Clean Garments for the High Priest

1. And he shewed me Joshua the high priest standing before the angel of the LORD, and Satan standing at his right hand to resist him.
1. Il me fit voir Josué, le souverain sacrificateur, debout devant l`ange de l`Éternel, et Satan qui se tenait à sa droite pour l`accuser.
1. Ary dia nasehony ahy fa, indro Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan' Ilay Anjelin' i Jehovah, ary Satana nitsangana teo ankavanany hanohitra azy.
2. And the LORD said unto Satan, The LORD rebuke thee, O Satan; even the LORD that hath chosen Jerusalem rebuke thee: is not this a brand plucked out of the fire?
2. L`Éternel dit à Satan: Que l`Éternel te réprime, Satan! que l`Éternel te réprime, lui qui a choisi Jérusalem! N`est-ce pas là un tison arraché du feu?
2. "Ary hoy Jehovah tamin' i Satana: hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an' i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin' ny afo va ity?"
3. Now Joshua was clothed with filthy garments, and stood before the angel.
3. Or Josué était couvert de vêtements sales, et il se tenait debout devant l`ange.
3. Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan' Ilay Anjely.
4. And he answered and spake unto those that stood before him, saying, Take away the filthy garments from him. And unto him he said, Behold, I have caused thine iniquity to pass from thee, and I will clothe thee with change of raiment.
4. L`ange, prenant la parole, dit à ceux qui étaient devant lui: Otez-lui les vêtements sales! Puis il dit à Josué: Vois, je t`enlève ton iniquité, et je te revêts d`habits de fête.
4. Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin' ireo izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy Izy taminy: indro, efa nesoriko tsy ho eo aminao ny helokao, ary hampiakanjoiko fitafiana mihaja ianao.
5. And I said, Let them set a fair mitre upon his head. So they set a fair mitre upon his head, and clothed him with garments. And the angel of the LORD stood by.
5. Je dis: Qu`on mette sur sa tête un turban pur! Et ils mirent un turban pur sur sa tête, et ils lui mirent des vêtements. L`ange de l`Éternel était là.
5. "Dia hoy aho: aoka hasiany satroka tiara tsara eo an-dohany ka dia nasiany satroka tiara tsara teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay anjelin' i Jehovah dia nitsangana teo."
6. And the angel of the LORD protested unto Joshua, saying,
6. L`ange de l`Éternel fit à Josué cette déclaration:
6. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah nilaza marimarina tamin' i Josoa hoe:
7. Thus saith the LORD of hosts; If thou wilt walk in my ways, and if thou wilt keep my charge, then thou shalt also judge my house, and shalt also keep my courts, and I will give thee places to walk among these that stand by.
7. Ainsi parle l`Éternel des armées: Si tu marches dans mes voies et si tu observes mes ordres, tu jugeras ma maison et tu garderas mes parvis, et je te donnerai libre accès parmi ceux qui sont ici.
7. Izao no lazain' i Jehovah Tompon' ny maro: raha hizotra amin' ny lalako ianao sy hitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin' ny tranoko koa sy hitandrina ny kianjako koa, sady homeko lalana ho amin' ireo mitsangana ireo ianao.
8. Hear now, O Joshua the high priest, thou, and thy fellows that sit before thee: for they are men wondered at: for, behold, I will bring forth my servant the BRANCH.
8. Écoute donc, Josué, souverain sacrificateur, toi et tes compagnons qui sont assis devant toi! car ce sont des hommes qui serviront de signes. Voici, je ferai venir mon serviteur, le germe.
8. "Koa mihainoa ankehitriny, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao mahagaga ireo; fa indro, hoentiko ny Rantsana mpanompoko."
9. For behold the stone that I have laid before Joshua; upon one stone shall be seven eyes: behold, I will engrave the graving thereof, saith the LORD of hosts, and I will remove the iniquity of that land in one day.
9. "Car voici, pour ce qui est de la pierre que j`ai placée devant Josué, il y a sept yeux sur cette seule pierre; voici, je graverai moi-même ce qui doit y être gravé, dit l`Éternel des armées; et j`enlèverai l`iniquité de ce pays, en un jour."
9. "Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan' i Josoa, eo ambonin' ny vato iray dia hisy maso fito; indro, hataoko sokitra ny sorany, hoy Jehovah Tompon' ny maro, ary hoesoriko indray andro monja ny helok' izany tany izany."
10. In that day, saith the LORD of hosts, shall ye call every man his neighbour under the vine and under the fig tree.
10. En ce jour-là, dit l`Éternel des armées, vous vous inviterez les uns les autres sous la vigne et sous le figuier.
10. Ary amin' izany andro izany, hoy Jehovah Tompon' ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin' ny voaloboka sy ho eo ambanin' ny aviavy ianareo.
<
>