1. Then wrought Bezaleel and Aholiab, and every wise hearted man, in whom the LORD put wisdom and understanding to know how to work all manner of work for the service of the sanctuary, according to all that the LORD had commanded.
1. Betsaleel, Oholiab, et tous les hommes habiles, en qui l`Éternel avait mis de la sagesse et de l`intelligence pour savoir et pour faire, exécutèrent les ouvrages destinés au service du sanctuaire, selon tout ce que l`Éternel avait ordonné.
1. Dia niasa Bezalila sy Oholiaba, ary ny lehilahy hendry am-po rehetra, izay nomen' i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina hahaizana hanao ny asa samihafa rehetra ho amin' ny fanompoana ny fitoerana masina, araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah.
2. And Moses called Bezaleel and Aholiab, and every wise hearted man, in whose heart the LORD had put wisdom, even every one whose heart stirred him up to come unto the work to do it:
2. Moïse appela Betsaleel, Oholiab, et tous les hommes habiles dans l`esprit desquels l`Éternel avait mis de l`intelligence, tous ceux dont le coeur était disposé à s`appliquer à l`oeuvre pour l`exécuter.
2. Ary Mosesy dia niantso an' i Bezalila sy Oholiaba, ary ny lehilahy hendry am-po rehetra izay efa nasian' i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nohetsehin' ny fony hankeo amin' ny asa hanao izany.
3. And they received of Moses all the offering, which the children of Israel had brought for the work of the service of the sanctuary, to make it withal. And they brought yet unto him free offerings every morning.
3. Ils prirent devant Moïse toutes les offrandes qu`avaient apportées les enfants d`Israël pour faire les ouvrages destinés au service du sanctuaire. Chaque matin, on apportait encore à Moïse des offrandes volontaires.
3. Ary izy ireo dia nandray tamin' i Mosesy ny fanatitra rehetra, izay efa nentin' ny Zanak' Isiraely ho amin' ny asa fanompoana ny fitoerana masina, hanaovana izany. Nefa mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo tany aminy izy ireo isa-maraina.
4. And all the wise men, that wrought all the work of the sanctuary, came every man from his work which they made;
4. Alors tous les hommes habiles, occupés à tous les travaux du sanctuaire, quittèrent chacun l`ouvrage qu`ils faisaient,
4. Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin' ny fitoerana masina, samy niala tamin' ny asany izay nataony avy,
5. And they spake unto Moses, saying, The people bring much more than enough for the service of the work, which the LORD commanded to make.
5. et vinrent dire à Moïse: Le peuple apporte beaucoup plus qu`il ne faut pour exécuter les ouvrages que l`Éternel a ordonné de faire.
5. Ka niteny tamin' i Mosesy ireo hoe: Ny olona mitondra be lavitra noho izay ampy ho amin' ny fanompoana ny asa izay nandidian' i Jehovah hatao.
6. And Moses gave commandment, and they caused it to be proclaimed throughout the camp, saying, Let neither man nor woman make any more work for the offering of the sanctuary. So the people were restrained from bringing.
6. Moïse fit publier dans le camp que personne, homme ou femme, ne s`occupât plus d`offrandes pour le sanctuaire. On empêcha ainsi le peuple d`en apporter.
6. Dia nanome didy Mosesy ka nampilaza izany manerana ny toby ireo sady nanao hoe: Aza misy manao asa hanaovana fanatitra ho amin' ny fitoerana masina intsony na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra.
7. For the stuff they had was sufficient for all the work to make it, and too much.
7. Les objets préparés suffisaient, et au delà, pour tous les ouvrages à faire.
7. Fa ny zavatra nananany dia ampy ho amin' ny asa rehetra hanaovana izany, ary be loatra aza.

The Tabernacle

8. And every wise hearted man among them that wrought the work of the tabernacle made ten curtains of fine twined linen, and blue, and purple, and scarlet: with cherubims of cunning work made he them.
