1. I will love thee, O LORD, my strength.
1. (18:1) Au chef des chantres. Du serviteur de l`Éternel, de David, qui adressa à l`Éternel les paroles de ce cantique, lorsque l`Éternel l`eut délivré de la main de tous ses ennemis et de la main de Saül. Il dit: (18:2) Je t`aime, ô Éternel, ma force!
1. "[Ho an' ny mpiventy hira. Nataon' i Davida, mpanompon' i Jehovah, izay nilaza tamin' i Jehovah ny tenin' ity fihirana ity tamin' ny andro namonjen' i Jehovah azy tamin' ny tànan' ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin' ny tànan' i Saoly; dia hoy izy:] HO tia anao aho, Jehovah Heriko ô!"
2. The LORD is my rock, and my fortress, and my deliverer; my God, my strength, in whom I will trust; my buckler, and the horn of my salvation, and my high tower.
2. (18:3) Éternel, mon rocher, ma forteresse, mon libérateur! Mon Dieu, mon rocher, où je trouve un abri! Mon bouclier, la force qui me sauve, ma haute retraite!
2. "Jehovah no vatolampiko sy batery fiarovana ahy, ary mpanafaka ahy; Andriamanitro, heriko izay itokiako, ampingako sy tandroka famonjena ahy ary tilikambo avo ho ahy."
3. I will call upon the LORD, who is worthy to be praised: so shall I be saved from mine enemies.
3. (18:4) Je m`écrie: Loué soit l`Éternel! Et je suis délivré de mes ennemis.
3. Hiantso an' i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, ka dia hovonjena aho ho afaka amin' ny fahavaloko.
4. The sorrows of death compassed me, and the floods of ungodly men made me afraid.
4. "(18:5) Les liens de la mort m`avaient environné, Et les torrents de la destruction m`avaient épouvanté;"
4. Nanodidina ahy ny famatoran' ny fahafatesana, ary ny riakan' ny olona tsy araka an' Andriamanitra nampahatahotra ahy.
5. The sorrows of hell compassed me about: the snares of death prevented me.
5. (18:6) Les liens du sépulcre m`avaient entouré, Les filets de la mort m`avaient surpris.
5. "Nihodidina tamiko ny famatoran' ny helo; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana."
6. In my distress I called upon the LORD, and cried unto my God: he heard my voice out of his temple, and my cry came before him, even into his ears.
6. "(18:7) Dans ma détresse, j`ai invoqué l`Éternel, J`ai crié à mon Dieu; De son palais, il a entendu ma voix, Et mon cri est parvenu devant lui à ses oreilles."
6. "Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an' i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako efa tonga teo anatrehany, dia teo an-tsofiny."
7. Then the earth shook and trembled; the foundations also of the hills moved and were shaken, because he was wroth.
7. (18:8) La terre fut ébranlée et trembla, Les fondements des montagnes frémirent, Et ils furent ébranlés, parce qu`il était irrité.
7. "Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin' ny havoana nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah."
8. There went up a smoke out of his nostrils, and fire out of his mouth devoured: coals were kindled by it.
8. (18:9) Il s`élevait de la fumée dans ses narines, Et un feu dévorant sortait de sa bouche: Il en jaillissait des charbons embrasés.
8. Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
9. He bowed the heavens also, and came down: and darkness was under his feet.
9. (18:10) Il abaissa les cieux, et il descendit: Il y avait une épaisse nuée sous ses pieds.
9. "Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary haizim-pito no teo ambanin' ny tongony."
10. And he rode upon a cherub, and did fly: yea, he did fly upon the wings of the wind.
10. (18:11) Il était monté sur un chérubin, et il volait, Il planait sur les ailes du vent.
10. Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, nanidina faingana tamin' ny ela-drivotra Izy.
11. He made darkness his secret place; his pavilion round about him were dark waters and thick clouds of the skies.
11. (18:12) Il faisait des ténèbres sa retraite, sa tente autour de lui, Il était enveloppé des eaux obscures et de sombres nuages.
