1. And I saw a new heaven and a new earth: for the first heaven and the first earth were passed away; and there was no more sea.
1. "Puis je vis un nouveau ciel et une nouvelle terre; car le premier ciel et la première terre avaient disparu, et la mer n`était plus."
1. "Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy nisy intsony."
2. And I John saw the holy city, new Jerusalem, coming down from God out of heaven, prepared as a bride adorned for her husband.
2. Et je vis descendre du ciel, d`auprès de Dieu, la ville sainte, la nouvelle Jérusalem, préparée comme une épouse qui s`est parée pour son époux.
2. Ary izaho Jaona nahita ny tanàna masina dia Jerosalema vaovao, nidina avy tany an-danitra avy amin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny.
3. And I heard a great voice out of heaven saying, Behold, the tabernacle of God is with men, and he will dwell with them, and they shall be his people, and God himself shall be with them, and be their God.
3. Et j`entendis du trône une forte voix qui disait: Voici le tabernacle de Dieu avec les hommes! Il habitera avec eux, et ils seront son peuple, et Dieu lui-même sera avec eux.
3. Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra aho nanao hoe: Indro ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary hitoetra eo aminy Izy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra tenany no hitoetra eo aminy ka ho Andriamaniny.
4. And God shall wipe away all tears from their eyes; and there shall be no more death, neither sorrow, nor crying, neither shall there be any more pain: for the former things are passed away.
4. Il essuiera toute larme de leurs yeux, et la mort ne sera plus, et il n`y aura plus ni deuil, ni cri, ni douleur, car les premières choses ont disparu.
4. "Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana intsony; fa efa lasa ny zavatra taloha."
5. And he that sat upon the throne said, Behold, I make all things new. And he said unto me, Write: for these words are true and faithful.
5. "Et celui qui était assis sur le trône dit: Voici, je fais toutes choses nouvelles. Et il dit: Écris; car ces paroles sont certaines et véritables."
5. "Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo."
6. And he said unto me, It is done. I am Alpha and Omega, the beginning and the end. I will give unto him that is athirst of the fountain of the water of life freely.
6. Et il me dit: C`est fait! Je suis l`alpha et l`oméga, le commencement et la fin. A celui qui a soif je donnerai de la source de l`eau de la vie, gratuitement.
6. Ary hoy Izy tamiko: Vita. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta.
7. He that overcometh shall inherit all things; and I will be his God, and he shall be my son.
7. "Celui qui vaincra héritera ces choses; je serai son Dieu, et il sera mon fils."
7. "Izay maharesy no handova ny zavatra rehetra; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako."
8. But the fearful, and unbelieving, and the abominable, and murderers, and whoremongers, and sorcerers, and idolaters, and all liars, shall have their part in the lake which burneth with fire and brimstone: which is the second death.
8. Mais pour les lâches, les incrédules, les abominables, les meurtriers, les impudiques, les enchanteurs, les idolâtres, et tous les menteurs, leur part sera dans l`étang ardent de feu et de soufre, ce qui est la seconde mort.
8. "Fa ny kanosa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpivaro-tena sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa;"
9. And there came unto me one of the seven angels which had the seven vials full of the seven last plagues, and talked with me, saying, Come hither, I will shew thee the bride, the Lamb's wife.
9. Puis un des sept anges qui tenaient les sept coupes remplies des sept derniers fléaux vint, et il m`adressa la parole, en disant: Viens, je te montrerai l`épouse, la femme de l`agneau.
9. Ary tonga teo amiko ny anankiray tamin’ny anjely fito izay nanana ny lovia fito feno ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia ety, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry.
10. And he carried me away in the spirit to a great and high mountain, and shewed me that great city, the holy Jerusalem, descending out of heaven from God,
10. Et il me transporta en esprit sur une grande et haute montagne. Et il me montra la ville sainte, Jérusalem, qui descendait du ciel d`auprès de Dieu, ayant la gloire de Dieu.
10. Ary nitondra ahy tamin' ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna lehibe, dia Jerosalema masina, midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra,
11. Having the glory of God: and her light was like unto a stone most precious, even like a jasper stone, clear as crystal;
11. Son éclat était semblable à celui d`une pierre très précieuse, d`une pierre de jaspe transparente comme du cristal.
11. "Sady manana ny voninahitr’Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vatosoa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly;"
12. And had a wall great and high, and had twelve gates, and at the gates twelve angels, and names written thereon, which are the names of the twelve tribes of the children of Israel:
12. Elle avait une grande et haute muraille. Elle avait douze portes, et sur les portes douze anges, et des noms écrits, ceux des douze tribus des fils d`Israël:
12. "Ary manana manda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ny folo izy, ary eo amin’ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ny foko roa ambin’ny folo amin’ny Zanak’Isiraely;"
13. On the east three gates; on the north three gates; on the south three gates; and on the west three gates.
13. à l`orient trois portes, au nord trois portes, au midi trois portes, et à l`occident trois portes.
