Going to War
1. When thou goest out to battle against thine enemies, and seest horses, and chariots, and a people more than thou, be not afraid of them: for the LORD thy God is with thee, which brought thee up out of the land of Egypt.
1. "Lorsque tu iras à la guerre contre tes ennemis, et que tu verras des chevaux et des chars, et un peuple plus nombreux que toi, tu ne les craindras point; car l`Éternel, ton Dieu, qui t`a fait monter du pays d`Égypte, est avec toi."
1. "Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, no momba anao."
2. And it shall be, when ye are come nigh unto the battle, that the priest shall approach and speak unto the people,
2. A l`approche du combat, le sacrificateur s`avancera et parlera au peuple.
2. Ary izao no hisy, rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin' ny olona,
3. And shall say unto them, Hear, O Israel, ye approach this day unto battle against your enemies: let not your hearts faint, fear not, and do not tremble, neither be ye terrified because of them;
3. "Il leur dira: Écoute, Israël! Vous allez aujourd`hui livrer bataille à vos ennemis. Que votre coeur ne se trouble point; soyez sans crainte, ne vous effrayez pas, ne vous épouvantez pas devant eux."
3. "Ary hanao aminy hoe: Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo, aza matahotra, aza mangovitra, na mangorohoro noho ny aminy ianareo."
4. For the LORD your God is he that goeth with you, to fight for you against your enemies, to save you.
4. Car l`Éternel, votre Dieu, marche avec vous, pour combattre vos ennemis, pour vous sauver.
4. Fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin' ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
5. And the officers shall speak unto the people, saying, What man is there that hath built a new house, and hath not dedicated it? let him go and return to his house, lest he die in the battle, and another man dedicate it.
5. Les officiers parleront ensuite au peuple et diront: Qui est-ce qui a bâti une maison neuve, et ne s`y est point encore établi? Qu`il s`en aille et retourne chez lui, de peur qu`il ne meure dans la bataille et qu`un autre ne s`y établisse.
5. Dia hiteny amin' ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokana azy? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin' ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
6. And what man is he that hath planted a vineyard, and hath not yet eaten of it? let him also go and return unto his house, lest he die in the battle, and another man eat of it.
6. Qui est-ce qui a planté une vigne, et n`en a point encore joui? Qu`il s`en aille et retourne chez lui, de peur qu`il ne meure dans la bataille et qu`un autre n`en jouisse.
6. Ary iza no olona izay efa namboly tanimboaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony koa izy, fandrao maty any amin' ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
7. And what man is there that hath betrothed a wife, and hath not taken her? let him go and return unto his house, lest he die in the battle, and another man take her.
7. Qui est-ce qui a fiancé une femme, et ne l`a point encore prise? Qu`il s`en aille et retourne chez lui, de peur qu`il ne meure dans la bataille et qu`un autre ne la prenne.
7. Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin' ny ady, ka olon-kafa no hampakatra azy.
8. And the officers shall speak further unto the people, and they shall say, What man is there that is fearful and fainthearted? let him go and return unto his house, lest his brethren's heart faint as well as his heart.
8. Les officiers continueront à parler au peuple, et diront: Qui est-ce qui a peur et manque de courage? Qu`il s`en aille et retourne chez lui, afin que ses frères ne se découragent pas comme lui.
8. Ary mbola hiteny amin' ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona kanosa sy ketraka ny fony? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon' ny rahalahiny.
9. And it shall be, when the officers have made an end of speaking unto the people, that they shall make captains of the armies to lead the people.
9. Quand les officiers auront achevé de parler au peuple, ils placeront les chefs des troupes à la tête du peuple.
9. Ary izao no hisy, rehefa vitan' ny mpifehy ny vahoaka ny teny ataony amin' ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
10. When thou comest nigh unto a city to fight against it, then proclaim peace unto it.
10. Quand tu t`approcheras d`une ville pour l`attaquer, tu lui offriras la paix.
10. Raha mby akaikin' ny tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
11. And it shall be, if it make thee answer of peace, and open unto thee, then it shall be, that all the people that is found therein shall be tributaries unto thee, and they shall serve thee.
