Deborah
1. And the children of Israel again did evil in the sight of the LORD, when Ehud was dead.
1. Les enfants d`Israël firent encore ce qui déplaît à l`Éternel, après qu`Éhud fut mort.
1. Ary nanao izay ratsy indray teo imason' i Jehovah ny Zanak' Isiraely, rehefa maty Ehoda.
2. And the LORD sold them into the hand of Jabin king of Canaan, that reigned in Hazor; the captain of whose host was Sisera, which dwelt in Harosheth of the Gentiles.
2. Et l`Éternel les vendit entre les mains de Jabin, roi de Canaan, qui régnait à Hatsor. Le chef de son armée était Sisera, et habitait à Haroscheth Goïm.
2. Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tanan' i Jabina, mpanjakan' i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan' ny Jentilisa, no komandin' ny miaramilany.
3. And the children of Israel cried unto the LORD: for he had nine hundred chariots of iron; and twenty years he mightily oppressed the children of Israel.
3. Les enfants d`Israël crièrent à l`Éternel, car Jabin avait neuf cents chars de fer, et il opprimait avec violence les enfants d`Israël depuis vingt ans.
3. "Dia nitaraina tamin' i Jehovah ny Zanak' Isiraely; fa nanana kalesy vy sivinjato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak' Isiraely roapolo taona izy."
4. And Deborah, a prophetess, the wife of Lapidoth, she judged Israel at that time.
4. Dans ce temps-là, Débora, prophétesse, femme de Lappidoth, était juge en Israël.
4. Ary Debora, mpaminanivavy, vadin' i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin' izany fotoana izany.
5. And she dwelt under the palm tree of Deborah between Ramah and Bethel in mount Ephraim: and the children of Israel came up to her for judgment.
5. "Elle siégeait sous le palmier de Débora, entre Rama et Béthel, dans la montagne d`Éphraïm; et les enfants d`Israël montaient vers elle pour être jugés."
5. Ary nipetraka teo ambanin' ny hazo palman' i Debora izy, teo anelanelan' i Rama sy Betela tany an-tendrombohitr' i Efraima, ary niakatra ho any aminy ny Zanak' Isiraely mba hotsaraina.
6. And she sent and called Barak the son of Abinoam out of Kedeshnaphtali, and said unto him, Hath not the LORD God of Israel commanded, saying, Go and draw toward mount Tabor, and take with thee ten thousand men of the children of Naphtali and of the children of Zebulun?
6. "Elle envoya appeler Barak, fils d`Abinoam, de Kédesch Nephthali, et elle lui dit: N`est-ce pas l`ordre qu`a donné l`Éternel, le Dieu d`Israël? Va, dirige-toi sur le mont Thabor, et prends avec toi dix mille hommes des enfants de Nephthali et des enfants de Zabulon;"
6. Ary naniraka niantso an' i Baraka, zanak' i Abinoama, tany Kadesi-naftaly i Debora, ka nanao hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana ka mankanesa any an-tendrombohitr' i Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin' ny taranak' i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
7. And I will draw unto thee to the river Kishon Sisera, the captain of Jabin's army, with his chariots and his multitude; and I will deliver him into thine hand.
7. j`attirerai vers toi, au torrent de Kison, Sisera, chef de l`armée de Jabin, avec ses chars et ses troupes, et je le livrerai entre tes mains.
7. "Dia hoentiko ho eo aminao, eo amin' ny ony Kisona i Sisera, komandin' ny miaramilan' i Jabina, mbamin' ny kalesiny sy ny vahoakany marobe; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho."
8. And Barak said unto her, If thou wilt go with me, then I will go: but if thou wilt not go with me, then I will not go.
8. "Barak lui dit: Si tu viens avec moi, j`irai; mais si tu ne viens pas avec moi, je n`irai pas."
8. "Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho."
9. And she said, I will surely go with thee: notwithstanding the journey that thou takest shall not be for thine honour; for the LORD shall sell Sisera into the hand of a woman. And Deborah arose, and went with Barak to Kedesh.
