, no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireo lehilahinao izay efa niombotan' ny fanahinao, ka hoentiko avy amin' ny tany manodidina izy mba hamely anao,
23. The Babylonians, and all the Chaldeans, Pekod, and Shoa, and Koa, and all the Assyrians with them: all of them desirable young men, captains and rulers, great lords and renowned, all of them riding upon horses.
23. Les enfants de Babylone et tous les Chaldéens, Nobles, princes et seigneurs, Et tous les enfants de l`Assyrie avec eux, Jeunes et charmants, Tous gouverneurs et chefs, Chefs illustres, Tous montés sur des chevaux.
23. "Dia ny Babyloniana mbamin' ny Kaldeana rehetra, Pekoda, Soa sy Koa ary ny Asyriana rehetra miaraka aminy; tovolahy bikana izy rehetra, kapiteny sy mpanapaka, andriandahy lehibe sy malaza, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra."
24. And they shall come against thee with chariots, wagons, and wheels, and with an assembly of people, which shall set against thee buckler and shield and helmet round about: and I will set judgment before them, and they shall judge thee according to their judgments.
24. "Ils marchent contre toi avec des armes, des chars et des roues, Et une multitude de peuples; Avec le grand bouclier et le petit bouclier, avec les casques, Ils s`avancent de toutes parts contre toi. Je leur remets le jugement, Et ils te jugeront selon leurs lois."
24. Ary ho avy izy hamely anao mitondra kalesy, fiara misy kodia, ary kodia mbamin' ny firenena betsaka izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
25. And I will set my jealousy against thee, and they shall deal furiously with thee: they shall take away thy nose and thine ears; and thy remnant shall fall by the sword: they shall take thy sons and thy daughters; and thy residue shall be devoured by the fire.
25. "Je répands ma colère sur toi, Et ils te traiteront avec fureur. Ils te couperont le nez et les oreilles, Et ce qui reste de toi tombera par l`épée; Ils prendront tes fils et tes filles, Et ce qui reste de toi sera dévoré par le feu."
25. Ary hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin' ny fahatezerana ireny: hoesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon' ny sabatra ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin' ny afo.
26. They shall also strip thee out of thy clothes, and take away thy fair jewels.
26. Ils te dépouilleront de tes vêtements, Et ils enlèveront les ornements dont tu te pares.
26. Ary hendahiny ny lambanao sady hoesoriny aminao ny firavakao soa.
27. Thus will I make thy lewdness to cease from thee, and thy whoredom brought from the land of Egypt: so that thou shalt not lift up thine eyes unto them, nor remember Egypt any more.
27. "Je mettrai fin à tes crimes Et à tes prostitutions du pays d`Égypte; Tu ne porteras plus tes regards vers eux, Tu ne penseras plus à l`Égypte."
27. Toa izany no hampitsaharako ny fijejojejoanao, dia ny fombanareo fanaon' ny janga hatrany amin' ny tany Egypta, ka tsy handrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy hotsarovanao intsony Egypta.
28. For thus saith the Lord GOD; Behold, I will deliver thee into the hand of them whom thou hatest, into the hand of them from whom thy mind is alienated:
28. Car ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Voici, je te livre entre les mains de ceux que tu hais, Entre les mains de ceux dont ton coeur s`est détaché.
28. "Fa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: indro, hatolotro eo an-tananan' izay halanao ianao, dia eo an-tanan' izay efa niombotan' ny fanahinao;"
29. And they shall deal with thee hatefully, and shall take away all thy labour, and shall leave thee naked and bare: and the nakedness of thy whoredoms shall be discovered, both thy lewdness and thy whoredoms.
29. "Ils te traiteront avec haine; Ils enlèveront toutes tes richesses, Et te laisseront nue, entièrement nue; La honte de tes impudicités sera découverte, De tes crimes et de tes prostitutions."
29. Ary hamely anao amin' ny fankahalana izy ka hoesoriny ny vokatry ny asanao rehetra, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao ary hiseho ny fitanjahan' ny fijangajanganao, dia ny fijejojejoanao sy ny fombanao fanaon' ny janga.
30. I will do these things unto thee, because thou hast gone a whoring after the heathen, and because thou art polluted with their idols.
