Israel Has Not Returned to God

1. Hear this word, ye kine of Bashan, that are in the mountain of Samaria, which oppress the poor, which crush the needy, which say to their masters, Bring, and let us drink.
1. Écoutez cette parole, génisses de Basan qui êtes sur la montagne de Samarie, Vous qui opprimez les misérables, qui écrasez les indigents, Et qui dites à vos maris: Apportez, et buvons!
1. MihainoA izao teny izao, ianareo vantotr' ombivavin' i Basana, izay eny an-tendrombohitr' i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny olon-tsahirana, ka manao amin' ny tompony hoe: Mitondrà hosotrointsika.
2. The Lord GOD hath sworn by his holiness, that, lo, the days shall come upon you, that he will take you away with hooks, and your posterity with fishhooks.
2. "Le Seigneur, l`Éternel, l`a juré par sa sainteté: Voici, les jours viendront pour vous Où l`on vous enlèvera avec des crochets, Et votre postérité avec des hameçons;"
2. Jehovah Andriamanitra efa nianiana tamin' ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin' ny farango, ary ny taranakareo amin' ny fintana.
3. And ye shall go out at the breaches, every cow at that which is before her; and ye shall cast them into the palace, saith the LORD.
3. Vous sortirez par les brèches, chacune devant soi, Et vous serez jetés dans la forteresse, dit l`Éternel.
3. "Ary avy eo amin' ny banga no hivoahanareo, ny ombivavy tsirairay samy amin' ny hitsiny avy; ary horoahinareo ho any amin' ny lapa ireny, hoy Jehovah."
4. Come to Bethel, and transgress; at Gilgal multiply transgression; and bring your sacrifices every morning, and your tithes after three years:
4. Allez à Béthel, et péchez! Allez à Guilgal, et péchez davantage! Offrez vos sacrifices chaque matin, Et vos dîmes tous les trois jours!
4. "Mankanesa any Betela, ka mandikà lalàna, ary any Gilgala, ampitomboy ny fandikan-dalàna; ento isa-maraina ny fanatitrareo ary rehefa afaka telo taona ny fahafolon-karenanareo."
5. And offer a sacrifice of thanksgiving with leaven, and proclaim and publish the free offerings: for this liketh you, O ye children of Israel, saith the Lord GOD.
5. Faites vos sacrifices d`actions de grâces avec du levain! Proclamez, publiez vos offrandes volontaires! Car c`est là ce que vous aimez, enfants d`Israël, Dit le Seigneur, l`Éternel.
5. Manolora fanati-pisaorana misy lalivay ary ambarao sy aelezo ny fanati-tsitrapo, satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak' Isiraely, hoy Jehovah Andriamanitra.
6. And I also have given you cleanness of teeth in all your cities, and want of bread in all your places: yet have ye not returned unto me, saith the LORD.
6. Et moi, je vous ai envoyé la famine dans toutes vos villes, Le manque de pain dans toutes vos demeures. Malgré cela, vous n`êtes pas revenus à moi, dit l`Éternel.
6. "Fa Izaho koa dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsy fahampian-kanina tamin' ny fonenanareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah."
7. And also I have withholden the rain from you, when there were yet three months to the harvest: and I caused it to rain upon one city, and caused it not to rain upon another city: one piece was rained upon, and the piece whereupon it rained not withered.
7. "Et moi, je vous ai refusé la pluie, Lorsqu`il y avait encore trois mois jusqu`à la moisson; J`ai fait pleuvoir sur une ville, Et je n`ai pas fait pleuvoir sur une autre ville; Un champ a reçu la pluie, Et un autre qui ne l`a pas reçue s`est desséché."
7. "Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin' ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin' ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; ny saha iray nilatsahan' ny orana, ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina."
8. So two or three cities wandered unto one city, to drink water; but they were not satisfied: yet have ye not returned unto me, saith the LORD.
8. Deux, trois villes sont allées vers une autre pour boire de l`eau, Et elles n`ont point apaisé leur soif. Malgré cela, vous n`êtes pas revenus à moi, dit l`Éternel.
8. "Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo mba hisotro rano any amin' ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah."
9. I have smitten you with blasting and mildew: when your gardens and your vineyards and your fig trees and your olive trees increased, the palmerworm devoured them: yet have ye not returned unto me, saith the LORD.
9. "Je vous ai frappés par la rouille et par la nielle; Vos nombreux jardins, vos vignes, vos figuiers et vos oliviers Ont été dévorés par les sauterelles. Malgré cela, vous n`êtes pas revenus à moi, dit l`Éternel."
9. "Efa nasiako tamin' ny vary main' ny rivotra sy maty fotsy ianareo; ny habetsahan' ny tanimbolinareo sy ny tanimboalobokareo sy ny hazo aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin' ny valala; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah."
10. I have sent among you the pestilence after the manner of Egypt: your young men have I slain with the sword, and have taken away your horses; and I have made the stink of your camps to come up unto your nostrils: yet have ye not returned unto me, saith the LORD.
10. "J`ai envoyé parmi vous la peste, comme en Égypte; J`ai tué vos jeunes gens par l`épée, Et laissé prendre vos chevaux; J`ai fait monter à vos narines l`infection de votre camp. Malgré cela, vous n`êtes pas revenus à moi, dit l`Éternel."
10. "Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan' ny tobinareo; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah."
11. I have overthrown some of you, as God overthrew Sodom and Gomorrah, and ye were as a firebrand plucked out of the burning: yet have ye not returned unto me, saith the LORD.
11. "Je vous ai bouleversés, Comme Sodome et Gomorrhe, que Dieu détruisit; Et vous avez été comme un tison arraché de l`incendie. Malgré cela, vous n`êtes pas revenus à moi, dit l`Éternel..."
11. "Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan' Andriamanitra an' i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin' ny afo ianareo; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah."
12. Therefore thus will I do unto thee, O Israel: and because I will do this unto thee, prepare to meet thy God, O Israel.
12. "C`est pourquoi je te traiterai de la même manière, Israël; Et puisque je te traiterai de la même manière, Prépare-toi à la rencontre de ton Dieu, O Israël!"
12. "Koa, izao no hataoko aminao ry Isiraely; satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin' Andriamanitrao, ry Isiraely ô."
13. For, lo, he that formeth the mountains, and createth the wind, and declareth unto man what is his thought, that maketh the morning darkness, and treadeth upon the high places of the earth, The LORD, The God of hosts, is his name.
13. Car voici celui qui a formé les montagnes et créé le vent, Et qui fait connaître à l`homme ses pensées, Celui qui change l`aurore en ténèbres, Et qui marche sur les hauteurs de la terre: Son nom est l`Éternel, le Dieu des armées.
13. Fa, indro, Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina ary mandia ny fitoerana avo amin' ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
<
>