1. And I looked, and, lo, a Lamb stood on the mount Sion, and with him an hundred forty and four thousand, having his Father's name written in their foreheads.
1. Je regardai, et voici, l`agneau se tenait sur la montagne de Sion, et avec lui cent quarante-quatre mille personnes, qui avaient son nom et le nom de son Père écrits sur leurs fronts.
1. Ary hitako fa, indro ny Zanak’ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny.
2. And I heard a voice from heaven, as the voice of many waters, and as the voice of a great thunder: and I heard the voice of harpers harping with their harps:
2. "Et j`entendis du ciel une voix, comme un bruit de grosses eaux, comme le bruit d`un grand tonnerre; et la voix que j`entendis était comme celle de joueurs de harpes jouant de leurs harpes."
2. "Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotroka mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ny mpitendry harpa mitendry ny harpany."
3. And they sung as it were a new song before the throne, and before the four beasts, and the elders: and no man could learn that song but the hundred and forty and four thousand, which were redeemed from the earth.
3. Et ils chantaient un cantique nouveau devant le trône, et devant les quatre êtres vivants et les vieillards. Et personne ne pouvait apprendre le cantique, si ce n`est les cent quarante-quatre mille, qui avaient été rachetés de la terre.
3. "Ary nihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ny sezafiandrianana sy eo anatrehan’ny zava-manan' aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy misy mahay mianatra izany hira izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany."
4. These are they which were not defiled with women; for they are virgins. These are they which follow the Lamb whithersoever he goeth. These were redeemed from among men, being the firstfruits unto God and to the Lamb.
4. "Ce sont ceux qui ne se sont pas souillés avec des femmes, car ils sont vierges; ils suivent l`agneau partout où il va. Ils ont été rachetés d`entre les hommes, comme des prémices pour Dieu et pour l`agneau;"
4. Ireo no tsy voaloto tamin’ny vehivavy, fa virijina izy ireo. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.
5. And in their mouth was found no guile: for they are without fault before the throne of God.
5. et dans leur bouche il ne s`est point trouvé de mensonge, car ils sont irrépréhensibles.
5. Ary tsy nisy fitaka hita teo am-bavany, satria tsy manan-tsiny teo anoloan’ny sezafiandrianan' Andriamanitra Izy.
6. And I saw another angel fly in the midst of heaven, having the everlasting gospel to preach unto them that dwell on the earth, and to every nation, and kindred, and tongue, and people,
6. Je vis un autre ange qui volait par le milieu du ciel, ayant un Évangile éternel, pour l`annoncer aux habitants de la terre, à toute nation, à toute tribu, à toute langue, et à tout peuple.
6. Ary nahita anjely anankiray koa aho nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana ny filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena rehetra sy ny fianakaviana sy ny fiteny maro samy hafa ary ny olona,
7. Saying with a loud voice, Fear God, and give glory to him; for the hour of his judgment is come: and worship him that made heaven, and earth, and the sea, and the fountains of waters.
7. "Il disait d`une voix forte: Craignez Dieu, et donnez-lui gloire, car l`heure de son jugement est venue; et adorez celui qui a fait le ciel, et la terre, et la mer, et les sources d`eaux."
7. "Nanao tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny ora fitsarany ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano."
8. And there followed another angel, saying, Babylon is fallen, is fallen, that great city, because she made all nations drink of the wine of the wrath of her fornication.
8. Et un autre, un second ange suivit, en disant: Elle est tombée, elle est tombée, Babylone la grande, qui a abreuvé toutes les nations du vin de la fureur de son impudicité!
8. Ary ny anjely faharoa nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona, ilay tanàna lehibe, satria nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fahavetavetany izy.
9. And the third angel followed them, saying with a loud voice, If any man worship the beast and his image, and receive his mark in his forehead, or in his hand,
9. Et un autre, un troisième ange les suivit, en disant d`une voix forte: Si quelqu`un adore la bête et son image, et reçoit une marque sur son front ou sur sa main,
9. Ary ny anjely fahatelo nanaraka ireny ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany,
10. The same shall drink of the wine of the wrath of God, which is poured out without mixture into the cup of his indignation; and he shall be tormented with fire and brimstone in the presence of the holy angels, and in the presence of the Lamb:
10. il boira, lui aussi, du vin de la fureur de Dieu, versé sans mélange dans la coupe de sa colère, et il sera tourmenté dans le feu et le soufre, devant les saints anges et devant l`agneau.
