1. Be not thou envious against evil men, neither desire to be with them.
1. "Ne porte pas envie aux hommes méchants, Et ne désire pas être avec eux;"
1. AZA mialona ny olona ratsy fanahy, na maniry hiaraka aminy.
2. For their heart studieth destruction, and their lips talk of mischief.
2. Car leur coeur médite la ruine, Et leurs lèvres parlent d`iniquité.
2. Fa fandravana no saintsainin' ny fony, ary fampahoriana no tenenin' ny molony.
3. Through wisdom is an house builded; and by understanding it is established:
3. "C`est par la sagesse qu`une maison s`élève, Et par l`intelligence qu`elle s`affermit;"
3. "Fahendrena no anaovana ny trano; ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;"
4. And by knowledge shall the chambers be filled with all precious and pleasant riches.
4. C`est par la science que les chambres se remplissent De tous les biens précieux et agréables.
4. Sady fahalalana no hamenoana ny efitrano amin' izay harena sarobidy sy mahafinaritra rehetra.
5. A wise man is strong; yea, a man of knowledge increaseth strength.
5. "Un homme sage est plein de force, Et celui qui a de la science affermit sa vigueur;"
5. Mahery ny lehilahy hendry, eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana.
6. For by wise counsel thou shalt make thy war: and in multitude of counsellors there is safety.
6. Car tu feras la guerre avec prudence, Et le salut est dans le grand nombre des conseillers.
6. "Fa ny fahaiza-mandamina no entonao miady; ary ny habetsahan' ny mpanolo-tsaina no hisian' ny famonjena."
7. Wisdom is too high for a fool: he openeth not his mouth in the gate.
7. "La sagesse est trop élevée pour l`insensé; Il n`ouvrira pas la bouche à la porte."
7. "Avo loatra ho an' ny adala ny fahendrena; tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy."
8. He that deviseth to do evil shall be called a mischievous person.
8. Celui qui médite de faire le mal S`appelle un homme plein de malice.
8. Izay misaintsaina hanao ratsy dia hatao hoe olona mpamoron-tsain-dratsy.
9. The thought of foolishness is sin: and the scorner is an abomination to men.
9. La pensée de la folie n`est que péché, Et le moqueur est en abomination parmi les hommes.
9. "Ota ny fisainan' ny fahadalana; ary fahavetavetana amin' ny olona ny mpaniratsira."
10. If thou faint in the day of adversity, thy strength is small.
10. Si tu faiblis au jour de la détresse, Ta force n`est que détresse.
10. Raha reraka amin' ny andro fahoriana ianao, dia kely ny herinao.
11. If thou forbear to deliver them that are drawn unto death, and those that are ready to be slain;
11. Délivre ceux qu`on traîne à la mort, Ceux qu`on va égorger, sauve-les!
11. "Raha mamihin-tena tsy hamonjy izay efa ho faty sy izay efa mby eo am-pamonoana ianao;"
12. If thou sayest, Behold, we knew it not; doth not he that pondereth the heart consider it? and he that keepeth thy soul, doth not he know it? and shall not he render to every man according to his works?
12. Si tu dis: Ah! nous ne savions pas!... Celui qui pèse les coeurs ne le voit-il pas? Celui qui veille sur ton âme ne le connaît-il pas? Et ne rendra-t-il pas à chacun selon ses oeuvres?
12. "Raha hoy ianao: Indro, tsy fantatray izany; moa izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary izay mitandrina ny fanahinao, moa tsy hahalala izany va? Ary tsy hamaly ny olona rehetra araka ny asany va Izy?"
13. My son, eat thou honey, because it is good; and the honeycomb, which is sweet to thy taste:
13. "Mon fils, mange du miel, car il est bon; Un rayon de miel sera doux à ton palais."
13. "Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, sy toho-tantely, izay mamy raha andramanao;"
14. So shall the knowledge of wisdom be unto thy soul: when thou hast found it, then there shall be a reward, and thy expectation shall not be cut off.
14. "De même, connais la sagesse pour ton âme; Si tu la trouves, il est un avenir, Et ton espérance ne sera pas anéantie."
14. "Aoka ho toy izany no fahalalana fahendrena ho an' ny fanahinao; fa raha azonao izany, dia hisy valisoa, ka tsy ho foana ny fanantenanao."
15. Lay not wait, O wicked man, against the dwelling of the righteous; spoil not his resting place:
15. "Ne tends pas méchamment des embûches à la demeure du juste, Et ne dévaste pas le lieu où il repose;"
15. Aza manotrika eo akaikin' ny tranon' ny marina, ry ilay ratsy fanahy, ary aza ravana ny fonenany.
16. For a just man falleth seven times, and riseth up again: but the wicked shall fall into mischief.
16. Car sept fois le juste tombe, et il se relève, Mais les méchants sont précipités dans le malheur.
16. "Fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany; fa ny ratsy fanahy ho lavo ao anaty loza."
