1. The Revelation of Jesus Christ, which God gave unto him, to shew unto his servants things which must shortly come to pass; and he sent and signified it by his angel unto his servant John:
1. Révélation de Jésus Christ, que Dieu lui a donnée pour montrer à ses serviteurs les choses qui doivent arriver bientôt, et qu`il a fait connaître, par l`envoi de son ange, à son serviteur Jean,
1. "Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony,"
2. Who bare record of the word of God, and of the testimony of Jesus Christ, and of all things that he saw.
2. lequel a attesté la parole de Dieu et le témoignage de Jésus Christ, tout ce qu`il a vu.
2. Izay nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3. Blessed is he that readeth, and they that hear the words of this prophecy, and keep those things which are written therein: for the time is at hand.
3. Heureux celui qui lit et ceux qui entendent les paroles de la prophétie, et qui gardent les choses qui y sont écrites! Car le temps est proche.
3. "Sambatra izay mamaky sy ireo izay mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina ireo zavatra voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana."
4. John to the seven churches which are in Asia: Grace be unto you, and peace, from him which is, and which was, and which is to come; and from the seven Spirits which are before his throne;
4. Jean aux sept Églises qui sont en Asie: que la grâce et la paix vous soient données de la part de celui qui est, qui était, et qui vient, et de la part des sept esprits qui sont devant son trône,
4. "Jaona mamangy ny fiangonana fito any Azia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny sezafiandrianany;"
5. And from Jesus Christ, who is the faithful witness, and the first begotten of the dead, and the prince of the kings of the earth. Unto him that loved us, and washed us from our sins in his own blood,
5. et de la part de Jésus Christ, le témoin fidèle, le premier-né des morts, et le prince des rois de la terre! A celui qui nous aime, qui nous a délivrés de nos péchés par son sang,
5. Ary avy amin’i Jesosy Kristy, Ilay vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. Ho an’Izay tia antsika ka nanasa antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany,
6. And hath made us kings and priests unto God and his Father; to him be glory and dominion for ever and ever. Amen.
6. et qui a fait de nous un royaume, des sacrificateurs pour Dieu son Père, à lui soient la gloire et la puissance, aux siècles des siècles! Amen!
6. "Sady efa nanao antsika ho mpanjaka sy mpisorona ho an’Andriamanitra sady Rainy; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanapahana mandrakizay mandrakizay. Amena."
7. Behold, he cometh with clouds; and every eye shall see him, and they also which pierced him: and all kindreds of the earth shall wail because of him. Even so, Amen.
7. "Voici, il vient avec les nuées. Et tout oeil le verra, même ceux qui l`ont percé; et toutes les tribus de la terre se lamenteront à cause de lui. Oui. Amen!"
7. "Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, ary ireo izay nandefona Azy koa; ary hidradradradra noho ny Aminy ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany. Eny tokoa, Amena."
8. I am Alpha and Omega, the beginning and the ending, saith the Lord, which is, and which was, and which is to come, the Almighty.
8. Je suis l`alpha et l`oméga, dit le Seigneur Dieu, celui qui est, qui était, et qui vient, le Tout Puissant.
8. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, hoy ny Tompo, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
9. I John, who also am your brother, and companion in tribulation, and in the kingdom and patience of Jesus Christ, was in the isle that is called Patmos, for the word of God, and for the testimony of Jesus Christ.
9. Moi Jean, votre frère, et qui ai part avec vous à la tribulation et au royaume et à la persévérance en Jésus, j`étais dans l`île appelée Patmos, à cause de la parole de Dieu et du témoignage de Jésus.
9. Izaho Jaona, izay rahalahinareo koa sy namanareo amin’ny fahoriana ary amin’ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’i Jesosy Kristy, dia tao amin’ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy.
