A Basket of Ripe Fruit

1. Thus hath the Lord GOD shewed unto me: and behold a basket of summer fruit.
1. Le Seigneur, l`Éternel, m`envoya cette vision. Voici, c`était une corbeille de fruits.
1. Izao no nasehon' i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
2. And he said, Amos, what seest thou? And I said, A basket of summer fruit. Then said the LORD unto me, The end is come upon my people of Israel; I will not again pass by them any more.
2. "Il dit: Que vois-tu, Amos? Je répondis: Une corbeille de fruits. Et l`Éternel me dit: La fin est venue pour mon peuple d`Israël; Je ne lui pardonnerai plus."
2. Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy aho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin' ny Isiraely oloko ny farany:Tsy handalo azy intsony aho.
3. And the songs of the temple shall be howlings in that day, saith the Lord GOD: there shall be many dead bodies in every place; they shall cast them forth with silence.
3. "En ce jour-là, les chants du palais seront des gémissements, Dit le Seigneur, l`Éternel; On jettera partout en silence une multitude de cadavres."
3. "Ho tonga naonaona ny hira ao an-tempoly amin' izany andro izany, hoy Jehovah Andriamanitra; ho be ny faty amin' ny toerana rehetra; ary hariana mangingina izy ireny."
4. Hear this, O ye that swallow up the needy, even to make the poor of the land to fail,
4. Écoutez ceci, vous qui dévorez l`indigent, Et qui ruinez les malheureux du pays!
4. Mihainoa izao, ianareo izay mitelina ny olon-tsahirana, sy te-hahafongana ny mahantra amin' ny tany,
5. Saying, When will the new moon be gone, that we may sell corn? and the sabbath, that we may set forth wheat, making the ephah small, and the shekel great, and falsifying the balances by deceit?
5. "Vous dites: Quand la nouvelle lune sera-t-elle passée, Afin que nous vendions du blé? Quand finira le sabbat, afin que nous ouvrions les greniers? Nous diminuerons l`épha, nous augmenterons le prix, Nous falsifierons les balances pour tromper;"
5. Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika varimbazaha? sy ny sabata, hanokafantsika ny lava-barimbazaha, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga?
6. That we may buy the poor for silver, and the needy for a pair of shoes; yea, and sell the refuse of the wheat?
6. Puis nous achèterons les misérables pour de l`argent, Et le pauvre pour une paire de souliers, Et nous vendrons la criblure du froment.
6. Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny olon-tsahirana, eny, hivarotantsika loha-kororoky ny varimbazaha?
7. The LORD hath sworn by the excellency of Jacob, Surely I will never forget any of their works.
7. L`Éternel l`a juré par la gloire de Jacob: Je n`oublierai jamais aucune de leurs oeuvres.
7. Jehovah nianiana tamin' ny fahalehibiazan' i Jakoba hoe: Tsy hisy hohadinoiko tokoa mandrakizay ny asany na dia iray akory aza.
8. Shall not the land tremble for this, and every one mourn that dwelleth therein? and it shall rise up wholly as a flood; and it shall be cast out and drowned, as by the flood of Egypt.
8. Le pays, à cause d`elles, ne sera-t-il pas ébranlé, Et tous ses habitants ne seront-ils pas dans le deuil? Le pays montera tout entier comme le fleuve, Il se soulèvera et s`affaissera comme le fleuve d`Égypte.
8. Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, ka hisaona ny mponina rehetra ao aminy? Ary ny tany rehetra hihatondraka toy ny safotra sy hihena indray toy ny fahatondrahan' ny reniranon' i Egypta.
9. And it shall come to pass in that day, saith the Lord GOD, that I will cause the sun to go down at noon, and I will darken the earth in the clear day:
9. "En ce jour-là, dit le Seigneur, l`Éternel, Je ferai coucher le soleil à midi, Et j`obscurcirai la terre en plein jour;"
9. "Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hoy Jehovah Andriamanitra: Halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;"
10. And I will turn your feasts into mourning, and all your songs into lamentation; and I will bring up sackcloth upon all loins, and baldness upon every head; and I will make it as the mourning of an only son, and the end thereof as a bitter day.
10. "Je changerai vos fêtes en deuil, Et tous vos chants en lamentations, Je couvrirai de sacs tous les reins, Et je rendrai chauves toutes les têtes; Je mettrai le pays dans le deuil comme pour un fils unique, Et sa fin sera comme un jour d`amertume."
10. Hampodiko ho fisaonana ny andro firavoravoanareo ary ho fahalahelovana ny hiranareo rehetra, ary hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra, ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.
11. Behold, the days come, saith the Lord GOD, that I will send a famine in the land, not a famine of bread, nor a thirst for water, but of hearing the words of the LORD:
11. Voici, les jours viennent, dit le Seigneur, l`Éternel, Où j`enverrai la famine dans le pays, Non pas la disette du pain et la soif de l`eau, Mais la faim et la soif d`entendre les paroles de l`Éternel.
11. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin' ny tany, tsy mosarin-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa mosarin' ny fandrenesana ny tenin' i Jehovah.
12. And they shall wander from sea to sea, and from the north even to the east, they shall run to and fro to seek the word of the LORD, and shall not find it.
12. Ils seront alors errants d`une mer à l`autre, Du septentrion à l`orient, Ils iront çà et là pour chercher la parole de l`Éternel, Et ils ne la trouveront pas.
12. Ary hivembena hatrany amin' ny ranomasina ka hatrany amin' ny ranomasina ny olona ary hatrany amin' ny avaratra ka hatrany amin' ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin' i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
13. In that day shall the fair virgins and young men faint for thirst.
13. En ce jour, les belles jeunes filles et les jeunes hommes mourront de soif.
13. Amin' izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
14. They that swear by the sin of Samaria, and say, Thy god, O Dan, liveth; and, The manner of Beersheba liveth; even they shall fall, and never rise up again.
14. Ils jurent par le péché de Samarie, Et ils disent: Vive ton Dieu, Dan! Vive la voie de Beer Schéba! Mais ils tomberont, et ne se relèveront plus.
14. "Dia ireo izay mianiana amin' ny fahotan' i Samaria ka manao hoe: Raha velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon' i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony."
<
>