The Plague on Livestock
1. Then the LORD said unto Moses, Go in unto Pharaoh, and tell him, Thus saith the LORD God of the Hebrews, Let my people go, that they may serve me.
1. L`Éternel dit à Moïse: Va vers Pharaon, et tu lui diras: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu des Hébreux: Laisse aller mon peuple, afin qu`il me serve.
1. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
2. For if thou refuse to let them go, and wilt hold them still,
2. Si tu refuses de le laisser aller, et si tu le retiens encore,
2. Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,
3. Behold, the hand of the LORD is upon thy cattle which is in the field, upon the horses, upon the asses, upon the camels, upon the oxen, and upon the sheep: there shall be a very grievous murrain.
3. "voici, la main de l`Éternel sera sur tes troupeaux qui sont dans les champs, sur les chevaux, sur les ânes, sur les chameaux, sur les boeufs et sur les brebis; il y aura une mortalité très grande."
3. "Dia indro, ny tanan' i Jehovah ho amin' ny biby fiompinao izay any an-tsaha, ho amin' ny soavaly, ho amin' ny boriky sy amin' ny rameva, sy amin' ny omby ary amin' ny ondry; ka hisy areti-mandringana mafy indrindra."
4. And the LORD shall sever between the cattle of Israel and the cattle of Egypt: and there shall nothing die of all that is the children's of Israel.
4. L`Éternel distinguera entre les troupeaux d`Israël et les troupeaux des Égyptiens, et il ne périra rien de tout ce qui est aux enfants d`Israël.
4. Ary Jehovah hanavaka ny biby fiompin' ny Isiraely amin' ny biby fiompin' i Egypta, ka tsy hisy maty izay rehetra an' ny Zanak' Isiraely.
5. And the LORD appointed a set time, saying, To morrow the LORD shall do this thing in the land.
5. L`Éternel fixa le temps, et dit: Demain, l`Éternel fera cela dans le pays.
5. Dia nanendry fotoan' andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan' i Jehovah izany zavatra izany eto amin' ny tany.
6. And the LORD did that thing on the morrow, and all the cattle of Egypt died: but of the cattle of the children of Israel died not one.
6. Et l`Éternel fit ainsi, dès le lendemain. Tous les troupeaux des Égyptiens périrent, et il ne périt pas une bête des troupeaux des enfants d`Israël.
6. "Ary nony ampitso dia nataon' i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny biby fiompin' i Egypta rehetra fa ny biby fiompin' ny Zanak' Isiraely kosa tsy nisy maty na dia iray aza."
7. And Pharaoh sent, and, behold, there was not one of the cattle of the Israelites dead. And the heart of Pharaoh was hardened, and he did not let the people go.
7. "Pharaon s`informa de ce qui était arrivé; et voici, pas une bête des troupeaux d`Israël n`avait péri. Mais le coeur de Pharaon s`endurcit, et il ne laissa point aller le peuple."
7. Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny biby fiompin' ny Isiraelita na dia iray akory aza. Koa nihamafy ny fon' i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy.
The Plague of Boils
8. And the LORD said unto Moses and unto Aaron, Take to you handfuls of ashes of the furnace, and let Moses sprinkle it toward the heaven in the sight of Pharaoh.
8. L`Éternel dit à Moïse et à Aaron: Remplissez vos mains de cendre de fournaise, et que Moïse la jette vers le ciel, sous les yeux de Pharaon.
8. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin' ny tananao ao amin' ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin' i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason' i Farao izany.
9. And it shall become small dust in all the land of Egypt, and shall be a boil breaking forth with blains upon man, and upon beast, throughout all the land of Egypt.
9. "Elle deviendra une poussière qui couvrira tout le pays d`Égypte; et elle produira, dans tout le pays d`Égypte, sur les hommes et sur les animaux, des ulcères formés par une éruption de pustules."
9. Dia hitora-jofo eran' ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin' ny olona sy amin' ny biby eran' ny tany Egypta rehetra.
10. And they took ashes of the furnace, and stood before Pharaoh; and Moses sprinkled it up toward heaven; and it became a boil breaking forth with blains upon man, and upon beast.
10. "Ils prirent de la cendre de fournaise, et se présentèrent devant Pharaon; Moïse la jeta vers le ciel, et elle produisit sur les hommes et sur les animaux des ulcères formés par une éruption de pustules."
10. "Dia naka lavenona tamin' ny lafaoro lehibe izy ireo ka nitsangana teo anatrehan' i Farao; dia natopin' i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin' ny olona sy tamin' ny biby."
11. And the magicians could not stand before Moses because of the boils; for the boil was upon the magicians, and upon all the Egyptians.
11. "Les magiciens ne purent paraître devant Moïse, à cause des ulcères; car les ulcères étaient sur les magiciens, comme sur tous les Égyptiens."
11. "Ary tsy nahajanona teo anatrehan' i Mosesy ny ombiasy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin' ny Egyptiana rehetra."