13. "Eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo."
14. And the wall of the city had twelve foundations, and in them the names of the twelve apostles of the Lamb.
14. La muraille de la ville avait douze fondements, et sur eux les douze noms des douze apôtres de l`agneau.
14. Ary ny mandan’ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin’ny folo, ary misy anarana roa ambin’ny folo koa eo, dia ny an’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.
15. And he that talked with me had a golden reed to measure the city, and the gates thereof, and the wall thereof.
15. Celui qui me parlait avait pour mesure un roseau d`or, afin de mesurer la ville, ses portes et sa muraille.
15. Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.
16. And the city lieth foursquare, and the length is as large as the breadth: and he measured the city with the reed, twelve thousand furlongs. The length and the breadth and the height of it are equal.
16. "La ville avait la forme d`un carré, et sa longueur était égale à sa largeur. Il mesura la ville avec le roseau, et trouva douze mille stades; la longueur, la largeur et la hauteur en étaient égales."
16. "Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony."
17. And he measured the wall thereof, an hundred and forty and four cubits, according to the measure of a man, that is, of the angel.
17. Il mesura la muraille, et trouva cent quarante-quatre coudées, mesure d`homme, qui était celle de l`ange.
17. Ary nandrefy ny mandany izy, ka efatra amby efapolo amby zato hakiho, araka ny refin’ny olona, dia ny an’ny anjely.
18. And the building of the wall of it was of jasper: and the city was pure gold, like unto clear glass.
18. La muraille était construite en jaspe, et la ville était d`or pur, semblable à du verre pur.
18. "Ary ny mandany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio."
19. And the foundations of the wall of the city were garnished with all manner of precious stones. The first foundation was jasper; the second, sapphire; the third, a chalcedony; the fourth, an emerald;
19. Les fondements de la muraille de la ville étaient ornés de pierres précieuses de toute espèce: le premier fondement était de jaspe, le second de saphir, le troisième de calcédoine, le quatrième d`émeraude,
19. Ary ny fanorenan’ny mandan’ny tanàna dia voaravaka vatosoa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
20. The fifth, sardonyx; the sixth, sardius; the seventh, chrysolyte; the eighth, beryl; the ninth, a topaz; the tenth, a chrysoprasus; the eleventh, a jacinth; the twelfth, an amethyst.
20. le cinquième de sardonyx, le sixième de sardoine, le septième de chrysolithe, le huitième de béryl, le neuvième de topaze, le dixième de chrysoprase, le onzième d`hyacinthe, le douzième d`améthyste.
20. Ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina sardoana, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny fahiraika ambin’ny folo hyakinta, ny faharoa ambin’ny folo ametysta.
21. And the twelve gates were twelve pearls: every several gate was of one pearl: and the street of the city was pure gold, as it were transparent glass.
21. "Les douze portes étaient douze perles; chaque porte était d`une seule perle. La place de la ville était d`or pur, comme du verre transparent."
21. "Ary ny vavahady roa ambin’ny folo dia pèrila roa ambin’ny folo; pèrila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano."
22. And I saw no temple therein: for the Lord God Almighty and the Lamb are the temple of it.
22. "Je ne vis point de temple dans la ville; car le Seigneur Dieu tout puissant est son temple, ainsi que l`agneau."
22. "Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny."
23. And the city had no need of the sun, neither of the moon, to shine in it: for the glory of God did lighten it, and the Lamb is the light thereof.
23. "La ville n`a besoin ni du soleil ni de la lune pour l`éclairer; car la gloire de Dieu l`éclaire, et l`agneau est son flambeau."
23. "Ary ny tanàna tsy mba nila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no manazava azy, ary ny Zanak’ondry no jirony."
24. And the nations of them which are saved shall walk in the light of it: and the kings of the earth do bring their glory and honour into it.
24. Les nations marcheront à sa lumière, et les rois de la terre y apporteront leur gloire.
24. Ary ny firenena izay voavonjy no handeha amin’ny fahazavany, ary ny mpanjakan’ny tany dia mitondra ny voninahiny sy ny hajany ho ao anatiny.
25. And the gates of it shall not be shut at all by day: for there shall be no night there.
25. Ses portes ne se fermeront point le jour, car là il n`y aura point de nuit.
25. Ary ny vavahadiny tsy mba harindrina akory amin’ny andro, fa tsy mba hisy alina ao.
26. And they shall bring the glory and honour of the nations into it.
26. On y apportera la gloire et l`honneur des nations.
26. Ary ny voninahitra sy ny hajan’ny firenena dia hoentina ao anatiny.
27. And there shall in no wise enter into it any thing that defileth, neither whatsoever worketh abomination, or maketh a lie: but they which are written in the Lamb's book of life.
27. "Il n`entrera chez elle rien de souillé, ni personne qui se livre à l`abomination et au mensonge; il n`entrera que ceux qui sont écrits dans le livre de vie de l`agneau."
27. "Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay manao lainga; fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany."