Everything Is Meaningless
1. The words of the Preacher, the son of David, king in Jerusalem.
1. Paroles de l`Ecclésiaste, fils de David, roi de Jérusalem.
1. Ny tenin' i Mpitoriteny, zanak' i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2. Vanity of vanities, saith the Preacher, vanity of vanities; all is vanity.
2. Vanité des vanités, dit l`Ecclésiaste, vanité des vanités, tout est vanité.
2. Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, zava-poana ny zavatra rehetra.
3. What profit hath a man of all his labour which he taketh under the sun?
3. Quel avantage revient-il à l`homme de toute la peine qu`il se donne sous le soleil?
3. Inona no soa azon' ny olona amin' ny isasarany rehetra aty ambany masoandro?
4. One generation passeth away, and another generation cometh: but the earth abideth for ever.
4. Une génération s`en va, une autre vient, et la terre subsiste toujours.
4. "Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay."
5. The sun also ariseth, and the sun goeth down, and hasteth to his place where he arose.
5. "Le soleil se lève, le soleil se couche; il soupire après le lieu d`où il se lève de nouveau."
5. Ny masoandro koa miposaka, ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin' ny fitoerana izay niposahany.
6. The wind goeth toward the south, and turneth about unto the north; it whirleth about continually, and the wind returneth again according to his circuits.
6. "Le vent se dirige vers le midi, tourne vers le nord; puis il tourne encore, et reprend les mêmes circuits."
6. Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mihodinkodina mandrakariva izy ka miverina amin' ny lalany indray.
7. All the rivers run into the sea; yet the sea is not full; unto the place from whence the rivers come, thither they return again.
7. "Tous les fleuves vont à la mer, et la mer n`est point remplie; ils continuent à aller vers le lieu où ils se dirigent."
7. "Ny renirano rehetra dia samy mankamin' ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin' izay falehan' ny renirano ihany no iverenany indray."
8. All things are full of labour; man cannot utter it: the eye is not satisfied with seeing, nor the ear filled with hearing.
8. "Toutes choses sont en travail au delà de ce qu`on peut dire; l`oeil ne se rassasie pas de voir, et l`oreille ne se lasse pas d`entendre."
8. "Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain' ny olona lazaina; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino."
9. The thing that hath been, it is that which shall be; and that which is done is that which shall be done: and there is no new thing under the sun.
9. Ce qui a été, c`est ce qui sera, et ce qui s`est fait, c`est ce qui se fera, il n`y a rien de nouveau sous le soleil.
9. "Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray; fa tsy misy zava-baovao akory aty ambany masoandro."
10. Is there any thing whereof it may be said, See, this is new? it hath been already of old time, which was before us.
10. S`il est une chose dont on dise: Vois ceci, c`est nouveau! cette chose existait déjà dans les siècles qui nous ont précédés.
10. Moa ve misy zavatra azo lazaina hoe: Jereo, fa vaovao ity? Izany dia ilay efa teo ela tany amin' ny andro talohantsika ihany izany.
11. There is no remembrance of former things; neither shall there be any remembrance of things that are to come with those that shall come after.
11. "On ne se souvient pas de ce qui est ancien; et ce qui arrivera dans la suite ne laissera pas de souvenir chez ceux qui vivront plus tard."
11. "Tsy misy fahatsiarovana ny zavatra taloha; ary tsy hisy fahatsiarovana izay zavatra ho avy mbamin' ireo izay handimby azy."
Wisdom Is Meaningless
12. I the Preacher was king over Israel in Jerusalem.
12. Moi, l`Ecclésiaste, j`ai été roi d`Israël à Jérusalem.
12. "Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan' ny Isiraely tany Jerosalema;"
13. And I gave my heart to seek and search out by wisdom concerning all things that are done under heaven: this sore travail hath God given to the sons of man to be exercised therewith.
13. J`ai appliqué mon coeur à rechercher et à sonder par la sagesse tout ce qui se fait sous les cieux: c`est là une occupation pénible, à laquelle Dieu soumet les fils de l`homme.
13. "Ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka tamim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin' ny lanitra; asa mahareraka omen' Andriamanitra hisasaran' ny zanak' olombelona izany."
14. I have seen all the works that are done under the sun; and, behold, all is vanity and vexation of spirit.
14. "J`ai vu tout ce qui se fait sous le soleil; et voici, tout est vanité et poursuite du vent."
14. "Efa hitako ny asa rehetra izay atao aty ambany masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra ny zavatra rehetra."
15. That which is crooked cannot be made straight: and that which is wanting cannot be numbered.
15. Ce qui est courbé ne peut se redresser, et ce qui manque ne peut être compté.
15. "Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy fahampiana tsy tambo isaina."
16. I communed with mine own heart, saying, Lo, I am come to great estate, and have gotten more wisdom than all they that have been before me in Jerusalem: yea, my heart had great experience of wisdom and knowledge.
16. J`ai dit en mon coeur: Voici, j`ai grandi et surpassé en sagesse tous ceux qui ont dominé avant moi sur Jérusalem, et mon coeur a vu beaucoup de sagesse et de science.
16. "Hoy aho tamin' ny foko hoe: Indro, efa tonga amin' ny toerana lehibe aho, ary nahazo fahendrena mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko efa nanana fahatsapana lehibe ny amin' ny fahendrena sy ny fahalalana."
17. And I gave my heart to know wisdom, and to know madness and folly: I perceived that this also is vexation of spirit.
17. "J`ai appliqué mon coeur à connaître la sagesse, et à connaître la sottise et la folie; j`ai compris que cela aussi c`est la poursuite du vent."
17. "Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra koa izany."
18. For in much wisdom is much grief: and he that increaseth knowledge increaseth sorrow.
18. Car avec beaucoup de sagesse on a beaucoup de chagrin, et celui qui augmente sa science augmente sa douleur.
18. Satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.