11. Si elle accepte la paix et t`ouvre ses portes, tout le peuple qui s`y trouvera te sera tributaire et asservi.
11. Ary izao no hisy, raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
12. And if it will make no peace with thee, but will make war against thee, then thou shalt besiege it:
12. Si elle n`accepte pas la paix avec toi et qu`elle veuille te faire la guerre, alors tu l`assiégeras.
12. Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
13. And when the LORD thy God hath delivered it into thine hands, thou shalt smite every male thereof with the edge of the sword:
13. Et après que l`Éternel, ton Dieu, l`aura livrée entre tes mains, tu en feras passer tous les mâles au fil de l`épée.
13. Ary rehefa atolotr' i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin' ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
14. But the women, and the little ones, and the cattle, and all that is in the city, even all the spoil thereof, shalt thou take unto thyself; and thou shalt eat the spoil of thine enemies, which the LORD thy God hath given thee.
14. Mais tu prendras pour toi les femmes, les enfants, le bétail, tout ce qui sera dans la ville, tout son butin, et tu mangeras les dépouilles de tes ennemis que l`Éternel, ton Dieu, t`aura livrés.
14. "Fa ny vehivavy sy ny ankizy madinika sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ny babo rehetra ao, dia hoentinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin' ny fahavalonao, izay nomen' i Jehovah Andriamanitrao anao."
15. Thus shalt thou do unto all the cities which are very far off from thee, which are not of the cities of these nations.
15. C`est ainsi que tu agiras à l`égard de toutes les villes qui sont très éloignées de toi, et qui ne font point partie des villes de ces nations-ci.
15. Toy izany no hataonao amin' ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan' ireto firenena ireto.
16. But of the cities of these people, which the LORD thy God doth give thee for an inheritance, thou shalt save alive nothing that breatheth:
16. Mais dans les villes de ces peuples dont l`Éternel, ton Dieu, te donne le pays pour héritage, tu ne laisseras la vie à rien de ce qui respire.
16. Fa ny tanànan' ireto firenena ireto kosa, izay omen' i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay rehetra manam-pofonaina.
17. But thou shalt utterly destroy them; namely, the Hittites, and the Amorites, the Canaanites, and the Perizzites, the Hivites, and the Jebusites; as the LORD thy God hath commanded thee:
17. Car tu dévoueras ces peuples par interdit, les Héthiens, les Amoréens, les Cananéens, les Phéréziens, les Héviens, et les Jébusiens, comme l`Éternel, ton Dieu, te l`a ordonné,
17. Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian' i Jehovah Andriamanitrao anao,
18. That they teach you not to do after all their abominations, which they have done unto their gods; so should ye sin against the LORD your God.
18. afin qu`ils ne vous apprennent pas à imiter toutes les abominations qu`ils font pour leurs dieux, et que vous ne péchiez point contre l`Éternel, votre Dieu.
18. Mba tsy hampianarany anao hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin' ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin' i Jehovah Andriamanitrareo.
19. When thou shalt besiege a city a long time, in making war against it to take it, thou shalt not destroy the trees thereof by forcing an axe against them: for thou mayest eat of them, and thou shalt not cut them down (for the tree of the field is man's life) to employ them in the siege:
19. "Si tu fais un long siège pour t`emparer d`une ville avec laquelle tu es en guerre, tu ne détruiras point les arbres en y portant la hache, tu t`en nourriras et tu ne les abattras point; car l`arbre des champs est-il un homme pour être assiégé par toi?"
19. "Raha hataonao fahirano ela ny tanàna iray izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin' ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin' ireo, koa aza kapaina, (fa ny hazo any an-tsaha no fiainan' ny olona); mba ampiasainao amin' ny fahirano."
20. Only the trees which thou knowest that they be not trees for meat, thou shalt destroy and cut them down; and thou shalt build bulwarks against the city that maketh war with thee, until it be subdued.
20. Mais tu pourras détruire et abattre les arbres que tu sauras ne pas être des arbres servant à la nourriture, et en construire des retranchements contre la ville qui te fait la guerre, jusqu`à ce qu`elle succombe.
20. Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia ravao sy kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.