1. Thou shalt not sacrifice unto the LORD thy God any bullock, or sheep, wherein is blemish, or any evilfavouredness: for that is an abomination unto the LORD thy God.
1. "Tu n`offriras en sacrifice à l`Éternel, ton Dieu, ni boeuf, ni agneau qui ait quelque défaut ou difformité; car ce serait en abomination à l`Éternel, ton Dieu."
1. Aza ataonao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitrao ny omby, na ondry, izay misy takaitra, na kilema maharatsy azy, fa fahavetavetana amin' i Jehovah Andriamanitrao izany.
2. If there be found among you, within any of thy gates which the LORD thy God giveth thee, man or woman, that hath wrought wickedness in the sight of the LORD thy God, in transgressing his covenant,
2. "Il se trouvera peut-être au milieu de toi dans l`une des villes que l`Éternel, ton Dieu, te donne, un homme ou une femme faisant ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, ton Dieu, et transgressant son alliance;"
2. Raha misy hita eo aminao ao am-bavahadinao, izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy, na vehivavy manao izay ratsy eo imason' i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika amin' ny fanekeny,
3. And hath gone and served other gods, and worshipped them, either the sun, or moon, or any of the host of heaven, which I have not commanded;
3. allant après d`autres dieux pour les servir et se prosterner devant eux, après le soleil, la lune, ou toute l`armée des cieux. Ce n`est point là ce que j`ai commandé.
3. "Ka lasa nanompo andriamani-kafa ary niankohoka taminy, na ny masoandro, na ny volana, na izay rehetra eny amin' ny lanitra, izay tsy nandidiako;"
4. And it be told thee, and thou hast heard of it, and enquired diligently, and, behold, it be true, and the thing certain, that such abomination is wrought in Israel:
4. Dès que tu en auras connaissance, dès que tu l`auras appris, tu feras avec soin des recherches. La chose est-elle vraie, le fait est-il établi, cette abomination a-t-elle été commise en Israël,
4. "Ka voalaza taminao izany, ary efa renao sady nofotopotoranao tsara, ka, indro, raha marina tokoa izany zavatra izany, fa natao teo amin' ny Isiraely izany fahavetavetana izany;"
5. Then shalt thou bring forth that man or that woman, which have committed that wicked thing, unto thy gates, even that man or that woman, and shalt stone them with stones, till they die.
5. alors tu feras venir à tes portes l`homme ou la femme qui sera coupable de cette mauvaise action, et tu lapideras ou puniras de mort cet homme ou cette femme.
5. Dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy, na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, dia izany lehilahy, na vehivavy izany, ka torahy vato mandra-pahafatiny.
6. At the mouth of two witnesses, or three witnesses, shall he that is worthy of death be put to death; but at the mouth of one witness he shall not be put to death.
6. "Celui qui mérite la mort sera exécuté sur la déposition de deux ou de trois témoins; il ne sera pas mis à mort sur la déposition d`un seul témoin."
6. "Amin' ny tenin' ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin' ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy;"
7. The hands of the witnesses shall be first upon him to put him to death, and afterward the hands of all the people. So thou shalt put the evil away from among you.
7. La main des témoins se lèvera la première sur lui pour le faire mourir, et la main de tout le peuple ensuite. Tu ôteras ainsi le mal du milieu de toi.
7. "Ny tanan' ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan' ny vahoaka rehetra; dia hofongoranao tsy ho eo aminareo ny ratsy."
Law Courts
8. If there arise a matter too hard for thee in judgment, between blood and blood, between plea and plea, and between stroke and stroke, being matters of controversy within thy gates: then shalt thou arise, and get thee up into the place which the LORD thy God shall choose;
8. Si une cause relative à un meurtre, à un différend, à une blessure, te paraît trop difficile à juger et fournit matière à contestation dans tes portes, tu te lèveras et tu monteras au lieu que l`Éternel, ton Dieu, choisira.
8. "Raha misy raharaha sarotra loatra aminao amin' ny fitsarana, ny amin' ny fandatsahan-dra, ny amin' ny ady ary ny fifamelezana izay iadiana ao am-bavahadinao; dia miaingà ianao, ka miakara any amin' ny toerana izay hofidin' i Jehovah Andriamanitrao;"
9. And thou shalt come unto the priests the Levites, and unto the judge that shall be in those days, and enquire; and they shall shew thee the sentence of judgment:
9. "Tu iras vers les sacrificateurs, les Lévites, et vers celui qui remplira alors les fonctions de juge; tu les consulteras, et ils te feront connaître la sentence."
9. Ary mankanesa amin' ireo Levita mpisorona sy amin' ny anankiray izay mpitsara amin' izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
10. And thou shalt do according to the sentence, which they of that place which the LORD shall choose shall shew thee; and thou shalt observe to do according to all that they inform thee:
10. Tu te conformeras à ce qu`ils te diront dans le lieu que choisira l`Éternel, et tu auras soin d`agir d`après tout ce qu`ils t`enseigneront.
10. Ary araho ny teny izay ambarany aminao eo amin' ny toerana izay hofidin' i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra ampahafantariny anao.