8. "Tous les hommes habiles, qui travaillèrent à l`oeuvre, firent le tabernacle avec dix tapis de fin lin retors et de fil bleu, pourpre et cramoisi; on y représenta des chérubins artistement travaillés."
8. "Ary ny lehilahy hendry am-po rehetra teo amin' ireo izay nanao ny asa momba ny tabernakely dia nanao efitra lamba folo tamin' ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy sy jaky; kerobima asan' ny mpanenona mahay no nataony sorany."
9. The length of one curtain was twenty and eight cubits, and the breadth of one curtain four cubits: the curtains were all of one size.
9. "La longueur d`un tapis était de vingt-huit coudées; et la largeur d`un tapis était de quatre coudées; la mesure était la même pour tous les tapis."
9. "Ny halavan' ny efitra lamba iray dia valo amby roapolo hakiho, ary ny lambanan' ny efitra lamba iray dia efatra hakiho; nitovy refy ny efitra lamba rehetra."
10. And he coupled the five curtains one unto another: and the other five curtains he coupled one unto another.
10. "Cinq de ces tapis furent joints ensemble; les cinq autres furent aussi joints ensemble."
10. "Ny efitra lamba dimy navitrana ho iray; ary ny efitra lamba dimy hafa navitrana ho iray."
11. And he made loops of blue on the edge of one curtain from the selvedge in the coupling: likewise he made in the uttermost side of another curtain, in the coupling of the second.
11. "On fit des lacets bleus au bord du tapis terminant le premier assemblage; on fit de même au bord du tapis terminant le second assemblage."
11. "Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin' ny efitra lamba iray izy, dia teo an-tsisin' ny anankiray efa voavitrana; nanao toy izany koa izy tamin' ny efitra lamba farany, dia teo an-tsisin' ny faharoa efa voavitrana."
12. Fifty loops made he in one curtain, and fifty loops made he in the edge of the curtain which was in the coupling of the second: the loops held one curtain to another.
12. "On mit cinquante lacets au premier tapis, et l`on mit cinquante lacets au bord du tapis terminant le second assemblage; ces lacets se correspondaient les uns aux autres."
12. "Tadivavarana dimampolo no nataony teo amin' ny efitra lamba iray, ary tadivavarana dimampolo no nataony teo amin' ny sisin' ny efitra lamba izay amin' ny faharoa efa voavitrana; nampifandray ny efitra lamba ny tadivavarana."
13. And he made fifty taches of gold, and coupled the curtains one unto another with the taches: so it became one tabernacle.
13. On fit cinquante agrafes d`or, et l`on joignit les tapis l`un à l`autre avec les agrafes. Et le tabernacle forma un tout.
13. Ary nanao farango volamena dimampolo izy, ka nakambany tamin' ny farango ny efitra lamba, dia tonga tabernakely iray izany.
14. And he made curtains of goats' hair for the tent over the tabernacle: eleven curtains he made them.
14. "On fit des tapis de poil de chèvre, pour servir de tente sur le tabernacle; on fit onze de ces tapis."
14. "Ary nanao efitra lamba tamin' ny volon' osy izy ho lay fandrakofana ny tabernakely; efitra lamba iraika ambin' ny folo no nanaovany izany."
15. The length of one curtain was thirty cubits, and four cubits was the breadth of one curtain: the eleven curtains were of one size.
15. "La longueur d`un tapis était de trente coudées, et la largeur d`un tapis était de quatre coudées; la mesure était la même pour les onze tapis."
15. "Ny halavan' ny efitra lamba iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan' ny efitra lamba iray dia efatra hakiho; mitovy refy ny efitra lamba iraika ambin' ny folo."
16. And he coupled five curtains by themselves, and six curtains by themselves.
16. On joignit séparément cinq de ces tapis, et les six autres séparément.
16. Ary navitrany ny efitra lamba dimy hikambana ary ny efitra lamba enina hikambana.
17. And he made fifty loops upon the uttermost edge of the curtain in the coupling, and fifty loops made he upon the edge of the curtain which coupleth the second.
