1. What advantage then hath the Jew? or what profit is there of circumcision?
1. Quel est donc l`avantage des Juifs, ou quelle est l`utilité de la circoncision?
1. Koa inona àry no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin' ny famorana?
2. Much every way: chiefly, because that unto them were committed the oracles of God.
2. Il est grand de toute manière, et tout d`abord en ce que les oracles de Dieu leur ont été confiés.
2. Be ihany amin' ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny teny velon' Andriamanitra ho adidiny.
3. For what if some did not believe? shall their unbelief make the faith of God without effect?
3. Eh quoi! si quelques-uns n`ont pas cru, leur incrédulité anéantira-t-elle la fidélité de Dieu?
3. Fa ahoana kosa àry? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsy finoany va hahafoana ny finoana an' Andriamanitra?
4. God forbid: yea, let God be true, but every man a liar; as it is written, That thou mightest be justified in thy sayings, and mightest overcome when thou art judged.
4. Loin de là! Que Dieu, au contraire, soit reconnu pour vrai, et tout homme pour menteur, selon qu`il est écrit: Afin que tu sois trouvé juste dans tes paroles, Et que tu triomphes lorsqu`on te juge.
4. "Sanatria izany! Eny, aoka Andriamanitra ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin' ny teninao ianao, ary handresy raha tsaraina."
5. But if our unrighteousness commend the righteousness of God, what shall we say? Is God unrighteous who taketh vengeance? (I speak as a man)
5. Mais si notre injustice établit la justice de Dieu, que dirons-nous? Dieu est-il injuste quand il déchaîne sa colère? (Je parle à la manière des hommes.)
5. Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan' Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Moa tsy marina Andriamanitra izay mitondra famaliana? (Miteny araka ny fanaon' ny olona aho).
6. God forbid: for then how shall God judge the world?
6. Loin de là! Autrement, comment Dieu jugerait-il le monde?
6. Sanatria izany! fa raha izany, hataon' Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7. For if the truth of God hath more abounded through my lie unto his glory; why yet am I also judged as a sinner?
7. Et si, par mon mensonge, la vérité de Dieu éclate davantage pour sa gloire, pourquoi suis-je moi-même encore jugé comme pécheur?
7. Fa raha ny fahamarinan' Andriamanitra kosa no nitombo tamin' ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota ihany koa?
8. And not rather, (as we be slanderously reported, and as some affirm that we say,) Let us do evil, that good may come? whose damnation is just.
8. Et pourquoi ne ferions-nous pas le mal afin qu`il en arrive du bien, comme quelques-uns, qui nous calomnient, prétendent que nous le disons? La condamnation de ces gens est juste.
8. Ary nahoana no tsy hanao ratsy hiavian' ny soa isika, (araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan' ny sasany anay). Marina ny fanamelohana ireny.
9. What then? are we better than they? No, in no wise: for we have before proved both Jews and Gentiles, that they are all under sin;
9. Quoi donc! sommes-nous plus excellents? Nullement. Car nous avons déjà prouvé que tous, Juifs et Grecs, sont sous l`empire du péché,
9. "Ahoana àry? Moa tsara kokoa noho ireny va isika? Tsia, tsy akory; fa efa voaporofontsika rahateo ho ambanin' ny ota avokoa na Jiosy na Jentilisa;"
10. As it is written, There is none righteous, no, not one:
10. "selon qu`il est écrit: Il n`y a point de juste, Pas même un seul;"
10. Araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina, na dia iray akory aza.
11. There is none that understandeth, there is none that seeketh after God.
11. "Nul n`est intelligent, Nul ne cherche Dieu; Tous sont égarés, tous sont pervertis;"
11. Tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an' Andriamanitra.
12. They are all gone out of the way, they are together become unprofitable; there is none that doeth good, no, not one.
12. "Il n`en est aucun qui fasse le bien, Pas même un seul;"
12. "Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara izy, na dia iray akory aza"
13. Their throat is an open sepulchre; with their tongues they have used deceit; the poison of asps is under their lips:
13. "Leur gosier est un sépulcre ouvert; Ils se servent de leurs langues pour tromper; Ils ont sous leurs lèvres un venin d`aspic;"
13. "Fasana misokatra ny tendany; ny lelany no anaovany fitaka; ny poizin' ny menarana no ao ambanin' ny molony"
14. Whose mouth is full of cursing and bitterness:
14. "Leur bouche est pleine de malédiction et d`amertume;"
14. "Feno ozona sy fangidiana ny vavany;"
15. Their feet are swift to shed blood:
15. "Ils ont les pieds légers pour répandre le sang;"
15. "Ny tongony mimaona handatsa-dra;"
16. Destruction and misery are in their ways:
16. "La destruction et le malheur sont sur leur route;"
16. "Fandravana sy fandringanana no eo amin' ny alehany;"
17. And the way of peace have they not known:
17. "Ils ne connaissent pas le chemin de la paix;"
17. "Ary ny lalan' ny fiadanana dia tsy fantany;"
18. There is no fear of God before their eyes.
18. La crainte de Dieu n`est pas devant leurs yeux.
18. Tsy misy fahatahorana an' Andriamanitra eo anoloan' ny masony
19. Now we know that what things soever the law saith, it saith to them who are under the law: that every mouth may be stopped, and all the world may become guilty before God.
