1. And the LORD spake unto Moses, Go unto Pharaoh, and say unto him, Thus saith the LORD, Let my people go, that they may serve me.
1. (7:26) L`Éternel dit à Moïse: Va vers Pharaon, et tu lui diras: Ainsi parle l`Éternel: Laisse aller mon peuple, afin qu`il me serve.
1. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Avelao ny oloko handeha mba hanompoany ahy.
2. And if thou refuse to let them go, behold, I will smite all thy borders with frogs:
2. (7:27) Si tu refuses de le laisser aller, je vais frapper par des grenouilles toute l`étendue de ton pays.
2. Fa raha mandà tsy handefa azy ireo ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin' ny sahona:
3. And the river shall bring forth frogs abundantly, which shall go up and come into thine house, and into thy bedchamber, and upon thy bed, and into the house of thy servants, and upon thy people, and into thine ovens, and into thy kneadingtroughs:
3. "(7:28) Le fleuve fourmillera de grenouilles; elles monteront, et elles entreront dans ta maison, dans ta chambre à coucher et dans ton lit, dans la maison de tes serviteurs et dans celles de ton peuple, dans tes fours et dans tes pétrins."
3. Ary ny renirano hamoaka sahona be dia be izay hiakatra ka hankao amin' ny tranonao, sy ao amin' ny trano fandrianao, sy eny ambony farafaranao, sy ao amin' ny tranon' ny mpanomponao, sy amin' ny vahoakanao, ary amin' ireo fatanao sy amin' ireo fanaova-mofonao.
4. And the frogs shall come up both on thee, and upon thy people, and upon all thy servants.
4. (7:29) Les grenouilles monteront sur toi, sur ton peuple, et sur tous tes serviteurs.
4. Ary ny sahona hiakatra ao aminao, sy ao amin' ny vahoakanao, ary ao amin' ny mpanomponao rehetra.
5. And the LORD spake unto Moses, Say unto Aaron, Stretch forth thine hand with thy rod over the streams, over the rivers, and over the ponds, and cause frogs to come up upon the land of Egypt.
5. (8:1) L`Éternel dit à Moïse: Dis à Aaron: Étends ta main avec ta verge sur les rivières, sur les ruisseaux et sur les étangs, et fais monter les grenouilles sur le pays d`Égypte.
5. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao sy ny tehinao ho ambonin' ny sampan-drano, ambonin' ny renirano sy ambonin' ny heniheny, ka mampiakara sahona hiakatra eny amin' ny tany Egypta.
6. And Aaron stretched out his hand over the waters of Egypt; and the frogs came up, and covered the land of Egypt.
6. "(8:2) Aaron étendit sa main sur les eaux de l`Égypte; et les grenouilles montèrent et couvrirent le pays d`Égypte."
6. "Ary Arona naninjitra ny tanany tambonin' ny ranon' i Egypta; dia niakatra ny sahona, ka nandrakotra ny tany Egypta."
7. And the magicians did so with their enchantments, and brought up frogs upon the land of Egypt.
7. (8:3) Mais les magiciens en firent autant par leurs enchantements. Ils firent monter les grenouilles sur le pays d`Égypte.
7. Ary nanao toy izany tamin' ny fankatovany ny ombiasy ka nampiakatra sahona ho amin' ny tany Egypta.
8. Then Pharaoh called for Moses and Aaron, and said, Intreat the LORD, that he may take away the frogs from me, and from my people; and I will let the people go, that they may do sacrifice unto the LORD.
8. "(8:4) Pharaon appela Moïse et Aaron, et dit: Priez l`Éternel, afin qu`il éloigne les grenouilles de moi et de mon peuple; et je laisserai aller le peuple, pour qu`il offre des sacrifices à l`Éternel."
8. Ary Farao niantso an' i Mosesy sy Arona, ka nanao hoe: Mangataha amin' i Jehovah, mba hampialany ny sahona amiko sy amin' ny vahoakako: dia hamela ny olona handeha aho mba hanaovany fanatitra ho an' i Jehovah.