11. Efa nanao ny haizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia haizin-drano sy rahona matevina eny amin' ny habakabaka.
12. At the brightness that was before him his thick clouds passed, hail stones and coals of fire.
12. (18:13) De la splendeur qui le précédait s`échappaient les nuées, Lançant de la grêle et des charbons de feu.
12. Ary teo amin' ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahona matevina, ary havandra sy vainafo.
13. The LORD also thundered in the heavens, and the Highest gave his voice; hail stones and coals of fire.
13. (18:14) L`Éternel tonna dans les cieux, Le Très Haut fit retentir sa voix, Avec la grêle et les charbons de feu.
13. "Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ary ny Avo Indrindra niloa-peo; havandra sy vainafo."
14. Yea, he sent out his arrows, and scattered them; and he shot out lightnings, and discomfited them.
14. (18:15) Il lança ses flèches et dispersa mes ennemis, Il multiplia les coups de la foudre et les mit en déroute.
14. Eny, nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely azy ireo, ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy ireo.
15. Then the channels of waters were seen, and the foundations of the world were discovered at thy rebuke, O LORD, at the blast of the breath of thy nostrils.
15. (18:16) Le lit des eaux apparut, Les fondements du monde furent découverts, Par ta menace, ô Éternel! Par le bruit du souffle de tes narines.
15. Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin' ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon' ny fofonain' ny vavoronao.
16. He sent from above, he took me, he drew me out of many waters.
16. "(18:17) Il étendit sa main d`en haut, il me saisit, Il me retira des grandes eaux;"
16. Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin' ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon' ny fofonain' ny vavoronao.
17. He delivered me from my strong enemy, and from them which hated me: for they were too strong for me.
17. (18:18) Il me délivra de mon adversaire puissant, De mes ennemis qui étaient plus forts que moi.
17. Namonjy ahy tamin' ny fahavaloko mahery Izy sy tamin' izay mankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
18. They prevented me in the day of my calamity: but the LORD was my stay.
18. "(18:19) Ils m`avaient surpris au jour de ma détresse; Mais l`Éternel fut mon appui."
18. Nisakana ahy tamin' ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho mpanohana ahy.
19. He brought me forth also into a large place; he delivered me, because he delighted in me.
19. (18:20) Il m`a mis au large, Il m`a sauvé, parce qu`il m`aime.
19. "Dia nitondra ahy ho any amin' ny toerana malalaka Izy; nanafaka ahy Izy, satria faly amiko izy."
20. The LORD rewarded me according to my righteousness; according to the cleanness of my hands hath he recompensed me.
20. "(18:21) L`Éternel m`a traité selon ma droiture, Il m`a rendu selon la pureté de mes mains;"
20. "Namaly soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan' ny tanako no namaliany soa ahy."
21. For I have kept the ways of the LORD, and have not wickedly departed from my God.
21. (18:22) Car j`ai observé les voies de l`Éternel, Et je n`ai point été coupable envers mon Dieu.
21. "Fa nitandrina ny lalan' i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialàna tamin' Andriamanitro;"
22. For all his judgments were before me, and I did not put away his statutes from me.
22. (18:23) Toutes ses ordonnances ont été devant moi, Et je ne me suis point écarté de ses lois.
22. "Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny dia tsy mba nampialàko tamiko;"
23. I was also upright before him, and I kept myself from mine iniquity.
23. (18:24) J`ai été sans reproche envers lui, Et je me suis tenu en garde contre mon iniquité.
23. "Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon' ny fahotako;"
24. Therefore hath the LORD recompensed me according to my righteousness, according to the cleanness of my hands in his eyesight.
24. (18:25) Aussi l`Éternel m`a rendu selon ma droiture, Selon la pureté de mes mains devant ses yeux.
