1. O that thou wert as my brother, that sucked the breasts of my mother! when I should find thee without, I would kiss thee; yea, I should not be despised.
1. Oh! Que n`es-tu mon frère, Allaité des mamelles de ma mère! Je te rencontrerais dehors, je t`embrasserais, Et l`on ne me mépriserait pas.
1. "Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an' ineny ianao! dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao; eny, tsy ho azon' olona notevatevaina aho."
2. I would lead thee, and bring thee into my mother's house, who would instruct me: I would cause thee to drink of spiced wine of the juice of my pomegranate.
2. "Je veux te conduire, t`amener à la maison de ma mère; Tu me donneras tes instructions, Et je te ferai boire du vin parfumé, Du moût de mes grenades."
2. "Dia hoentiko ka hampidiriko ho ao an-tranon' ineny ianao, ary hampianarinao aho; hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin' ny ranon' ampongabendanitro ianao."
3. His left hand should be under my head, and his right hand should embrace me.
3. Que sa main gauche soit sous ma tête, Et que sa droite m`embrasse! -
3. Aoka hanondana ahy ny tanany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tanany ankavanana.
4. I charge you, O daughters of Jerusalem, that ye stir not up, nor awake my love, until he please.
4. Je vous en conjure, filles de Jérusalem, Ne réveillez pas, ne réveillez pas l`amour, Avant qu`elle le veuille. -
4. Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin' i Jerosalema, mba tsy hanaitra na hamoha ny fitiavako, raha tsy efa sitrapony.
Friends
5. Who is this that cometh up from the wilderness, leaning upon her beloved? I raised thee up under the apple tree: there thy mother brought thee forth: there she brought thee forth that bare thee.
5. "Qui est celle qui monte du désert, Appuyée sur son bien-aimé? -Je t`ai réveillée sous le pommier; Là ta mère t`a enfantée, C`est là qu`elle t`a enfantée, qu`elle t`a donné le jour. -"
5. "Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an' efitra, mitehina amin' ny malalany? teo ambanin' ny hazo paoma no namohazako anao; teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian' ilay niteraka anao."
Beloved
6. Set me as a seal upon thine heart, as a seal upon thine arm: for love is strong as death; jealousy is cruel as the grave: the coals thereof are coals of fire, which hath a most vehement flame.
6. "Mets-moi comme un sceau sur ton coeur, Comme un sceau sur ton bras; Car l`amour est fort comme la mort, La jalousie est inflexible comme le séjour des morts; Ses ardeurs sont des ardeurs de feu, Une flamme de l`Éternel."
6. "Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao aho, ary toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana; masiaka tahaka ny fasana ny fahasaro-piaro; ny firehiny dia toy ny firehitry ny afo izay manana lelafo midedadeda indrindra."
7. Many waters cannot quench love, neither can the floods drown it: if a man would give all the substance of his house for love, it would utterly be contemned.
7. "Les grandes eaux ne peuvent éteindre l`amour, Et les fleuves ne le submergeraient pas; Quand un homme offrirait tous les biens de sa maison contre l`amour, Il ne s`attirerait que le mépris."
7. "Ny ony maro dia tsy mahavono ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; raha misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony hamidy fitiavana dia hatao tsinontsinona tokoa izany."
Friends
8. We have a little sister, and she hath no breasts: what shall we do for our sister in the day when she shall be spoken for?
8. "Nous avons une petite soeur, Qui n`a point encore de mamelles; Que ferons-nous de notre soeur, Le jour où on la recherchera?"
8. Manana zandrivavy tsy mbola misy nono isika, ahoana no ataontsika amin' ny andro hangatahan' olona azy ho vady?
9. If she be a wall, we will build upon her a palace of silver: and if she be a door, we will inclose her with boards of cedar.
9. "Si elle est un mur, Nous bâtirons sur elle des créneaux d`argent; Si elle est une porte, Nous la fermerons avec une planche de cèdre. -"
9. "Raha manda izy, dia hananganantsika tilikambo volafotsy eo an-tampony; fa raha varavarana kosa izy dia hotampenantsika hazo fisaka sedera."
Beloved
10. I am a wall, and my breasts like towers: then was I in his eyes as one that found favour.
10. "Je suis un mur, Et mes seins sont comme des tours; J`ai été à ses yeux comme celle qui trouve la paix."
10. Manda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa nahita fitia aho.
11. Solomon had a vineyard at Baalhamon; he let out the vineyard unto keepers; every one for the fruit thereof was to bring a thousand pieces of silver.
11. "Salomon avait une vigne à Baal Hamon; Il remit la vigne à des gardiens; Chacun apportait pour son fruit mille sicles d`argent."
11. "Nanana tanimboaloboka tao Bala-hamona i Solomona; nahofany tamin' olona mpiandry voly ilay tanimboaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ny tsirairay avy ho solon' ny vokatra."
12. My vineyard, which is mine, is before me: thou, O Solomon, must have a thousand, and those that keep the fruit thereof two hundred.
12. Ma vigne, qui est à moi, je la garde. A toi, Salomon, les mille sicles, Et deux cents à ceux qui gardent le fruit! -
12. "Ny tanimboaloboko, ilay an' ny tenako dia eto anatrehako; ianao, ry Solomona, tokony hanana arivo, ary ho an' ireo mpiandry voly dia roanjato."
Lover
13. Thou that dwellest in the gardens, the companions hearken to thy voice: cause me to hear it.
13. Habitante des jardins! Des amis prêtent l`oreille à ta voix. Daigne me la faire entendre! -
13. Ry mitoetra eny an-tsaha! Mihaino ny feonao ny namana, mba ampandreneso izany koa aho.
Beloved
14. Make haste, my beloved, and be thou like to a roe or to a young hart upon the mountains of spices.
14. Fuis, mon bien-aimé! Sois semblable à la gazelle ou au faon des biches, Sur les montagnes des aromates!
14. Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela, na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.