30. Ces choses t`arriveront, Parce que tu t`es prostituée aux nations, Parce que tu t`es souillée par leurs idoles.
30. Hataoko aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin' ny sampiny.
31. Thou hast walked in the way of thy sister; therefore will I give her cup into thine hand.
31. Tu as marché dans la voie de ta soeur, Et je mets sa coupe dans ta main.
31. Tamin' ny nalehan' ny rahavavinao no nalehanao ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
32. Thus saith the Lord GOD; Thou shalt drink of thy sister's cup deep and large: thou shalt be laughed to scorn and had in derision; it containeth much.
32. "Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Tu boiras la coupe de ta soeur, Tu la boiras large et profonde; Elle te rendra un objet de risée et de moquerie; Elle contient beaucoup."
32. "Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: amin' ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao."
33. Thou shalt be filled with drunkenness and sorrow, with the cup of astonishment and desolation, with the cup of thy sister Samaria.
33. "Tu seras remplie d`ivresse et de douleur; C`est la coupe de désolation et de destruction, La coupe de ta soeur Samarie."
33. Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao, mbamin' ny kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana izay kapoak' i Samaria rahavavinao.
34. Thou shalt even drink it and suck it out, and thou shalt break the sherds thereof, and pluck off thine own breasts: for I have spoken it, saith the Lord GOD.
34. Tu la boiras, tu la videras, Tu la briseras en morceaux, Et tu te déchireras le sein. Car j`ai parlé, Dit le Seigneur, l`Éternel.
34. "Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Andriamanitra."
35. Therefore thus saith the Lord GOD; Because thou hast forgotten me, and cast me behind thy back, therefore bear thou also thy lewdness and thy whoredoms.
35. C`est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Parce que tu m`as oublié, Parce que tu m`as rejeté derrière ton dos, Porte donc aussi la peine de tes crimes et de tes prostitutions.
35. Koa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fijejojejoanao sy ny fombanao fanaon' ny janga.
36. The LORD said moreover unto me; Son of man, wilt thou judge Aholah and Aholibah? yea, declare unto them their abominations;
36. L`Éternel me dit: Fils de l`homme, jugeras-tu Ohola et Oholiba? Déclare-leur leurs abominations!
36. Jehovah niteny tamiko koa hoe: Ry zanak' olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Eny, ambarao aminy ny fahavetavetany.
37. That they have committed adultery, and blood is in their hands, and with their idols have they committed adultery, and have also caused their sons, whom they bare unto me, to pass for them through the fire, to devour them.
37. "Elles se sont livrées à l`adultère, et il y a du sang à leurs mains: Elles ont commis adultère avec leurs idoles; Et les enfants qu`elles m`avaient enfantés, Elles les ont fait passer par le feu Pour qu`ils leur servent d`aliment."
37. Fa efa nijangajanga izy sady misy rà eny an-tanany, eny, ny sampiny no nijangajangany ary ny zanany lahy naterany ho Ahy koa dia nampamakiny ny afo ho an' ireny mba ho levona.
38. Moreover this they have done unto me: they have defiled my sanctuary in the same day, and have profaned my sabbaths.
38. Voici encore ce qu`elles m`ont fait: Elles ont souillé mon sanctuaire dans le même jour, Et elles ont profané mes sabbats.
38. Izao koa no nataony tamiko: nandoto ny fitoerako masina izy tamin' izany andro izany sady nandoto ireo sabatako koa.
39. For when they had slain their children to their idols, then they came the same day into my sanctuary to profane it; and, lo, thus have they done in the midst of mine house.
39. Elles ont immolé leurs enfants à leurs idoles, Et elles sont allées le même jour dans mon sanctuaire, Pour le profaner. C`est là ce qu`elles ont fait dans ma maison.
39. "Fa nony efa novonoiny ho an' ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin' iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin' ny tranoko."