12. And the LORD hardened the heart of Pharaoh, and he hearkened not unto them; as the LORD had spoken unto Moses.
12. L`Éternel endurcit le coeur de Pharaon, et Pharaon n`écouta point Moïse et Aaron, selon ce que l`Éternel avait dit à Moïse.
12. Ary Jehovah nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy.
The Plague of Hail
13. And the LORD said unto Moses, Rise up early in the morning, and stand before Pharaoh, and say unto him, Thus saith the LORD God of the Hebrews, Let my people go, that they may serve me.
13. L`Éternel dit à Moïse: Lève-toi de bon matin, et présente-toi devant Pharaon. Tu lui diras: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu des Hébreux: Laisse aller mon peuple, afin qu`il me serve.
13. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy.Mifohaza maraina koa ianao, dia mitsangàna eo anatrehan' i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
14. For I will at this time send all my plagues upon thine heart, and upon thy servants, and upon thy people; that thou mayest know that there is none like me in all the earth.
14. Car, cette fois, je vais envoyer toutes mes plaies contre ton coeur, contre tes serviteurs et contre ton peuple, afin que tu saches que nul n`est semblable à moi sur toute la terre.
14. Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy aty amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin' ny tany rehetra.
15. For now I will stretch out my hand, that I may smite thee and thy people with pestilence; and thou shalt be cut off from the earth.
15. Si j`avais étendu ma main, et que je t`eusse frappé par la mortalité, toi et ton peuple, tu aurais disparu de la terre.
15. Fa ankehitriny, haninjitra ny tanako Aho mba hamely anao sy ny vahoakanao amin' ny areti-mandringana, dia ho fongorana amin' ny tany ianao.
16. And in very deed for this cause have I raised thee up, for to shew in thee my power; and that my name may be declared throughout all the earth.
16. Mais, je t`ai laissé subsister, afin que tu voies ma puissance, et que l`on publie mon nom par toute la terre.
16. Kanefa izao indrindra no nananganako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin' ny tany rehetra ny anarako.
17. As yet exaltest thou thyself against my people, that thou wilt not let them go?
17. Si tu t`élèves encore contre mon peuple, et si tu ne le laisses point aller,
17. Mbola mirehareha amin' ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
18. Behold, to morrow about this time I will cause it to rain a very grievous hail, such as hath not been in Egypt since the foundation thereof even until now.
18. voici, je ferai pleuvoir demain, à cette heure, une grêle tellement forte, qu`il n`y en a point eu de semblable en Égypte depuis le jour où elle a été fondée jusqu`à présent.
18. Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin' ny niorenany ka mandraka ankehitriny.
19. Send therefore now, and gather thy cattle, and all that thou hast in the field; for upon every man and beast which shall be found in the field, and shall not be brought home, the hail shall come down upon them, and they shall die.
19. Fais donc mettre en sûreté tes troupeaux et tout ce qui est à toi dans les champs. La grêle tombera sur tous les hommes et sur tous les animaux qui se trouveront dans les champs et qui n`auront pas été recueillis dans les maisons, et ils périront.
19. "Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona ny biby fiompinao, sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby izay ho hita any an-tsaha ka tsy hoenti-mody dia hilatsahan' ny havandra ka ho faty."
20. He that feared the word of the LORD among the servants of Pharaoh made his servants and his cattle flee into the houses:
20. Ceux des serviteurs de Pharaon qui craignirent la parole de l`Éternel firent retirer dans les maisons leurs serviteurs et leurs troupeaux.
20. "Ary izay natahotra ny tenin' i Jehovah teo amin' ny mpanompon' i Farao dia nampody tany an-trano ny mpanompony sy ny biby fiompiny;"
21. And he that regarded not the word of the LORD left his servants and his cattle in the field.
21. Mais ceux qui ne prirent point à coeur la parole de l`Éternel laissèrent leurs serviteurs et leurs troupeaux dans les champs.
21. Fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin' i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny biby fiompiny tany an-tsaha.
22. And the LORD said unto Moses, Stretch forth thine hand toward heaven, that there may be hail in all the land of Egypt, upon man, and upon beast, and upon every herb of the field, throughout the land of Egypt.
22. "L`Éternel dit à Moïse: Étends ta main vers le ciel; et qu`il tombe de la grêle dans tout le pays d`Égypte sur les hommes, sur les animaux, et sur toutes les herbes des champs, dans le pays d`Égypte."
22. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy havandra hilatsaka amin' ny tany Egypta rehetra, dia amin' ny olona sy amin'ny biby ary amin'ny zava-maitso rehetra any an-tsaha eran' ny tany Egypta.
23. And Moses stretched forth his rod toward heaven: and the LORD sent thunder and hail, and the fire ran along upon the ground; and the LORD rained hail upon the land of Egypt.
23. "Moïse étendit sa verge vers le ciel; et l`Éternel envoya des tonnerres et de la grêle, et le feu se promenait sur la terre. L`Éternel fit pleuvoir de la grêle sur le pays d`Égypte."
23. "Dia nahinjitr' i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary nanisy kotrokorana sy havandra Jehovah, ka nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin' ny tany; dia nandatsaka havandra tamin' ny tany Egypta Jehovah."
