A Lament and Call to Repentance

1. Hear ye this word which I take up against you, even a lamentation, O house of Israel.
1. Écoutez cette parole, Cette complainte que je prononce sur vous, Maison d`Israël!
1. Henoinareo izao teny izao izay entiko milaza anareo, dia fahalahelovana ry taranak' Isiraely.
2. The virgin of Israel is fallen; she shall no more rise: she is forsaken upon her land; there is none to raise her up.
2. "Elle est tombée, elle ne se relèvera plus, La vierge d`Israël; Elle est couchée par terre, Nul ne la relève."
2. "Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; nazera tamin' ny taniny izy, ka tsy misy manangana azy."
3. For thus saith the Lord GOD; The city that went out by a thousand shall leave an hundred, and that which went forth by an hundred shall leave ten, to the house of Israel.
3. Car ainsi parle le Seigneur, l`Éternel: La ville qui mettait en campagne mille hommes N`en conservera que cent, Et celle qui mettait en campagne cent hommes N`en conservera que dix, pour la maison d`Israël.
3. "Fa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa; ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an' ny taranak' Isiraely."
4. For thus saith the LORD unto the house of Israel, Seek ye me, and ye shall live:
4. Car ainsi parle l`Éternel à la maison d`Israël: Cherchez-moi, et vous vivrez!
4. "Fa izao no lazain' i Jehovah amin' ny taranak' Isiraely: Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;"
5. But seek not Bethel, nor enter into Gilgal, and pass not to Beersheba: for Gilgal shall surely go into captivity, and Bethel shall come to nought.
5. Ne cherchez pas Béthel, N`allez pas à Guilgal, Ne passez pas à Beer Schéba. Car Guilgal sera captif, Et Béthel anéanti.
5. Fa aza mitady an' i Betela, na miditra any Gilgala, ary aza mandalo any Beri-sheba, fa ho babo tokoa Gilgala ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
6. Seek the LORD, and ye shall live; lest he break out like fire in the house of Joseph, and devour it, and there be none to quench it in Bethel.
6. Cherchez l`Éternel, et vous vivrez! Craignez qu`il ne saisisse comme un feu la maison de Joseph, Et que ce feu ne la dévore, sans personne à Béthel pour l`éteindre,
6. "Mitadiava an' i Jehovah, dia ho velona ianareo; fandrao hilatsaka toy ny afo amin' ny taranak' i Josefa Izy ka handevona azy, ary tsy hisy hahafaty izany any Betela."
7. Ye who turn judgment to wormwood, and leave off righteousness in the earth,
7. O vous qui changez le droit en absinthe, Et qui foulez à terre la justice!
7. Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana eo amin' ny tany.
8. Seek him that maketh the seven stars and Orion, and turneth the shadow of death into the morning, and maketh the day dark with night: that calleth for the waters of the sea, and poureth them out upon the face of the earth: The LORD is his name:
8. Il a créé les Pléiades et l`Orion, Il change les ténèbres en aurore, Il obscurcit le jour pour en faire la nuit, Il appelle les eaux de la mer, Et les répand à la surface de la terre: L`Éternel est son nom.
8. Mitadiava Ilay manao an' Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia Ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin' ny tany: Jehovah no anarany,
9. That strengtheneth the spoiled against the strong, so that the spoiled shall come against the fortress.
9. Il fait lever la ruine sur les puissants, Et la ruine vient sur les forteresses.
9. Izay manatanjaka ny babo hamely ny mahery, ka dia tonga mamely ny fiarovana ny babo.
10. They hate him that rebuketh in the gate, and they abhor him that speaketh uprightly.
10. Ils haïssent celui qui les reprend à la porte, Et ils ont en horreur celui qui parle sincèrement.
10. Ireo dia mankahala izay mananatra eo am-bavahady ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.
11. Forasmuch therefore as your treading is upon the poor, and ye take from him burdens of wheat: ye have built houses of hewn stone, but ye shall not dwell in them; ye have planted pleasant vineyards, but ye shall not drink wine of them.
11. "Aussi, parce que vous avez foulé le misérable, Et que vous avez pris de lui du blé en présent, Vous avez bâti des maisons en pierres de taille, Mais vous ne les habiterez pas; Vous avez planté d`excellentes vignes, Mais vous n`en boirez pas le vin."
11. "Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra, sy ny nampandoavanareo varimbazaha azy, dia nanao trano vato voapaika ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly tanimboaloboka mahafinaritra ianareo nefa tsy hisotro ny divay avy aminy."
12. For I know your manifold transgressions and your mighty sins: they afflict the just, they take a bribe, and they turn aside the poor in the gate from their right.
12. "Car, je le sais, vos crimes sont nombreux, Vos péchés se sont multipliés; Vous opprimez le juste, vous recevez des présents, Et vous violez à la porte le droit des pauvres."
12. Fa fantatro fa be ny fandikan-dalàreo, ary fatratra ny fahotanareo: Ireo dia mampahory ny marina sy mandray kolikoly ary mamadika ny rariny ho an' ny mahantra eo am-bavahady.
13. Therefore the prudent shall keep silence in that time; for it is an evil time.
13. "Voilà pourquoi, en des temps comme ceux-ci, le sage se tait; Car ces temps sont mauvais."
13. Koa izay manan-tsaina dia hangina amin' izany fotoana izany, fa fotoana mahaory izany.
14. Seek good, and not evil, that ye may live: and so the LORD, the God of hosts, shall be with you, as ye have spoken.
14. Recherchez le bien et non le mal, afin que vous viviez, Et qu`ainsi l`Éternel, le Dieu des armées, soit avec vous, Comme vous le dites.
14. "Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo."
15. Hate the evil, and love the good, and establish judgment in the gate: it may be that the LORD God of hosts will be gracious unto the remnant of Joseph.
15. "Haïssez le mal et aimez le bien, Faites régner à la porte la justice; Et peut-être l`Éternel, le Dieu des armées, aura pitié Des restes de Joseph."
15. "Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-bavahady ny rariny; angamba Jehovah Andriamanitry ny maro hamindra fo amin' ny sisa amin' i Josefa."
16. Therefore the LORD, the God of hosts, the LORD, saith thus; Wailing shall be in all streets; and they shall say in all the highways, Alas! alas! and they shall call the husbandman to mourning, and such as are skilful of lamentation to wailing.
16. "C`est pourquoi ainsi parle l`Éternel, le Dieu des armées, le Seigneur; Dans toutes les places on se lamentera, Dans toutes les rues on dira: Hélas! hélas! On appellera le laboureur au deuil, Et aux lamentations ceux qui disent des complaintes."
16. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
17. And in all vineyards shall be wailing: for I will pass through thee, saith the LORD.
17. Dans toutes les vignes on se lamentera, Lorsque je passerai au milieu de toi, dit l`Éternel.
17. "Ary any amin' ny tanimboaloboka rehetra dia hisy fisaonana; fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah."