40. And furthermore, that ye have sent for men to come from far, unto whom a messenger was sent; and, lo, they came: for whom thou didst wash thyself, paintedst thy eyes, and deckedst thyself with ornaments,
40. "Et même elles ont fait chercher des hommes venant de loin, Elles leur ont envoyé des messagers, et voici, ils sont venus. Pour eux tu t`es lavée, tu as mis du fard à tes yeux, Tu t`es parée de tes ornements;"
40. "Ary koa, niantso olona avy lavitra ianareo, izay nandefasana iraka; ka indreo tonga ireo, izay efa nisasanao sy nanosoranao loko ny masonao sy niravahanao,"
41. And satest upon a stately bed, and a table prepared before it, whereupon thou hast set mine incense and mine oil.
41. Tu t`es assise sur un lit magnifique, Devant lequel une table était dressée, Et tu as placé sur cette table mon encens et mon huile.
41. Ary nipetrahanao tamin' ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
42. And a voice of a multitude being at ease was with her: and with the men of the common sort were brought Sabeans from the wilderness, which put bracelets upon their hands, and beautiful crowns upon their heads.
42. "On entendait les cris d`une multitude joyeuse; Et parmi cette foule d`hommes On a fait venir du désert des Sabéens, Qui ont mis des bracelets aux mains des deux soeurs Et de superbes couronnes sur leurs têtes."
42. Ary teo aminy nisy ny feon' ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary miaraka amin' ny ankabiazam-bahoaka dia nisy Sabeana nentina avy tany an' efitra, nisy haba teny an-tanany sy satroboninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
43. Then said I unto her that was old in adulteries, Will they now commit whoredoms with her, and she with them?
43. Je dis alors au sujet de celle qui a vieilli dans l`adultère: Continuera-t-elle maintenant ses prostitutions, et viendra-t-on à elle?
43. Dia hoy Aho ny amin' ilay efa tontan' ny fijangajangana: amin' izao va dia mbola hisy hanao ny fanaon' ny janga aminy ihany, ary ho ao aminy va ireo?
44. Yet they went in unto her, as they go in unto a woman that playeth the harlot: so went they in unto Aholah and unto Aholibah, the lewd women.
44. "Et l`on est venu vers elle comme l`on va chez une prostituée; C`est ainsi qu`on est allé vers Ohola et Oholiba, Ces femmes criminelles."
44. "Kanjo mbola nankao aminy ihany ireo toy ny ankanesany ao amin' ny vehivavy janga; dia nankao amin' i Ohola sy Oholiba, vehivavy jejo ireo."
45. And the righteous men, they shall judge them after the manner of adulteresses, and after the manner of women that shed blood; because they are adulteresses, and blood is in their hands.
45. "Mais des hommes justes les jugeront, Comme on juge les femmes adultères, Comme on juge celles qui répandent le sang; Car elles sont adultères, et il y a du sang à leurs mains."
45. Ary ny olona marina hitsara azy araka izay fitsarana vehivavy mpijangajanga sy vehivavy nandatsa-drà satria mpijangajanga izy sady misy rà eny an-tanany.
46. For thus saith the Lord GOD; I will bring up a company upon them, and will give them to be removed and spoiled.
46. Car ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Je ferai monter contre elles une multitude, Et je les livrerai à la terreur et au pillage.
46. Fa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: hoentiko hamely azy ny olona maro, ka hatolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.
47. And the company shall stone them with stones, and dispatch them with their swords; they shall slay their sons and their daughters, and burn up their houses with fire.
47. "Cette multitude les lapidera, Et les abattra à coups d`épée; On tuera leurs fils et leurs filles, On brûlera leurs maisons par le feu."
47. "Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin' ny sabatra; hovonoiny ny zanany lahy sy ny zanany vavy ary hodorany amin' ny afo ny tranony."
48. Thus will I cause lewdness to cease out of the land, that all women may be taught not to do after your lewdness.
48. "Je ferai cesser ainsi le crime dans le pays; Toutes les femmes recevront instruction, Et ne commettront pas de crime comme le vôtre."
48. Toy izany no hampitsaharako ny fijejojejoana tsy ho amin' ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fijejojejoanareo.
49. And they shall recompense your lewdness upon you, and ye shall bear the sins of your idols: and ye shall know that I am the Lord GOD.
49. On fera retomber votre crime sur vous, Et vous porterez les péchés de vos idoles. Et vous saurez que je suis le Seigneur, l`Éternel.
49. "Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo ary hoentinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitra."