Sabbath Regulations
1. And Moses gathered all the congregation of the children of Israel together, and said unto them, These are the words which the LORD hath commanded, that ye should do them.
1. Moïse convoqua toute l`assemblée des enfants d`Israël, et leur dit: Voici les choses que l`Éternel ordonne de faire.
1. Ary Mosesy dia namory ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ireto no teny nandidian' i Jehovah fa tokony hataonareo.
2. Six days shall work be done, but on the seventh day there shall be to you an holy day, a sabbath of rest to the LORD: whosoever doeth work therein shall be put to death.
2. "On travaillera six jours; mais le septième jour sera pour vous une chose sainte; c`est le sabbat, le jour du repos, consacré à l`Éternel. Celui qui fera quelque ouvrage ce jour-là, sera puni de mort."
2. "Henemana no hanaovana raharaha, fa ny andro fahafito dia ho andro masina aminareo, sabatan' ny fitsaharana ho an' i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin' izany dia hatao maty."
3. Ye shall kindle no fire throughout your habitations upon the sabbath day.
3. Vous n`allumerez point de feu, dans aucune de vos demeures, le jour du sabbat.
3. Aza mandrehitra afo manerana ny fonenanareo amin' ny andro sabata.
Materials for the Tabernacle
4. And Moses spake unto all the congregation of the children of Israel, saying, This is the thing which the LORD commanded, saying,
4. Moïse parla à toute l`assemblée des enfants d`Israël, et dit: Voici ce que l`Éternel a ordonné.
4. Ary niteny tamin' ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely rehetra Mosesy nanao hoe: Izao no zavatra izay nandidian' i Jehovah manao hoe :
5. Take ye from among you an offering unto the LORD: whosoever is of a willing heart, let him bring it, an offering of the LORD; gold, and silver, and brass,
5. "Prenez sur ce qui vous appartient une offrande pour l`Éternel. Tout homme dont le coeur est bien disposé apportera en offrande à l`Éternel: de l`or, de l`argent et de l`airain;"
5. Manalà aminareo fanatitra ho an' i Jehovah: izay rehetra ampirisihin' ny fony dia hitondra izany ho fanatitra ho an' i Jehovah: volamena sy volafotsy ary varahina,
6. And blue, and purple, and scarlet, and fine linen, and goats' hair,
6. "des étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, du fin lin et du poil de chèvre;"
6. Sy manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika ary volon' osy,
7. And rams' skins dyed red, and badgers' skins, and shittim wood,
7. "des peaux de béliers teintes en rouge et des peaux de dauphins; du bois d`acacia;"
7. Sy hoditr' ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo sitima,
8. And oil for the light, and spices for anointing oil, and for the sweet incense,
8. "de l`huile pour le chandelier, des aromates pour l`huile d`onction et pour le parfum odoriférant;"
8. Sy diloilo hatao fanazavana, sy zava-manitra ho diloilo fanosorana ary ho ditin-kazo manitra,
9. And onyx stones, and stones to be set for the ephod, and for the breastplate.
9. des pierres d`onyx et d`autres pierres pour la garniture de l`éphod et du pectoral.
9. Sy vato onyksa sy vato atao ho an' ny efoda sy ho an' ny saron-tratra.
10. And every wise hearted among you shall come, and make all that the LORD hath commanded;
10. Que tous ceux d`entre vous qui ont de l`habileté viennent et exécutent tout ce que l`Éternel a ordonné:
10. "Ary izay rehetra hendry am-po aminareo no hanatona ka hanao izay rehetra nandidian' i Jehovah;"
11. The tabernacle, his tent, and his covering, his taches, and his boards, his bars, his pillars, and his sockets,
11. "le tabernacle, sa tente et sa couverture, ses agrafes, ses planches, ses barres, ses colonnes et ses bases;"
11. Dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny rakony sy ny farangony sy ny hazofisany sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
12. The ark, and the staves thereof, with the mercy seat, and the vail of the covering,
12. "l`arche et ses barres, le propitiatoire, et le voile pour couvrir l`arche;"
12. Ny fiara sy ny baony, miaraka amin' ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13. The table, and his staves, and all his vessels, and the shewbread,
13. "la table et ses barres, et tous ses ustensiles, et les pains de proposition;"
13. Ary ny latabatra sy ny baony mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, sy ny mofo aseho,
14. The candlestick also for the light, and his furniture, and his lamps, with the oil for the light,
14. "le chandelier et ses ustensiles, ses lampes, et l`huile pour le chandelier;"
14. Ary ny fanaovanjiro ho fanazavana mbamin' ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovanjirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
15. And the incense altar, and his staves, and the anointing oil, and the sweet incense, and the hanging for the door at the entering in of the tabernacle,
15. "l`autel des parfums et ses barres, l`huile d`onction et le parfum odoriférant, et le rideau de la porte pour l`entrée du tabernacle;"
15. Ary ny alitaran' ny ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba eo amin' ny fidirana ho ao amin' ny tabernakely.
