Ruth and Boaz at the Threshing Floor

1. Then Naomi her mother in law said unto her, My daughter, shall I not seek rest for thee, that it may be well with thee?
1. Naomi, sa belle-mère, lui dit: Ma fille, je voudrais assurer ton repos, afin que tu fusses heureuse.
1. Dia hoy Naomy rafozany vavy taminy: Tsy hitady fitsaharana ho anao va aho, anaka, mba hahasoa anao?
2. And now is not Boaz of our kindred, with whose maidens thou wast? Behold, he winnoweth barley to night in the threshingfloor.
2. Et maintenant Boaz, avec les servantes duquel tu as été, n`est-il pas notre parent? Voici, il doit vanner cette nuit les orges qui sont dans l`aire.
2. Ary ankehitriny, tsy isan' ny fianakaviantsika va Boaza, tompon' ny zatovovavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
3. Wash thyself therefore, and anoint thee, and put thy raiment upon thee, and get thee down to the floor: but make not thyself known unto the man, until he shall have done eating and drinking.
3. Lave-toi et oins-toi, puis remets tes habits, et descends à l`aire. Tu ne te feras pas connaître à lui, jusqu`à ce qu`il ait achevé de manger et de boire.
3. Koa misasà sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana, nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
4. And it shall be, when he lieth down, that thou shalt mark the place where he shall lie, and thou shalt go in, and uncover his feet, and lay thee down; and he will tell thee what thou shalt do.
4. Et quand il ira se coucher, observe le lieu où il se couche. Ensuite va, découvre ses pieds, et couche-toi. Il te dira lui-même ce que tu as à faire.
4. "Ary izao no hisy, rehefa mandry izy, dia fantaro izay toerana andriany, ary midira, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao."
5. And she said unto her, All that thou sayest unto me I will do.
5. Elle lui répondit: Je ferai tout ce que tu as dit.
5. Dia hoy izy taminy: Hataoko izay rehetra lazainao amiko.
6. And she went down unto the floor, and did according to all that her mother in law bade her.
6. Elle descendit à l`aire, et fit tout ce qu`avait ordonné sa belle-mère.
6. Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian' ny rafozany vavy azy.
7. And when Boaz had eaten and drunk, and his heart was merry, he went to lie down at the end of the heap of corn: and she came softly, and uncovered his feet, and laid her down.
7. Boaz mangea et but, et son coeur était joyeux. Il alla se coucher à l`extrémité d`un tas de gerbes. Ruth vint alors tout doucement, découvrit ses pieds, et se coucha.
7. "Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry tao amin' ny faran' ny antotam-barimbazaha izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo."
8. And it came to pass at midnight, that the man was afraid, and turned himself: and, behold, a woman lay at his feet.
8. "Au milieu de la nuit, cet homme eut une frayeur; il se pencha, et voici, une femme était couchée à ses pieds."
8. Ary izao no niseho, tamin' ny mamatonalina, dia natahotra ralehilahy, ka nihodina, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
9. And he said, Who art thou? And she answered, I am Ruth thine handmaid: spread therefore thy skirt over thine handmaid; for thou art a near kinsman.
9. "Il dit: Qui es-tu? Elle répondit: Je suis Ruth, ta servante; étends ton aile sur ta servante, car tu as droit de rachat."
9. "Dia hoy izy: Iza moa ianao? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa fianakaviana mahavotra ianao."
10. And he said, Blessed be thou of the LORD, my daughter: for thou hast shewed more kindness in the latter end than at the beginning, inasmuch as thou followedst not young men, whether poor or rich.
10. Et il dit: Sois bénie de l`Éternel, ma fille! Ce dernier trait témoigne encore plus en ta faveur que le premier, car tu n`as pas recherché des jeunes gens, pauvres ou riches.
10. "Dia hoy izy: Hotahian' i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin' ny tato aoriana ianao noho ny tamin' ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena."
11. And now, my daughter, fear not; I will do to thee all that thou requirest: for all the city of my people doth know that thou art a virtuous woman.
11. "Maintenant, ma fille, ne crains point; je ferai pour toi tout ce que tu diras; car toute la porte de mon peuple sait que tu es une femme vertueuse."
11. "Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr' izay rehetra ao an-tanànan' ny fireneko fa vehivavy tsara fitondrantena ianao."
12. And now it is true that I am thy near kinsman: howbeit there is a kinsman nearer than I.
12. Il est bien vrai que j`ai droit de rachat, mais il en existe un autre plus proche que moi.
12. "Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho."
13. Tarry this night, and it shall be in the morning, that if he will perform unto thee the part of a kinsman, well; let him do the kinsman's part: but if he will not do the part of a kinsman to thee, then will I do the part of a kinsman to thee, as the LORD liveth: lie down until the morning.
13. "Passe ici la nuit. Et demain, s`il veut user envers toi du droit de rachat, à la bonne heure, qu`il le fasse; mais s`il ne lui plaît pas d`en user envers toi, j`en userai, moi, l`Éternel est vivant! Reste couchée jusqu`au matin."
13. "Mitoera ihany aty anio alina, ary izao no hisy, rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia hoentiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah; mitoera ihany aty mandra-pahamarain' ny andro."
14. And she lay at his feet until the morning: and she rose up before one could know another. And he said, Let it not be known that a woman came into the floor.
14. Elle resta couchée à ses pieds jusqu`au matin, et elle se leva avant qu`on pût se reconnaître l`un l`autre. Boaz dit: Qu`on ne sache pas qu`une femme est entrée dans l`aire.
14. Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain' ny andro Rota, ary nifoha izy raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr' olona fa taty am-pamoloana ravehivavy.
15. Also he said, Bring the vail that thou hast upon thee, and hold it. And when she held it, he measured six measures of barley, and laid it on her: and she went into the city.
15. Et il ajouta: Donne le manteau qui est sur toi, et tiens-le. Elle le tint, et il mesura six mesures d`orge, qu`il chargea sur elle. Puis il rentra dans la ville.
15. Dia hoy koa izy: Ento aty ny lamba itafianao, ka hazòny izany. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin' ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna ravehivavy.
16. And when she came to her mother in law, she said, Who art thou, my daughter? And she told her all that the man had done to her.
16. Ruth revint auprès de sa belle-mère, et Naomi dit: Est-ce toi, ma fille? Ruth lui raconta tout ce que cet homme avait fait pour elle.
16. Ary rehefa tonga tany amin' ny rafozany vavy izy, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
17. And she said, These six measures of barley gave he me; for he said to me, Go not empty unto thy mother in law.
17. Elle dit: Il m`a donné ces six mesures d`orge, en disant: Tu ne retourneras pas à vide vers ta belle-mère.
17. "Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin' ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin' ny rafozanao vavy."
18. Then said she, Sit still, my daughter, until thou know how the matter will fall: for the man will not be in rest, until he have finished the thing this day.
18. Et Naomi dit: Sois tranquille, ma fille, jusqu`à ce que tu saches comment finira la chose, car cet homme ne se donnera point de repos qu`il n`ait terminé cette affaire aujourd`hui.
18. "Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan' ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, mandra-pahavitany anio ihany ny raharaha."
<
>