1. The vision of Isaiah the son of Amoz, which he saw concerning Judah and Jerusalem in the days of Uzziah, Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah.
1. Prophétie d`Ésaïe, fils d`Amots, sur Juda et Jérusalem, au temps d`Ozias, de Jotham, d`Achaz, d`Ézéchias, rois de Juda.
1. Ny fahitan' Isaia, zanak' i Amoza, izay hitany ny amin' ny Joda sy Jerosalema tamin' ny andron' i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan' ny Joda.
A Rebellious Nation
2. Hear, O heavens, and give ear, O earth: for the LORD hath spoken, I have nourished and brought up children, and they have rebelled against me.
2. Cieux, écoutez! terre, prête l`oreille! Car l`Éternel parle. J`ai nourri et élevé des enfants, Mais ils se sont révoltés contre moi.
2. Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo niodina tamiko ireo.
3. The ox knoweth his owner, and the ass his master's crib: but Israel doth not know, my people doth not consider.
3. Le boeuf connaît son possesseur, Et l`âne la crèche de son maître: Israël ne connaît rien, Mon peuple n`a point d`intelligence.
3. "Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky ny fihinanam-bilon' ny tompony; fa ny Isiraely tsy mahalala, ny oloko tsy misaina."
4. Ah sinful nation, a people laden with iniquity, a seed of evildoers, children that are corrupters: they have forsaken the LORD, they have provoked the Holy One of Israel unto anger, they are gone away backward.
4. Malheur à la nation pécheresse, au peuple chargé d`iniquités, A la race des méchants, aux enfants corrompus! Ils ont abandonné l`Éternel, ils ont méprisé le Saint d`Israël. Ils se sont retirés en arrière...
4. Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao heloka! Efa nahafoy an' i Jehovah izy, efa nanamavo ny Iray Masin' ny Isiraely, efa niodina izy.
5. Why should ye be stricken any more? ye will revolt more and more: the whole head is sick, and the whole heart faint.
5. Quels châtiments nouveaux vous infliger, Quand vous multipliez vos révoltes? La tête entière est malade, Et tout le coeur est souffrant.
5. "Nahoana no mbola te-hasiana ihany? mbola hiodina bebe kokoa hatrany ianareo; marary ny loha rehetra, ary reraka ny fo rehetra."
6. From the sole of the foot even unto the head there is no soundness in it; but wounds, and bruises, and putrifying sores: they have not been closed, neither bound up, neither mollified with ointment.
6. De la plante du pied jusqu`à la tête, rien n`est en bon état: Ce ne sont que blessures, contusions et plaies vives, Qui n`ont été ni pansées, ni bandées, Ni adoucies par l`huile.
6. Hatramin' ny faladia ka hatramin' ny loha dia tsy misy fahasalamana eo aminy, fa ratra sy fahatorotoroana sy fery mihasimba: tsy mbola nikatona izany, na voafehy, na nolemena tamin' ny diloilo.
7. Your country is desolate, your cities are burned with fire: your land, strangers devour it in your presence, and it is desolate, as overthrown by strangers.
7. Votre pays est dévasté, Vos villes sont consumées par le feu, Des étrangers dévorent vos campagnes sous vos yeux, Ils ravagent et détruisent, comme des barbares.
7. "Ny taninareo dia efa lao; ny tanànanareo dia voadotra tamin' ny afo; ny tany volenareo dia lanin' ny vahiny eo imasonareo, ary lao izany toy ny efa noravan' ny vahiny."
8. And the daughter of Zion is left as a cottage in a vineyard, as a lodge in a garden of cucumbers, as a besieged city.
8. Et la fille de Sion est restée Comme une cabane dans une vigne, Comme une hutte dans un champ de concombres, Comme une ville épargnée.
8. Ary ny zanakavavin' i Ziona dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanimboaloboka sy tahaka ny trano fialofana ao anaty tanimbolim-boatango ary tahaka ny tanàna atao fahirano.
9. Except the LORD of hosts had left unto us a very small remnant, we should have been as Sodom, and we should have been like unto Gomorrah.
9. Si l`Éternel des armées Ne nous eût conservé un faible reste, Nous serions comme Sodome, Nous ressemblerions à Gomorrhe.
9. Raha tsy nosisan' i Jehovah, Tompon' ny maro, olona vitsivitsy isika dia efa tonga tahaka an' i Sodoma ary nitovy tamin' i Gomora.
10. Hear the word of the LORD, ye rulers of Sodom; give ear unto the law of our God, ye people of Gomorrah.
10. Écoutez la parole de l`Éternel, chefs de Sodome! Prête l`oreille à la loi de notre Dieu, peuple de Gomorrhe!
