The Soul Who Sins Will Die
1. The word of the LORD came unto me again, saying,
1. La parole de l`Éternel me fut adressée, en ces mots:
1. Ary tonga tamiko indray ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
2. What mean ye, that ye use this proverb concerning the land of Israel, saying, The fathers have eaten sour grapes, and the children's teeth are set on edge?
2. Pourquoi dites-vous ce proverbe dans le pays d`Israël: Les pères ont mangé des raisins verts, et les dents des enfants en ont été agacées?
2. Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin' ny tanin' Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin' ny zanany no madilo?
3. As I live, saith the Lord GOD, ye shall not have occasion any more to use this proverb in Israel.
3. Je suis vivant! dit le Seigneur, l`Éternel, vous n`aurez plus lieu de dire ce proverbe en Israël.
3. Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Andriamanitra, dia tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony ao amin' ny Isiraely.
4. Behold, all souls are mine; as the soul of the father, so also the soul of the son is mine: the soul that sinneth, it shall die.
4. "Voici, toutes les âmes sont à moi; l`âme du fils comme l`âme du père, l`une et l`autre sont à moi; l`âme qui pèche, c`est celle qui mourra."
4. "Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin' ny ray, dia toy izany koa ny fanahin' ny zanaka; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty."
5. But if a man be just, and do that which is lawful and right,
5. L`homme qui est juste, qui pratique la droiture et la justice,
5. Fa raha marina ny olona ka manao izay ara-dalana sy mahitsy,
6. And hath not eaten upon the mountains, neither hath lifted up his eyes to the idols of the house of Israel, neither hath defiled his neighbour's wife, neither hath come near to a menstruous woman,
6. qui ne mange pas sur les montagnes et ne lève pas les yeux vers les idoles de la maison d`Israël, qui ne déshonore pas la femme de son prochain et ne s`approche pas d`une femme pendant son impureté,
6. Fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin' ny sampin' ny taranak' Isiraely, na mandoto ny vadin' ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin' ny fadimbolana,
7. And hath not oppressed any, but hath restored to the debtor his pledge, hath spoiled none by violence, hath given his bread to the hungry, and hath covered the naked with a garment;
7. qui n`opprime personne, qui rend au débiteur son gage, qui ne commet point de rapines, qui donne son pain à celui qui a faim et couvre d`un vêtement celui qui est nu,
7. Na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an' ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
8. He that hath not given forth upon usury, neither hath taken any increase, that hath withdrawn his hand from iniquity, hath executed true judgment between man and man,
8. qui ne prête pas à intérêt et ne tire point d`usure, qui détourne sa main de l`iniquité et juge selon la vérité entre un homme et un autre,
8. Tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao heloka ary manao fitsarana marina amin' ny miady,
9. Hath walked in my statutes, and hath kept my judgments, to deal truly; he is just, he shall surely live, saith the Lord GOD.
9. qui suit mes lois et observe mes ordonnances en agissant avec fidélité, celui-là est juste, il vivra, dit le Seigneur, l`Éternel.
9. Ary mandeha araka ny lalàko sy mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy Jehovah Andriamanitra.
10. If he beget a son that is a robber, a shedder of blood, and that doeth the like to any one of these things,
10. "S`il a un fils qui soit violent, qui répande le sang, ou qui commette quelque chose de semblable;"
10. Fa raha miteraka zazalahy mpandroba sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin' ireo zavatra ireo aza izy.
11. And that doeth not any of those duties, but even hath eaten upon the mountains, and defiled his neighbour's wife,
11. si ce fils n`imite en rien la conduite de son père, s`il mange sur les montagnes, s`il déshonore la femme de son prochain,
11. Nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany, fa mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin' ny namany,
12. Hath oppressed the poor and needy, hath spoiled by violence, hath not restored the pledge, and hath lifted up his eyes to the idols, hath committed abomination,
12. s`il opprime le malheureux et l`indigent, s`il commet des rapines, s`il ne rend pas le gage, s`il lève les yeux vers les idoles et fait des abominations,
12. Na mampahory ny mahantra sy olon-tsahirana, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin' ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
13. Hath given forth upon usury, and hath taken increase: shall he then live? he shall not live: he hath done all these abominations; he shall surely die; his blood shall be upon him.