19. Or, nous savons que tout ce que dit la loi, elle le dit à ceux qui sont sous la loi, afin que toute bouche soit fermée, et que tout le monde soit reconnu coupable devant Dieu.
19. Ary fantatsika fa izay zavatra lazain' ny lalàna dia lazainy amin' izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ary ho meloka eo anatrehan' Andriamanitra izao tontolo izao.
20. Therefore by the deeds of the law there shall no flesh be justified in his sight: for by the law is the knowledge of sin.
20. Car nul ne sera justifié devant lui par les oeuvres de la loi, puisque c`est par la loi que vient la connaissance du péché.
20. "Noho izany, tsy misy nofo hohamarinina amin' ny asan' ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana ny amin' ny ota."
21. But now the righteousness of God without the law is manifested, being witnessed by the law and the prophets;
21. Mais maintenant, sans la loi est manifestée la justice de Dieu, à laquelle rendent témoignage la loi et les prophètes,
21. Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra, tsy amin' ny lalàna anefa, fa ambaran' ny lalàna sy ny mpaminany,
22. Even the righteousness of God which is by faith of Jesus Christ unto all and upon all them that believe: for there is no difference:
22. justice de Dieu par la foi en Jésus Christ pour tous ceux qui croient. Il n`y a point de distinction.
22. "Dia ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra amin' ny finoana an' i Jesosy Kristy ho an' ny olona rehetra sy ho an' izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,"
23. For all have sinned, and come short of the glory of God;
23. "Car tous ont péché et sont privés de la gloire de Dieu;"
23. Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra,
24. Being justified freely by his grace through the redemption that is in Christ Jesus:
24. et ils sont gratuitement justifiés par sa grâce, par le moyen de la rédemption qui est en Jésus Christ.
24. Nefa hamarinina maimaimpoana amin' ny fahasoavany izy noho ny fanavotana Izay ao amin' i Kristy Jesosy,
25. Whom God hath set forth to be a propitiation through faith in his blood, to declare his righteousness for the remission of sins that are past, through the forbearance of God;
25. C`est lui que Dieu a destiné, par son sang, à être, pour ceux qui croiraient victime propitiatoire, afin de montrer sa justice, parce qu`il avait laissé impunis les péchés commis auparavant, au temps de sa patience, afin, dis-je,
25. "Izay nasehon' Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana amin' ny finoana ny rany, hanehoana ny fahamarinany amin' ny famelany ny fahotana lasa noho ny fandeferan' Andriamanitra;"
26. To declare, I say, at this time his righteousness: that he might be just, and the justifier of him which believeth in Jesus.
26. de montrer sa justice dans le temps présent, de manière à être juste tout en justifiant celui qui a la foi en Jésus.
26. Hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, hoy aho, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an' i Jesosy.
27. Where is boasting then? It is excluded. By what law? of works? Nay: but by the law of faith.
27. Où donc est le sujet de se glorifier? Il est exclu. Par quelle loi? Par la loi des oeuvres? Non, mais par la loi de la foi.
27. Aiza àry ny fireharehana? Efa foana izany. Amin' ny lalàna manao ahoana? amin' ny asa va? Tsia, fa amin' ny lalàn' ny finoana.
28. Therefore we conclude that a man is justified by faith without the deeds of the law.
28. Car nous pensons que l`homme est justifié par la foi, sans les oeuvres de la loi.
28. Koa amin' izany dia fehezintsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan' ny lalàna.
29. Is he the God of the Jews only? is he not also of the Gentiles? Yes, of the Gentiles also:
29. Ou bien Dieu est-il seulement le Dieu des Juifs? Ne l`est-il pas aussi des païens? Oui, il l`est aussi des païens,
29. "Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an' ny Jentilisa koa? Eny, an' ny Jentilisa koa;"
30. Seeing it is one God, which shall justify the circumcision by faith, and uncircumcision through faith.
30. puisqu`il y a un seul Dieu, qui justifiera par la foi les circoncis, et par la foi les incirconcis.
30. Fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin' ny finoana.
31. Do we then make void the law through faith? God forbid: yea, we establish the law.
31. Anéantissons-nous donc la loi par la foi? Loin de là! Au contraire, nous confirmons la loi.
31. Koa mahafoana ny lalàna amin' ny finoana va isika? Sanatria izany! Eny, fa mampiorina ny lalàna isika.
<
>