10. I was in the Spirit on the Lord's day, and heard behind me a great voice, as of a trumpet,
10. Je fus ravi en esprit au jour du Seigneur, et j`entendis derrière moi une voix forte, comme le son d`une trompette,
10. Tao amin' ny Fanahy aho tamin’ny Andron’ny Tompo ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ny trompetra,
11. Saying, I am Alpha and Omega, the first and the last: and, What thou seest, write in a book, and send it unto the seven churches which are in Asia; unto Ephesus, and unto Smyrna, and unto Pergamos, and unto Thyatira, and unto Sardis, and unto Philadelphia, and unto Laodicea.
11. qui disait: Ce que tu vois, écris-le dans un livre, et envoie-le aux sept Églises, à Éphèse, à Smyrne, à Pergame, à Thyatire, à Sardes, à Philadelphie, et à Laodicée.
11. Nanao hoe: Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ary Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky, ka ampitondray ho any amin’ny fiangonana fito izay any Azia, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
12. And I turned to see the voice that spake with me. And being turned, I saw seven golden candlesticks;
12. Je me retournai pour connaître quelle était la voix qui me parlait. Et, après m`être retourné, je vis sept chandeliers d`or,
12. "Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovanjiro volamena fito;"
13. And in the midst of the seven candlesticks one like unto the Son of man, clothed with a garment down to the foot, and girt about the paps with a golden girdle.
13. et, au milieu des sept chandeliers, quelqu`un qui ressemblait à un fils d`homme, vêtu d`une longue robe, et ayant une ceinture d`or sur la poitrine.
13. Ary teo afovoan’ny fanaovanjiro fito dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ny tratrany.
14. His head and his hairs were white like wool, as white as snow; and his eyes were as a flame of fire;
14. "Sa tête et ses cheveux étaient blancs comme de la laine blanche, comme de la neige; ses yeux étaient comme une flamme de feu;"
14. "Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy, dia tahaka ny orampanala, ary ny masony tahaka ny lelafo;"
15. And his feet like unto fine brass, as if they burned in a furnace; and his voice as the sound of many waters.
15. "ses pieds étaient semblables à de l`airain ardent, comme s`il eût été embrasé dans une fournaise; et sa voix était comme le bruit de grandes eaux."
15. "Ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, ohatra ilay voadio teo amin’ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be."
16. And he had in his right hand seven stars: and out of his mouth went a sharp twoedged sword: and his countenance was as the sun shineth in his strength.
16. "Il avait dans sa main droite sept étoiles. De sa bouche sortait une épée aiguë, à deux tranchants; et son visage était comme le soleil lorsqu`il brille dans sa force."
16. "Ary nitana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny."
17. And when I saw him, I fell at his feet as dead. And he laid his right hand upon me, saying unto me, Fear not; I am the first and the last:
17. Quand je le vis, je tombai à ses pieds comme mort. Il posa sur moi sa main droite en disant: Ne crains point!
17. "Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nanendry ahy tamin’ny tanany ankavanana Izy ka nanao tamiko hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany;"
18. I am he that liveth, and was dead; and, behold, I am alive for evermore, Amen; and have the keys of hell and of death.
18. "Je suis le premier et le dernier, et le vivant. J`étais mort; et voici, je suis vivant aux siècles des siècles. Je tiens les clefs de la mort et du séjour des morts."
18. "Izaho Ilay velona, efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, Amena; ary manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny helo."
19. Write the things which thou hast seen, and the things which are, and the things which shall be hereafter;
19. Écris donc les choses que tu as vues, et celles qui sont, et celles qui doivent arriver après elles,
19. Soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
20. The mystery of the seven stars which thou sawest in my right hand, and the seven golden candlesticks. The seven stars are the angels of the seven churches: and the seven candlesticks which thou sawest are the seven churches.
20. le mystère des sept étoiles que tu as vues dans ma main droite, et des sept chandeliers d`or. Les sept étoiles sont les anges des sept Églises, et les sept chandeliers sont les sept Églises.
20. Dia ny zava-miafina ny amin’ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovanjiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny fiangonana fito, ary ny fanaovanjiro fito izay hitanao dia ny fiangonana fito.
<
>