Two Eagles and a Vine
1. And the word of the LORD came unto me, saying,
1. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
1. Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
2. Son of man, put forth a riddle, and speak a parable unto the house of Israel;
2. Fils de l`homme, propose une énigme, dis une parabole à la maison d`Israël!
2. Ry zanak' olona, manaova fampanononana, ary milazà fanoharana amin' ny taranak' Isiraely,
3. And say, Thus saith the Lord GOD; A great eagle with great wings, longwinged, full of feathers, which had divers colours, came unto Lebanon, and took the highest branch of the cedar:
3. Tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Un grand aigle, aux longues ailes, aux ailes déployées, couvert de plumes de toutes couleurs, vint sur le Liban, et enleva la cime d`un cèdre.
3. "Ka ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe sady lava feno volo izay nisoratsoratra avokoa, tonga tao Libanona ka naka izay avo indrindra tamin' ny rantsan' ny sedera;"
4. He cropped off the top of his young twigs, and carried it into a land of traffick; he set it in a city of merchants.
4. Il arracha le plus élevé de ses rameaux, l`emporta dans un pays de commerce, et le déposa dans une ville de marchands.
4. "Ny tendron' ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin' ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan' ny mpandranto no namboleny azy."
5. He took also of the seed of the land, and planted it in a fruitful field; he placed it by great waters, and set it as a willow tree.
5. "Et il prit un rejeton du pays, et le plaça dans un sol fertile; il le mit près d`une eau abondante, et le planta comme un saule."
5. "Nangalany koa ny voan-javatra tamin' ny tany ka namboleny tao amin' ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron' ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin' ny hazomalahelo."
6. And it grew, and became a spreading vine of low stature, whose branches turned toward him, and the roots thereof were under him: so it became a vine, and brought forth branches, and shot forth sprigs.
6. "Ce rejeton poussa, et devint un cep de vigne étendu, mais de peu d`élévation; ses rameaux étaient tournés vers l`aigle, et ses racines étaient sous lui; il devint un cep de vigne, donna des jets, et produisit des branches."
6. Dia naniry izany ka tonga voaloboka iva misandrahaka izay nitodika ho eo aminy ny rantsany ary ny fakany dia tao ambaniny, dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7. There was also another great eagle with great wings and many feathers: and, behold, this vine did bend her roots toward him, and shot forth her branches toward him, that he might water it by the furrows of her plantation.
7. Il y avait un autre aigle, grand, aux longues ailes, au plumage épais. Et voici, du parterre où elle était plantée, cette vigne étendit avec avidité ses racines de son côté et dirigea ses rameaux vers lui, afin qu`il l`arrosât.
7. Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary,indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin' ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
8. It was planted in a good soil by great waters, that it might bring forth branches, and that it might bear fruit, that it might be a goodly vine.
8. Elle était plantée dans un bon terrain, près d`une eau abondante, de manière à produire des branches et à porter du fruit, à devenir une vigne magnifique.
8. Voavoly tao amin' ny saha tsara teo amoron' ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
9. Say thou, Thus saith the Lord GOD; Shall it prosper? shall he not pull up the roots thereof, and cut off the fruit thereof, that it wither? it shall wither in all the leaves of her spring, even without great power or many people to pluck it up by the roots thereof.
9. Dis: Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Prospérera-t-elle? Le premier aigle n`arrachera-t-il pas ses racines, n`enlèvera-t-il pas son fruit, afin qu`elle se dessèche, afin que toutes les feuilles qu`elle a poussées se dessèchent? Et il ne faudra ni beaucoup de force ni un peuple nombreux pour la séparer de ses racines.
9. Lazao hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra raha vao mitsimoka, na dia tsy nisy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra azy amin' ny fakany aza.
10. Yea, behold, being planted, shall it prosper? shall it not utterly wither, when the east wind toucheth it? it shall wither in the furrows where it grew.
10. Voici, elle est plantée: prospérera-t-elle? Si le vent d`orient la touche, ne séchera-t-elle pas? Elle séchera sur le parterre où elle a poussé.
10. Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian' ny rivotra avy any atsinanana? Eny halazo eo amin' ny tany voafaritra naniriany izy.
11. Moreover the word of the LORD came unto me, saying,
11. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
11. Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
12. Say now to the rebellious house, Know ye not what these things mean? tell them, Behold, the king of Babylon is come to Jerusalem, and hath taken the king thereof, and the princes thereof, and led them with him to Babylon;
12. Dis à la maison rebelle: Ne savez-vous pas ce que cela signifie? Dis: Voici, le roi de Babylone est allé à Jérusalem, il en a pris le roi et les chefs, et les a emmenés avec lui à Babylone.
12. Lazao amin' ny taranaka maditra ankehitriny hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr' ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga any Jerosalema ny mpanjakan' i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
13. And hath taken of the king's seed, and made a covenant with him, and hath taken an oath of him: he hath also taken the mighty of the land:
13. Il a choisi un membre de la race royale, a traité alliance avec lui, et lui a fait prêter serment, et il a emmené les grands du pays,
13. Ary naka ny anankiray tamin' ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin' ny tany dia nentiny nandeha,
14. That the kingdom might be base, that it might not lift itself up, but that by keeping of his covenant it might stand.
