1. Put them in mind to be subject to principalities and powers, to obey magistrates, to be ready to every good work,
1. Rappelle-leur d`être soumis aux magistrats et aux autorités, d`obéir, d`être prêts à toute bonne oeuvre,
1. Mampahatsiarova azy ireo hanaiky izay manapaka sy manampahefana, hanoa ny mpitondra, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,
2. To speak evil of no man, to be no brawlers, but gentle, shewing all meekness unto all men.
2. de ne médire de personne, d`être pacifiques, modérés, pleins de douceur envers tous les hommes.
2. Tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.
3. For we ourselves also were sometimes foolish, disobedient, deceived, serving divers lusts and pleasures, living in malice and envy, hateful, and hating one another.
3. Car nous aussi, nous étions autrefois insensés, désobéissants, égarés, asservis à toute espèce de convoitises et de voluptés, vivant dans la méchanceté et dans l`envie, dignes d`être haïs, et nous haïssant les uns les autres.
3. Fa isika koa dia adala fahiny, tsy mpankatò, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
4. But after that the kindness and love of God our Saviour toward man appeared,
4. Mais, lorsque la bonté de Dieu notre Sauveur et son amour pour les hommes ont été manifestés,
4. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5. Not by works of righteousness which we have done, but according to his mercy he saved us, by the washing of regeneration, and renewing of the Holy Ghost;
5. il nous a sauvés, non à cause des oeuvres de justice que nous aurions faites, mais selon sa miséricorde, par le baptême de la régénération et le renouvellement du Saint Esprit,
5. "Dia tsy avy tamin’ny asan’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray, sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina;"
6. Which he shed on us abundantly through Jesus Christ our Saviour;
6. qu`il a répandu sur nous avec abondance par Jésus Christ notre Sauveur,
6. Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7. That being justified by his grace, we should be made heirs according to the hope of eternal life.
7. afin que, justifiés par sa grâce, nous devenions, en espérance, héritiers de la vie éternelle.
7. Mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
8. This is a faithful saying, and these things I will that thou affirm constantly, that they which have believed in God might be careful to maintain good works. These things are good and profitable unto men.
8. Cette parole est certaine, et je veux que tu affirmes ces choses, afin que ceux qui ont cru en Dieu s`appliquent à pratiquer de bonnes oeuvres.
8. Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’izay efa mino an’Andriamanitra ny hanao asa tsara. Izany zavatra izany dia sady tsara no mahasoa ny olona.
9. But avoid foolish questions, and genealogies, and contentions, and strivings about the law; for they are unprofitable and vain.
9. "Voilà ce qui est bon et utile aux hommes. Mais évite les discussions folles, les généalogies, les querelles, les disputes relatives à la loi; car elles sont inutiles et vaines."
9. "Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany."
10. A man that is an heretick after the first and second admonition reject;
10. Éloigne de toi, après un premier et un second avertissement, celui qui provoque des divisions,
10. Izay diso lalana amin' ny finoana, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
11. Knowing that he that is such is subverted, and sinneth, being condemned of himself.
11. sachant qu`un homme de cette espèce est perverti, et qu`il pèche, en se condamnant lui-même.
11. Satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
12. When I shall send Artemas unto thee, or Tychicus, be diligent to come unto me to Nicopolis: for I have determined there to winter.
12. "Lorsque je t`enverrai Artémas ou Tychique, hâte-toi de venir me rejoindre à Nicopolis; car c`est là que j`ai résolu de passer l`hiver."
12. Rehefa haniraka an’i Artema na Tykiko ho aty aminao aho dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
13. Bring Zenas the lawyer and Apollos on their journey diligently, that nothing be wanting unto them.
13. Aie soin de pourvoir au voyage de Zénas, le docteur de la loi, et d`Apollos, en sorte que rien ne leur manque.
13. Mazotoa hamoaka an’i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra tsy ampy aminy.
14. And let ours also learn to maintain good works for necessary uses, that they be not unfruitful.
14. Il faut que les nôtres aussi apprennent à pratiquer de bonnes oeuvres pour subvenir aux besoins pressants, afin qu`ils ne soient pas sans produire des fruits.
14. Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
15. All that are with me salute thee. Greet them that love us in the faith. Grace be with you all. Amen.
15. Tous ceux qui sont avec moi te saluent. Salue ceux qui nous aiment dans la foi. Que la grâce soit avec vous tous!
15. Manao veloma anao izay rehetra aty amiko. Manaova veloma amin’izay rehetra tia anay amin’ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.(Nosoratana ho an’i Titosy izay notendrena voalohany ho mpitandrina ny fiangonan’ny Kretana, avy any Nikopolia any Masedonia).