Queen Vashti Deposed
1. Now it came to pass in the days of Ahasuerus, (this is Ahasuerus which reigned, from India even unto Ethiopia, over an hundred and seven and twenty provinces:)
1. "C`était du temps d`Assuérus, de cet Assuérus qui régnait depuis l`Inde jusqu`en Éthiopie sur cent vingt-sept provinces;"
1. ARy izao no niseho, tamin' ny andron' i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, tamin' ny faritany fito amby roapolo amby zato),
2. That in those days, when the king Ahasuerus sat on the throne of his kingdom, which was in Shushan the palace,
2. et le roi Assuérus était alors assis sur son trône royal à Suse, dans la capitale.
2. Dia tamin' izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin' ny sezafiandrianan' ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3. In the third year of his reign, he made a feast unto all his princes and his servants; the power of Persia and Media, the nobles and princes of the provinces, being before him:
3. "La troisième année de son règne, il fit un festin à tous ses princes et à ses serviteurs; les commandants de l`armée des Perses et des Mèdes, les grands et les chefs des provinces furent réunis en sa présence."
3. "Tamin' ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an' ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben' ny miaramilan' i Persia sy Media sy ny olo-manan-kaja sy ny mpanapaka eo amin' ny faritany."
4. When he shewed the riches of his glorious kingdom and the honour of his excellent majesty many days, even an hundred and fourscore days.
4. Il montra la splendide richesse de son royaume et l`éclatante magnificence de sa grandeur pendant nombre de jours, pendant cent quatre-vingts jours.
4. Ary nasehony andro maro, dia valopolo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany sy ny voninahitry ny fahatsaran' ny fahalehibiazany.
5. And when these days were expired, the king made a feast unto all the people that were present in Shushan the palace, both unto great and small, seven days, in the court of the garden of the king's palace;
5. Lorsque ces jours furent écoulés, le roi fit pour tout le peuple qui se trouvait à Suse, la capitale, depuis le plus grand jusqu`au plus petit, un festin qui dura sept jours, dans la cour du jardin de la maison royale.
5. "Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra misy ny lapa, na lehibe na kely, dia nanaovan' ny mpanjaka fanasana hafitoana teo amin' ny kianjan' ny tanimbolin' ny lapan' ny mpanjaka;"
6. Where were white, green, and blue, hangings, fastened with cords of fine linen and purple to silver rings and pillars of marble: the beds were of gold and silver, upon a pavement of red, and blue, and white, and black, marble.
6. Des tentures blanches, vertes et bleues, étaient attachées par des cordons de byssus et de pourpre à des anneaux d`argent et à des colonnes de marbre. Des lits d`or et d`argent reposaient sur un pavé de porphyre, de marbre, de nacre et de pierres noires.
6. "Izay nisy lamba fotsy sy maitso sy manga mihantona sy mifehy tamin' ny hariry madinika sy volomparasy tamin' ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marbra; ny farafara dia volamena sy volafotsy teo amin' ny lampivato marbra mena, manga, fotsy ary mainty."
7. And they gave them drink in vessels of gold, (the vessels being diverse one from another,) and royal wine in abundance, according to the state of the king.
7. On servait à boire dans des vases d`or, de différentes espèces, et il y avait abondance de vin royal, grâce à la libéralité du roi.
7. Ary ny olona dia nampisotroina tamin' ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka), ary betsaka ny divain' andriana araka ny fanomen' ny mpanjaka.
8. And the drinking was according to the law; none did compel: for so the king had appointed to all the officers of his house, that they should do according to every man's pleasure.
8. Mais on ne forçait personne à boire, car le roi avait ordonné à tous les gens de sa maison de se conformer à la volonté de chacun.
8. "Ary ny fisotroan' ny olona dia araka ny tenin' andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian' ny mpanjaka ireo mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan' ny olona araka izay sitrapony avy."
9. Also Vashti the queen made a feast for the women in the royal house which belonged to king Ahasuerus.
9. La reine Vasthi fit aussi un festin pour les femmes dans la maison royale du roi Assuérus.
9. Ary Vasty, vadin' ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an' ny vehivavy koa tao amin' ny tranom-panjakana, izay an' i Ahasoerosy mpanjaka.
10. On the seventh day, when the heart of the king was merry with wine, he commanded Mehuman, Biztha, Harbona, Bigtha, and Abagtha, Zethar, and Carcas, the seven chamberlains that served in the presence of Ahasuerus the king,
10. Le septième jour, comme le coeur du roi était réjoui par le vin, il ordonna à Mehuman, Biztha, Harbona, Bigtha, Abagtha, Zéthar et Carcas, les sept eunuques qui servaient devant le roi Assuérus,
10. Tamin' ny andro fahafito, nony faly ny fon' ny mpanjaka azon' ny divay, dia nodidiany Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ary Karkasa tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan' i Ahasoerosy mpanjaka,
11. To bring Vashti the queen before the king with the crown royal, to shew the people and the princes her beauty: for she was fair to look on.
11. d`amener en sa présence la reine Vasthi, avec la couronne royale, pour montrer sa beauté aux peuples et aux grands, car elle était belle de figure.
11. "Mba hitondrana an' i Vasty, vadin' ny mpanjaka, ho eo anatrehan' ny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho amin' ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy."
12. But the queen Vashti refused to come at the king's commandment by his chamberlains: therefore was the king very wroth, and his anger burned in him.
12. Mais la reine Vasthi refusa de venir, quand elle reçut par les eunuques l`ordre du roi. Et le roi fut très irrité, il fut enflammé de colère.
12. "Fa Vasty, vadin' ny mpanjaka, nandà tsy nety nankany araka ny didin' ny mpanjaka nentin' ny tsindranolahiny; dia tezitra indrindra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany."
13. Then the king said to the wise men, which knew the times, (for so was the king's manner toward all that knew law and judgment:
13. Alors le roi s`adressa aux sages qui avaient la connaissance des temps. Car ainsi se traitaient les affaires du roi, devant tous ceux qui connaissaient les lois et le droit.
13. "Dia hoy ny mpanjaka tamin' ny olon-kendry izay nahalala ny andro (fa toy izany no fanaon' ny mpanjaka tamin' izay rehetra mahalala ny lalàna sy ny fitsarana;"
14. And the next unto him was Carshena, Shethar, Admatha, Tarshish, Meres, Marsena, and Memucan, the seven princes of Persia and Media, which saw the king's face, and which sat the first in the kingdom;)
14. Il avait auprès de lui Carschena, Schéthar, Admatha, Tarsis, Mérès, Marsena, Memucan, sept princes de Perse et de Médie, qui voyaient la face du roi et qui occupaient le premier rang dans le royaume.
14. Ary ny teo akaikiny dia Karsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin' i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin' ny mpanjaka ka nipetraka tamin' ny fitoerana aloha teo amin' ny fanjakana):
15. What shall we do unto the queen Vashti according to law, because she hath not performed the commandment of the king Ahasuerus by the chamberlains?
15. Quelle loi, dit-il, faut-il appliquer à la reine Vasthi, pour n`avoir point exécuté ce que le roi Assuérus lui a ordonné par les eunuques?
15. Ahoana no hanaovantsika an' i Vasty, vadin' ny mpanjaka araka ny lalàna, satria tsy nankatò ny didin' ny mpanjaka izay nentin' ny tsindranolahy izy?
16. And Memucan answered before the king and the princes, Vashti the queen hath not done wrong to the king only, but also to all the princes, and to all the people that are in all the provinces of the king Ahasuerus.
16. "Memucan répondit devant le roi et les princes: Ce n`est pas seulement à l`égard du roi que la reine Vasthi a mal agi; c`est aussi envers tous les princes et tous les peuples qui sont dans toutes les provinces du roi Assuérus."
16. Dia namaly Memokana teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny mpanapaka: Tsy tamin' ny mpanjaka ihany no nanaovan' i vasty, vadin' ny mpanjaka fahadisoana, fa tamin' ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra eran' ny faritanin' ny mpanjaka Ahasoerosy.
17. For this deed of the queen shall come abroad unto all women, so that they shall despise their husbands in their eyes, when it shall be reported, The king Ahasuerus commanded Vashti the queen to be brought in before him, but she came not.
17. "Car l`action de la reine parviendra à la connaissance de toutes les femmes, et les portera à mépriser leurs maris; elles diront: Le roi Assuérus avait ordonné qu`on amenât en sa présence la reine Vasthi, et elle n`y est pas allée."
17. Fa hiely any amin' ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon' ny vadin' ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an' i Vasty vadiny hoentina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
18. Likewise shall the ladies of Persia and Media say this day unto all the king's princes, which have heard of the deed of the queen. Thus shall there arise too much contempt and wrath.
18. "Et dès ce jour les princesses de Perse et de Médie qui auront appris l`action de la reine la rapporteront à tous les chefs du roi; de là beaucoup de mépris et de colère."
18. "Ary na dia amin' izao andro izao aza ny andriambavin' i Persia sy Media izay mandre ny nataon' ny vadin' ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin' ny mpanapaka rehetra; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana."
19. If it please the king, let there go a royal commandment from him, and let it be written among the laws of the Persians and the Medes, that it be not altered, That Vashti come no more before king Ahasuerus; and let the king give her royal estate unto another that is better than she.
19. Si le roi le trouve bon, qu`on publie de sa part et qu`on inscrive parmi les lois des Perses et des Mèdes, avec défense de la transgresser, une ordonnance royale d`après laquelle Vasthi ne paraîtra plus devant le roi Assuérus et le roi donnera la dignité de reine à une autre qui soit meilleure qu`elle.
19. "Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin' ny mpanjaka ka hosoratana ao amin' ny lalàn' i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan' i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr' i Vasty dia aoka homen' ny mpanjaka ho an' izay vehivavy hafa tsara noho izy."
20. And when the king's decree which he shall make shall be published throughout all his empire, (for it is great,) all the wives shall give to their husbands honour, both to great and small.
20. L`édit du roi sera connu dans tout son royaume, quelque grand qu`il soit, et toutes les femmes rendront honneur à leurs maris, depuis le plus grand jusqu`au plus petit.
20. Ary raha haely eran' ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn' ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy, na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
21. And the saying pleased the king and the princes; and the king did according to the word of Memucan:
21. Cet avis fut approuvé du roi et des princes, et le roi agit d`après la parole de Memucan.
21. "Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin' i Memokana ny mpanjaka."
22. For he sent letters into all the king's provinces, into every province according to the writing thereof, and to every people after their language, that every man should bear rule in his own house, and that it should be published according to the language of every people.
22. "Il envoya des lettres à toutes les provinces du royaume, à chaque province selon son écriture et à chaque peuple selon sa langue; elles portaient que tout homme devait être le maître dans sa maison, et qu`il parlerait la langue de son peuple."
22. Fa nandefa taratasy izy ho any amin' ny faritanin' ny mpanjaka rehetra, ho amin' ny faritany avy araka ny sorany avy, ary ny isam-pirenena araka ny fiteniny mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary haely araka ny fitenin' ny isam-pirenena izany.