16. The altar of burnt offering, with his brasen grate, his staves, and all his vessels, the laver and his foot,
16. "l`autel des holocaustes, sa grille d`airain, ses barres, et tous ses ustensiles; la cuve avec sa base;"
16. Ny alitaran' ny fanatitra dorana miaraka amin' ny haratony varahina, ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy fanasana sy ny tongony,
17. The hangings of the court, his pillars, and their sockets, and the hanging for the door of the court,
17. "les toiles du parvis, ses colonnes, ses bases, et le rideau de la porte du parvis;"
17. Ny fefy lamban' ny kianja, ny andriny mbamin' ny faladiany, ary ny varavarana lamba ho an' ny vavahadin' ny kianja,
18. The pins of the tabernacle, and the pins of the court, and their cords,
18. "les pieux du tabernacle, les pieux du parvis, et leurs cordages; les vêtements d`office pour le service dans le sanctuaire,"
18. Ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
19. The cloths of service, to do service in the holy place, the holy garments for Aaron the priest, and the garments of his sons, to minister in the priest's office.
19. les vêtements sacrés pour le sacrificateur Aaron, et les vêtements de ses fils pour les fonctions du sacerdoce.
19. Ny fitafian' ny fanompoana hanaovana fanompoana ao amin' ny fitoerana masina, ny fitafiana masina ho an' i Arona mpisorona ary ny fitafian' ny zanany lahy hanompoana amin' ny raharahan' ny mpisorona.
20. And all the congregation of the children of Israel departed from the presence of Moses.
20. Toute l`assemblée des enfants d`Israël sortit de la présence de Moïse.
20. Dia niala teo anatrehan' i Mosesy ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely rehetra.
21. And they came, every one whose heart stirred him up, and every one whom his spirit made willing, and they brought the LORD's offering to the work of the tabernacle of the congregation, and for all his service, and for the holy garments.
21. Tous ceux qui furent entraînés par le coeur et animés de bonne volonté vinrent et apportèrent une offrande à l`Éternel pour l`oeuvre de la tente d`assignation, pour tout son service, et pour les vêtements sacrés.
21. Ary nanatona ireo izay rehetra nohetsehin' ny fony sy izay rehetra nampirisihin' ny fanahiny, dia nitondra ny fanatitr' i Jehovah ho an' ny asa momba ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ho an' ny fitafiana masina.
22. And they came, both men and women, as many as were willing hearted, and brought bracelets, and earrings, and rings, and tablets, all jewels of gold: and every man that offered offered an offering of gold unto the LORD.
22. "Les hommes vinrent aussi bien que les femmes; tous ceux dont le coeur était bien disposé apportèrent des boucles, des anneaux, des bagues, des bracelets, toutes sortes d`objets d`or; chacun présenta l`offrande d`or qu`il avait consacrée à l`Éternel."
22. "Dia nanatona izy ireo, ny lehilahy sy vehivavy rehetra nampirisihin' ny fony, ka nitondra fehi-tanana sy kavina sy peratra ary haba, izay rehetra firavaka volamena; ary ny lehilahy rehetra, izay nanolotra dia nanolotra fanatitra volamena ho an' i Jehovah."
23. And every man, with whom was found blue, and purple, and scarlet, and fine linen, and goats' hair, and red skins of rams, and badgers' skins, brought them.
23. Tous ceux qui avaient des étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, du fin lin et du poil de chèvre, des peaux de béliers teintes en rouge et des peaux de dauphins, les apportèrent.
23. Ary ny lehilahy rehetra, izay nahitana manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika sy volon' osy sy hoditr' ondrilahy mena, ary hodi-takasy, dia nitondra izany.
24. Every one that did offer an offering of silver and brass brought the LORD's offering: and every man, with whom was found shittim wood for any work of the service, brought it.
24. Tous ceux qui présentèrent par élévation une offrande d`argent et d`airain apportèrent l`offrande à l`Éternel. Tous ceux qui avaient du bois d`acacia pour les ouvrages destinés au service, l`apportèrent.
24. "Izay rehetra nanolotra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitr' i Jehovah; ary ny lehilahy rehetra, izay nahitana hazo sitima ho amin' ny asa fanompoana, dia nitondra izany."
25. And all the women that were wise hearted did spin with their hands, and brought that which they had spun, both of blue, and of purple, and of scarlet, and of fine linen.
25. Toutes les femmes qui avaient de l`habileté filèrent de leurs mains, et elles apportèrent leur ouvrage, des fils teints en bleu, en pourpre, en cramoisi, et du fin lin.
25. Ary ny vehivavy rehetra izay hendry am-po dia namoly tamin' ny tanany ka nitondra izay efa nofolesiny, dia tamin' ny manga, sy volomparasy, sy jaky ary hariry madinika.