10. Mandrenesa ny tenin' i Jehovah, ry mpanapaka an' i Sodoma, mihainoa ny lalàn' Andriamanitsika, ry vahoakan' i Gomora.
11. To what purpose is the multitude of your sacrifices unto me? saith the LORD: I am full of the burnt offerings of rams, and the fat of fed beasts; and I delight not in the blood of bullocks, or of lambs, or of he goats.
11. "Qu`ai-je affaire de la multitude de vos sacrifices? dit l`Éternel. Je suis rassasié des holocaustes de béliers et de la graisse des veaux; Je ne prends point plaisir au sang des taureaux, des brebis et des boucs."
11. "Ataoko inona ny habetsahan' ny fanatitra ataonareo ho Ahy? hoy Jehovah; efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran' ny zanak' omby mifahy Aho, ary tsy sitrako ny ràn' ny vantotr' ombilahy, na ny an' ny zanak' ondry, na ny an' ny osilahy."
12. When ye come to appear before me, who hath required this at your hand, to tread my courts?
12. Quand vous venez vous présenter devant moi, Qui vous demande de souiller mes parvis?
12. Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, iza moa no nitaky izany tamin' ny tananareo mba hanitsakitsahana ny kianjako?
13. Bring no more vain oblations; incense is an abomination unto me; the new moons and sabbaths, the calling of assemblies, I cannot away with; it is iniquity, even the solemn meeting.
13. "Cessez d`apporter de vaines offrandes: J`ai en horreur l`encens, Les nouvelles lunes, les sabbats et les assemblées; Je ne puis voir le crime s`associer aux solennités."
13. "Aza mitondra fanati-poana intsony; ny emboka dia fofona fahavetavetana amiko; ny voaloham-bolana sy ny sabata ary ny fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako; heloka na dia ny fivoriana lehibe aza."
14. Your new moons and your appointed feasts my soul hateth: they are a trouble unto me; I am weary to bear them.
14. "Mon âme hait vos nouvelles lunes et vos fêtes; Elles me sont à charge; Je suis las de les supporter."
14. "Ny voaloham-bolanareo sy ny fanasana voatendrinareo dia halan' ny fanahiko; mavesatra amiko izany; sasatra ny mitondra izany aho."
15. And when ye spread forth your hands, I will hide mine eyes from you: yea, when ye make many prayers, I will not hear: your hands are full of blood.
15. "Quand vous étendez vos mains, je détourne de vous mes yeux; Quand vous multipliez les prières, je n`écoute pas: Vos mains sont pleines de sang."
15. "Ary raha mamelatra ny tananareo ianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ràn' olona ny tananareo."
16. Wash you, make you clean; put away the evil of your doings from before mine eyes; cease to do evil;
16. "Lavez-vous, purifiez-vous, Otez de devant mes yeux la méchanceté de vos actions; Cessez de faire le mal."
16. "Misasà ianareo, midiova ianareo; esory tsy ho eo anoloan' ny masoko ny ratsy fanaonareo; atsaharo ny manao ratsy;"
17. Learn to do well; seek judgment, relieve the oppressed, judge the fatherless, plead for the widow.
17. "Apprenez à faire le bien, recherchez la justice, Protégez l`opprimé; Faites droit à l`orphelin, Défendez la veuve."
17. "Mianara ny hanao ny tsara; katsaho izay rariny; afaho ny ampahoriana; ataovy ny rariny ho an' ny kamboty; alaharo ny tenin' ny mpitondratena."
18. Come now, and let us reason together, saith the LORD: though your sins be as scarlet, they shall be as white as snow; though they be red like crimson, they shall be as wool.
18. "Venez et plaidons! dit l`Éternel. Si vos péchés sont comme le cramoisi, ils deviendront blancs comme la neige; S`ils sont rouges comme la pourpre, ils deviendront comme la laine."
18. "Avia àry, ka aoka hifandahatra isika, hoy Jehovah; na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho fotsy tahaka ny volon' ondry."
19. If ye be willing and obedient, ye shall eat the good of the land:
19. "Si vous avez de la bonne volonté et si vous êtes dociles, Vous mangerez les meilleures productions du pays;"
19. "Raha manaiky sy mankatò ianareo dia hihinana ny zava-tsoan' ny tany ;"
20. But if ye refuse and rebel, ye shall be devoured with the sword: for the mouth of the LORD hath spoken it.
20. Mais si vous résistez et si vous êtes rebelles, Vous serez dévorés par le glaive, Car la bouche de l`Éternel a parlé.
