1. The song of songs, which is Solomon's.
1. Cantique des cantiques, de Salomon.
1. Ny tononkira tsara indrindra izay nataon' i Solomona.
Beloved
2. Let him kiss me with the kisses of his mouth: for thy love is better than wine.
2. Qu`il me baise des baisers de sa bouche! Car ton amour vaut mieux que le vin,
2. Enga anie ka hanoroka ahy amin' ny fanorohan' ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3. Because of the savour of thy good ointments thy name is as ointment poured forth, therefore do the virgins love thee.
3. "Tes parfums ont une odeur suave; Ton nom est un parfum qui se répand; C`est pourquoi les jeunes filles t`aiment."
3. Noho ny hanitry ny diloilonao tsara, dia toy ny diloilo voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan' ny virijina anao.
Friends
4. Draw me, we will run after thee: the king hath brought me into his chambers: we will be glad and rejoice in thee, we will remember thy love more than wine: the upright love thee.
4. "Entraîne-moi après toi! Nous courrons! Le roi m`introduit dans ses appartements... Nous nous égaierons, nous nous réjouirons à cause de toi; Nous célébrerons ton amour plus que le vin. C`est avec raison que l`on t`aime."
4. "Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; nentin' ny mpanjaka ho ao amin' ireo efitranony aho; hifaly sy hiravoravo aminao izahay; hotsaroanay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; tia anao ireo mahitsy."
5. I am black, but comely, O ye daughters of Jerusalem, as the tents of Kedar, as the curtains of Solomon.
5. Je suis noire, mais je suis belle, filles de Jérusalem, Comme les tentes de Kédar, comme les pavillons de Salomon.
5. Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin' i Jerosalema, toy ny lain' i Kedara, toy ny ambaindain' i Solomona.
6. Look not upon me, because I am black, because the sun hath looked upon me: my mother's children were angry with me; they made me the keeper of the vineyards; but mine own vineyard have I not kept.
6. Ne prenez pas garde à mon teint noir: C`est le soleil qui m`a brûlée. Les fils de ma mère se sont irrités contre moi, Ils m`ont faite gardienne des vignes. Ma vigne, à moi, je ne l`ai pas gardée.
6. "Aza mandinika ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon' ny hainandro; tezitra tamiko ny zanak' ineny; notendreny ho mpiandry ny tanimboaloboka aho; nefa ny tanimboaloboko kosa, dia ny an' ny tenako, tsy mba nandrasako."
7. Tell me, O thou whom my soul loveth, where thou feedest, where thou makest thy flock to rest at noon: for why should I be as one that turneth aside by the flocks of thy companions?
7. "Dis-moi, ô toi que mon coeur aime, Où tu fais paître tes brebis, Où tu les fais reposer à midi; Car pourquoi serais-je comme une égarée Près des troupeaux de tes compagnons? -"
7. "Lazao amiko, ry ilay tian' ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; fa nahoana aho no ho tahaka izay misarona fisalobonana eny amin' ny andian' ny namanao?"
Friends
8. If thou know not, O thou fairest among women, go thy way forth by the footsteps of the flock, and feed thy kids beside the shepherds' tents.
8. Si tu ne le sais pas, ô la plus belle des femmes, Sors sur les traces des brebis, Et fais paître tes chevreaux Près des demeures des bergers. -
8. Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin' ny vehivavy, dia mandehana hanara-dia ny andian' ny ondry aman' osy, ary andraso eny amin' ny lain' ny mpiandry ondry ny zanak' osinao.
Lover
9. I have compared thee, O my love, to a company of horses in Pharaoh's chariots.
9. A ma jument qu`on attelle aux chars de Pharaon Je te compare, ô mon amie.
9. Ry malalako, ianao dia ampitahaiko amin' ny andian-tsoavaly amin' ny kalesin' i Farao.
10. Thy cheeks are comely with rows of jewels, thy neck with chains of gold.
10. Tes joues sont belles au milieu des colliers, Ton cou est beau au milieu des rangées de perles.
10. "Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; ary ny vozonao ireo rado volamena."
11. We will make thee borders of gold with studs of silver.
11. Nous te ferons des colliers d`or, Avec des points d`argent. -
11. Rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina no hataonay ho anao.
Beloved
12. While the king sitteth at his table, my spikenard sendeth forth the smell thereof.
12. Tandis que le roi est dans son entourage, Mon nard exhale son parfum.
12. Raha mipetraka amin' ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
13. A bundle of myrrh is my well-beloved unto me; he shall lie all night betwixt my breasts.
13. Mon bien-aimé est pour moi un bouquet de myrrhe, Qui repose entre mes seins.
13. "Ny malalako dia fehezana miora madinika amiko; handry mandritra ny alina eo an-tratrako izy."
14. My beloved is unto me as a cluster of camphire in the vineyards of Engedi.
14. Mon bien-aimé est pour moi une grappe de troëne Des vignes d`En Guédi. -
14. Ny malalako dia tahaka ny sampahon-dravintsara amiko, any an-tanimbolin' i En-jedy.
Lover
15. Behold, thou art fair, my love; behold, thou art fair; thou hast doves' eyes.
15. Que tu es belle, mon amie, que tu es belle! Tes yeux sont des colombes. -
15. "Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako; indro tsara tarehy ianao; ny masonao dia voromailala."
Beloved
16. Behold, thou art fair, my beloved, yea, pleasant: also our bed is green.
16. Que tu es beau, mon bien-aimé, que tu es aimable! Notre lit, c`est la verdure. -
16. "Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; maitso koa ny fandriantsika."
Lover
17. The beams of our house are cedar, and our rafters of fir.
17. Les solives de nos maisons sont des cèdres, Nos lambris sont des cyprès. -
17. Sedera ny sakamandimbin' ny tranontsika, ary kypreso ny valin-drihantsika.