Moses Blesses the Tribes
1. And this is the blessing, wherewith Moses the man of God blessed the children of Israel before his death.
1. Voici la bénédiction par laquelle Moïse, homme de Dieu, bénit les enfants d`Israël, avant sa mort.
1. Ary izao no tsodrano nataon' i Mosesy lehilahin' Andriamanitra, tamin' ny Zanak' Isiraely talohan' ny nahafatesany.
2. And he said, The LORD came from Sinai, and rose up from Seir unto them; he shined forth from mount Paran, and he came with ten thousands of saints: from his right hand went a fiery law for them.
2. Il dit: L`Éternel est venu du Sinaï, Il s`est levé sur eux de Séir, Il a resplendi de la montagne de Paran, Et il est sorti du milieu des saintes myriades: Il leur a de sa droite envoyé le feu de la loi.
2. "Ary hoy izy: Jehovah avy ao Sinay, ary niseho taminy avy tany Seïra; niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; sady avy miaraka amin' ny masiny tsy omby alinalina; avy teo an-tanany ankavanana dia nisy lalàn' afo ho an' ireo."
3. Yea, he loved the people; all his saints are in thy hand: and they sat down at thy feet; every one shall receive of thy words.
3. "Oui, il aime les peuples; Tous ses saints sont dans ta main. Ils se sont tenus à tes pieds, Ils ont reçu tes paroles."
3. "Eny, tia ny firenena Izy; eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; ary nipetraka eo an-tongotrao ireo; ka samy handray amin' ny teninao."
4. Moses commanded us a law, even the inheritance of the congregation of Jacob.
4. Moïse nous a donné la loi, Héritage de l`assemblée de Jacob.
4. Lalàna no nandidian' i Mosesy antsika, dia ny lovan' ny fiangonan' i Jakoba.
5. And he was king in Jeshurun, when the heads of the people and the tribes of Israel were gathered together.
5. Il était roi en Israël, Quand s`assemblaient les chefs du peuple Et les tribus d`Israël.
5. Ary tonga mpanjakan' i Jesorona Izy, rehefa tafangona avokoa ny lehiben' ny vahoaka sy ireo fokon' ny Isiraely.
6. Let Reuben live, and not die; and let not his men be few.
6. Que Ruben vive et qu`il ne meure point, Et que ses hommes soient nombreux!
6. Aoka ho velona Robena, fa tsy ho faty, ary aoka tsy ho vitsy ny lehilahy ao aminy.
7. And this is the blessing of Judah: and he said, Hear, LORD, the voice of Judah, and bring him unto his people: let his hands be sufficient for him; and be thou an help to him from his enemies.
7. Voici sur Juda ce qu`il dit: Écoute, ô Éternel! la voix de Juda, Et ramène-le vers son peuple. Que ses mains soient puissantes, Et que tu lui sois en aide contre ses ennemis!
7. "Ary izao no tsodranon' i Joda ; dia hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon' i Joda, ary ento ho amin' ny olony izy; aoka ho ampy azy ny tanany; ka manampia azy Ianao hamelezany ny fahavalony."
8. And of Levi he said, Let thy Thummim and thy Urim be with thy holy one, whom thou didst prove at Massah, and with whom thou didst strive at the waters of Meribah;
8. Sur Lévi il dit: Les thummim et les urim ont été confiés à l`homme saint, Que tu as tenté à Massa, Et avec qui tu as contesté aux eaux de Meriba.
8. "Ary ny amin' i Levy dia hoy izy: Aoka ny Tomimanao sy ny Orimanao ho amin' ny olonao masina, izay nizahanao toetra tao Masa sy nifamalianao tao amin' ny ranon' i Meriba;"
9. Who said unto his father and to his mother, I have not seen him; neither did he acknowledge his brethren, nor knew his own children: for they have observed thy word, and kept thy covenant.
9. "Lévi dit de son père et de sa mère: Je ne les ai point vus! Il ne distingue point ses frères, Il ne connaît point ses enfants. Car ils observent ta parole, Et ils gardent ton alliance;"
9. "Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy nahita azy aho, sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, ary izay zanany aza dia tsy fantany; fa nitandrina ny teninao izy ka nitana ny fanekenao."
10. They shall teach Jacob thy judgments, and Israel thy law: they shall put incense before thee, and whole burnt sacrifice upon thine altar.
10. "Ils enseignent tes ordonnances à Jacob, Et ta loi à Israël; Ils mettent l`encens sous tes narines, Et l`holocauste sur ton autel."
10. "Hampianatra an' i Jakoba ny fitsipikao izy, ary Isiraely ny lalànao; hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao izy sy fanatitra dorana manontolo eo ambonin' ny alitara."
11. Bless, LORD, his substance, and accept the work of his hands: smite through the loins of them that rise against him, and of them that hate him, that they rise not again.
