1. And I stood upon the sand of the sea, and saw a beast rise up out of the sea, having seven heads and ten horns, and upon his horns ten crowns, and upon his heads the name of blasphemy.
1. Et il se tint sur le sable de la mer. Puis je vis monter de la mer une bête qui avait dix cornes et sept têtes, et sur ses cornes dix diadèmes, et sur ses têtes des noms de blasphème.
1. "Ary nitsangana teo ambonin’ny fasiky ny ranomasina aho, ka nahita bibidia niakatra avy tamin’ny ranomasina nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy satroboninahitra folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anaran’ny blasfemia."
2. And the beast which I saw was like unto a leopard, and his feet were as the feet of a bear, and his mouth as the mouth of a lion: and the dragon gave him his power, and his seat, and great authority.
2. "La bête que je vis était semblable à un léopard; ses pieds étaient comme ceux d`un ours, et sa gueule comme une gueule de lion. Le dragon lui donna sa puissance, et son trône, et une grande autorité."
2. "Ary ny bibidia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny tongotry ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny sezany ary fahefana lehibe."
3. And I saw one of his heads as it were wounded to death; and his deadly wound was healed: and all the world wondered after the beast.
3. "Et je vis l`une de ses têtes comme blessée à mort; mais sa blessure mortelle fut guérie. Et toute la terre était dans l`admiration derrière la bête."
3. "Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibidia."
4. And they worshipped the dragon which gave power unto the beast: and they worshipped the beast, saying, Who is like unto the beast? who is able to make war with him?
4. "Et ils adorèrent le dragon, parce qu`il avait donné l`autorité à la bête; ils adorèrent la bête, en disant: Qui est semblable à la bête, et qui peut combattre contre elle?"
4. Ary dia niankohoka teo anoloan’ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an’ny bibidia: ary niankohoka teo anoloan' ny bibidia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibidia? ary iza no mahay miady aminy?
5. And there was given unto him a mouth speaking great things and blasphemies; and power was given unto him to continue forty and two months.
5. "Et il lui fut donné une bouche qui proférait des paroles arrogantes et des blasphèmes; et il lui fut donné le pouvoir d`agir pendant quarante-deux mois."
5. Dia nomena vava miteny zavatra mihoapampana sy blasfemia izy, ary nomena fahefana mba haharitra roa amby efapolo volana.
6. And he opened his mouth in blasphemy against God, to blaspheme his name, and his tabernacle, and them that dwell in heaven.
6. Et elle ouvrit sa bouche pour proférer des blasphèmes contre Dieu, pour blasphémer son nom, et son tabernacle, et ceux qui habitent dans le ciel.
6. Ary nanokatra ny vavany hanao blasfemia an’Andriamanitra izy, dia hanao blasfemia ny anarany sy ny tabernakeliny, ary ireo mitoetra any an-danitra.
7. And it was given unto him to make war with the saints, and to overcome them: and power was given him over all kindreds, and tongues, and nations.
7. Et il lui fut donné de faire la guerre aux saints, et de les vaincre. Et il lui fut donné autorité sur toute tribu, tout peuple, toute langue, et toute nation.
7. "Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy ireo; ary nomena fahefana tamin’ny fianakaviana rehetra sy ny fiteny samy hafa ary ny firenena izy."
8. And all that dwell upon the earth shall worship him, whose names are not written in the book of life of the Lamb slain from the foundation of the world.
8. Et tous les habitants de la terre l`adoreront, ceux dont le nom n`a pas été écrit dès la fondation du monde dans le livre de vie de l`agneau qui a été immolé.
8. Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.
9. If any man have an ear, let him hear.
9. Si quelqu`un a des oreilles, qu`il entende!
9. Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10. He that leadeth into captivity shall go into captivity: he that killeth with the sword must be killed with the sword. Here is the patience and the faith of the saints.
10. "Si quelqu`un mène en captivité, il ira en captivité; si quelqu`un tue par l`épée, il faut qu`il soit tué par l`épée. C`est ici la persévérance et la foi des saints."
10. "Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin’ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ny olona masina."
11. And I beheld another beast coming up out of the earth; and he had two horns like a lamb, and he spake as a dragon.
11. Puis je vis monter de la terre une autre bête, qui avait deux cornes semblables à celles d`un agneau, et qui parlait comme un dragon.
11. "Ary hitako fa, indro, nisy bibidia iray koa niakatra avy tamin’ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy sady niteny tahaka ny dragona."
12. And he exerciseth all the power of the first beast before him, and causeth the earth and them which dwell therein to worship the first beast, whose deadly wound was healed.
12. Elle exerçait toute l`autorité de la première bête en sa présence, et elle faisait que la terre et ses habitants adoraient la première bête, dont la blessure mortelle avait été guérie.
12. Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany, izay efa sitrana tamin’ilay feriny saiky nahafaty azy.
13. And he doeth great wonders, so that he maketh fire come down from heaven on the earth in the sight of men,
13. Elle opérait de grands prodiges, même jusqu`à faire descendre du feu du ciel sur la terre, à la vue des hommes.
13. Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin' ny tany eo imason' ny olona.
14. And deceiveth them that dwell on the earth by the means of those miracles which he had power to do in the sight of the beast; saying to them that dwell on the earth, that they should make an image to the beast, which had the wound by a sword, and did live.
14. Et elle séduisait les habitants de la terre par les prodiges qu`il lui était donné d`opérer en présence de la bête, disant aux habitants de la terre de faire une image à la bête qui avait la blessure de l`épée et qui vivait.
14. Ary mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny fahagagana izay nomena azy hatao eo imason’ny bibidia, sady milaza amin' izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sary ho an’ny bibidia, izay voan’ny sabatra, nefa velona ihany.
15. And he had power to give life unto the image of the beast, that the image of the beast should both speak, and cause that as many as would not worship the image of the beast should be killed.
15. Et il lui fut donné d`animer l`image de la bête, afin que l`image de la bête parlât, et qu`elle fît que tous ceux qui n`adoreraient pas l`image de la bête fussent tués.
15. Ary navela hanome aina ny sarin’ny bibidia izy, mba hahateny ny sarin’ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan' ny sarin’ny bibidia.
16. And he causeth all, both small and great, rich and poor, free and bond, to receive a mark in their right hand, or in their foreheads:
16. Et elle fit que tous, petits et grands, riches et pauvres, libres et esclaves, reçussent une marque sur leur main droite ou sur leur front,
16. Ary ny olona rehetra, na ny kely, na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny andevo na ny tsy andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ny tanany ankavanana na eo amin' ny handriny avokoa,
17. And that no man might buy or sell, save he that had the mark, or the name of the beast, or the number of his name.
17. et que personne ne pût acheter ni vendre, sans avoir la marque, le nom de la bête ou le nombre de son nom.
17. Mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, na ny anaran’ny bibidia, na ny isa an’ny anarany.
18. Here is wisdom. Let him that hath understanding count the number of the beast: for it is the number of a man; and his number is Six hundred threescore and six.
18. C`est ici la sagesse. Que celui qui a de l`intelligence calcule le nombre de la bête. Car c`est un nombre d`homme, et son nombre est six cent soixante-six.
18. "Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isa an’ny bibidia fa isa an’olona iray izany; fa enina amby enimpolo amby eninjato no isany."