1. I beseech you therefore, brethren, by the mercies of God, that ye present your bodies a living sacrifice, holy, acceptable unto God, which is your reasonable service.
1. Je vous exhorte donc, frères, par les compassions de Dieu, à offrir vos corps comme un sacrifice vivant, saint, agréable à Dieu, ce qui sera de votre part un culte raisonnable.
1. Koa amin' izany miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon' Andriamanitra, mba atolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak' Andriamanitra, izay fanompoana mety ataonareo.
2. And be not conformed to this world: but be ye transformed by the renewing of your mind, that ye may prove what is that good, and acceptable, and perfect, will of God.
2. Ne vous conformez pas au siècle présent, mais soyez transformés par le renouvellement de l`intelligence, afin que vous discerniez quelle est la volonté de Dieu, ce qui est bon, agréable et parfait.
2. "Ary aza manaraka ny fanaon' izao tontolo izao; fa miovà amin' ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon' Andriamanitra izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka."
3. For I say, through the grace given unto me, to every man that is among you, not to think of himself more highly than he ought to think; but to think soberly, according as God hath dealt to every man the measure of faith.
3. Par la grâce qui m`a été donnée, je dis à chacun de vous de n`avoir pas de lui-même une trop haute opinion, mais de revêtir des sentiments modestes, selon la mesure de foi que Dieu a départie à chacun.
3. "Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin' ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain' Andriamanitra ho an' ny tsirairay avy."
4. For as we have many members in one body, and all members have not the same office:
4. Car, comme nous avons plusieurs membres dans un seul corps, et que tous les membres n`ont pas la même fonction,
4. Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
5. So we, being many, are one body in Christ, and every one members one of another.
5. ainsi, nous qui sommes plusieurs, nous formons un seul corps en Christ, et nous sommes tous membres les uns des autres.
5. Dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin' i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
6. Having then gifts differing according to the grace that is given to us, whether prophecy, let us prophesy according to the proportion of faith;
6. "Puisque nous avons des dons différents, selon la grâce qui nous a été accordée, que celui qui a le don de prophétie l`exerce selon l`analogie de la foi;"
6. "Satria samy manana ny fanomezana araka ny fahasoavana nomena antsika isika, raha faminaniana, dia aoka haminany araka ny ohatry ny finoana;"
7. Or ministry, let us wait on our ministering: or he that teacheth, on teaching;
7. "que celui qui est appelé au ministère s`attache à son ministère; que celui qui enseigne s`attache à son enseignement,"
7. "Raha asa fanompoana amin' ny fiangonana, dia aoka ho amin' ny asa fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin' ny fampianarana;"
8. Or he that exhorteth, on exhortation: he that giveth, let him do it with simplicity; he that ruleth, with diligence; he that sheweth mercy, with cheerfulness.
8. "et celui qui exhorte à l`exhortation. Que celui qui donne le fasse avec libéralité; que celui qui préside le fasse avec zèle; que celui qui pratique la miséricorde le fasse avec joie."
8. "Raha mananatra, dia aoka ho amin' ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin' ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin' ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin' ny fifaliana."
9. Let love be without dissimulation. Abhor that which is evil; cleave to that which is good.
9. "Que la charité soit sans hypocrisie. Ayez le mal en horreur; attachez-vous fortement au bien."
9. "Aoka ny fitiavana ho amin' ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin' ny tsara."
10. Be kindly affectioned one to another with brotherly love; in honour preferring one another;
10. "Par amour fraternel, soyez pleins d`affection les uns pour les autres; par honneur, usez de prévenances réciproques."
10. "Mifankatiava araka ny fifankatiavan' ny mpirahalahy; mitariha lalana amin' ny fifanomezam-boninahitra."
11. Not slothful in business; fervent in spirit; serving the Lord;
11. Ayez du zèle, et non de la paresse. Soyez fervents d`esprit. Servez le Seigneur.
11. Aza malaina amin' ny asa aman-draharaha, aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12. Rejoicing in hope; patient in tribulation; continuing instant in prayer;
12. Réjouissez-vous en espérance. Soyez patients dans l`affliction. Persévérez dans la prière.
12. "Mifalia amin' ny fanantenana; miareta amin' ny fahoriana; mahareta amin' ny fivavahana."
13. Distributing to the necessity of saints; given to hospitality.
13. Pourvoyez aux besoins des saints. Exercez l`hospitalité.
13. "Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mampiantranoa vahiny."
14. Bless them which persecute you: bless, and curse not.
14. Bénissez ceux qui vous persécutent, bénissez et ne maudissez pas.
14. "Misaora izay manenjika anareo; misaora, ary aza manozona."
15. Rejoice with them that do rejoice, and weep with them that weep.
15. "Réjouissez-vous avec ceux qui se réjouissent; pleurez avec ceux qui pleurent."
15. Miaraha mifaly amin' izay mifaly, ary miaraha mitomany amin' izay mitomany.
16. Be of the same mind one toward another. Mind not high things, but condescend to men of low estate. Be not wise in your own conceits.
16. Ayez les mêmes sentiments les uns envers les autres. N`aspirez pas à ce qui est élevé, mais laissez-vous attirer par ce qui est humble. Ne soyez point sages à vos propres yeux.
16. Miraisa saina.Aza mihevitra izay zavatra ambony, fa manetre tena amin' ny malahelo. Aza manao ny tenanao ho hendry amin' ny fisainanao.
17. Recompense to no man evil for evil. Provide things honest in the sight of all men.
17. Ne rendez à personne le mal pour le mal. Recherchez ce qui est bien devant tous les hommes.
17. Aza mamaly ratsy ny ratsy. Katsaho izay zavatra mendrika eo imason' ny olona rehetra.
18. If it be possible, as much as lieth in you, live peaceably with all men.
18. S`il est possible, autant que cela dépend de vous, soyez en paix avec tous les hommes.
18. Raha azo atao, fa miankina aminareo ihany, dia ataovy izay hihavananareo amin' ny olona rehetra.
19. Dearly beloved, avenge not yourselves, but rather give place unto wrath: for it is written, Vengeance is mine; I will repay, saith the Lord.
19. "Ne vous vengez point vous-mêmes, bien-aimés, mais laissez agir la colère; car il est écrit: A moi la vengeance, à moi la rétribution, dit le Seigneur."
19. "Ry malala indrindra, aza mamaly ratsy, fa omeo alàlana hiasa ny fahatezeran' Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah"
20. Therefore if thine enemy hunger, feed him; if he thirst, give him drink: for in so doing thou shalt heap coals of fire on his head.
20. "Mais si ton ennemi a faim, donne-lui à manger; s`il a soif, donne-lui à boire; car en agissant ainsi, ce sont des charbons ardents que tu amasseras sur sa tête."
20. "Koa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany"
21. Be not overcome of evil, but overcome evil with good.
21. Ne te laisse pas vaincre par le mal, mais surmonte le mal par le bien.
21. Aza mety ho resin' ny ratsy ianao, fa reseo amin' ny soa ny ratsy.