13. "S`il prête à intérêt et tire une usure, ce fils-là vivrait! Il ne vivra pas; il a commis toutes ces abominations; qu`il meure! que son sang retombe sur lui!"
13. "Na mampanàna vola, na maka tombony, moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny rany dia ho aminy ihany."
14. Now, lo, if he beget a son, that seeth all his father's sins which he hath done, and considereth, and doeth not such like,
14. "Mais si un homme a un fils qui voie tous les péchés que commet son père, qui les voie et n`agisse pas de la même manière;"
14. Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
15. That hath not eaten upon the mountains, neither hath lifted up his eyes to the idols of the house of Israel, hath not defiled his neighbour's wife,
15. si ce fils ne mange pas sur les montagnes et ne lève pas les yeux vers les idoles de la maison d`Israël, s`il ne déshonore pas la femme de son prochain,
15. Ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin' ny sampin' ny taranak' Isiraely, na mandoto ny vadin' ny namany,
16. Neither hath oppressed any, hath not withholden the pledge, neither hath spoiled by violence, but hath given his bread to the hungry, and hath covered the naked with a garment,
16. s`il n`opprime personne, s`il ne prend point de gage, s`il ne commet point de rapines, s`il donne son pain à celui qui a faim et couvre d`un vêtement celui qui est nu,
16. Na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an' ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
17. That hath taken off his hand from the poor, that hath not received usury nor increase, hath executed my judgments, hath walked in my statutes; he shall not die for the iniquity of his father, he shall surely live.
17. "s`il détourne sa main de l`iniquité, s`il n`exige ni intérêt ni usure, s`il observe mes ordonnances et suit mes lois, celui-là ne mourra pas pour l`iniquité de son père; il vivra."
17. "Miaro ny tanany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanàna vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy."
18. As for his father, because he cruelly oppressed, spoiled his brother by violence, and did that which is not good among his people, lo, even he shall die in his iniquity.
18. C`est son père, qui a été un oppresseur, qui a commis des rapines envers les autres, qui a fait au milieu de son peuple ce qui n`est pas bien, c`est lui qui mourra pour son iniquité.
18. Ny amin' ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin' ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
19. Yet say ye, Why? doth not the son bear the iniquity of the father? When the son hath done that which is lawful and right, and hath kept all my statutes, and hath done them, he shall surely live.
19. "Vous dites: Pourquoi le fils ne porte-t-il pas l`iniquité de son père? C`est que le fils a agi selon la droiture et la justice, c`est qu`il a observé et mis en pratique toutes mes lois; il vivra."
19. Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay ara-dalàna sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
20. The soul that sinneth, it shall die. The son shall not bear the iniquity of the father, neither shall the father bear the iniquity of the son: the righteousness of the righteous shall be upon him, and the wickedness of the wicked shall be upon him.
20. L`âme qui pèche, c`est celle qui mourra. Le fils ne portera pas l`iniquité de son père, et le père ne portera pas l`iniquité de son fils. La justice du juste sera sur lui, et la méchanceté du méchant sera sur lui.
20. "Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan' ny marina ho aminy ihany, ary ny faharatsian' ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany."
21. But if the wicked will turn from all his sins that he hath committed, and keep all my statutes, and do that which is lawful and right, he shall surely live, he shall not die.
21. Si le méchant revient de tous les péchés qu`il a commis, s`il observe toutes mes lois et pratique la droiture et la justice, il vivra, il ne mourra pas.
21. Fa raha ny ratsy fanahy miala amin' ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay ara-dalàna sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
22. All his transgressions that he hath committed, they shall not be mentioned unto him: in his righteousness that he hath done he shall live.
22. "Toutes les transgressions qu`il a commises seront oubliées; il vivra, à cause de la justice qu`il a pratiquée."
22. "Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony."
23. Have I any pleasure at all that the wicked should die? saith the Lord GOD: and not that he should return from his ways, and live?
23. Ce que je désire, est-ce que le méchant meure? dit le Seigneur, l`Éternel. N`est-ce pas qu`il change de conduite et qu`il vive?
