1. Unto the angel of the church of Ephesus write; These things saith he that holdeth the seven stars in his right hand, who walketh in the midst of the seven golden candlesticks;
1. Écris à l`ange de l`Église d`Éphèse: Voici ce que dit celui qui tient les sept étoiles dans sa main droite, celui qui marche au milieu des sept chandeliers d`or:
1. Soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovanjiro volamena fito:
2. I know thy works, and thy labour, and thy patience, and how thou canst not bear them which are evil: and thou hast tried them which say they are apostles, and are not, and hast found them liars:
2. "Je connais tes oeuvres, ton travail, et ta persévérance. Je sais que tu ne peux supporter les méchants; que tu as éprouvé ceux qui se disent apôtres et qui ne le sont pas, et que tu les as trouvés menteurs;"
2. "Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsy fahazakanao izay ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy ireo;"
3. And hast borne, and hast patience, and for my name's sake hast laboured, and hast not fainted.
3. que tu as de la persévérance, que tu as souffert à cause de mon nom, et que tu ne t`es point lassé.
3. "Ary manana faharetana ianao ka niaritra, ary noho ny anarako dia nikely aina ianao sady tsy reraka;"
4. Nevertheless I have somewhat against thee, because thou hast left thy first love.
4. Mais ce que j`ai contre toi, c`est que tu as abandonné ton premier amour.
4. Kanefa manan-javatra hanoherana anao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao.
5. Remember therefore from whence thou art fallen, and repent, and do the first works; or else I will come unto thee quickly, and will remove thy candlestick out of his place, except thou repent.
5. "Souviens-toi donc d`où tu es tombé, repens-toi, et pratique tes premières oeuvres; sinon, je viendrai à toi, et j`ôterai ton chandelier de sa place, à moins que tu ne te repentes."
5. "Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho, ka hamindra ny fitoeran-jironao hiala amin’ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao."
6. But this thou hast, that thou hatest the deeds of the Nicolaitanes, which I also hate.
6. Tu as pourtant ceci, c`est que tu hais les oeuvres des Nicolaïtes, oeuvres que je hais aussi.
6. Kanefa izao no anananao: halanao ny asan’ny Nikolaita, izay halako koa.
7. He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; To him that overcometh will I give to eat of the tree of life, which is in the midst of the paradise of God.
7. Que celui qui a des oreilles entende ce que l`Esprit dit aux Églises: A celui qui vaincra je donnerai à manger de l`arbre de vie, qui est dans le paradis de Dieu.
7. "Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana; izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina izay eo afovoan’ny Paradisan’Andriamanitra."
8. And unto the angel of the church in Smyrna write; These things saith the first and the last, which was dead, and is alive;
8. Écris à l`ange de l`Église de Smyrne: Voici ce que dit le premier et le dernier, celui qui était mort, et qui est revenu à la vie:
8. "Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain’ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty nefa velona indray;"
9. I know thy works, and tribulation, and poverty, (but thou art rich) and I know the blasphemy of them which say they are Jews, and are not, but are the synagogue of Satan.
9. Je connais ta tribulation et ta pauvreté (bien que tu sois riche), et les calomnies de la part de ceux qui se disent Juifs et ne le sont pas, mais qui sont une synagogue de Satan.
9. Fantatro ny asanao sy ny fahorianao sy ny fahantranao, (nefa manan-karena ianao) ary fantatro ny blasfemia ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa synagogan’i Satana.
10. Fear none of those things which thou shalt suffer: behold, the devil shall cast some of you into prison, that ye may be tried; and ye shall have tribulation ten days: be thou faithful unto death, and I will give thee a crown of life.
10. Ne crains pas ce que tu vas souffrir. Voici, le diable jettera quelques-uns de vous en prison, afin que vous soyez éprouvés, et vous aurez une tribulation de dix jours. Sois fidèle jusqu`à la mort, et je te donnerai la couronne de vie.
10. "Aza matahotra izay zavatra efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana."
11. He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; He that overcometh shall not be hurt of the second death.
11. Que celui qui a des oreilles entende ce que l`Esprit dit aux Églises: Celui qui vaincra n`aura pas à souffrir la seconde mort.
11. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.
12. And to the angel of the church in Pergamos write; These things saith he which hath the sharp sword with two edges;
12. Écris à l`ange de l`Église de Pergame: Voici ce que dit celui qui a l`épée aiguë, à deux tranchants:
12. Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’Ilay manana sabatra roa lela maranitra:
13. I know thy works, and where thou dwellest, even where Satan's seat is: and thou holdest fast my name, and hast not denied my faith, even in those days wherein Antipas was my faithful martyr, who was slain among you, where Satan dwelleth.
13. Je sais où tu demeures, je sais que là est le trône de Satan. Tu retiens mon nom, et tu n`as pas renié ma foi, même aux jours d`Antipas, mon témoin fidèle, qui a été mis à mort chez vous, là où Satan a sa demeure.
13. "Fantatro ny asanao, fa izay onenanao, dia ao amin’izay itoeran' i Satana; ary mitana mafy ny anarako ianao, tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy maritiorako aza, izay nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, eo amin’izay onenan’i Satana."
14. But I have a few things against thee, because thou hast there them that hold the doctrine of Balaam, who taught Balac to cast a stumblingblock before the children of Israel, to eat things sacrificed unto idols, and to commit fornication.
14. Mais j`ai quelque chose contre toi, c`est que tu as là des gens attachés à la doctrine de Balaam, qui enseignait à Balak à mettre une pierre d`achoppement devant les fils d`Israël, pour qu`ils mangeassent des viandes sacrifiées aux idoles et qu`ils se livrassent à l`impudicité.
