1. Jude, the servant of Jesus Christ, and brother of James, to them that are sanctified by God the Father, and preserved in Jesus Christ, and called:
1. Jude, serviteur de Jésus Christ, et frère de Jacques, à ceux qui ont été appelés, qui sont aimés en Dieu le Père, et gardés pour Jésus Christ:
1. "Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba, mamangy izay nohamasinin’Andriamanitra Ray sy voatahiry ao amin’i Jesosy Kristy sady voantso;"
2. Mercy unto you, and peace, and love, be multiplied.
2. que la miséricorde, la paix et la charité vous soient multipliées!
2. "Hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana;"
3. Beloved, when I gave all diligence to write unto you of the common salvation, it was needful for me to write unto you, and exhort you that ye should earnestly contend for the faith which was once delivered unto the saints.
3. Bien aimés, comme je désirais vivement vous écrire au sujet de notre salut commun, je me suis senti obligé de le faire afin de vous exhorter à combattre pour la foi qui a été transmise aux saints une fois pour toutes.
3. Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ny famonjena iombonana, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha ho an’ny olona masina.
4. For there are certain men crept in unawares, who were before of old ordained to this condemnation, ungodly men, turning the grace of our God into lasciviousness, and denying the only Lord God, and our Lord Jesus Christ.
4. Car il s`est glissé parmi vous certains hommes, dont la condamnation est écrite depuis longtemps, des impies, qui changent la grâce de notre Dieu en dissolution, et qui renient notre seul maître et Seigneur Jésus Christ.
4. Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay efa voatendry fahiny ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona tsy araka an’Andriamanitra, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fijejojejoana, sady mandà Ilay Tompo Andriamanitra tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika.
5. I will therefore put you in remembrance, though ye once knew this, how that the Lord, having saved the people out of the land of Egypt, afterward destroyed them that believed not.
5. "Je veux vous rappeler, à vous qui savez fort bien toutes ces choses, que le Seigneur, après avoir sauvé le peuple et l`avoir tiré du pays d`Égypte, fit ensuite périr les incrédules;"
5. Koa te-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo fahiny aza izany, fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany amin' ny tany Egypta ny olona, dia naringany ihany taorian’izany izay tsy nino.
6. And the angels which kept not their first estate, but left their own habitation, he hath reserved in everlasting chains under darkness unto the judgment of the great day.
6. "qu`il a réservé pour le jugement du grand jour, enchaînés éternellement par les ténèbres, les anges qui n`ont pas gardé leur dignité, mais qui ont abandonné leur propre demeure;"
6. Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany voalohany, fa nandao ny fonenany dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny fitsarana amin’ny andro lehibe.
7. Even as Sodom and Gomorrha, and the cities about them in like manner, giving themselves over to fornication, and going after strange flesh, are set forth for an example, suffering the vengeance of eternal fire.
7. que Sodome et Gomorrhe et les villes voisines, qui se livrèrent comme eux à l`impudicité et à des vices contre nature, sont données en exemple, subissant la peine d`un feu éternel.
7. Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna manodidina azy, izay nanolo-tena ho amin' ny fahavetavetana tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho ohatra amin’ny iaretany famaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.
8. Likewise also these filthy dreamers defile the flesh, despise dominion, and speak evil of dignities.
8. Malgré cela, ces hommes aussi, entraînés par leurs rêveries, souillent pareillement leur chair, méprisent l`autorité et injurient les gloires.
8. Kanefa toy izany koa, ireo mpanonofy maloto izay mandoto ny nofo ireo, dia manamavo izay manana fahefana sy miteny ratsy ny manana voninahitra.
9. Yet Michael the archangel, when contending with the devil he disputed about the body of Moses, durst not bring against him a railing accusation, but said, The Lord rebuke thee.
9. Or, l`archange Michel, lorsqu`il contestait avec le diable et lui disputait le corps de Moïse, n`osa pas porter contre lui un jugement injurieux, mais il dit: Que le Seigneur te réprime!
9. Fa Mikaela arikanjely aza raha niady tamin’ny devoly ka nifanditra ny amin’ny fatin’i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah”.
10. But these speak evil of those things which they know not: but what they know naturally, as brute beasts, in those things they corrupt themselves.
10. Eux, au contraire, ils parlent d`une manière injurieuse de ce qu`ils ignorent, et ils se corrompent dans ce qu`ils savent naturellement comme les brutes.
10. "Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra tsy fantany akory; fa izay zavatra mba fantany fotsiny dia tahaka ny fahalalan’ny biby tsy manan-tsaina ka hanimbany ny tenany."
11. Woe unto them! for they have gone in the way of Cain, and ran greedily after the error of Balaam for reward, and perished in the gainsaying of Core.
11. Malheur à eux! car ils ont suivi la voie de Caïn, ils se sont jetés pour un salaire dans l`égarement de Balaam, ils se sont perdus par la révolte de Coré.
11. Loza ho azy ireo! fa efa nandeha tamin’ny lalan’i Kaina ireo, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’i Balama hahazoany tamby, ary ringana tamin’ny fiodinan’i Kora.