24. Koa namaly soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan' ny tanako teo imasony.
25. With the merciful thou wilt shew thyself merciful; with an upright man thou wilt shew thyself upright;
25. (18:26) Avec celui qui est bon tu te montres bon, Avec l`homme droit tu agis selon la droiture,
25. "Ny olona mamindrafo no isehoanao fa mpamindrafo; ary ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;"
26. With the pure thou wilt shew thyself pure; and with the froward thou wilt shew thyself froward.
26. (18:27) Avec celui qui est pur tu te montres pur, Et avec le pervers tu agis selon sa perversité.
26. "Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpanao sain-dalina kosa no isehoanao fa lalin-tsaina."
27. For thou wilt save the afflicted people; but wilt bring down high looks.
27. (18:28) Tu sauves le peuple qui s`humilie, Et tu abaisses les regards hautains.
27. "Fa hamonjy ny olona ory Ianao; ary ny maso miandranandrana kosa haetrinao."
28. For thou wilt light my candle: the LORD my God will enlighten my darkness.
28. "(18:29) Oui, tu fais briller ma lumière; L`Éternel, mon Dieu, éclaire mes ténèbres."
28. "Fa hampirehitra ny jiroko Ianao; Jehovah Andriamanitro hampahazava ny fahamaizinako."
29. For by thee I have run through a troop; and by my God have I leaped over a wall.
29. (18:30) Avec toi je me précipite sur une troupe en armes, Avec mon Dieu je franchis une muraille.
29. "Fa Ianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny mànda."
30. As for God, his way is perfect: the word of the LORD is tried: he is a buckler to all those that trust in him.
30. "(18:31) Les voies de Dieu sont parfaites, La parole de l`Éternel est éprouvée; Il est un bouclier pour tous ceux qui se confient en lui."
30. "Raha ny amin' Andriamanitra dia tanteraka ny lalany; ny tenin' i Jehovah dia voazaha toetra; Jehovah no ampingan' izay rehetra matoky Azy."
31. For who is God save the LORD? or who is a rock save our God?
31. "(18:32) Car qui est Dieu, si ce n`est l`Éternel; Et qui est un rocher, si ce n`est notre Dieu?"
31. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no Vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32. It is God that girdeth me with strength, and maketh my way perfect.
32. (18:33) C`est Dieu qui me ceint de force, Et qui me conduit dans la voie droite.
32. Andriamanitra no mampisikina hery ahy sy manatanteraka ny alehako.
33. He maketh my feet like hinds' feet, and setteth me upon my high places.
33. (18:34) Il rend mes pieds semblables à ceux des biches, Et il me place sur mes lieux élevés.
33. Manao ny tongotro ho tahaka ny an' ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin' ny fitoerako avo.
34. He teacheth my hands to war, so that a bow of steel is broken by mine arms.
34. (18:35) Il exerce mes mains au combat, Et mes bras tendent l`arc d`airain.
34. Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahatapaka tsipìka varahina ny sandriko.
35. Thou hast also given me the shield of thy salvation: and thy right hand hath holden me up, and thy gentleness hath made me great.
35. (18:36) Tu me donnes le bouclier de ton salut, Ta droite me soutient, Et je deviens grand par ta bonté.
35. "Omenao ahy koa ny ampingan' ny famonjenao; ny tananao ankavanana manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao mahalehibe ahy."
36. Thou hast enlarged my steps under me, that my feet did not slip.
36. (18:37) Tu élargis le chemin sous mes pas, Et mes pieds ne chancellent point.
36. Nohalalahinao ny lalana diaviko, ka tsy nibolasitra ny tongotro.
37. I have pursued mine enemies, and overtaken them: neither did I turn again till they were consumed.
37. (18:38) Je poursuis mes ennemis, je les atteins, Et je ne reviens pas avant de les avoir anéantis.
37. "Nanenjika ny fahavaloko aho ka nahatratra azy; ary tsy mba niverina aho mandra-pahalany ritrany."
38. I have wounded them that they were not able to rise: they are fallen under my feet.
38. "(18:39) Je les brise, et ils ne peuvent se relever; Ils tombent sous mes pieds."