10. "Dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijaliana amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry;"
11. And the smoke of their torment ascendeth up for ever and ever: and they have no rest day nor night, who worship the beast and his image, and whosoever receiveth the mark of his name.
11. "Et la fumée de leur tourment monte aux siècles des siècles; et ils n`ont de repos ni jour ni nuit, ceux qui adorent la bête et son image, et quiconque reçoit la marque de son nom."
11. "Ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ny bibidia sy ny sariny, sy izay mandray ny mariky ny anarany."
12. Here is the patience of the saints: here are they that keep the commandments of God, and the faith of Jesus.
12. C`est ici la persévérance des saints, qui gardent les commandements de Dieu et la foi de Jésus.
12. Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy.
13. And I heard a voice from heaven saying unto me, Write, Blessed are the dead which die in the Lord from henceforth: Yea, saith the Spirit, that they may rest from their labours; and their works do follow them.
13. Et j`entendis du ciel une voix qui disait: Écris: Heureux dès à présent les morts qui meurent dans le Seigneur! Oui, dit l`Esprit, afin qu`ils se reposent de leurs travaux, car leurs oeuvres les suivent.
13. Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao tamiko hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, ary ny asany manaraka azy.
14. And I looked, and behold a white cloud, and upon the cloud one sat like unto the Son of man, having on his head a golden crown, and in his hand a sharp sickle.
14. Je regardai, et voici, il y avait une nuée blanche, et sur la nuée était assis quelqu`un qui ressemblait à un fils d`homme, ayant sur sa tête une couronne d`or, et dans sa main une faucille tranchante.
14. Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’olona nipetraka teo ambonin’ny rahona, Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tanany.
15. And another angel came out of the temple, crying with a loud voice to him that sat on the cloud, Thrust in thy sickle, and reap: for the time is come for thee to reap; for the harvest of the earth is ripe.
15. "Et un autre ange sortit du temple, criant d`une voix forte à celui qui était assis sur la nuée: Lance ta faucille, et moissonne; car l`heure de moissonner est venue, car la moisson de la terre est mûre."
15. "Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery ka nanao tamin’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny fotoana fijinjanao; fa masaka ny vokatry ny tany."
16. And he that sat on the cloud thrust in his sickle on the earth; and the earth was reaped.
16. Et celui qui était assis sur la nuée jeta sa faucille sur la terre. Et la terre fut moissonnée.
16. Dia naroson’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona tamin’ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
17. And another angel came out of the temple which is in heaven, he also having a sharp sickle.
17. Et un autre ange sortit du temple qui est dans le ciel, ayant, lui aussi, une faucille tranchante.
17. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
18. And another angel came out from the altar, which had power over fire; and cried with a loud cry to him that had the sharp sickle, saying, Thrust in thy sharp sickle, and gather the clusters of the vine of the earth; for her grapes are fully ripe.
18. "Et un autre ange, qui avait autorité sur le feu, sortit de l`autel, et s`adressa d`une voix forte à celui qui avait la faucille tranchante, disant: Lance ta faucille tranchante, et vendange les grappes de la vigne de la terre; car les raisins de la terre sont mûrs."
18. "Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy; ary niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony."
19. And the angel thrust in his sickle into the earth, and gathered the vine of the earth, and cast it into the great winepress of the wrath of God.
19. Et l`ange jeta sa faucille sur la terre. Et il vendangea la vigne de la terre, et jeta la vendange dans la grande cuve de la colère de Dieu.
19. Ary naroson’ilay anjely tamin’ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.
20. And the winepress was trodden without the city, and blood came out of the winepress, even unto the horse bridles, by the space of a thousand and six hundred furlongs.
20. "Et la cuve fut foulée hors de la ville; et du sang sortit de la cuve, jusqu`aux mors des chevaux, sur une étendue de mille six cents stades."
20. Ary voahitsaka teny ivelan’ny tanàna ny famiazana, ary avy teo amin’ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin’ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin’ny eninjato amby arivo stadio.