11. Bénis sa force, ô Éternel! Agrée l`oeuvre de ses mains! Brise les reins de ses adversaires, Et que ses ennemis ne se relèvent plus!
11. "Jehovah ô, tahio ny fananany, ary aoka ho sitrakao ny asan' ny tanany; asio mafy ny valahan' izay mitsangana hiady aminy sy izay mankahala azy ka tsy hiarina intsony ireny."
12. And of Benjamin he said, The beloved of the LORD shall dwell in safety by him; and the Lord shall cover him all the day long, and he shall dwell between his shoulders.
12. "Sur Benjamin il dit: C`est le bien-aimé de l`Éternel, Il habitera en sécurité auprès de lui; L`Éternel le couvrira toujours, Et résidera entre ses épaules."
12. "Ary ny amin' i Benjamina dia hoy izy: Ny malalan' i Jehovah honina fahizay eo aminy; ary halofan' i Jehovah mandrakariva izy, ka hitoetra eo anelanelan' ny sorony."
13. And of Joseph he said, Blessed of the LORD be his land, for the precious things of heaven, for the dew, and for the deep that coucheth beneath,
13. Sur Joseph il dit: Son pays recevra de l`Éternel, en signe de bénédiction, Le meilleur don du ciel, la rosée, Les meilleures eaux qui sont en bas,
13. Ary ny amin' i Josefa dia hoy izy: Hotahian' i Jehovah anie ny taniny, amin' ny zava-tsoan' ny lanitra, dia amin' ny ando ary amin' ny rano lalina mamitsaka any ambany,
14. And for the precious fruits brought forth by the sun, and for the precious things put forth by the moon,
14. Les meilleurs fruits du soleil, Les meilleurs fruits de chaque mois,
14. Ary amin' ny zava-tsoa vokatry ny masoandro sy amin' ny zava-tsarobidy vokatry ny volana,
15. And for the chief things of the ancient mountains, and for the precious things of the lasting hills,
15. Les meilleurs produits des antiques montagnes, Les meilleurs produits des collines éternelles,
15. Ary amin' ny zava-malaza avy amin' ny tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoa avy amin' ny havoana mandrakizay,
16. And for the precious things of the earth and fulness thereof, and for the good will of him that dwelt in the bush: let the blessing come upon the head of Joseph, and upon the top of the head of him that was separated from his brethren.
16. Les meilleurs produits de la terre et de ce qu`elle renferme. Que la grâce de celui qui apparut dans le buisson Vienne sur la tête de Joseph, Sur le sommet de la tête du prince de ses frères!
16. "Mbamin' ny zava-tsoan' ny tany sy izay rehetra eo aminy sy ny fankasitrahan' Izay nitoetra tao amin' ny roimemy; aoka ho tonga eo an-dohan' i Josefa ny fitahiana, dia eo an-tampon-dohan' ilay voasaraka tamin' ny rahalahiny."
17. His glory is like the firstling of his bullock, and his horns are like the horns of unicorns: with them he shall push the people together to the ends of the earth: and they are the ten thousands of Ephraim, and they are the thousands of Manasseh.
17. "De son taureau premier-né il a la majesté; Ses cornes sont les cornes du buffle; Avec elles il frappera tous les peuples, Jusqu`aux extrémités de la terre: Elles sont les myriades d`Éphraïm, Elles sont les milliers de Manassé."
17. "Ny voninahiny dia tahaka ny voalohan-teraky ny ombiny, ary tahaka ny tandrok' ombimanga ny tandrony; izany no hanosehany ny firenena rehetra hatrany amin' ny faran' ny tany; dia ireo alinalin' i Efraima sy arivoarivon' i Manase."
18. And of Zebulun he said, Rejoice, Zebulun, in thy going out; and, Issachar, in thy tents.
18. Sur Zabulon il dit: Réjouis-toi, Zabulon, dans tes courses, Et toi, Issacar, dans tes tentes!
18. Ary ny amin' i Zebolona dia hoy izy: Mifalia, ry zebolona, amin' izay alehanao, ary ianao, ry Isakara, ao an-dainao.
19. They shall call the people unto the mountain; there they shall offer sacrifices of righteousness: for they shall suck of the abundance of the seas, and of treasures hid in the sand.
19. "Ils appelleront les peuples sur la montagne; Là, ils offriront des sacrifices de justice, Car ils suceront l`abondance de la mer, Et les trésors cachés dans le sable."
19. "Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, ao no hanolorany fanati-pahamarinana; fa hitsentsitra ny haren' ny ranomasina izy sy ny tahiry miafina ao amin' ny fasika."
20. And of Gad he said, Blessed be he that enlargeth Gad: he dwelleth as a lion, and teareth the arm with the crown of the head.
