Cities of Refuge
1. When the LORD thy God hath cut off the nations, whose land the LORD thy God giveth thee, and thou succeedest them, and dwellest in their cities, and in their houses;
1. Lorsque l`Éternel, ton Dieu, aura exterminé les nations dont l`Éternel, ton Dieu, te donne le pays, lorsque tu les auras chassées et que tu habiteras dans leurs villes et dans leurs maisons,
1. "Rehefa aringan' i Jehovah Andriamanitrao ny firenena maro, izay tompon' ny tany omen' i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandimby azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony;"
2. Thou shalt separate three cities for thee in the midst of thy land, which the LORD thy God giveth thee to possess it.
2. tu sépareras trois villes au milieu du pays dont l`Éternel, ton Dieu, te donne la possession.
2. Dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan' ny taninao, izay omen' i Jehovah Andriamanitrao ho fanananao.
3. Thou shalt prepare thee a way, and divide the coasts of thy land, which the LORD thy God giveth thee to inherit, into three parts, that every slayer may flee thither.
3. Tu établiras des routes, et tu diviseras en trois parties le territoire du pays que l`Éternel, ton Dieu, va te donner en héritage. Il en sera ainsi afin que tout meurtrier puisse s`enfuir dans ces villes.
3. Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny faritry ny taninao, izay omen' i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, mba handosiran' ny nahafaty olona rehetra ao.
4. And this is the case of the slayer, which shall flee thither, that he may live: Whoso killeth his neighbour ignorantly, whom he hated not in time past;
4. Cette loi s`appliquera au meurtrier qui s`enfuira là pour sauver sa vie, lorsqu`il aura involontairement tué son prochain, sans avoir été auparavant son ennemi.
4. Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha,
5. As when a man goeth into the wood with his neighbour to hew wood, and his hand fetcheth a stroke with the axe to cut down the tree, and the head slippeth from the helve, and lighteth upon his neighbour, that he die; he shall flee unto one of those cities, and live:
5. "Un homme, par exemple, va couper du bois dans la forêt avec un autre homme; la hache en main, il s`élance pour abattre un arbre; le fer échappe du manche, atteint le compagnon de cet homme, et lui donne la mort. Alors il s`enfuira dans l`une de ces villes pour sauver sa vie,"
5. "Toy ny olona izay miaraka amin' ny namany ho any an' ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tanany, dia mitsoaka amin' ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy; dia aoka handositra ao amin' ny anankiray amin' ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;"
6. Lest the avenger of the blood pursue the slayer, while his heart is hot, and overtake him, because the way is long, and slay him; whereas he was not worthy of death, inasmuch as he hated him not in time past.
6. de peur que le vengeur du sang, échauffé par la colère et poursuivant le meurtrier, ne finisse par l`atteindre s`il y avait à faire beaucoup de chemin, et ne frappe mortellement celui qui ne mérite pas la mort, puisqu`il n`était point auparavant l`ennemi de son prochain.
6. "Fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly ra, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha."
7. Wherefore I command thee, saying, Thou shalt separate three cities for thee.
7. C`est pourquoi je te donne cet ordre: Tu sépareras trois villes.
7. Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
8. And if the LORD thy God enlarge thy coast, as he hath sworn unto thy fathers, and give thee all the land which he promised to give unto thy fathers;
8. Lorsque l`Éternel, ton Dieu, aura élargi tes frontières, comme il l`a juré à tes pères, et qu`il t`aura donné tout le pays qu`il a promis à tes pères de te donner, -
8. Ary raha hitarin' i Jehovah Andriamanitrao ny faritaninao, araka izay nianianany tamin' ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nampanantenainy homena ny razanao,
9. If thou shalt keep all these commandments to do them, which I command thee this day, to love the LORD thy God, and to walk ever in his ways; then shalt thou add three cities more for thee, beside these three:
9. pourvu que tu observes et mettes en pratique tous ces commandements que je te prescris aujourd`hui, en sorte que tu aimes l`Éternel, ton Dieu, et que tu marches toujours dans ses voies, -tu ajouteras encore trois villes à ces trois-là,
9. "Raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an' i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin' ny lalany, dia hampianao tanàna telo koa ireo telo ireo;"
10. That innocent blood be not shed in thy land, which the LORD thy God giveth thee for an inheritance, and so blood be upon thee.
10. afin que le sang innocent ne soit pas répandu au milieu du pays que l`Éternel, ton Dieu, te donne pour héritage, et que tu ne sois pas coupable de meurtre.
10. Mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin' ny taninao, izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin' ny rà ianao.
11. But if any man hate his neighbour, and lie in wait for him, and rise up against him, and smite him mortally that he die, and fleeth into one of these cities:
11. Mais si un homme s`enfuit dans une de ces villes, après avoir dressé des embûches à son prochain par inimitié contre lui, après l`avoir attaqué et frappé de manière à causer sa mort,
11. Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin' ny anankiray amin' ireo tanàna ireo,
12. Then the elders of his city shall send and fetch him thence, and deliver him into the hand of the avenger of blood, that he may die.
12. les anciens de sa ville l`enverront saisir et le livreront entre les mains du vengeur du sang, afin qu`il meure.
12. Ny loholona amin' ny tanànany dia haniraka haka azy ao, ka hanolotra azy eo an-tanan' ny mpamaly ra, mba ho faty izy.
13. Thine eye shall not pity him, but thou shalt put away the guilt of innocent blood from Israel, that it may go well with thee.
13. Tu ne jetteras pas sur lui un regard de pitié, tu feras disparaître d`Israël le sang innocent, et tu seras heureux.
13. "Tsy hiantra azy ny masonao; fa hoesorinao tsy ho eo amin' ny Isiraely ny heloka ny amin' ny rà marina, mba hahita soa ianao."
14. Thou shalt not remove thy neighbour's landmark, which they of old time have set in thine inheritance, which thou shalt inherit in the land that the LORD thy God giveth thee to possess it.
14. Tu ne reculeras point les bornes de ton prochain, posées par tes ancêtres, dans l`héritage que tu auras au pays dont l`Éternel, ton Dieu, te donne la possession.
14. Aza mamindra ny faritanin' ny namanao, izay efa vitan' ny razana teo amin' ny lovanao, izay ho lovanao eo amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao ho azonao.
Witnesses
15. One witness shall not rise up against a man for any iniquity, or for any sin, in any sin that he sinneth: at the mouth of two witnesses, or at the mouth of three witnesses, shall the matter be established.
15. "Un seul témoin ne suffira pas contre un homme pour constater un crime ou un péché, quel qu`il soit; un fait ne pourra s`établir que sur la déposition de deux ou de trois témoins."
15. "Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin' izay heloka, na ota nataony, na inona na inona; fa amin' ny vavan' ny vavolombelona roa na telo no hampiorenana ny teny."
16. If a false witness rise up against any man to testify against him that which is wrong;
16. Lorsqu`un faux témoin s`élèvera contre quelqu`un pour l`accuser d`un crime,
16. Raha misy vavolombelona sandoka mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
17. Then both the men, between whom the controversy is, shall stand before the LORD, before the priests and the judges, which shall be in those days;
17. les deux hommes en contestation comparaîtront devant l`Éternel, devant les sacrificateurs et les juges alors en fonctions.
17. "Dia hitsangana eo anatrehan' i Jehovah izy roa lahy izay miady, eo anatrehan' ny mpisorona sy ny mpitsara amin' izany andro izany;"
18. And the judges shall make diligent inquisition: and, behold, if the witness be a false witness, and hath testified falsely against his brother;
18. Les juges feront avec soin des recherches. Le témoin est-il un faux témoin, a-t-il fait contre son frère une fausse déposition,
18. "Ary raha hadinin' ny mpitsara mafy izy ka hitany, fa indro, vavolombelona sandoka ilay vavolombelona, ka niampanga lainga ny namany;"
19. Then shall ye do unto him, as he had thought to have done unto his brother: so shalt thou put the evil away from among you.
19. alors vous le traiterez comme il avait dessein de traiter son frère. Tu ôteras ainsi le mal du milieu de toi.
19. "Dia araka izay nokasainy hatao amin' ny rahalahiny no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminareo ny ratsy."
20. And those which remain shall hear, and fear, and shall henceforth commit no more any such evil among you.
20. Les autres entendront et craindront, et l`on ne commettra plus un acte aussi criminel au milieu de toi.
20. Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminareo intsony.
21. And thine eye shall not pity; but life shall go for life, eye for eye, tooth for tooth, hand for hand, foot for foot.
21. Tu ne jetteras aucun regard de pitié: oeil pour oeil, dent pour dent, main pour main, pied pour pied.
21. "Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon' ny aina, maso solon' ny maso, nify solon' ny nify, tanana solon' ny tanana, tongotra solon' ny tongotra."