26. And all the women whose heart stirred them up in wisdom spun goats' hair.
26. Toutes les femmes dont le coeur était bien disposé, et qui avaient de l`habileté, filèrent du poil de chèvre.
26. Ary ny vehivavy rehetra izay nohetsehin' ny fony tamin' ny fahendrena, dia namoly volon' osy.
27. And the rulers brought onyx stones, and stones to be set, for the ephod, and for the breastplate;
27. "Les principaux du peuple apportèrent des pierres d`onyx et d`autres pierres pour la garniture de l`éphod et du pectoral;"
27. "Ary ny mpanapaka dia nitondra vato onyksa, vato alahatra ho an' ny efoda sy ho an' ny saron-tratra ;"
28. And spice, and oil for the light, and for the anointing oil, and for the sweet incense.
28. des aromates et de l`huile pour le chandelier, pour l`huile d`onction et pour le parfum odoriférant.
28. Sy zava-manitra sy diloilo hatao fanazavana sy ho an' ny diloilo fanosorana ary ho an' ny ditin-kazo mani-pofona.
29. The children of Israel brought a willing offering unto the LORD, every man and woman, whose heart made them willing to bring for all manner of work, which the LORD had commanded to be made by the hand of Moses.
29. Tous les enfants d`Israël, hommes et femmes, dont le coeur était disposé à contribuer pour l`oeuvre que l`Éternel avait ordonnée par Moïse, apportèrent des offrandes volontaires à l`Éternel.
29. Nitondra fanati-tsitrapo ho an' i Jehovah ny Zanak' Isiraely, dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay nampirisihin' ny fony hitondra izay hanaovana ny raharaha rehetra efa nandidian' i Jehovah hatao tamin' ny tanan' i Mosesy.
Bezalel and Oholiab
30. And Moses said unto the children of Israel, See, the LORD hath called by name Bezaleel the son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah;
30. Moïse dit aux enfants d`Israël: Sachez que l`Éternel a choisi Betsaleel, fils d`Uri, fils de Hur, de la tribu de Juda.
30. "Ary hoy Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely: Indro, efa nantsoin' i Jehovah tamin' ny anarana Bezalila, zanak' i Ory, zanak' i Hora, avy amin' ny fokon' i Joda;"
31. And he hath filled him with the spirit of God, in wisdom, in understanding, and in knowledge, and in all manner of workmanship;
31. Il l`a rempli de l`Esprit de Dieu, de sagesse, d`intelligence, et de savoir pour toutes sortes d`ouvrages.
31. Ary efa nofenoiny ny Fanahin' Andriamanitra izy, amin' ny fahendrena, amin' ny fahiratan-tsaina sy amin' ny fahalalana, ary amin' ny fahaizan-taozavatra samihafa rehetra
32. And to devise curious works, to work in gold, and in silver, and in brass,
32. Il l`a rendu capable de faire des inventions, de travailler l`or, l`argent et l`airain,
32. Ary hamoron-tsaina hanao asa voakaly, hiasa amin' ny volamena sy amin' ny volafotsy ary amin' ny varahina,
33. And in the cutting of stones, to set them, and in carving of wood, to make any manner of cunning work.
33. de graver les pierres à enchâsser, de travailler le bois, et d`exécuter toute sortes d`ouvrages d`art.
33. Sy amin' ny fipeham-bato, handaharana azy, ary amin' ny fanaovana sokitra ny hazo hanaovana izay asa kanto samihafa rehetra.
34. And he hath put in his heart that he may teach, both he, and Aholiab, the son of Ahisamach, of the tribe of Dan.
34. Il lui a accordé aussi le don d`enseigner, de même qu`à Oholiab, fils d`Ahisamac, de la tribu de Dan.
34. Ary efa nataony tao am-pony ny ahazoany mampianatra, dia izy sy Oholiaba, zanak' i Ahisamaka avy amin' ny fokon' i Dana.
35. Them hath he filled with wisdom of heart, to work all manner of work, of the engraver, and of the cunning workman, and of the embroiderer, in blue, and in purple, in scarlet, and in fine linen, and of the weaver, even of them that do any work, and of those that devise cunning work.
35. Il les a remplis d`intelligence, pour exécuter tous les ouvrages de sculpture et d`art, pour broder et tisser les étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, et le fin lin, pour faire toute espèce de travaux et d`inventions.
35. Ireo no efa nofenoiny fahendrena am-po, hanao ny asa samihafa rehetra, dia ny an' ny mpanora-bato sy ny an' ny lehilahy mpanao asa kanto, sy ny an' ny mpanao amboradara amin' ny manga sy ny volomparasy, ny jaky sy ny hariry madinika sy ny an' ny mpanenona, ny an' ireo manao asa rehetra ary ny an' ireo mamoron-tsaina hanao asa kanto.