The Day of the LORD

18. Woe unto you that desire the day of the LORD! to what end is it for you? the day of the LORD is darkness, and not light.
18. Malheur à ceux qui désirent le jour de l`Éternel! Qu`attendez-vous du jour de l`Éternel? Il sera ténèbres et non lumière.
18. Lozanareo izay maniry ny andron' i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron' i Jehovah? dia haizina, fa tsy fahazavana,
19. As if a man did flee from a lion, and a bear met him; or went into the house, and leaned his hand on the wall, and a serpent bit him.
19. Vous serez comme un homme qui fuit devant un lion Et que rencontre un ours, Qui gagne sa demeure, appuie sa main sur la muraille, Et que mord un serpent.
19. Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin-tanana amin' ny rindrina, dia kekerin' ny menarana.
20. Shall not the day of the LORD be darkness, and not light? even very dark, and no brightness in it?
20. Le jour de l`Éternel n`est-il pas ténèbres et non lumière? N`est-il pas obscur et sans éclat?
20. Moa tsy haizina va ny andron' i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy haizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
21. I hate, I despise your feast days, and I will not smell in your solemn assemblies.
21. Je hais, je méprise vos fêtes, Je ne puis sentir vos assemblées.
21. Halako, ataoko tsinontsinona ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorian-dehibenareo.
22. Though ye offer me burnt offerings and your meat offerings, I will not accept them: neither will I regard the peace offerings of your fat beasts.
22. "Quand vous me présentez des holocaustes et des offrandes, Je n`y prends aucun plaisir; Et les veaux engraissés que vous sacrifiez en actions de grâces, Je ne les regarde pas."
22. "Na dia anateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; ny zanak' omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory."
23. Take thou away from me the noise of thy songs; for I will not hear the melody of thy viols.
23. "Éloigne de moi le bruit de tes cantiques; Je n`écoute pas le son de tes luths."
23. Esory eto amiko ny finaonaonan' ny hiranao, fa tsy hihaino ny fanenon' ny lokanganao Aho.
24. But let judgment run down as waters, and righteousness as a mighty stream.
24. Mais que la droiture soit comme un courant d`eau, Et la justice comme un torrent qui jamais ne tarit.
24. Fa aoka ny fitsarana hikoriana toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
25. Have ye offered unto me sacrifices and offerings in the wilderness forty years, O house of Israel?
25. M`avez-vous fait des sacrifices et des offrandes Pendant les quarante années du désert, maison d`Israël?...
25. Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an' efitra efapolo taona va ianareo, ry taranak' Isiraely?
26. But ye have borne the tabernacle of your Moloch and Chiun your images, the star of your god, which ye made to yourselves.
26. Emportez donc la tente de votre roi, Le piédestal de vos idoles, L`étoile de votre Dieu Que vous vous êtes fabriqué!
26. Tsia, fa efa nitondra ny tabernakelin' i Moloka sy Kiona sarin-javatrareo ianareo, ny kintan' ny andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo.
27. Therefore will I cause you to go into captivity beyond Damascus, saith the LORD, whose name is The God of hosts.
27. Et je vous emmènerai captifs au delà de Damas, Dit l`Éternel, dont le nom est le Dieu des armées.
27. Ka dia hoentiko ho babo any ankoatr' i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
<
>