9. And Moses said unto Pharaoh, Glory over me: when shall I intreat for thee, and for thy servants, and for thy people, to destroy the frogs from thee and thy houses, that they may remain in the river only?
9. (8:5) Moïse dit à Pharaon: Glorifie-toi sur moi! Pour quand prierai-je l`Éternel en ta faveur, en faveur de tes serviteurs et de ton peuple, afin qu`il retire les grenouilles loin de toi et de tes maisons? Il n`en restera que dans le fleuve.
9. "Ary hoy Mosesy tamin' i Farao: Aoka hanam-boninahitra ianao noho ny amiko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao, ary ny vahoakanao, handringanana ny sahona hiala aminao sy ny tranonao, mba hijanonany ao amin' ny renirano ihany?"
10. And he said, To morrow. And he said, Be it according to thy word: that thou mayest know that there is none like unto the LORD our God.
10. (8:6) Il répondit: Pour demain. Et Moïse dit: Il en sera ainsi, afin que tu saches que nul n`est semblable à l`Éternel, notre Dieu.
10. Dia hoy izy: Rahampitso.Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an' i Jehovah Andriamanitray.
11. And the frogs shall depart from thee, and from thy houses, and from thy servants, and from thy people; they shall remain in the river only.
11. "(8:7) Les grenouilles s`éloigneront de toi et de tes maisons, de tes serviteurs et de ton peuple; il n`en restera que dans le fleuve."
11. "Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin' ny tranonao, sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao; ka hijanona ao amin' ny renirano ihany ireny."
12. And Moses and Aaron went out from Pharaoh: and Moses cried unto the LORD because of the frogs which he had brought against Pharaoh.
12. (8:8) Moïse et Aaron sortirent de chez Pharaon. Et Moïse cria à l`Éternel au sujet des grenouilles dont il avait frappé Pharaon.
12. "Ary Mosesy sy Arona niala teo amin' i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin' i Jehovah ny amin' ny sahona izay efa nentiny tamin' i Farao."
13. And the LORD did according to the word of Moses; and the frogs died out of the houses, out of the villages, and out of the fields.
13. "(8:9) L`Éternel fit ce que demandait Moïse; et les grenouilles périrent dans les maisons, dans les cours et dans les champs."
13. Dia nataon' i Jehovah araka ny tenin' i Mosesy, ary maty ny sahona ka tsy nisy intsony teny amin' ny trano sy teny amin' ny vohitra ary tany an-tsaha.
14. And they gathered them together upon heaps: and the land stank.
14. (8:10) On les entassa par monceaux, et le pays fut infecté.
14. Dia nangonina hivangongo ireny, ka maimbo ny tany.
15. But when Pharaoh saw that there was respite, he hardened his heart, and hearkened not unto them; as the LORD had said.
15. (8:11) Pharaon, voyant qu`il y avait du relâche, endurcit son coeur, et il n`écouta point Moïse et Aaron, selon ce que l`Éternel avait dit.
15. Fa nony hitan' i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy, ka tsy nihaino azy ireo, araka ny efa nolazain' i Jehovah.
The Plague of Gnats
16. And the LORD said unto Moses, Say unto Aaron, Stretch out thy rod, and smite the dust of the land, that it may become lice throughout all the land of Egypt.
16. (8:12) L`Éternel dit à Moïse: Dis à Aaron: Étends ta verge, et frappe la poussière de la terre. Elle se changera en poux, dans tout le pays d`Égypte.
16. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany mba ho tonga hao eran' ny tany Egypta rehetra izany.
17. And they did so; for Aaron stretched out his hand with his rod, and smote the dust of the earth, and it became lice in man, and in beast; all the dust of the land became lice throughout all the land of Egypt.
17. "(8:13) Ils firent ainsi. Aaron étendit sa main, avec sa verge, et il frappa la poussière de la terre; et elle fut changée en poux sur les hommes et sur les animaux. Toute la poussière de la terre fut changée en poux, dans tout le pays d`Égypte."
17. "Dia nataony izany ka nahinjitr' i Arona ny tanany sy ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany dia tonga hao teny amin' ny olona sy ny biby izany; tonga hao avokoa ny vovo-tany rehetra eran' ny tany Egypta rehetra."
