Woe to the Complacent

1. Woe to them that are at ease in Zion, and trust in the mountain of Samaria, which are named chief of the nations, to whom the house of Israel came!
1. Malheur à ceux qui vivent tranquilles dans Sion, Et en sécurité sur la montagne de Samarie, A ces grands de la première des nations, Auprès desquels va la maison d`Israël!...
1. Lozan' ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr' i Samaria, dia ireo antsoina ho lehibe amin' ny firenena, izay hatonin' ny taranak' Isiraely!
2. Pass ye unto Calneh, and see; and from thence go ye to Hamath the great: then go down to Gath of the Philistines: be they better than these kingdoms? or their border greater than your border?
2. Passez à Calné et voyez, Allez de là jusqu`à Hamath la grande, Et descendez à Gath chez les Philistins: Ces villes sont-elles plus prospères que vos deux royaumes, Et leur territoire est-il plus étendu que le vôtre?...
2. "Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; ary midìna ho any Gatan' ny Filistina; tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin' ireo va ny taninareo?"
3. Ye that put far away the evil day, and cause the seat of violence to come near;
3. Vous croyez éloigner le jour du malheur, Et vous faites approcher le règne de la violence.
3. Ianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
4. That lie upon beds of ivory, and stretch themselves upon their couches, and eat the lambs out of the flock, and the calves out of the midst of the stall;
4. "Ils reposent sur des lits d`ivoire, Ils sont mollement étendus sur leurs couches; Ils mangent les agneaux du troupeau, Les veaux mis à l`engrais."
4. Dia ireo izay mandriandry ao amin' ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin' ny fandriandriany ary homana ny zanak' ondry avy amin' ny andian' ny ondry sy ny zanak' omby avy ao am-pahitra,
5. That chant to the sound of the viol, and invent to themselves instruments of musick, like David;
5. Ils extravaguent au son du luth, Ils se croient habiles comme David sur les instruments de musique.
5. "Dia ireo mikalo manaraka ny feon-dokanga, ary mamorona zava-maneno ho azy toa an' i Davida;"
6. That drink wine in bowls, and anoint themselves with the chief ointments: but they are not grieved for the affliction of Joseph.
6. Ils boivent le vin dans de larges coupes, Ils s`oignent avec la meilleure huile, Et ils ne s`attristent pas sur la ruine de Joseph!
6. Dia ireo izay misotro divay amin' ny tsangambava, sady mihosotra diloilo tsara indrindra, nefa tsy onena ny fahorian' i Josefa.
7. Therefore now shall they go captive with the first that go captive, and the banquet of them that stretched themselves shall be removed.
7. "C`est pourquoi ils seront emmenés à la tête des captifs; Et les cris de joie de ces voluptueux cesseront."
7. Koa amin' izao dia ho babo miaraka amin' ireo izay nobaboina voalohany ireo, ary hatsahatro ny hobin' izay mitsilailay foana.

The LORD Abhors the Pride of Israel

8. The Lord GOD hath sworn by himself, saith the LORD the God of hosts, I abhor the excellency of Jacob, and hate his palaces: therefore will I deliver up the city with all that is therein.
8. "Le Seigneur, l`Éternel, l`a juré par lui-même; L`Éternel, le Dieu des armées, a dit: J`ai en horreur l`orgueil de Jacob, Et je hais ses palais; Je livrerai la ville et tout ce qu`elle renferme."
8. "Jehovah Andriamanitra dia efa nianiana tamin' ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana amiko ny reharehan' i Jakoba, ary halako ny lapany; koa dia hatolotro ny tanàna mbamin' izay rehetra ao anatiny."
9. And it shall come to pass, if there remain ten men in one house, that they shall die.
9. Et s`il reste dix hommes dans une maison, ils mourront.
9. Ary izao no hiseho, raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
10. And a man's uncle shall take him up, and he that burneth him, to bring out the bones out of the house, and shall say unto him that is by the sides of the house, Is there yet any with thee? and he shall say, No. Then shall he say, Hold thy tongue: for we may not make mention of the name of the LORD.
10. Lorsqu`un parent prendra un mort pour le brûler Et qu`il enlèvera de la maison les ossements, Il dira à celui qui est au fond de la maison: Y a-t-il encore quelqu`un avec toi? Et cet homme répondra: Personne... Et l`autre dira: Silence! Ce n`est pas le moment de prononcer le nom de l`Éternel.
10. Ary ny dadatoan-dralehilahy haka azy, ary izay handoro azy, dia hibata azy ka hitondra ny taolana hiala ao an-trano, dia hiteny amin' izay eo an-joron-trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary hoy izy: Tsia! Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotononina ny anaran' i Jehovah.
11. For, behold, the LORD commandeth, and he will smite the great house with breaches, and the little house with clefts.
11. Car voici, l`Éternel ordonne: Il fera tomber en ruines la grande maison, Et en débris la petite maison.
11. Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavany ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
12. Shall horses run upon the rock? will one plow there with oxen? for ye have turned judgment into gall, and the fruit of righteousness into hemlock:
12. Est-ce que les chevaux courent sur un rocher, Est-ce qu`on y laboure avec des boeufs, Pour que vous ayez changé la droiture en poison, Et le fruit de la justice en absinthe?
12. Hihazakazaka eny amin' ny sola-bato va ny soavaly, hisy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
13. Ye which rejoice in a thing of nought, which say, Have we not taken to us horns by our own strength?
13. Vous vous réjouissez de ce qui n`est que néant, Vous dites: N`est-ce pas par notre force Que nous avons acquis de la puissance?
13. Dia ianareo izay mifaly amin' ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay ihany va no ahazoanay tandroka ho anay?
14. But, behold, I will raise up against you a nation, O house of Israel, saith the LORD the God of hosts; and they shall afflict you from the entering in of Hemath unto the river of the wilderness.
14. C`est pourquoi voici, je ferai lever contre vous, maison d`Israël, Dit l`Éternel, le Dieu des armées, une nation Qui vous opprimera depuis l`entrée de Hamath Jusqu`au torrent du désert.
14. "Fa indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak' Isiraely, hoy Jehovah Andriamanitry ny maro; Dia hampahory anareo hatrany amin' ny fidirana ao Hamata ka hatrany amin' ny renirano any an' efitra izy."
<
>