17. On mit cinquante lacets au bord du tapis terminant un assemblage, et l`on mit cinquante lacets au bord du tapis du second assemblage.
17. Ary nanao tadivavarana dimampolo teo antsisin' ny efitra lamba iray farany amin' ny efa voavitrana izy, ary tadivavarana dimampolo no nataony teo an-tsisin' ny efitra lamba iray amin' ny faharoa efa voavitrana.
18. And he made fifty taches of brass to couple the tent together, that it might be one.
18. On fit cinquante agrafes d`airain, pour assembler la tente, afin qu`elle formât un tout.
18. Ary nanao farango varahina dimampolo izy hampikambana ny lay ka mba ho iray ihany izany.
19. And he made a covering for the tent of rams' skins dyed red, and a covering of badgers' skins above that.
19. On fit pour la tente une couverture de peaux de béliers teintes en rouge, et une couverture de peaux de dauphins, qui devait être mise par-dessus.
19. Ary nanao rakotry ny lay tamin' ny hoditr' ondry efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20. And he made boards for the tabernacle of shittim wood, standing up.
20. "On fit les planches pour le tabernacle; elles étaient de bois d`acacia, placées debout."
20. Ary nanao hazofisaka ho an' ny tabernakely tamin' ny hazo sitima izy, ka natsangana.
21. The length of a board was ten cubits, and the breadth of a board one cubit and a half.
21. La longueur d`une planche était de dix coudées, et la largeur d`une planche était d`une coudée et demie.
21. Folo hakiho ny halavan' ny hazofisaka, ary iray hakiho sy sasany ny sakan' ny hazofisaka.
22. One board had two tenons, equally distant one from another: thus did he make for all the boards of the tabernacle.
22. "Il y avait pour chaque planche deux tenons, joints l`un à l`autre; l`on fit de même pour toutes les planches du tabernacle."
22. "Lahiny roa no tamin' ny hazofisaka iray, mifanandrify; izany no nanaovana ny hazofisaka rehetra tamin' ny tabernakely."
23. And he made boards for the tabernacle; twenty boards for the south side southward:
23. On fit vingt planches pour le tabernacle, du côté du midi.
23. "Dia nanao hazofisaka ho an' ny tabernakely izy; hazofisaka roapolo ho an' ny lafiny atsimo mianatsimo."
24. And forty sockets of silver he made under the twenty boards; two sockets under one board for his two tenons, and two sockets under another board for his two tenons.
24. On mit quarante bases d`argent sous les vingt planches, deux bases sous chaque planche pour ses deux tenons.
24. "Ary nanao faladia volafotsy efapolo teo ambanin' ny hazofisaka roapolo izy; faladia roa no teo ambanin' ny hazofisaka iray ho amin' ny lahiny roa, ary faladia roa no teo ambanin' ny hazofisaka iray hafa ho amin' ny lahiny roa."
25. And for the other side of the tabernacle, which is toward the north corner, he made twenty boards,
25. On fit vingt planches pour le second côté du tabernacle, le côté du nord,
25. Ary nanao hazofisaka roapolo izy ho an' ny lafiny ilan' ny tabernakely izay teo amin' ny zorony avaratra,
26. And their forty sockets of silver; two sockets under one board, and two sockets under another board.
26. et leur quarante bases d`argent, deux bases sous chaque planche.
26. "Sy ny faladiany volafotsy efapolo; faladia roa no teo ambanin' ny hazofisaka iray, ary faladia roa no teo ambanin' ny hazofisaka hafa."
27. And for the sides of the tabernacle westward he made six boards.
27. On fit six planches pour le fond du tabernacle, du côté de l`occident.
27. Ary nanao hazofisaka enina izy ho an' ireo lafin' ny tabernakely miankandrefana.
28. And two boards made he for the corners of the tabernacle in the two sides.
28. "On fit deux planches pour les angles du tabernacle dans le fond;"
28. Ary nanao hazofisaka roa izy ho an' ireo zoron' ny tabernakely tamin' ny lafiny roa.
29. And they were coupled beneath, and coupled together at the head thereof, to one ring: thus he did to both of them in both the corners.