18. And the magicians did so with their enchantments to bring forth lice, but they could not: so there were lice upon man, and upon beast.
18. "(8:14) Les magiciens employèrent leurs enchantements pour produire les poux; mais ils ne purent pas. Les poux étaient sur les hommes et sur les animaux."
18. "Ary nanao toy izany ny ombiasy tamin' ny fankatovany mba hahatonga hao, kanjo tsy nahay izy ireo; koa nisy hao teny amin' ny olona sy teny amin' ny biby."
19. Then the magicians said unto Pharaoh, This is the finger of God: and Pharaoh's heart was hardened, and he hearkened not unto them; as the LORD had said.
19. (8:15) Et les magiciens dirent à Pharaon: C`est le doigt de Dieu! Le coeur de Pharaon s`endurcit, et il n`écouta point Moïse et Aaron, selon ce que l`Éternel avait dit.
19. "Dia hoy ny ombiasy tamin' i Farao: Rantsan-tanan' Andriamanitra ity; ary nohamafisina ny fon' i Farao ka tsy nihaino azy ireo izy, araka ny efa nolazain' i Jehovah."
The Plague of Flies
20. And the LORD said unto Moses, Rise up early in the morning, and stand before Pharaoh; lo, he cometh forth to the water; and say unto him, Thus saith the LORD, Let my people go, that they may serve me.
20. "(8:16) L`Éternel dit à Moïse: Lève-toi de bon matin, et présente-toi devant Pharaon; il sortira pour aller près de l`eau. Tu lui diras: Ainsi parle l`Éternel: Laisse aller mon peuple, afin qu`il me serve."
20. "Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan' i Farao; indro, hivoaka ho any amin' ny rano izy, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy."
21. Else, if thou wilt not let my people go, behold, I will send swarms of flies upon thee, and upon thy servants, and upon thy people, and into thy houses: and the houses of the Egyptians shall be full of swarms of flies, and also the ground whereon they are.
21. "(8:17) Si tu ne laisses pas aller mon peuple, je vais envoyer les mouches venimeuses contre toi, contre tes serviteurs, contre ton peuple et contre tes maisons; les maisons des Égyptiens seront remplies de mouches, et le sol en sera couvert."
21. "Fa raha tsy handefa ny oloko ianao, indro Aho handefa andiana lalitra aminao sy amin' ny mpanomponao sy amin' ny vahoakanao ary ao amin' ny tranonao; ary ho feno andiana lalitra ny tranon' ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa."
22. And I will sever in that day the land of Goshen, in which my people dwell, that no swarms of flies shall be there; to the end thou mayest know that I am the LORD in the midst of the earth.
22. (8:18) Mais, en ce jour-là, je distinguerai le pays de Gosen où habite mon peuple, et là il n`y aura point de mouches, afin que tu saches que moi, l`Éternel, je suis au milieu de ce pays.
22. Fa havahako amin' izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran' ny oloko, ka tsy mba hisy andiana lalitra any, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah eo afovoan' ny tany.
23. And I will put a division between my people and thy people: to morrow shall this sign be.
23. (8:19) J`établirai une distinction entre mon peuple et ton peuple. Ce signe sera pour demain.
23. "Dia hasiako fiavahana amin' ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian' izany famantarana izany."
24. And the LORD did so; and there came a grievous swarm of flies into the house of Pharaoh, and into his servants' houses, and into all the land of Egypt: the land was corrupted by reason of the swarm of flies.
24. (8:20) L`Éternel fit ainsi. Il vint une quantité de mouches venimeuses dans la maison de Pharaon et de ses serviteurs, et tout le pays d`Égypte fut dévasté par les mouches.
24. "Ary nataon' i Jehovah izany; ka nisy andian-dalitra mahatsiravina tao amin' ny tranon' i Farao sy tao amin' ny tranon' ny mpanompony ary tao amin' ny tany Egypta rehetra; dia simba ny tany noho ny andian-dalitra."