20. Sur Gad il dit: Béni soit celui qui met Gad au large! Gad repose comme une lionne, Il déchire le bras et la tête.
20. "Ary ny amin' i Gada dia hoy izy: Isaorana anie Izay manalalaka an' i Gada; mamitsaka tahaka ny liona izy ka mamiravira sandry mbamin' ny tampon-doha."
21. And he provided the first part for himself, because there, in a portion of the lawgiver, was he seated; and he came with the heads of the people, he executed the justice of the LORD, and his judgments with Israel.
21. "Il a choisi les prémices du pays, Car là est caché l`héritage du législateur; Il a marché en tête du peuple, Il a exécuté la justice de l`Éternel, Et ses ordonnances envers Israël."
21. "Nizaha izay tsara indrindra ho an' ny tenany izy, fa teo amin' ny anjaran' ny mpanao lalàna no efa nipetrahany; niaraka tamin' ny lohan' ny firenena izy, ary araka ny fahamarinan' i Jehovah no nataony, sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin' ny Isiraely."
22. And of Dan he said, Dan is a lion's whelp: he shall leap from Bashan.
22. Sur Dan il dit: Dan est un jeune lion, Qui s`élance de Basan.
22. "Ary ny amin' i Dana dia hoy izy: Dana dia zana-diona; miantsampy avy ao Basana izy."
23. And of Naphtali he said, O Naphtali, satisfied with favour, and full with the blessing of the LORD: possess thou the west and the south.
23. Sur Nephthali il dit: Nephthali, rassasié de faveurs Et comblé des bénédictions de l`Éternel, Prends possession de l`occident et du midi!
23. Ary ny amin' i Naftaly dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana ka feno ny fitahian' i Jehovah, aoka ho fanananao ny andrefana sy ny atsimo.
24. And of Asher he said, Let Asher be blessed with children; let him be acceptable to his brethren, and let him dip his foot in oil.
24. Sur Aser il dit: Béni soit Aser entre les enfants d`Israël! Qu`il soit agréable à ses frères, Et qu`il plonge son pied dans l`huile!
24. "Ary ny amin' i Asera dia hoy izy: Aoka hotahiana amin' ny zanaka i Asera; aoka hankasitrahana eo amin' ny rahalahiny izy; ary aoka hanoboka ny tongony amin' ny diloilo."
25. Thy shoes shall be iron and brass; and as thy days, so shall thy strength be.
25. Que tes verrous soient de fer et d`airain, Et que ta vigueur dure autant que tes jours!
25. "Ho vy sy varahina ny kiraronao; ary hifamatra amin' ny andronao ny herinao."
26. There is none like unto the God of Jeshurun, who rideth upon the heaven in thy help, and in his excellency on the sky.
26. Nul n`est semblable au Dieu d`Israël, Il est porté sur les cieux pour venir à ton aide, Il est avec majesté porté sur les nuées.
26. Tsy misy tahaka an' Andriamanitr' i Jesorona, izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, ary ny fahalehibiazany eny amin' ny habakabaka.
27. The eternal God is thy refuge, and underneath are the everlasting arms: and he shall thrust out the enemy from before thee; and shall say, Destroy them.
27. Le Dieu d`éternité est un refuge, Et sous ses bras éternels est une retraite. Devant toi il a chassé l`ennemi, Et il a dit: Extermine.
27. "Ny Andriamanitra mandrakizay no fialofanao, ary ny sandriny mandrakizay no eo ambany; ary handroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, ka hanao hoe: Aringano ireo."
28. Israel then shall dwell in safety alone: the fountain of Jacob shall be upon a land of corn and wine; also his heavens shall drop down dew.
28. Israël est en sécurité dans sa demeure, La source de Jacob est à part Dans un pays de blé et de moût, Et son ciel distille la rosée.
28. "Koa Isiraely dia handry fahizay irery; ny loharanon' i Jakoba dia ho eo amin' ny tanim-barimbazaha sy divay; ary hampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny."
29. Happy art thou, O Israel: who is like unto thee, O people saved by the LORD, the shield of thy help, and who is the sword of thy excellency! and thine enemies shall be found liars unto thee; and thou shalt tread upon their high places.
29. Que tu es heureux, Israël! Qui est comme toi, Un peuple sauvé par l`Éternel, Le bouclier de ton secours Et l`épée de ta gloire? Tes ennemis feront défaut devant toi, Et tu fouleras leurs lieux élevés.
29. "Sambatra ianao, ry isiraely; iza no tahaka anao, ry olona voavonjin' i Jehovah, ampingan' ny famonjena anao sy sabatry ny fahalehibiazanao! Ho hita mpandainga aminao ny fahavalonao; ary hani-tsakitsaka ny fitoerana avony ianao."