Further Opposition to the Rebuilding
1. Now it came to pass, when Sanballat, and Tobiah, and Geshem the Arabian, and the rest of our enemies, heard that I had builded the wall, and that there was no breach left therein; (though at that time I had not set up the doors upon the gates;)
1. Je n`avais pas encore posé les battants des portes, lorsque Sanballat, Tobija, Guéschem, l`Arabe, et nos autres ennemis apprirent que j`avais rebâti la muraille et qu`il n`y restait plus de brèche.
1. Ary izao no niseho, rehefa ren' i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin' ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga tavela intsony (kanefa tamin' izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
2. That Sanballat and Geshem sent unto me, saying, Come, let us meet together in some one of the villages in the plain of Ono. But they thought to do me mischief.
2. Alors Sanballat et Guéschem m`envoyèrent dire: Viens, et ayons ensemble une entrevue dans les villages de la vallée d`Ono. Ils avaient médité de me faire du mal.
2. Dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin' ny vohitra anankiray amin' ny tany lemak' i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
3. And I sent messengers unto them, saying, I am doing a great work, so that I cannot come down: why should the work cease, whilst I leave it, and come down to you?
3. "Je leur envoyai des messagers avec cette réponse: J`ai un grand ouvrage à exécuter, et je ne puis descendre; le travail serait interrompu pendant que je quitterais pour aller vers vous."
3. "Dia nandefa iraka hankany aminy aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hatsahatro ny asa sady hilaozako, ka hidina any aminareo aho?"
4. Yet they sent unto me four times after this sort; and I answered them after the same manner.
4. Ils m`adressèrent quatre fois la même demande, et je leur fis la même réponse.
4. "Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa."
5. Then sent Sanballat his servant unto me in like manner the fifth time with an open letter in his hand;
5. Sanballat m`envoya ce message une cinquième fois par son serviteur, qui tenait à la main une lettre ouverte.
5. Dia nirahin' i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tanany,
6. Wherein was written, It is reported among the heathen, and Gashmu saith it, that thou and the Jews think to rebel: for which cause thou buildest the wall, that thou mayest be their king, according to these words.
6. Il y était écrit: Le bruit se répand parmi les nations et Gaschmu affirme que toi et les Juifs vous pensez à vous révolter, et que c`est dans ce but que tu rebâtis la muraille. Tu vas, dit-on, devenir leur roi,
6. "Izay nisy soratra hoe; Efa mahoraka any amin' ny jentilisa, sady lazain' i Gasmoa fa ianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany ianao."
7. And thou hast also appointed prophets to preach of thee at Jerusalem, saying, There is a king in Judah: and now shall it be reported to the king according to these words. Come now therefore, and let us take counsel together.
7. tu as même établi des prophètes pour te proclamer à Jérusalem roi de Juda. Et maintenant ces choses arriveront à la connaissance du roi. Viens donc, et consultons-nous ensemble.
7. "Ary efa nanendry mpaminany koa ianao hilaza anao any Jerosalema, manao hoe: Misy mpanjaka any Joda; ary ankehitriny, dia hotanterina any amin' ny mpanjaka araka izany teny izany. Koa avia isika hiara-mihevitra."
8. Then I sent unto him, saying, There are no such things done as thou sayest, but thou feignest them out of thine own heart.
8. "Je fis répondre à Sanballat: Ce que tu dis là n`est pas; c`est toi qui l`inventes!"
8. Dia naniraka ho any aminy aho hanao hoe: Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.
9. For they all made us afraid, saying, Their hands shall be weakened from the work, that it be not done. Now therefore, O God, strengthen my hands.
9. Tous ces gens voulaient nous effrayer, et ils se disaient: Ils perdront courage, et l`oeuvre ne se fera pas. Maintenant, ô Dieu, fortifie-moi!
9. Fa nampitahotra anay izy rehetra nanao hoe: hihareraka amin' ny asa ny tanany ka tsy hahatontosa izany. Koa ankehitriny ampaherezo ny tanako, Andriamanitro ô!
10. Afterward I came unto the house of Shemaiah the son of Delaiah the son of Mehetabeel, who was shut up; and he said, Let us meet together in the house of God, within the temple, and let us shut the doors of the temple: for they will come to slay thee; yea, in the night will they come to slay thee.
10. "Je me rendis chez Schemaeja, fils de Delaja, fils de Mehétabeel. Il s`était enfermé, et il dit: Allons ensemble dans la maison de Dieu, au milieu du temple, et fermons les portes du temple; car ils viennent pour te tuer, et c`est pendant la nuit qu`ils viendront pour te tuer."
10. "Ary taorian' izany aho dia tonga tao amin' ny tranon' i Semaia, zanak' i Delaia, zanak' i Mehetabela, izay nihidy an-trano ka nanao hoe: aoka isika hihaona ao an-tranon' Andriamanitra ao anatin' ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavaran' ny tempoly, fa ho avy hamono anao izy; eny, ho avy amin' ny alina izy hamono anao."
11. And I said, Should such a man as I flee? and who is there, that, being as I am, would go into the temple to save his life? I will not go in.
11. Je répondis: Un homme comme moi prendre la fuite! Et quel homme tel que moi pourrait entrer dans le temple et vivre? Je n`entrerai point.
11. Fa hoy aho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra ao amin' ny tempoly hamonjy ny ainy? Tsy hiditra ao aho.
12. And, lo, I perceived that God had not sent him; but that he pronounced this prophecy against me: for Tobiah and Sanballat had hired him.
12. Et je reconnus que ce n`était pas Dieu qui l`envoyait. Mais il prophétisa ainsi sur moi parce que Sanballat et Tobija lui avaient donné de l`argent.
12. Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany izy hamelezana ahy, satria notambazan' i Tobia sy Sanbala izy.
13. Therefore was he hired, that I should be afraid, and do so, and sin, and that they might have matter for an evil report, that they might reproach me.
13. "En le gagnant ainsi, ils espéraient que j`aurais peur, et que je suivrais ses avis et commettrais un péché; et ils auraient profité de cette atteinte à ma réputation pour me couvrir d`opprobre."
13. Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy, hanaovako izany ka hanotako, mba hananany antony maharatsy laza ahy ahazoany manaratsy ahy.
14. My God, think thou upon Tobiah and Sanballat according to these their works, and on the prophetess Noadiah, and the rest of the prophets, that would have put me in fear.
14. Souviens-toi, ô mon Dieu, de Tobija et de Sanballat, et de leurs oeuvres! Souviens-toi aussi de Noadia, la prophétesse, et des autres prophètes qui cherchaient à m`effrayer!
14. Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin' i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sisa izay nampitahotra ahy.
The Completion of the Wall
15. So the wall was finished in the twenty and fifth day of the month Elul, in fifty and two days.
15. La muraille fut achevée le vingt-cinquième jour du mois d`Élul, en cinquante-deux jours.
15. Dia vita tamin' ny roa amby dimampolo andro ny manda, dia tamin' ny andro fahadimy amby roapolo tamin' ny volana Elola.
16. And it came to pass, that when all our enemies heard thereof, and all the heathen that were about us saw these things, they were much cast down in their own eyes: for they perceived that this work was wrought of our God.
16. "Lorsque tous nos ennemis l`apprirent, toutes les nations qui étaient autour de nous furent dans la crainte; elles éprouvèrent une grande humiliation, et reconnurent que l`oeuvre s`était accomplie par la volonté de notre Dieu."
16. "Ary izao no niseho, nony ren' ny fahavalonay rehetra izany, ary hitan' ny jentilisa rehetra manodidina anay izany zavatra izany dia ketraka teo imasony ihany izy; satria fantany fa Andriamanitray no nahavitana izao asa izao."
17. Moreover in those days the nobles of Judah sent many letters unto Tobiah, and the letters of Tobiah came unto them.
17. Dans ce temps-là, il y avait aussi des grands de Juda qui adressaient fréquemment des lettres à Tobija et qui en recevaient de lui.
17. Ary tamin' izany andro izany koa, ny manankaja amin' ny Joda dia nandefa taratasy maro tany amin' i Tobia, ary ny taratasy avy tamin' i Tobia kosa tonga tany aminy.
18. For there were many in Judah sworn unto him, because he was the son in law of Shechaniah the son of Arah; and his son Johanan had taken the daughter of Meshullam the son of Berechiah.
18. Car plusieurs en Juda étaient liés à lui par serment, parce qu`il était gendre de Schecania, fils d`Arach, et que son fils Jochanan avait pris la fille de Meschullam, fils de Bérékia.
18. "Fa nisy maro tany Joda efa nianiana taminy, satria vinanton' i Sekania, zanak' i Ara izy; ary Johanana zanany lahy dia efa nanambady ny zanakavavin' i Mesolama, zanak' i Berekia."
19. Also they reported his good deeds before me, and uttered my words to him. And Tobiah sent letters to put me in fear.
19. Ils disaient même du bien de lui en ma présence, et ils lui rapportaient mes paroles. Tobija envoyait des lettres pour m`effrayer.
19. Ary nilaza koa teo anatrehako ny soa nataony ireo sady nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia nandefa taratasy maro hampitahotra ahy.