23. Moa sitrako akory va ny fahafatesan' ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Andriamanitra, fa tsy ny hialany amin' ny alehany mba ho velona izy?
24. But when the righteous turneth away from his righteousness, and committeth iniquity, and doeth according to all the abominations that the wicked man doeth, shall he live? All his righteousness that he hath done shall not be mentioned: in his trespass that he hath trespassed, and in his sin that he hath sinned, in them shall he die.
24. "Si le juste se détourne de sa justice et commet l`iniquité, s`il imite toutes les abominations du méchant, vivra-t-il? Toute sa justice sera oubliée, parce qu`il s`est livré à l`iniquité et au péché; à cause de cela, il mourra."
24. "Fa raha ny marina no miala amin' ny fahamarinany ka manao heloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay ataon' ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nahadiso azy sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy."
25. Yet ye say, The way of the LORD is not equal. Hear now, O house of Israel; Is not my way equal? are not your ways unequal?
25. Vous dites: La voie du Seigneur n`est pas droite. Écoutez donc, maison d`Israël! Est-ce ma voie qui n`est pas droite? Ne sont-ce pas plutôt vos voies qui ne sont pas droites?
25. Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan' ny Tompo.Mihainoa ange, ry taranak' Isiraely: Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
26. When a righteous man turneth away from his righteousness, and committeth iniquity, and dieth in them; for his iniquity that he hath done shall he die.
26. Si le juste se détourne de sa justice et commet l`iniquité, et meurt pour cela, il meurt à cause de l`iniquité qu`il a commise.
26. Raha ny marina miala amin' ny fahamarinany ary manao heloka ka maty amin' izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27. Again, when the wicked man turneth away from his wickedness that he hath committed, and doeth that which is lawful and right, he shall save his soul alive.
27. Si le méchant revient de sa méchanceté et pratique la droiture et la justice, il fera vivre son âme.
27. Ary raha ny ratsy fanahy miala amin' ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
28. Because he considereth, and turneth away from all his transgressions that he hath committed, he shall surely live, he shall not die.
28. S`il ouvre les yeux et se détourne de toutes les transgressions qu`il a commises, il vivra, il ne mourra pas.
28. Satria mahita izy ka miala amin' ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty
29. Yet saith the house of Israel, The way of the LORD is not equal. O house of Israel, are not my ways equal? are not your ways unequal?
29. La maison d`Israël dit: La voie du Seigneur n`est pas droite. Est-ce ma voie qui n`est pas droite, maison d`Israël? Ne sont-ce pas plutôt vos voies qui ne sont pas droites?
29. Nefa hoy ny taranak' Isiraely: Tsy marina ny lalan' ny Tompo. Ry taranak' Isiraely, ny lalako va no tsy marina?Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
30. Therefore I will judge you, O house of Israel, every one according to his ways, saith the Lord GOD. Repent, and turn yourselves from all your transgressions; so iniquity shall not be your ruin.
30. C`est pourquoi je vous jugerai chacun selon ses voies, maison d`Israël, dit le Seigneur, l`Éternel. Revenez et détournez-vous de toutes vos transgressions, afin que l`iniquité ne cause pas votre ruine.
30. Koa samy hotsaraiko araka ny lalany avy ianareo, ry taranak' Isiraely, hoy Jehovah Andriamanitra. Mibebaha, ka mitodiha hiala amin' ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho fandringanana anareo ny heloka.
31. Cast away from you all your transgressions, whereby ye have transgressed; and make you a new heart and a new spirit: for why will ye die, O house of Israel?
31. "Rejetez loin de vous toutes les transgressions par lesquelles vous avez péché; faites-vous un coeur nouveau et un esprit nouveau. Pourquoi mourriez-vous, maison d`Israël?"
31. "Ario ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak' Isiraely?"
32. For I have no pleasure in the death of him that dieth, saith the Lord GOD: wherefore turn yourselves, and live ye.
32. Car je ne désire pas la mort de celui qui meurt, dit le Seigneur, l`Éternel. Convertissez-vous donc, et vivez.
32. Fa tsy sitrako ny fahafatesan' izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mitodiha ianareo, mba ho velona.