20. Fa raha mandà sy miodina ianareo, dia ho lanin' ny sabatra, fa ny vavan' i Jehovah no efa niteny.
21. How is the faithful city become an harlot! it was full of judgment; righteousness lodged in it; but now murderers.
21. Quoi donc! la cité fidèle est devenue une prostituée! Elle était remplie d`équité, la justice y habitait, Et maintenant il y a des assassins!
21. Indrisy! tonga janga ilay tanàna mahatoky! izay feno rariny taloha sady nitoeran' ny fahamarinana, fa mpamono olona kosa ankehitriny.
22. Thy silver is become dross, thy wine mixed with water:
22. Ton argent s`est changé en scories, Ton vin a été coupé d`eau.
22. "Ny volafotsinao dia efa tonga tain-drendrika; ny divainao dia voatsatso rano."
23. Thy princes are rebellious, and companions of thieves: every one loveth gifts, and followeth after rewards: they judge not the fatherless, neither doth the cause of the widow come unto them.
23. "Tes chefs sont rebelles et complices des voleurs, Tous aiment les présents et courent après les récompenses; Ils ne font pas droit à l`orphelin, Et la cause de la veuve ne vient pas jusqu`à eux."
23. "Ny mpanapaka anao dia mpiodina sady naman' ny mpangalatra: samy tia kolikoly sy fatra-pitady tamby avokoa izy rehetra; tsy tsarainy ny adin' ny kamboty, ary ny adin' ny mpitondratena dia tsy avelany ho tonga eo anatrehany."
24. Therefore saith the LORD, the LORD of hosts, the mighty One of Israel, Ah, I will ease me of mine adversaries, and avenge me of mine enemies:
24. C`est pourquoi voici ce que dit le Seigneur, l`Éternel des armées, Le Fort d`Israël: Ah! je tirerai satisfaction de mes adversaires, Et je me vengerai de mes ennemis.
24. Ka dia hoy Jehovah, Tompon' ny maro, Ilay Maherin' ny Isiraely: E! hiala fo amin' ny mandrafy Ahy Aho ary hamaly ny fahavaloko.
25. And I will turn my hand upon thee, and purely purge away thy dross, and take away all thy tin:
25. Je porterai ma main sur toi, Je fondrai tes scories, comme avec de la potasse, Et j`enlèverai toutes tes parcelles de plomb.
25. Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, ka hodioviko amin' ny lavenona ianao hahafahan' ny tain-drendrikao, ary hoesoriko ny firaka rehetra aminao.
26. And I will restore thy judges as at the first, and thy counsellors as at the beginning: afterward thou shalt be called, The city of righteousness, the faithful city.
26. Je rétablirai tes juges tels qu`ils étaient autrefois, Et tes conseillers tels qu`ils étaient au commencement. Après cela, on t`appellera ville de la justice, Cité fidèle.
26. "Dia hampodiko ho toy ny tamin' ny voalohany ny mpitsaranao, ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tany am-piandohana; ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan' ny fahamarinana, tanàna mahatoky."
27. Zion shall be redeemed with judgment, and her converts with righteousness.
27. Sion sera sauvée par la droiture, Et ceux qui s`y convertiront seront sauvés par la justice.
27. Ziona dia havotana amin' ny fitsarana, ary izay miova fo ao aminy dia havotana amin' ny fahamarinana.
28. And the destruction of the transgressors and of the sinners shall be together, and they that forsake the LORD shall be consumed.
28. Mais la ruine atteindra tous les rebelles et les pécheurs, Et ceux qui abandonnent l`Éternel périront.
28. Ary hiaraka ny fandringanana ny mpiodina sy ny mpanota, ka ho lany ritra izay mahafoy an' i Jehovah.
29. For they shall be ashamed of the oaks which ye have desired, and ye shall be confounded for the gardens that ye have chosen.
29. "On aura honte à cause des térébinthes auxquels vous prenez plaisir, Et vous rougirez à cause des jardins dont vous faites vos délices;"
29. Fa hahazo henatra izy noho ny hazo oaka izay nirinareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin' ny saha izay efa nofidinareo.
30. For ye shall be as an oak whose leaf fadeth, and as a garden that hath no water.
30. Car vous serez comme un térébinthe au feuillage flétri, Comme un jardin qui n`a pas d`eau.
30. Fa ho tahaka ny hazo oaka malazo ravina ianareo sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
31. And the strong shall be as tow, and the maker of it as a spark, and they shall both burn together, and none shall quench them.
31. "L`homme fort sera comme de l`étoupe, Et son oeuvre comme une étincelle; Ils brûleront l`un et l`autre ensemble, Et il n`y aura personne pour éteindre."
31. Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, ary ny mpamboatra izany ho toy ny tselatr' afo, hiara-mirehitra izy roroa, ka tsy hisy hamono azy.