14. Kanefa manan-javatra vitsy hanoherana anao aho, satria misy eo aminao izay mitana ny foto-pampianaran' i Balama, ilay nampianatra an’i Balaka hanisy fahatafintohinana eo anoloan’ny zanak’Isiraely hihinana zavatra naterina tamin' ny sampy sy hanao fahavetavetana.
15. So hast thou also them that hold the doctrine of the Nicolaitanes, which thing I hate.
15. De même, toi aussi, tu as des gens attachés pareillement à la doctrine des Nicolaïtes.
15. Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitana ny foto-pampianaran’ny Nikolaita, izay zavatra halako koa.
16. Repent; or else I will come unto thee quickly, and will fight against them with the sword of my mouth.
16. "Repens-toi donc; sinon, je viendrai à toi bientôt, et je les combattrai avec l`épée de ma bouche."
16. "Mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho, ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako."
17. He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches; To him that overcometh will I give to eat of the hidden manna, and will give him a white stone, and in the stone a new name written, which no man knoweth saving he that receiveth it.
17. "Que celui qui a des oreilles entende ce que l`Esprit dit aux Églises: A celui qui vaincra je donnerai de la manne cachée, et je lui donnerai un caillou blanc; et sur ce caillou est écrit un nom nouveau, que personne ne connaît, si ce n`est celui qui le reçoit."
17. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
18. And unto the angel of the church in Thyatira write; These things saith the Son of God, who hath his eyes like unto a flame of fire, and his feet are like fine brass;
18. Écris à l`ange de l`Église de Thyatire: Voici ce que dit le Fils de Dieu, celui qui a les yeux comme une flamme de feu, et dont les pieds sont semblables à de l`airain ardent:
18. Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay manana ny masony toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
19. I know thy works, and charity, and service, and faith, and thy patience, and thy works; and the last to be more than the first.
19. Je connais tes oeuvres, ton amour, ta foi, ton fidèle service, ta constance, et tes dernières oeuvres plus nombreuses que les premières.
19. Fantatro ny asanao, ny fitiavanao sy ny fanompoanao sy ny finoanao sy ny faharetanao ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
20. Notwithstanding I have a few things against thee, because thou sufferest that woman Jezebel, which calleth herself a prophetess, to teach and to seduce my servants to commit fornication, and to eat things sacrificed unto idols.
20. Mais ce que j`ai contre toi, c`est que tu laisses la femme Jézabel, qui se dit prophétesse, enseigner et séduire mes serviteurs, pour qu`ils se livrent à l`impudicité et qu`ils mangent des viandes sacrifiées aux idoles.
20. Na dia izany aza dia manan-javatra vitsy hanoherana anao Aho, satria mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela ianao, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hanao fahavetavetana sy hihinana zavatra naterina tamin’ny sampy.
21. And I gave her space to repent of her fornication; and she repented not.
21. Je lui ai donné du temps, afin qu`elle se repentît, et elle ne veut pas se repentir de son impudicité.
21. Ary nomeko fotoana hibebahana amin’ny fahavetavetany izy, nefa tsy nibebaka.
22. Behold, I will cast her into a bed, and them that commit adultery with her into great tribulation, except they repent of their deeds.
22. Voici, je vais la jeter sur un lit, et envoyer une grande tribulation à ceux qui commettent adultère avec elle, à moins qu`ils ne se repentent de leurs oeuvres.
22. Indro hampandamahiko eo am-pandriana ravehivavy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy mibebaka amin’ny ataony izy ireo.
23. And I will kill her children with death; and all the churches shall know that I am he which searcheth the reins and hearts: and I will give unto every one of you according to your works.
23. "Je ferai mourir de mort ses enfants; et toutes les Églises connaîtront que je suis celui qui sonde les reins et les coeurs, et je vous rendrai à chacun selon vos oeuvres."
23. "Ary hovonoiko amin’ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra;"
24. But unto you I say, and unto the rest in Thyatira, as many as have not this doctrine, and which have not known the depths of Satan, as they speak; I will put upon you none other burden.
24. "A vous, à tous les autres de Thyatire, qui ne reçoivent pas cette doctrine, et qui n`ont pas connu les profondeurs de Satan, comme ils les appellent, je vous dis: Je ne mets pas sur vous d`autre fardeau;"
24. Fa aminareo sy izay sisa any Tyatira dia izay tsy manana izany foto-pampianarana izany sady tsy mahalala ny ataon' ireo hoe sain-dalin’i Satana, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo.
25. But that which ye have already hold fast till I come.
25. seulement, ce que vous avez, retenez-le jusqu`à ce que je vienne.
25. "Kanefa izay efa anananareo dia tano mafy mandra-piaviko;"
26. And he that overcometh, and keepeth my works unto the end, to him will I give power over the nations:
26. A celui qui vaincra, et qui gardera jusqu`à la fin mes oeuvres, je donnerai autorité sur les nations.
26. "Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny firenena;"
27. And he shall rule them with a rod of iron; as the vessels of a potter shall they be broken to shivers: even as I received of my Father.
27. Il les paîtra avec une verge de fer, comme on brise les vases d`argile, ainsi que moi-même j`en ai reçu le pouvoir de mon Père.
27. Ary hanapaka azy ireo amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro ny vilany ataon’ny mpanefy tanimanga, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko.
28. And I will give him the morning star.
28. Et je lui donnerai l`étoile du matin.
28. Ary homeko azy ny kintana fitarik' andro.
29. He that hath an ear, let him hear what the Spirit saith unto the churches.
29. Que celui qui a des oreilles entende ce que l`Esprit dit aux Églises!
29. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana.
<
>