17. Rejoice not when thine enemy falleth, and let not thine heart be glad when he stumbleth:
17. Ne te réjouis pas de la chute de ton ennemi, Et que ton coeur ne soit pas dans l`allégresse quand il chancelle,
17. "Aza ravoravo, raha lavo ny fahavalonao, ary aoka tsy ho faly ny fonao raha tafintohina izy;"
18. Lest the LORD see it, and it displease him, and he turn away his wrath from him.
18. De peur que l`Éternel ne le voie, que cela ne lui déplaise, Et qu`il ne détourne de lui sa colère.
18. Fandrao hitan' i Jehovah izany ka tsy ho tiany, ary ampialàny aminy ny fahatezerany.
19. Fret not thyself because of evil men, neither be thou envious at the wicked;
19. "Ne t`irrite pas à cause de ceux qui font le mal, Ne porte pas envie aux méchants;"
19. "Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin' ny mpanao ratsy, ary aza mialona ny ratsy fanahy;"
20. For there shall be no reward to the evil man; the candle of the wicked shall be put out.
20. Car il n`y a point d`avenir pour celui qui fait le mal, La lampe des méchants s`éteint.
20. "Fa tsy hisy fiafarana tsara ho an' ny mpanao ratsy; ho faty ny jiron' ny ratsy fanahy."
21. My son, fear thou the LORD and the king: and meddle not with them that are given to change:
21. "Mon fils, crains l`Éternel et le roi; Ne te mêle pas avec les hommes remuants;"
21. "Anaka, matahora an' i Jehovah sy ny mpanjaka; ary aza mikambana amin' ireo izay miovaova;"
22. For their calamity shall rise suddenly; and who knoweth the ruin of them both?
22. Car soudain leur ruine surgira, Et qui connaît les châtiments des uns et des autres?
22. Fa ho tampoka ny loza hanjo ireo, ary iza no mahalala ny fandringanana iretsy roa iretsy?
Further Sayings of the Wise
23. These things also belong to the wise. It is not good to have respect of persons in judgment.
23. Voici encore ce qui vient des sages: Il n`est pas bon, dans les jugements, d`avoir égard aux personnes.
23. Izao koa no an' ny hendry. Tsy tsara raha mizaha tavan' olona amin' ny fitsarana.
24. He that saith unto the wicked, Thou art righteous; him shall the people curse, nations shall abhor him:
24. Celui qui dit au méchant: Tu es juste! Les peuples le maudissent, les nations le maudissent.
24. Izay manao amin' ny ratsy fanahy hoe: Marina ianao, dia hozonin' ny olona sady ho halan' ny firenena.
25. But to them that rebuke him shall be delight, and a good blessing shall come upon them.
25. Mais ceux qui le châtient s`en trouvent bien, Et le bonheur vient sur eux comme une bénédiction.
25. Fa izay mananatra azy dia hifaly, sady hahazo fitahiana tsara.
26. Every man shall kiss his lips that giveth a right answer.
26. Il baise les lèvres, Celui qui répond des paroles justes.
26. Horohana ny molotr' izay manome valin-teny marina.
27. Prepare thy work without, and make it fit for thyself in the field; and afterwards build thine house.
27. Soigne tes affaires au dehors, Mets ton champ en état, Puis tu bâtiras ta maison.
27. Amboary ny asanao eny ivelany, ary ataovy lavorary ny any an-tsaha, ka rehefa vita izany, dia manaova ny tranonao.
28. Be not a witness against thy neighbour without cause; and deceive not with thy lips.
28. "Ne témoigne pas à la légère contre ton prochain; Voudrais-tu tromper par tes lèvres?"
28. "Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; ary aza mamitaka amin' ny molotrao."
29. Say not, I will do so to him as he hath done to me: I will render to the man according to his work.
29. Ne dis pas: Je lui ferai comme il m`a fait, Je rendrai à chacun selon ses oeuvres.
29. Aza manao hoe: araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, hovaliako ny olona araka izay nataony.
30. I went by the field of the slothful, and by the vineyard of the man void of understanding;
30. J`ai passé près du champ d`un paresseux, Et près de la vigne d`un homme dépourvu de sens.
30. "Nandalo ny sahan' ny kamo sy ny tanimboaloboky ny tsy ampy fahalalana aho;"
31. And, lo, it was all grown over with thorns, and nettles had covered the face thereof, and the stone wall thereof was broken down.
31. Et voici, les épines y croissaient partout, Les ronces en couvraient la face, Et le mur de pierres était écroulé.
31. Fa, indro, feno tsilo izy sady voasaron' ny amiana, ary mirodana ny manda vatony.
32. Then I saw, and considered it well: I looked upon it, and received instruction.
32. J`ai regardé attentivement, Et j`ai tiré instruction de ce que j`ai vu.
32. Dia nojereko sy noheveriko tsara, eny, hitako ka nahazoako anatra.
33. Yet a little sleep, a little slumber, a little folding of the hands to sleep:
33. Un peu de sommeil, un peu d`assoupissement, Un peu croiser les mains pour dormir!...
33. "Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tanana kely hatory;"
34. So shall thy poverty come as one that travelleth; and thy want as an armed man.
34. Et la pauvreté te surprendra, comme un rôdeur, Et la disette, comme un homme en armes.
34. "Dia ho tonga toy ny mimaona ny fahantranao; ary ny tsy fahampiana eo aminao ho toy ny lehilahy mitam-piadiana."