25. And Pharaoh called for Moses and for Aaron, and said, Go ye, sacrifice to your God in the land.
25. (8:21) Pharaon appela Moïse et Aaron et dit: Allez, offrez des sacrifices à votre Dieu dans le pays.
25. Ary Farao niantso an' i Mosesy sy Arona, ka nanao hoe: Mandehana ianareo manao fanatitra ho an' Andriamanitrareo eto amin' ny tany.
26. And Moses said, It is not meet so to do; for we shall sacrifice the abomination of the Egyptians to the LORD our God: lo, shall we sacrifice the abomination of the Egyptians before their eyes, and will they not stone us?
26. "(8:22) Moïse répondit: Il n`est point convenable de faire ainsi; car nous offririons à l`Éternel, notre Dieu, des sacrifices qui sont en abomination aux Égyptiens. Et si nous offrons, sous leurs yeux, des sacrifices qui sont en abomination aux Égyptiens, ne nous lapideront-ils pas?"
26. "Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; satria izay fadin' ny Egyptiana no hataonay fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitray; koa, indro raha izay fahavetavetana amin' ny Egyptiana no hataonay fanatitra eo imasony, moa tsy hotorahany vato va izahay?"
27. We will go three days' journey into the wilderness, and sacrifice to the LORD our God, as he shall command us.
27. (8:23) Nous ferons trois journées de marche dans le désert, et nous offrirons des sacrifices à l`Éternel, notre Dieu, selon ce qu`il nous dira.
27. Handeha lalan-kateloana any an' efitra izahay, ary hanao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitray, araka izay handidiany anay.
28. And Pharaoh said, I will let you go, that ye may sacrifice to the LORD your God in the wilderness; only ye shall not go very far away: intreat for me.
28. (8:24) Pharaon dit: Je vous laisserai aller, pour offrir à l`Éternel, votre Dieu, des sacrifices dans le désert: seulement, vous ne vous éloignerez pas, en y allant. Priez pour moi.
28. "Ary hoy Farao: Handefa anareo ihany aho mba hanaovanareo fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitrareo any an' efitra; fa izao ihany: aza mandeha lavitra loatra : mangataha ho ahy."
29. And Moses said, Behold, I go out from thee, and I will intreat the LORD that the swarms of flies may depart from Pharaoh, from his servants, and from his people, to morrow: but let not Pharaoh deal deceitfully any more in not letting the people go to sacrifice to the LORD.
29. (8:25) Moïse répondit: Je vais sortir de chez toi, et je prierai l`Éternel. Demain, les mouches s`éloigneront de Pharaon, de ses serviteurs et de son peuple. Mais, que Pharaon ne trompe plus, en refusant de laisser aller le peuple, pour offrir des sacrifices à l`Éternel.
29. "Ary hoy Mosesy: Indro, hiala eto aminao aho, ka hangataka amin' i Jehovah hialan' ny andian-dalitra amin' i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao amin’ny tsy hamelany ny olona handeha hanao fanatitra ho an' i Jehovah."
30. And Moses went out from Pharaoh, and intreated the LORD.
30. (8:26) Moïse sortit de chez Pharaon, et il pria l`Éternel.
30. Ary niala teo amin' i Farao i Mosesy ka nangataka tamin' i Jehovah.
31. And the LORD did according to the word of Moses; and he removed the swarms of flies from Pharaoh, from his servants, and from his people; there remained not one.
31. "(8:27) L`Éternel fit ce que demandait Moïse; et les mouches s`éloignèrent de Pharaon, de ses serviteurs et de son peuple. Il n`en resta pas une."
31. "Ary Jehovah nanao araka ny tenin' i Mosesy ka nampiala ny andian-dalitra teo amin' i Farao, sy ny mpanompony ary ny vahoakany; tsy nisy niangana ireny na dia iray aza."
32. And Pharaoh hardened his heart at this time also, neither would he let the people go.
32. (8:28) Mais Pharaon, cette fois encore, endurcit son coeur, et il ne laissa point aller le peuple.
32. Fa nanamafy ny fony tamin' izany indray koa Farao ka tsy namela ny olona handeha.