24. So there was hail, and fire mingled with the hail, very grievous, such as there was none like it in all the land of Egypt since it became a nation.
24. "Il tomba de la grêle, et le feu se mêlait avec la grêle; elle était tellement forte qu`il n`y en avait point eu de semblable dans tout le pays d`Égypte depuis qu`il existe comme nation."
24. "Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan' ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin' ny tany Egypta rehetra hatrizay naha firenena azy."
25. And the hail smote throughout all the land of Egypt all that was in the field, both man and beast; and the hail smote every herb of the field, and brake every tree of the field.
25. "La grêle frappa, dans tout le pays d`Égypte, tout ce qui était dans les champs, depuis les hommes jusqu`aux animaux; la grêle frappa aussi toutes les herbes des champs, et brisa tous les arbres des champs."
25. "Ary namely eran' ny tany Egypta rehetra ny havandra dia izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; ary namely ny zava-maitso tany an-tsaha ny havandra, ka nanapaka ny hazo rehetra tany an-tsaha."
26. Only in the land of Goshen, where the children of Israel were, was there no hail.
26. Ce fut seulement dans le pays de Gosen, où étaient les enfants d`Israël, qu`il n`y eut point de grêle.
26. Fa tao amin' ny tany Gosena izay nitoeran' ny Zanak' Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
27. And Pharaoh sent, and called for Moses and Aaron, and said unto them, I have sinned this time: the LORD is righteous, and I and my people are wicked.
27. "Pharaon fit appeler Moïse et Aaron, et leur dit: Cette fois, j`ai péché; c`est l`Éternel qui est le juste, et moi et mon peuple nous sommes les coupables."
27. "Dia naniraka Farao nampaka an' i Mosesy sy Arona ka nanao tamin' izy ireo hoe: Efa nanota aho tamin' izao; marina Jehovah, fa izaho sy ny vahoakako no ratsy fanahy."
28. Intreat the LORD (for it is enough) that there be no more mighty thunderings and hail; and I will let you go, and ye shall stay no longer.
28. "Priez l`Éternel, pour qu`il n`y ait plus de tonnerres ni de grêle; et je vous laisserai aller, et l`on ne vous retiendra plus."
28. "Mangataha amin' i Jehovah (fa ampy izay) mba tsy hisy kotroka mahery sy havandra intsony; dia halefako ianareo ka tsy hijanona intsony."
29. And Moses said unto him, As soon as I am gone out of the city, I will spread abroad my hands unto the LORD; and the thunder shall cease, neither shall there be any more hail; that thou mayest know how that the earth is the LORD's.
29. Moïse lui dit: Quand je sortirai de la ville, je lèverai mes mains vers l`Éternel, les tonnerres cesseront et il n`y aura plus de grêle, afin que tu saches que la terre est à l`Éternel.
29. "Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin' ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin' i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an' i Jehovah ny tany."
30. But as for thee and thy servants, I know that ye will not yet fear the LORD God.
30. Mais je sais que toi et tes serviteurs, vous ne craindrez pas encore l`Éternel Dieu.
30. Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an' i Jehovah Andriamanitra ihany.
31. And the flax and the barley was smitten: for the barley was in the ear, and the flax was bolled.
31. "Le lin et l`orge avaient été frappés, parce que l`orge était en épis et que c`était la floraison du lin;"
31. "Ary efa ripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony."
32. But the wheat and the rie were not smitten: for they were not grown up.
32. le froment et l`épeautre n`avaient point été frappés, parce qu`ils sont tardifs.
32. Fa ny vary tritika sy ny spelta no tsy mba ripaka satria mbola tsy nitombo ireny.
33. And Moses went out of the city from Pharaoh, and spread abroad his hands unto the LORD: and the thunders and hail ceased, and the rain was not poured upon the earth.
33. "Moïse sortit de chez Pharaon, pour aller hors de la ville; il leva ses mains vers l`Éternel, les tonnerres et la grêle cessèrent, et la pluie ne tomba plus sur la terre."
33. Ary Mosesy niala teo amin' i Farao ka nankeo ivelan' ny tanàna, dia namelatra ny tanany tamin' i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin' ny tany.
34. And when Pharaoh saw that the rain and the hail and the thunders were ceased, he sinned yet more, and hardened his heart, he and his servants.
34. Pharaon, voyant que la pluie, la grêle et les tonnerres avaient cessé, continua de pécher, et il endurcit son coeur, lui et ses serviteurs.
34. Ary nony hitan' i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy ary nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.
35. And the heart of Pharaoh was hardened, neither would he let the children of Israel go; as the LORD had spoken by Moses.
35. Le coeur de Pharaon s`endurcit, et il ne laissa point aller les enfants d`Israël, selon ce que l`Éternel avait dit par l`intermédiaire de Moïse.
35. "Dia nohamafisina ny fon' i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak' Isiraely izy; araka izay efa notenenin' i Jehovah tamin' ny alalan' i Mosesy."