1. Lord, remember David, and all his afflictions:
1. Cantique des degrés. Éternel, souviens-toi de David, De toutes ses peines!
1. "[Hira misy hevitra ambaratonga.] JEHOVAH ô, tsarovy Davida sy ny fahoriany rehetra;"
2. How he sware unto the LORD, and vowed unto the mighty God of Jacob;
2. Il jura à l`Éternel, Il fit ce voeu au puissant de Jacob:
2. Dia ilay nianiana tamin' i Jehovah sy nivoady tamin' ny Maherin' i Jakoba hoe:
3. Surely I will not come into the tabernacle of my house, nor go up into my bed;
3. Je n`entrerai pas dans la tente où j`habite, Je ne monterai pas sur le lit où je repose,
3. Tsy mba hiditra ao an-daiko mihitsy na hiakatra amin' ny farafara fandriako aho,
4. I will not give sleep to mine eyes, or slumber to mine eyelids,
4. Je ne donnerai ni sommeil à mes yeux, Ni assoupissement à mes paupières.
4. Tsy mba avelako hatory ny masoko, na ho rendrehana ny hodi-masoko,
5. Until I find out a place for the LORD, an habitation for the mighty God of Jacob.
5. Jusqu`à ce que j`aie trouvé un lieu pour l`Éternel, Une demeure pour le puissant de Jacob.
5. Mandra-pahitako fitoerana ho an' i Jehovah, dia fonenana ho an' ny Andriamanitra maherin' i Jakoba.
6. Lo, we heard of it at Ephratah: we found it in the fields of the wood.
6. Voici, nous en entendîmes parler à Éphrata, Nous la trouvâmes dans les champs de Jaar...
6. "Indro, nandre izany tany Efrata isika; nahita izany tao amin' ny saha anaty ala isika."
7. We will go into his tabernacles: we will worship at his footstool.
7. Allons à sa demeure, Prosternons-nous devant son marchepied!...
7. Hiditra any amin' ny fonenany isika ka hivavaka eo amin' ny fitoeran-tongony.
8. Arise, O LORD, into thy rest; thou, and the ark of thy strength.
8. Lève-toi, Éternel, viens à ton lieu de repos, Toi et l`arche de ta majesté!
8. Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin' ny fitsaharanao, dia Ianao sy ny fiaran' ny herinao.
9. Let thy priests be clothed with righteousness; and let thy saints shout for joy.
9. Que tes sacrificateurs soient revêtus de justice, Et que tes fidèles poussent des cris de joie!
9. "Aoka ny mpisoronao hitafy fahamarinana; ary aoka ny olonao masina hihoby."
10. For thy servant David's sake turn not away the face of thine anointed.
10. A cause de David, ton serviteur, Ne repousse pas ton oint!
10. Aza mampiala maina ny tavan' ny voahosotrao noho ny amin' i Davida mpanomponao.
11. The LORD hath sworn in truth unto David; he will not turn from it; Of the fruit of thy body will I set upon thy throne.
11. "L`Éternel a juré la vérité à David, Il n`en reviendra pas; Je mettrai sur ton trône un fruit de tes entrailles."
11. "Jehovah efa nianiana marina tamin' i Davida, ka tsy hitsoahany izany; ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin' ny sezafiandriananao."
12. If thy children will keep my covenant and my testimony that I shall teach them, their children shall also sit upon thy throne for evermore.
12. Si tes fils observent mon alliance Et mes préceptes que je leur enseigne, Leurs fils aussi pour toujours Seront assis sur ton trône.
12. Raha hotandreman' ny zanakao ny fanekeko sy ny teni-vavolombeloko izay hampianariko azy, dia hipetraka eo ambonin' ny sezafiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
13. For the LORD hath chosen Zion; he hath desired it for his habitation.
13. Oui, l`Éternel a choisi Sion, Il l`a désirée pour sa demeure:
13. "Fa efa nifidy an' i Ziona Jehovah; naniry azy ho fonenany Izy."
14. This is my rest for ever: here will I dwell; for I have desired it.
14. "C`est mon lieu de repos à toujours; J`y habiterai, car je l`ai désirée."
14. Ity no fitsaharako mandrakizay, eto no honenako, fa efa niriko ity.
15. I will abundantly bless her provision: I will satisfy her poor with bread.
15. "Je bénirai sa nourriture, Je rassasierai de pain ses indigents;"
15. "Hotahiako indrindra ny vatsiny; hovokisako hanina ny mahantrany."
16. I will also clothe her priests with salvation: and her saints shall shout aloud for joy.
16. Je revêtirai de salut ses sacrificateurs, Et ses fidèles pousseront des cris de joie.
16. "Ny mpisorony dia hampitafiako famonjena koa; ary hihoby tokoa ny olo-masiny."
17. There will I make the horn of David to bud: I have ordained a lamp for mine anointed.
17. Là j`élèverai la puissance de David, Je préparerai une lampe à mon oint,
17. "Ao no hampitsimohako tandroka ho an' i Davida; efa nanamboatra jiro ho an' ny voahosotro aho."
18. His enemies will I clothe with shame: but upon himself shall his crown flourish.
18. Je revêtirai de honte ses ennemis, Et sur lui brillera sa couronne.
18. "Ny fahavalony hampitafiako henatra; fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satroboninahiny."
<
>