Nehemiah's Final Reforms
1. On that day they read in the book of Moses in the audience of the people; and therein was found written, that the Ammonite and the Moabite should not come into the congregation of God for ever;
1. Dans ce temps, on lut en présence du peuple dans le livre de Moïse, et l`on y trouva écrit que l`Ammonite et le Moabite ne devraient jamais entrer dans l`assemblée de Dieu,
1. Ary tamin' izany andro izany dia novakina teo anatrehan' ny olona ny teny ao amin' ny bokin' i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' Andriamanitra mandrakizay,
2. Because they met not the children of Israel with bread and with water, but hired Balaam against them, that he should curse them: howbeit our God turned the curse into a blessing.
2. "parce qu`ils n`étaient pas venus au-devant des enfants d`Israël avec du pain et de l`eau, et parce qu`ils avaient appelé contre eux à prix d`argent Balaam pour qu`il les maudît; mais notre Dieu changea la malédiction en bénédiction."
2. "Satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak' Isiraely izy, fa nanamby an' i Balama hanozona azy; kanefa nampodin' Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana."
3. Now it came to pass, when they had heard the law, that they separated from Israel all the mixed multitude.
3. Lorsqu`on eut entendu la loi, on sépara d`Israël tous les étrangers.
3. Ary izao no niseho, rehefa ren' ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin' ny Isiraely ny olona nifangaro tamin' ny hafa firenena rehetra.
4. And before this, Eliashib the priest, having the oversight of the chamber of the house of our God, was allied unto Tobiah:
4. Avant cela, le sacrificateur Éliaschib, établi dans les chambres de la maison de notre Dieu, et parent de Tobija,
4. "Ary talohan' izany Eliasiba mpisorona izay voatendry ny amin' ny ao an-tranon' Andriamanitsika dia nihavana tamin' i Tobia;"
5. And he had prepared for him a great chamber, where aforetime they laid the meat offerings, the frankincense, and the vessels, and the tithes of the corn, the new wine, and the oil, which was commanded to be given to the Levites, and the singers, and the porters; and the offerings of the priests.
5. avait disposé pour lui une grande chambre où l`on mettait auparavant les offrandes, l`encens, les ustensiles, la dîme du blé, du moût et de l`huile, ce qui était ordonné pour les Lévites, les chantres et les portiers, et ce qui était prélevé pour les sacrificateurs.
5. Ary izy nanamboatra efitrano lehibe ho azy, dia ilay nitahirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin' ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka sy ny ampahafolon' ny varimbazaha sy ny ranomboaloboka sy ny diloilo izay nodidiana homena ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra ho an' ny mpisorona.
6. But in all this time was not I at Jerusalem: for in the two and thirtieth year of Artaxerxes king of Babylon came I unto the king, and after certain days obtained I leave of the king:
6. Je n`étais point à Jérusalem quand tout cela eut lieu, car j`étais retourné auprès du roi la trente-deuxième année d`Artaxerxès, roi de Babylone.
6. "Fa tamin' izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho; fa tamin' ny taona faharoa amby telopolo nanjakan' i Artaksersesy, mpanjakan' i Babylona, no nahatongavako tany amin' ny mpanjaka; fa nony taoriana kely dia niera tamin' ny mpanjaka aho;"
7. And I came to Jerusalem, and understood of the evil that Eliashib did for Tobiah, in preparing him a chamber in the courts of the house of God.
7. A la fin de l`année, j`obtins du roi la permission de revenir à Jérusalem, et je m`aperçus du mal qu`avait fait Éliaschib, en disposant une chambre pour Tobija dans les parvis de la maison de Dieu.
7. Ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon' i Eliasiba ho an' i Tobia tamin' ny nanamboarany efitrano ho azy teo anatin' ny kianjan' ny tranon' Andriamanitra.
8. And it grieved me sore: therefore I cast forth all the household stuff of Tobiah out of the chamber.
8. "J`en éprouvai un vif déplaisir, et je jetai hors de la chambre tous les objets qui appartenaient à Tobija;"
8. Dia nampalahelo ahy indrindra izany, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an' i Tobia hiala tamin' ny efitrano.
9. Then I commanded, and they cleansed the chambers: and thither brought I again the vessels of the house of God, with the meat offering and the frankincense.
9. j`ordonnai qu`on purifiât les chambres, et j`y replaçai les ustensiles de la maison de Dieu, les offrandes et l`encens.
9. Dia nandidy aho, ka nodiovin' ny olona ny efitrano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon' Andriamanitra mbamin' ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
10. And I perceived that the portions of the Levites had not been given them: for the Levites and the singers, that did the work, were fled every one to his field.
10. J`appris aussi que les portions des Lévites n`avaient point été livrées, et que les Lévites et les chantres chargés du service s`étaient enfuis chacun dans son territoire.
10. "Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman' ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha."
11. Then contended I with the rulers, and said, Why is the house of God forsaken? And I gathered them together, and set them in their place.
11. Je fils des réprimandes aux magistrats, et je dis: Pourquoi la maison de Dieu a-t-elle été abandonnée? Et je rassemblai les Lévites et les chantres, et je les remis à leur poste.
11. Dia nifandahatra tamin' ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon' Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin' ny toerany avy.
12. Then brought all Judah the tithe of the corn and the new wine and the oil unto the treasuries.
12. Alors tout Juda apporta dans les magasins la dîme du blé, du moût et de l`huile.
12. Dia nentin' ny Joda rehetra ho ao amin' ny trano firaketana ny ampahafolon' ny varimbazaha sy ny ranomboaloboka ary ny diloilo.
13. And I made treasurers over the treasuries, Shelemiah the priest, and Zadok the scribe, and of the Levites, Pedaiah: and next to them was Hanan the son of Zaccur, the son of Mattaniah: for they were counted faithful, and their office was to distribute unto their brethren.
13. Je confiai la surveillance des magasins à Schélémia, le sacrificateur, à Tsadok, le scribe, et à Pedaja, l`un des Lévites, et je leur adjoignis Hanan, fils de Zaccur, fils de Matthania, car ils avaient la réputation d`être fidèles. Ils furent chargés de faire les distributions à leurs frères.
13. "Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin' ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak' i Zakora, zanak' i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin' ireo dia ny hizara ho an' ny rahalahiny."
14. Remember me, O my God, concerning this, and wipe not out my good deeds that I have done for the house of my God, and for the offices thereof.
14. Souviens-toi de moi, ô mon Dieu, à cause de cela, et n`oublie pas mes actes de piété à l`égard de la maison de mon Dieu et des choses qui doivent être observées!
14. Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin' ny tranon' Andriamanitro sy ny amin' ny raharaha tokony hatao ao.
15. In those days saw I in Judah some treading wine presses on the sabbath, and bringing in sheaves, and lading asses; as also wine, grapes, and figs, and all manner of burdens, which they brought into Jerusalem on the sabbath day: and I testified against them in the day wherein they sold victuals.
15. "A cette époque, je vis en Juda des hommes fouler au pressoir pendant le sabbat, rentrer des gerbes, charger sur des ânes même du vin, des raisins et des figues, et toutes sortes de choses, et les amener à Jérusalem le jour du sabbat; et je leur donnai des avertissements le jour où ils vendaient leurs denrées."
15. "Ary tamin' izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin' ny sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samihafa rehetra, izay nentina ho any Jerosalema tamin' ny andro sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin' ny andro nivarotany hanina."
16. There dwelt men of Tyre also therein, which brought fish, and all manner of ware, and sold on the sabbath unto the children of Judah, and in Jerusalem.
16. Il y avait aussi des Tyriens, établis à Jérusalem, qui apportaient du poisson et toutes sortes de marchandises, et qui les vendaient aux fils de Juda le jour du sabbat et dans Jérusalem.
16. Ary nisy olona avy tany Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samihafa ka nivarotra tamin' ny taranak' i Joda sy tany Jerosalema tamin' ny sabata.
17. Then I contended with the nobles of Judah, and said unto them, What evil thing is this that ye do, and profane the sabbath day?
17. Je fis des réprimandes aux grands de Juda, et je leur dis: Que signifie cette mauvaise action que vous faites, en profanant le jour du sabbat?
17. Dia nifandahatra tamin' ireo manan-kaja amin' ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro sabata ianareo?
18. Did not your fathers thus, and did not our God bring all this evil upon us, and upon this city? yet ye bring more wrath upon Israel by profaning the sabbath.
18. N`est-ce pas ainsi qu`ont agi vos père, et n`est-ce pas à cause de cela que notre Dieu a fait venir tous ces malheurs sur nous et sur cette ville? Et vous, vous attirez de nouveau sa colère contre Israël, en profanant le sabbat!
18. Tsy nanao toy izao va ny razanareo ary tsy nahatran' Andriamanitsika amintsika sy amin' ity tanàna ity va izao loza rehetra izao? Fa ianareo dia mampitombo ny fahatezerana amin' ny Isiraely amin' ny andotoanareo ny sabata.
19. And it came to pass, that when the gates of Jerusalem began to be dark before the sabbath, I commanded that the gates should be shut, and charged that they should not be opened till after the sabbath: and some of my servants set I at the gates, that there should no burden be brought in on the sabbath day.
19. Puis j`ordonnai qu`on fermât les portes de Jérusalem avant le sabbat, dès qu`elles seraient dans l`ombre, et qu`on ne les ouvrît qu`après le sabbat. Et je plaçai quelques-uns de mes serviteurs aux portes, pour empêcher l`entrée des fardeaux le jour du sabbat.
19. "Ary izao no niseho, raha vao nanomboka malomaloka ny vavahadin' i Jerosalema talohan' ny sabata, dia nodidiako tsy maintsy hidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana mandra-pahatapitry ny sabata; ary notendreko ny sasany tamin' ny mpanompoko hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin' ny andro sabata."
20. So the merchants and sellers of all kind of ware lodged without Jerusalem once or twice.
20. Alors les marchands et les vendeurs de toutes sortes de choses passèrent une ou deux fois la nuit hors de Jérusalem.
20. "Ka dia nandry teo ivelan' i Jerosalema indray mandeha na indroa ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;"
21. Then I testified against them, and said unto them, Why lodge ye about the wall? if ye do so again, I will lay hands on you. From that time forth came they no more on the sabbath.
21. Je les avertis, en leur disant: Pourquoi passez-vous la nuit devant la muraille? Si vous le faites encore, je mettrai la main sur vous. Dès ce moment, ils ne vinrent plus pendant le sabbat.
21. Dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan' ny manda? Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin' izany andro izany dia tsy tonga tamin' ny sabata intsony izy.
22. And I commanded the Levites that they should cleanse themselves, and that they should come and keep the gates, to sanctify the sabbath day. Remember me, O my God, concerning this also, and spare me according to the greatness of thy mercy.
22. J`ordonnai aussi aux Lévites de se purifier et de venir garder les portes pour sanctifier le jour du sabbat. Souviens-toi de moi, ô mon Dieu, à cause de cela, et protège-moi selon ta grande miséricorde!
22. Ary ny Levita dia nodidiako hanadio ny tenany ary ho avy ka hiambina ny vavahady, mba hanamasinany ny andro sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary arovy aho araka ny haben' ny famindramponao.