38. "Nandratra mafy azy aho ka tsy afa-miarina izy; lavo eo ambanin' ny tongotro izy."
39. For thou hast girded me with strength unto the battle: thou hast subdued under me those that rose up against me.
39. (18:40) Tu me ceins de force pour le combat, Tu fais plier sous moi mes adversaires.
39. "Mampisikina ahy hery hiady Ianao; naripakao ho ambaniko izay nitsangana hamely ahy."
40. Thou hast also given me the necks of mine enemies; that I might destroy them that hate me.
40. (18:41) Tu fais tourner le dos à mes ennemis devant moi, Et j`extermine ceux qui me haïssent.
40. "Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; mba haringako izay mankahala ahy."
41. They cried, but there was none to save them: even unto the LORD, but he answered them not.
41. (18:42) Ils crient, et personne pour les sauver! Ils crient à l`Éternel, et il ne leur répond pas!
41. Mitaraina izy fa tsy misy mpamonjy, dia amin' i Jehovah fa tsy mamaly azy Izy.
42. Then did I beat them small as the dust before the wind: I did cast them out as the dirt in the streets.
42. (18:43) Je les broie comme la poussière qu`emporte le vent, Je les foule comme la boue des rues.
42. "Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin' ny rivotra izy; tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy."
43. Thou hast delivered me from the strivings of the people; and thou hast made me the head of the heathen: a people whom I have not known shall serve me.
43. "(18:44) Tu me délivres des dissensions du peuple; Tu me mets à la tête des nations; Un peuple que je ne connaissais pas m`est asservi."
43. "Namonjy ahy tamin' ny fifanoheran' ny olona Ianao sy nanandratra ahy ho lohan' ny jentilisa; ny firenena tsy fantatro hanompo ahy."
44. As soon as they hear of me, they shall obey me: the strangers shall submit themselves unto me.
44. "(18:45) Ils m`obéissent au premier ordre, Les fils de l`étranger me flattent;"
44. "Raha vao mandre ny amiko izy dia hanoa ahy; ny vahiny hikoy ahy."
45. The strangers shall fade away, and be afraid out of their close places.
45. (18:46) Les fils de l`étranger sont en défaillance, Ils tremblent hors de leurs forteresses.
45. Ny vahiny dia hihaketraka ka hiala amin-tahotra avy ao amin' ny fiarovany mafy.
46. The LORD liveth; and blessed be my rock; and let the God of my salvation be exalted.
46. (18:47) Vive l`Éternel, et béni soit mon rocher! Que le Dieu de mon salut soit exalté,
46. "Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy."
47. It is God that avengeth me, and subdueth the people under me.
47. (18:48) Le Dieu qui est mon vengeur, Qui m`assujettit les peuples,
47. Andriamanitra no manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny olona ahy.
48. He delivereth me from mine enemies: yea, thou liftest me up above those that rise up against me: thou hast delivered me from the violent man.
48. (18:49) Qui me délivre de mes ennemis! Tu m`élèves au-dessus de mes adversaires, Tu me sauves de l`homme violent.
48. "Manafaka ahy amin' ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin' izay mitsangana hanohitra ahy Ianao, ary manafaka ahy amin' ny olon-dozabe."
49. Therefore will I give thanks unto thee, O LORD, among the heathen, and sing praises unto thy name.
49. (18:50) C`est pourquoi je te louerai parmi les nations, ô Éternel! Et je chanterai à la gloire de ton nom.
49. Koa izany no hisaorako anao eny amin' ny jentilisa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
50. Great deliverance giveth he to his king; and sheweth mercy to his anointed, to David, and to his seed for evermore.
50. (18:51) Il accorde de grandes délivrances à son roi, Et il fait miséricorde à son oint, A David, et à sa postérité, pour toujours.
50. "Manao famonjen-dehibe ho an' ny mpanjakany Izy; ary maneho famindrampo amin' ny voahosony, dia Davida sy ny taranany mandrakizay."