11. According to the sentence of the law which they shall teach thee, and according to the judgment which they shall tell thee, thou shalt do: thou shalt not decline from the sentence which they shall shew thee, to the right hand, nor to the left.
11. "Tu te conformeras à la loi qu`ils t`enseigneront et à la sentence qu`ils auront prononcée; tu ne te détourneras de ce qu`ils te diront ni à droite ni à gauche."
11. "Araka ny lalàna izay hampianariny anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin' ny teny izay hambarany aminao, na ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia."
12. And the man that will do presumptuously, and will not hearken unto the priest that standeth to minister there before the LORD thy God, or unto the judge, even that man shall die: and thou shalt put away the evil from Israel.
12. L`homme qui, par orgueil, n`écoutera pas le sacrificateur placé là pour servir l`Éternel, ton Dieu, ou qui n`écoutera pas le juge, cet homme sera puni de mort. Tu ôteras ainsi le mal du milieu d`Israël,
12. Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana eo hanao ny asa fanompoana eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia ho faty izany olona izany ka hofongoranao tsy ho amin' ny Isiraely ny ratsy.
13. And all the people shall hear, and fear, and do no more presumptuously.
13. afin que tout le peuple entende et craigne, et qu`il ne se livre plus à l`orgueil.
13. Ary ny vahoaka rehetra handre dia hatahotra ka tsy hiavonavona sy tsy ho sahisahy foana.
The King
14. When thou art come unto the land which the LORD thy God giveth thee, and shalt possess it, and shalt dwell therein, and shalt say, I will set a king over me, like as all the nations that are about me;
14. Lorsque tu seras entré dans le pays que l`Éternel, ton Dieu, te donne, lorsque tu le posséderas, que tu y auras établi ta demeure, et que tu diras: Je veux mettre un roi sur moi, comme toutes les nations qui m`entourent, -
14. "Rehefa tonga any amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka hahazo izany sy honina ao ary hanao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy;"
15. Thou shalt in any wise set him king over thee, whom the LORD thy God shall choose: one from among thy brethren shalt thou set king over thee: thou mayest not set a stranger over thee, which is not thy brother.
15. tu mettras sur toi un roi que choisira l`Éternel, ton Dieu, tu prendras un roi du milieu de tes frères, tu ne pourras pas te donner un étranger, qui ne soit pas ton frère.
15. Dia izay hofidin' i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin' ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy rahalahinao ianao.
16. But he shall not multiply horses to himself, nor cause the people to return to Egypt, to the end that he should multiply horses: forasmuch as the LORD hath said unto you, Ye shall henceforth return no more that way.
16. "Mais qu`il n`ait pas un grand nombre de chevaux; et qu`il ne ramène pas le peuple en Égypte pour avoir beaucoup de chevaux; car l`Éternel vous a dit: Vous ne retournerez plus par ce chemin-là."
16. "Kanefa aoka tsy hampitombo soavaly maro ho azy izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hampitomboany ny soavaly; satria hoy Jehovah taminao: Aza miverina amin' izany lalana izany intsony."
17. Neither shall he multiply wives to himself, that his heart turn not away: neither shall he greatly multiply to himself silver and gold.
17. "Qu`il n`ait pas un grand nombre de femmes, afin que son coeur ne se détourne point; et qu`il ne fasse pas de grands amas d`argent et d`or."
17. "Ary aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy."
18. And it shall be, when he sitteth upon the throne of his kingdom, that he shall write him a copy of this law in a book out of that which is before the priests the Levites:
18. Quand il s`assiéra sur le trône de son royaume, il écrira pour lui, dans un livre, une copie de cette loi, qu`il prendra auprès des sacrificateurs, les Lévites.
18. "Ary izao no hisy, rehefa mipetraka eo ambonin' ny sezafiandrianam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin' ny boky izao lalàna izao, araka ilay eo anatrehan' ny Levita mpisorona;"
19. And it shall be with him, and he shall read therein all the days of his life: that he may learn to fear the LORD his God, to keep all the words of this law and these statutes, to do them:
19. "Il devra l`avoir avec lui et y lire tous les jours de sa vie, afin qu`il apprenne à craindre l`Éternel, son Dieu, à observer et à mettre en pratique toutes les paroles de cette loi et toutes ces ordonnances;"
19. Ary ho ao aminy izany ka hovakìny amin' ny andro rehetra iainany, mba hianarany hatahotra an' i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teniny rehetra amin' izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
20. That his heart be not lifted up above his brethren, and that he turn not aside from the commandment, to the right hand, or to the left: to the end that he may prolong his days in his kingdom, he, and his children, in the midst of Israel.
20. "afin que son coeur ne s`élève point au-dessus de ses frères, et qu`il ne se détourne de ces commandements ni à droite ni à gauche; afin qu`il prolonge ses jours dans son royaume, lui et ses enfants, au milieu d`Israël."
20. "Mba tsy hiavonavonan' ny fony amin' ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin' ny didy, na ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia; fa mba ho maro andro amin' ny fanjakany eo amin' ny Isiraely izy sy ny zanany."