23. In those days also saw I Jews that had married wives of Ashdod, of Ammon, and of Moab:
23. A cette même époque, je vis des Juifs qui avaient pris des femmes asdodiennes, ammonites, moabites.
23. "Tamin' izany andro izany koa, dia nahita ny Jiosy aho izay nanambady vehivavy avy any Asdoda sy Amona sy Moaba;"
24. And their children spake half in the speech of Ashdod, and could not speak in the Jews' language, but according to the language of each people.
24. "La moitié de leurs fils parlaient l`asdodien, et ne savaient pas parler le juif; ils ne connaissaient que la langue de tel ou tel peuple."
24. Ary ny zanany dia nanao ampahany amin' ny fitenin' ny Asdodita, fa tsy nahay teny Jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy.
25. And I contended with them, and cursed them, and smote certain of them, and plucked off their hair, and made them swear by God, saying, Ye shall not give your daughters unto their sons, nor take their daughters unto your sons, or for yourselves.
25. "Je leur fis des réprimandes, et je les maudis; j`en frappai quelques-uns, je leur arrachai les cheveux, et je les fis jurer au nom de Dieu, en disant: Vous ne donnerez pas vos filles à leurs fils, et vous ne prendrez leurs filles ni pour vos fils ni pour vous."
25. Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin' Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo vavy ho vadin' ny zanany lahy, ary aza maka ny zanany vavy ho vadin' ny zanakareo lahy, na ho vadinareo.
26. Did not Solomon king of Israel sin by these things? yet among many nations was there no king like him, who was beloved of his God, and God made him king over all Israel: nevertheless even him did outlandish women cause to sin.
26. "N`est-ce pas en cela qu`a péché Salomon, roi d`Israël? Il n`y avait point de roi semblable à lui parmi la multitude des nations, il était aimé de son Dieu, et Dieu l`avait établi roi sur tout Israël; néanmoins, les femmes étrangères l`entraînèrent aussi dans le péché."
26. "Tsy izany va no nanotan' i Solomona, mpanjakan' ny Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin' ny firenena maro, fa tian' Andriamanitra izy ka nataon' Andriamanitra ho mpanjaka tamin' ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia nampanotan' ny vehivavy hafa firenena."
27. Shall we then hearken unto you to do all this great evil, to transgress against our God in marrying strange wives?
27. Faut-il donc apprendre à votre sujet que vous commettez un aussi grand crime et que vous péchez contre notre Dieu en prenant des femmes étrangères?
27. Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin' Andriamanitsika amin' ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?
28. And one of the sons of Joiada, the son of Eliashib the high priest, was son in law to Sanballat the Horonite: therefore I chased him from me.
28. Un des fils de Jojada, fils d`Éliaschib, le souverain sacrificateur, était gendre de Sanballat, le Horonite. Je le chassai loin de moi.
28. Ary vinanton' i Sanbala Horonita ny anankiray tamin' ny zanak' i Joiada, zanak' i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
29. Remember them, O my God, because they have defiled the priesthood, and the covenant of the priesthood, and of the Levites.
29. Souviens-toi d`eux, ô mon Dieu, car ils ont souillé le sacerdoce et l`alliance contractée par les sacrificateurs et les Lévites.
29. Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany ny fisoronana, eny, ny faneken' ny fisoronana sy ny Levita.
30. Thus cleansed I them from all strangers, and appointed the wards of the priests and the Levites, every one in his business;
30. Je les purifiai de tout étranger, et je remis en vigueur ce que devaient observer les sacrificateurs et les Lévites, chacun dans sa fonction,
30. Toy izany no nanadiovako azy ho afaka tamin' ny olona hafa firenena rehetra sy nanendreko ny anjara-raharahan' ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin' ny raharahany avy,
31. And for the wood offering, at times appointed, and for the firstfruits. Remember me, O my God, for good.
31. et ce qui concernait l`offrande du bois aux époques fixées, de même que les prémices. Souviens-toi favorablement de moi, ô mon Dieu!
31. Ary ny amin' ny fanaterana ny kitay hazo tamin' izay fotoan' androny sy ny voaloham-bokatra. Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô.