1. A GOOD name is rather to be chosen than great riches, and loving favour rather than silver and gold.
1. La réputation est préférable à de grandes richesses, Et la grâce vaut mieux que l`argent et que l`or.
1. "Aleo ho laza tsara toy izay harena be; ary aleo ny fankasitrahana amin' ny fitiavana toy izay volafotsy sy volamena."
2. The rich and poor meet together: the LORD is the maker of them all.
2. "Le riche et le pauvre se rencontrent; C`est l`Éternel qui les a faits l`un et l`autre."
2. "Mihaona ny manankarena sy ny mahantra; fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta."
3. A prudent man foreseeth the evil, and hideth himself: but the simple pass on, and are punished.
3. L`homme prudent voit le mal et se cache, Mais les simples avancent et sont punis.
3. "Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa."
4. By humility and the fear of the LORD are riches, and honour, and life.
4. Le fruit de l`humilité, de la crainte de l`Éternel, C`est la richesse, la gloire et la vie.
4. Ny valin' ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an' i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5. Thorns and snares are in the way of the froward: he that doth keep his soul shall be far from them.
5. "Des épines, des pièges sont sur la voie de l`homme pervers; Celui qui garde son âme s`en éloigne."
5. "Tsilo sy fandrika no amin' ny alehan' ny maditra; fa izay te-hiaro ny fanahiny dia manalavitra izany."
6. Train up a child in the way he should go: and when he is old, he will not depart from it.
6. "Instruis l`enfant selon la voie qu`il doit suivre; Et quand il sera vieux, il ne s`en détournera pas."
6. Zaro amin' izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na efa antitra aza izy, dia tsy hiala amin' izany.
7. The rich ruleth over the poor, and the borrower is servant to the lender.
7. Le riche domine sur les pauvres, Et celui qui emprunte est l`esclave de celui qui prête.
7. Ny manankarena dia manapaka ny mahantra, ary ny mpisambotra dia mpanompon' ny mpampisambotra.
8. He that soweth iniquity shall reap vanity: and the rod of his anger shall fail.
8. Celui qui sème l`iniquité moissonne l`iniquité, Et la verge de sa fureur disparaît.
8. "Izay mamafy heloka dia hijinja zava-poana; ary ho levona ny tsorakazon' ny fahatezerany."
9. He that hath a bountiful eye shall be blessed; for he giveth of his bread to the poor.
9. L`homme dont le regard est bienveillant sera béni, Parce qu`il donne de son pain au pauvre.
9. "Izay manana maso miantra hotahiana; satria anomezany ho an' ny mahantra ny haniny."
10. Cast out the scorner, and contention shall go out; yea, strife and reproach shall cease.
10. "Chasse le moqueur, et la querelle prendra fin; Les disputes et les outrages cesseront."
10. Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baràka.
11. He that loveth pureness of heart, for the grace of his lips the king shall be his friend.
11. Celui qui aime la pureté du coeur, Et qui a la grâce sur les lèvres, a le roi pour ami.
11. Izay tia fahadiovam-po, ka milaza soa ny molony, dia ho sakaizan' ny mpanjaka.
12. The eyes of the LORD preserve knowledge, and he overthroweth the words of the transgressor.
12. Les yeux de l`Éternel gardent la science, Mais il confond les paroles du perfide.
12. Ny mason' i Jehovah miaro ny fahalalana, fa ny tenin' ny mpivadika dia foanany.
13. The slothful man saith, There is a lion without, I shall be slain in the streets.
13. Le paresseux dit: Il y a un lion dehors! Je serai tué dans les rues!
13. "Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; ho fatin' ny sasany any an-dalambe aho."
14. The mouth of strange women is a deep pit: he that is abhorred of the LORD shall fall therein.
14. "La bouche des étrangères est une fosse profonde; Celui contre qui l`Éternel est irrité y tombera."
14. "Ny vavan' ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; izay voaozon' i Jehovah no ho latsaka ao."
15. Foolishness is bound in the heart of a child; but the rod of correction shall drive it far from him.
15. "La folie est attachée au coeur de l`enfant; La verge de la correction l`éloignera de lui."
15. Miraikitra amin' ny fon' ny zaza ny hadalana fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16. He that oppresseth the poor to increase his riches, and he that giveth to the rich, shall surely come to want.