12. These are spots in your feasts of charity, when they feast with you, feeding themselves without fear: clouds they are without water, carried about of winds; trees whose fruit withereth, without fruit, twice dead, plucked up by the roots;
12. "Ce sont des écueils dans vos agapes, faisant impudemment bonne chère, se repaissant eux-mêmes. Ce sont des nuées sans eau, poussées par les vents; des arbres d`automne sans fruits, deux fois morts, déracinés;"
12. "Ireo no pentimpentina eo amin’ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminy ianareo, mamahan-tena tsy amin-tahotra, rahona tsy misy rano, entin’ny rivotra, hazo malazo voa, sady tsy misy voany, indroa maty, voafongotra hatramin’ny fakany;"
13. Raging waves of the sea, foaming out their own shame; wandering stars, to whom is reserved the blackness of darkness for ever.
13. "des vagues furieuses de la mer, rejetant l`écume de leurs impuretés; des astres errants, auxquels l`obscurité des ténèbres est réservée pour l`éternité."
13. "Onjan-dranomasina mitopatopa, izay mamorivory ny fahamenarany, kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ny maizina;"
14. And Enoch also, the seventh from Adam, prophesied of these, saying, Behold, the Lord cometh with ten thousands of his saints,
14. C`est aussi pour eux qu`Énoch, le septième depuis Adam, a prophétisé en ces termes: Voici, le Seigneur est venu avec ses saintes myriades,
14. Ary Enoka koa, ilay fahafito taorian’i Adama, dia efa naminany ny amin’ireny olona ireny ka nanao hoe: Indro, avy ny Tompo mbamin’ny masiny tsy omby alinalina,
15. To execute judgment upon all, and to convince all that are ungodly among them of all their ungodly deeds which they have ungodly committed, and of all their hard speeches which ungodly sinners have spoken against him.
15. pour exercer un jugement contre tous, et pour faire rendre compte à tous les impies parmi eux de tous les actes d`impiété qu`ils ont commis et de toutes les paroles injurieuses qu`ont proférées contre lui des pécheurs impies.
15. "Hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona rehetra izay tsy araka an’Andriamanitra eo aminy ny amin’ny asa izay tsy araka an’Andriamanitra nataony araka ny maha-tsy araka an’Andriamanitra azy sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota tsy araka an’Andriamanitra hanohitra Azy;"
16. These are murmurers, complainers, walking after their own lusts; and their mouth speaketh great swelling words, having men's persons in admiration because of advantage.
16. Ce sont des gens qui murmurent, qui se plaignent de leur sort, qui marchent selon leurs convoitises, qui ont à la bouche des paroles hautaines, qui admirent les personnes par motif d`intérêt.
16. "Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filàny; ary ny vavany manao teny miavonavona loatra, ka mandoka olona mba hahazoany zavatra;"
17. But, beloved, remember ye the words which were spoken before of the apostles of our Lord Jesus Christ;
17. Mais vous, bien-aimés, souvenez-vous des choses annoncées d`avance par les apôtres de notre Seigneur Jésus Christ.
17. "Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ny apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;"
18. How that they told you there should be mockers in the last time, who should walk after their own ungodly lusts.
18. "Ils vous disaient qu`au dernier temps il y aurait des moqueurs, marchant selon leurs convoitises impies;"
18. Fa efa nilaza taminareo izy hoe: Amin’ny fotoana farany dia hisy mpaniratsira handeha araka ny filàny izay tsy araka an’Andriamanitra.
19. These be they who separate themselves, sensual, having not the Spirit.
19. ce sont ceux qui provoquent des divisions, hommes sensuels, n`ayant pas l`esprit.
19. Ireo no misintaka, dia olona araka ny nofo ihany fa tsy mba manana ny Fanahy.
20. But ye, beloved, building up yourselves on your most holy faith, praying in the Holy Ghost,
20. Pour vous, bien-aimés, vous édifiant vous-mêmes sur votre très sainte foi, et priant par le Saint Esprit,
20. "Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina;"
21. Keep yourselves in the love of God, looking for the mercy of our Lord Jesus Christ unto eternal life.
21. maintenez-vous dans l`amour de Dieu, en attendant la miséricorde de notre Seigneur Jésus Christ pour la vie éternelle.
21. Ary tahirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
22. And of some have compassion, making a difference:
22. "Reprenez les uns, ceux qui contestent;"
22. Ary amindrao fo ny sasany ka ataovy misy fahasamihafana:
23. And others save with fear, pulling them out of the fire; hating even the garment spotted by the flesh.
23. "sauvez-en d`autres en les arrachant du feu; et pour d`autres encore, ayez une pitié mêlée de crainte, haïssant jusqu`à la tunique souillée par la chair."
23. Ary ny sasany kosa vonjeo amin' ny tahotra, sariho avy ao amin’ny afo, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ny nofo aza.
24. Now unto him that is able to keep you from falling, and to present you faultless before the presence of his glory with exceeding joy,
24. Or, à celui qui peut vous préserver de toute chute et vous faire paraître devant sa gloire irrépréhensibles et dans l`allégresse,
24. Ary ho an’Izay maharo anareo mba tsy ho lavo, ary hampiseho anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana,
25. To the only wise God our Saviour, be glory and majesty, dominion and power, both now and ever. Amen.
25. à Dieu seul, notre Sauveur, par Jésus Christ notre Seigneur, soient gloire, majesté, force et puissance, dès avant tous les temps, et maintenant, et dans tous les siècles! Amen!
25. Ho an’Ilay Andriamanitra Tokana sy hendry sady Mpamonjy antsika anie ny voninahitra sy ny fiandrianana, ny fanapahana, sy ny hery ankehitriny ary mandrakizay. Amena.
<
>