9. "Elle répondit: J`irai bien avec toi; mais tu n`auras point de gloire sur la voie où tu marches, car l`Éternel livrera Sisera entre les mains d`une femme. Et Débora se leva, et elle se rendit avec Barak à Kédesch."
9. Ary hoy izy: handeha hiaraka aminao tokoa aho, kanefa tsy ho voninahitrao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan' i Jehovah an' i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin' i Baraka hankany Kadesy.
10. And Barak called Zebulun and Naphtali to Kedesh; and he went up with ten thousand men at his feet: and Deborah went up with him.
10. "Barak convoqua Zabulon et Nephthali à Kédesch; dix mille hommes marchèrent à sa suite, et Débora partit avec lui."
10. "Ary nantsoin' i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy."
11. Now Heber the Kenite, which was of the children of Hobab the father in law of Moses, had severed himself from the Kenites, and pitched his tent unto the plain of Zaanaim, which is by Kedesh.
11. Héber, le Kénien, s`était séparé des Kéniens, des fils de Hobab, beau-père de Moïse, et il avait dressé sa tente jusqu`au chêne de Tsaannaïm, près de Kédesch.
11. Ary Hebera Kenita, izay avy amin' ny taranak' i Hobaba, rafozandahin' i Mosesy, dia efa nisaraka tamin' ny Kenita ka nanorina ny lainy teo amin' ny lemak' i Zananima izay eo anilan' i Kadesy.
12. And they shewed Sisera that Barak the son of Abinoam was gone up to mount Tabor.
12. On informa Sisera que Barak, fils d`Abinoam, s`était dirigé sur le mont Thabor.
12. Ary nisy nilaza tamin' i Sisera fa Baraka, zanak' i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
13. And Sisera gathered together all his chariots, even nine hundred chariots of iron, and all the people that were with him, from Harosheth of the Gentiles unto the river of Kishon.
13. Et, depuis Haroscheth Goïm, Sisera rassembla vers le torrent de Kison tous ses chars, neuf cents chars de fer, et tout le peuple qui était avec lui.
13. Dia nangonin' i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivinjato sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan' ny Jentilisa, hankany amin' ny ony Kisona.
14. And Deborah said unto Barak, Up; for this is the day in which the LORD hath delivered Sisera into thine hand: is not the LORD gone out before thee? So Barak went down from mount Tabor, and ten thousand men after him.
14. Alors Débora dit à Barak: Lève-toi, car voici le jour où l`Éternel livre Sisera entre tes mains. L`Éternel ne marche-t-il pas devant toi? Et Barak descendit du mont Thabor, ayant dix mille hommes à sa suite.
14. "Ary hoy Debora tamin' i Baraka: Miakara, fa anio no andro efa nanoloran' i Jehovah an' i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alin-dahy nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara."
15. And the LORD discomfited Sisera, and all his chariots, and all his host, with the edge of the sword before Barak; so that Sisera lighted down off his chariot, and fled away on his feet.
15. L`Éternel mit en déroute devant Barak, par le tranchant de l`épée, Sisera, tous ses chars et tout le camp. Sisera descendit de son char, et s`enfuit à pied.
15. "Dia nampifanaritahin' i Jehovah tamin' ny lelan-tsabatra teo anoloan' i Baraka i Sisera sy ny kalesiny rehetra ary ny miaramilany rehetra; dia nidina niala tamin' ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha an-tongotra."
16. But Barak pursued after the chariots, and after the host, unto Harosheth of the Gentiles: and all the host of Sisera fell upon the edge of the sword; and there was not a man left.
16. "Barak poursuivit les chars et l`armée jusqu`à Haroscheth Goïm; et toute l`armée de Sisera tomba sous le tranchant de l`épée, sans qu`il en restât un seul homme."
16. "Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Harosetan' ny Jentilisa; dia lavon' ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan' i Sisera rehetra ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza."
17. Howbeit Sisera fled away on his feet to the tent of Jael the wife of Heber the Kenite: for there was peace between Jabin the king of Hazor and the house of Heber the Kenite.
17. "Sisera se réfugia à pied dans la tente de Jaël, femme de Héber, le Kénien; car il y avait paix entre Jabin, roi de Hatsor, et la maison de Héber, le Kénien."
17. "Ary Sisera nandositra an-tongotra ho any amin' ny lain' i Jaela, vadin' i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan' i Hazora sy ny mpianakavin' i Hebera Kenita."
18. And Jael went out to meet Sisera, and said unto him, Turn in, my lord, turn in to me; fear not. And when he had turned in unto her into the tent, she covered him with a mantle.
18. Jaël sortit au-devant de Sisera, et lui dit: Entre, mon seigneur, entre chez moi, ne crains point. Il entra chez elle dans la tente, et elle le cacha sous une couverture.
18. Dia nivoaka Jaela hitsena an' i Sisera ka nanao taminy hoe: Mivilia, tompokolahy, mivilia aty amiko, aza matahotra. Ary rehefa nivily ho ao aminy tao an-day izy, dia norakofany ny kapaoty.
19. And he said unto her, Give me, I pray thee, a little water to drink; for I am thirsty. And she opened a bottle of milk, and gave him drink, and covered him.
19. Il lui dit: Donne-moi, je te prie, un peu d`eau à boire, car j`ai soif. Elle ouvrit l`outre du lait, lui donna à boire, et le couvrit.
19. "Dia hoy Sisera tamin-dravehivavy: Masìna ianao, omeo rano kely aho hosotroiko, fa mangetaheta aho. Dia nanokatra siny hoditra fitoeran-dronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy."
20. Again he said unto her, Stand in the door of the tent, and it shall be, when any man doth come and enquire of thee, and say, Is there any man here? that thou shalt say, No.
20. Il lui dit encore: Tiens-toi à l`entrée de la tente, et si l`on vient t`interroger en disant: Y a-t-il ici quelqu`un? tu répondras: Non.
20. Dia hoy indray izy tamin-dravehivavy: Mitsangàna eo am-baravaran' ny tranolay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy lehilahy va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
21. Then Jael Heber's wife took a nail of the tent, and took an hammer in her hand, and went softly unto him, and smote the nail into his temples, and fastened it into the ground: for he was fast asleep and weary. So he died.
21. "Jaël, femme de Héber, saisit un pieu de la tente, prit en main le marteau, s`approcha de lui doucement, et lui enfonça dans la tempe le pieu, qui pénétra en terre. Il était profondément endormi et accablé de fatigue; et il mourut."
21. "Dia naka tsima-day Jaela, vadin' i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tanany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin' ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin' ny tany; fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra, ka dia maty izy."
22. And, behold, as Barak pursued Sisera, Jael came out to meet him, and said unto him, Come, and I will shew thee the man whom thou seekest. And when he came into her tent, behold, Sisera lay dead, and the nail was in his temples.
22. Comme Barak poursuivait Sisera, Jaël sortit à sa rencontre et lui dit: Viens, et je te montrerai l`homme que tu cherches. Il entra chez elle, et voici, Sisera était étendu mort, le pieu dans la tempe.
22. Ary nony, indro, avy i Baraka manenjika an' i Sisera, dia nivoaka hitsena azy i Jaela ka nanao taminy hoe: Avia aty, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao amin' ny lainy izy, dia indro, ny fatin' i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin' ny fihirifany.
23. So God subdued on that day Jabin the king of Canaan before the children of Israel.
23. En ce jour, Dieu humilia Jabin, roi de Canaan, devant les enfants d`Israël.
23. Dia naetrin' Andriamanitra teo anoloan' ny Zanak' Isiraely tamin' izany andro izany i Jabina, mpanjakan' i Kanana.
24. And the hand of the children of Israel prospered, and prevailed against Jabin the king of Canaan, until they had destroyed Jabin king of Canaan.
24. Et la main des enfants d`Israël s`appesantit de plus en plus sur Jabin, roi de Canaan, jusqu`à ce qu`ils eussent exterminé Jabin, roi de Canaan.
24. Ary ny tanan' ny Zanak' Isiraely dia nambinina, ka nahery tamin' i Jabina, mpanjakan' i Kanana, mandra-pandringany an' i Jabina, mpanjakan' i Kanana.