29. "elles étaient doubles depuis le bas et bien liées à leur sommet par un anneau; on fit de même pour toutes aux deux angles."
29. "Ary nakambana teo ambany ireo, ary nakambana tamin' ny lohany tamin' ny vavavola iray; toy izany no nanaovany azy tsiroaroa teo amin' ny zorony roa."
30. And there were eight boards; and their sockets were sixteen sockets of silver, under every board two sockets.
30. Il y avait ainsi huit planches, avec leurs bases d`argent, soit seize bases, deux bases sous chaque planche.
30. "Dia hazofisaka valo ireo; ary ny faladiany dia faladia volafotsy enina ambin' ny folo, faladia roa no ambanin' ny hazofisaka tsirairay."
31. And he made bars of shittim wood; five for the boards of the one side of the tabernacle,
31. On fit cinq barres de bois d`acacia pour les planches de l`un des côtés du tabernacle,
31. "Dia nanao barany tamin' ny hazo sitima izy; dimy ho an' ny hazofisaky ny lafiny iray amin' ny tabernakely,"
32. And five bars for the boards of the other side of the tabernacle, and five bars for the boards of the tabernacle for the sides westward.
32. "cinq barres pour les planches du second côté du tabernacle, et cinq barres pour les planches du côté du tabernacle formant le fond vers l`occident;"
32. Ary barany dimy ho an' ny hazofisaky ny lafiny ilan' ny tabernakely, ary barany dimy ho an' ireo hazofisaky ny tabernakely ho an' ny lafiny miankandrefana.
33. And he made the middle bar to shoot through the boards from the one end to the other.
33. on fit la barre du milieu pour traverser les planches d`une extrémité à l`autre.
33. Ary nanao ny barany afovoany izy hamaky afovoan' ny hazofisaka ka hahatratra ny farany roa.
34. And he overlaid the boards with gold, and made their rings of gold to be places for the bars, and overlaid the bars with gold.
34. On couvrit d`or les planches, et l`on fit d`or leurs anneaux pour recevoir les barres, et l`on couvrit d`or les barres.
34. Ary nopetahany volamena ny hazofisaka, ary nanao ny vavavola volamenany izy ho fitoeran' ny barany, ary nopetahany volamena ny barany.
35. And he made a vail of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen: with cherubims made he it of cunning work.
35. "On fit le voile de fil bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors; on le fit artistement travaillé, et l`on y représenta des chérubins."
35. "Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika voahasina; kerobima asan' ny mpanenona mahay no nataony sorany."
36. And he made thereunto four pillars of shittim wood, and overlaid them with gold: their hooks were of gold; and he cast for them four sockets of silver.
36. "On fit pour lui quatre colonnes d`acacia, et on les couvrit d`or; elles avaient des crochets d`or, et l`on fondit pour elles quatre bases d`argent."
36. "Ary nanao andriny efatra tamin' ny hazo sitima izy, ka nopetahany volamena izany; volamena ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra ho an' ireo izy."
37. And he made an hanging for the tabernacle door of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, of needlework;
37. "On fit pour l`entrée de la tente un rideau de fil bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors; c`était un ouvrage de broderie."
37. "Ary nanao efitra lamba ho varavaran' ny tabernakely izy, ka tamin' ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika voahasina, asan' ny mpanao tenony;"
38. And the five pillars of it with their hooks: and he overlaid their chapiters and their fillets with gold: but their five sockets were of brass.
38. "On fit ses cinq colonnes et leurs crochets, et l`on couvrit d`or leurs chapiteaux et leurs tringles; leurs cinq bases étaient d`airain."
38. "Ary ny andriny dimy miaraka amin' ny fihantonany; ary nopetahany volamena ny kapitaliny sy ny anjany; fa ny faladiany dimy dia varahina."
<
>