16. Opprimer le pauvre pour augmenter son bien, C`est donner au riche pour n`arriver qu`à la disette.
16. Izay mampahory ny mahantra mba hampitombo ny hareny, sy izay manome ho an' ny manankarena dia tonga mahantra tokoa.
Sayings of the Wise
17. Bow down thine ear, and hear the words of the wise, and apply thine heart unto my knowledge.
17. "Prête l`oreille, et écoute les paroles des sages; Applique ton coeur à ma science."
17. "Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin' ny hendry ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;"
18. For it is a pleasant thing if thou keep them within thee; they shall withal be fitted in thy lips.
18. Car il est bon que tu les gardes au dedans de toi, Et qu`elles soient toutes présentes sur tes lèvres.
18. Fa zava-mahafinaritra raha voatahirinao ao anatinao izany, ka ho voaomana koa eo amin' ny molotrao.
19. That thy trust may be in the LORD, I have made known to thee this day, even to thee.
19. Afin que ta confiance repose sur l`Éternel, Je veux t`instruire aujourd`hui, oui, toi.
19. Ianao dia ianao no nampahafantariko izany androany, mba hitokianao amin' i Jehovah.
20. Have not I written to thee excellent things in counsels and knowledge,
20. N`ai-je pas déjà pour toi mis par écrit Des conseils et des réflexions,
20. Tsy efa nanoratra zava-tsoa indrindra ho anao va aho, tamin' ny tolo-tsaina sy ny fahalalana,
21. That I might make thee know the certainty of the words of truth; that thou mightest answer the words of truth to them that send unto thee?
21. Pour t`enseigner des choses sûres, des paroles vraies, Afin que tu répondes par des paroles vraies à celui qui t`envoie?
21. Mba hampahafantariko ny fahamarinan' ny teny mahatoky ianao sy hahazoanao teny mahatoky holazaina amin' izay naniraka ho aminao?
22. Rob not the poor, because he is poor: neither oppress the afflicted in the gate:
22. "Ne dépouille pas le pauvre, parce qu`il est pauvre, Et n`opprime pas le malheureux à la porte;"
22. "Aza mandroba ny mahantra saingy mahantra izy; ary aza dia mampijaly ny ory eo am-bavahady;"
23. For the LORD will plead their cause, and spoil the soul of those that spoiled them.
23. Car l`Éternel défendra leur cause, Et il ôtera la vie à ceux qui les auront dépouillés.
23. Fa Jehovah hisolo vava azy amin' ny adiny ary hanimba ny fanahin' izay manimba azy.
24. Make no friendship with an angry man; and with a furious man thou shalt not go:
24. Ne fréquente pas l`homme colère, Ne va pas avec l`homme violent,
24. "Aza misakaiza amin' ny olona foizina ary aza miara-dia amin' ny olona mora misafoaka;"
25. Lest thou learn his ways, and get a snare to thy soul.
25. De peur que tu ne t`habitues à ses sentiers, Et qu`ils ne deviennent un piège pour ton âme.
25. Fandrao mianatra ny fanaony ianao, ka mahazo fandrika ho an' ny fanahinao.
26. Be not thou one of them that strike hands, or of them that are sureties for debts.
26. "Ne sois pas parmi ceux qui prennent des engagements, Parmi ceux qui cautionnent pour des dettes;"
26. Aza mety ho isan' izay mifandray tanana, na izay mianto-trosa.
27. If thou hast nothing to pay, why should he take away thy bed from under thee?
27. Si tu n`as pas de quoi payer, Pourquoi voudrais-tu qu`on enlève ton lit de dessous toi?
27. Raha tsy manan-kaloa ianao, nahoana no dia halainy ny fandriana andrianao?
28. Remove not the ancient landmark, which thy fathers have set.
28. Ne déplace pas la borne ancienne, Que tes pères ont posée.
28. Aza manakisaka ny fari-tany ela, izay naorin' ny razanao.
29. Seest thou a man diligent in his business? he shall stand before kings; he shall not stand before mean men.
29. "Si tu vois un homme habile dans son ouvrage, Il se tient auprès des rois; Il ne se tient pas auprès des gens obscurs."
29. Mahita olona mailaka amin' ny raharahany va ianao? Eo anatrehan' ny mpanjaka no hitsanganany, fa tsy hitsangana eo anatrehan' ny olona ambany izy.