14. afin que le royaume fût tenu dans l`abaissement, sans pouvoir s`élever, et qu`il gardât son alliance en y demeurant fidèle.
14. Mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
15. But he rebelled against him in sending his ambassadors into Egypt, that they might give him horses and much people. Shall he prosper? shall he escape that doeth such things? or shall he break the covenant, and be delivered?
15. Mais il s`est révolté contre lui, en envoyant ses messagers en Égypte, pour qu`elle lui donnât des chevaux et un grand nombre d`hommes. Celui qui a fait de telles choses réussira-t-il, échappera-t-il? Il a rompu l`alliance, et il échapperait!
15. Fa niodina taminy izy ka nandefa iraka hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro toy izany.Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
16. As I live, saith the Lord GOD, surely in the place where the king dwelleth that made him king, whose oath he despised, and whose covenant he brake, even with him in the midst of Babylon he shall die.
16. Je suis vivant! dit le Seigneur, l`Éternel, c`est dans le pays du roi qui l`a fait régner, envers qui il a violé son serment et dont il a rompu l`alliance, c`est près de lui, au milieu de Babylone, qu`il mourra.
16. Raha velona koa aho, hoy Jehovah Andriamanitra, dia any amin' ny tanin' ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny, eny, any amin' io, any Babylona, no hahafatesany.
17. Neither shall Pharaoh with his mighty army and great company make for him in the war, by casting up mounts, and building forts, to cut off many persons:
17. Pharaon n`ira pas avec une grande armée et un peuple nombreux le secourir pendant la guerre, lorsqu`on élèvera des terrasses et qu`on fera des retranchements pour exterminer une multitude d`âmes.
17. Ary amin' ny hanandratan' ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin' ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
18. Seeing he despised the oath by breaking the covenant, when, lo, he had given his hand, and hath done all these things, he shall not escape.
18. "Il a méprisé le serment, il a rompu l`alliance; il avait donné sa main, et il a fait tout cela; il n`échappera pas!"
18. Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin' ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tanany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19. Therefore thus saith the Lord GOD; As I live, surely mine oath that he hath despised, and my covenant that he hath broken, even it will I recompense upon his own head.
19. C`est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: Je suis vivant! c`est le serment fait en mon nom qu`il a méprisé, c`est mon alliance qu`il a rompue. Je ferai retomber cela sur sa tête.
19. Koa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Raha velona koa aho, ny fampianianako izay nohamavoiny sy ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20. And I will spread my net upon him, and he shall be taken in my snare, and I will bring him to Babylon, and will plead with him there for his trespass that he hath trespassed against me.
20. "J`étendrai mon rets sur lui, et il sera pris dans mon filet; je l`emmènerai à Babylone, et là je plaiderai avec lui sur sa perfidie à mon égard."
20. Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan' ny fandriko izy, ary hoentiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny fahadisoany izay nahadisoany tamiko.
21. And all his fugitives with all his bands shall fall by the sword, and they that remain shall be scattered toward all winds: and ye shall know that I the LORD have spoken it.
21. Tous les fuyards de toutes ses troupes tomberont par l`épée, et ceux qui resteront seront dispersés à tous les vents. Et vous saurez que moi, l`Éternel, j`ai parlé.
21. Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon' ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin' ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
22. Thus saith the Lord GOD; I will also take of the highest branch of the high cedar, and will set it; I will crop off from the top of his young twigs a tender one, and will plant it upon an high mountain and eminent:
22. "Ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: J`enlèverai, moi, la cime d`un grand cèdre, et je la placerai; j`arracherai du sommet de ses branches un tendre rameau, et je le planterai sur une montagne haute et élevée."
22. "Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: izaho koa dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin' ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron' ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin' ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany."
23. In the mountain of the height of Israel will I plant it: and it shall bring forth boughs, and bear fruit, and be a goodly cedar: and under it shall dwell all fowl of every wing; in the shadow of the branches thereof shall they dwell.
23. "Je le planterai sur une haute montagne d`Israël; il produira des branches et portera du fruit, il deviendra un cèdre magnifique. Les oiseaux de toute espèce reposeront sous lui, tout ce qui a des ailes reposera sous l`ombre de ses rameaux."
23. "Ao amin' ny tendrombohitra avon' ny Isiraely no hamboleko azy, dia handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samihafa elatra rehetra hitoetra ao aminy; ao amin' ny alokaloky ny rantsany no hitoerany."
24. And all the trees of the field shall know that I the LORD have brought down the high tree, have exalted the low tree, have dried up the green tree, and have made the dry tree to flourish: I the LORD have spoken and have done it.
24. Et tous les arbres des champs sauront que moi, l`Éternel, j`ai abaissé l`arbre qui s`élevait et élevé l`arbre qui était abaissé, que j`ai desséché l`arbre vert et fait verdir l`arbre sec. Moi, l`Éternel, j`ai parlé, et j`agirai.
24. "Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany."