The Temptation of Jesus
1. Then was Jesus led up of the Spirit into the wilderness to be tempted of the devil.
1. Alors Jésus fut emmené par l`Esprit dans le désert, pour être tenté par le diable.
1. ARY Jesosy dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra, mba halain’ny devoly fanahy.
2. And when he had fasted forty days and forty nights, he was afterward an hungred.
2. Après avoir jeûné quarante jours et quarante nuits, il eut faim.
2. Ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
3. And when the tempter came to him, he said, If thou be the Son of God, command that these stones be made bread.
3. Le tentateur, s`étant approché, lui dit: Si tu es Fils de Dieu, ordonne que ces pierres deviennent des pains.
3. Ary rehefa nanatona Azy ny mpakafanahy dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, dia didio ho tonga mofo ireto vato ireto.
4. But he answered and said, It is written, Man shall not live by bread alone, but by every word that proceedeth out of the mouth of God.
4. Jésus répondit: Il est écrit: L`homme ne vivra pas de pain seulement, mais de toute parole qui sort de la bouche de Dieu.
4. Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”
5. Then the devil taketh him up into the holy city, and setteth him on a pinnacle of the temple,
5. Le diable le transporta dans la ville sainte, le plaça sur le haut du temple,
5. Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly,
6. And saith unto him, If thou be the Son of God, cast thyself down: for it is written, He shall give his angels charge concerning thee: and in their hands they shall bear thee up, lest at any time thou dash thy foot against a stone.
6. "et lui dit: Si tu es Fils de Dieu, jette-toi en bas; car il est écrit: Il donnera des ordres à ses anges à ton sujet; Et ils te porteront sur les mains, De peur que ton pied ne heurte contre une pierre."
6. "Dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: “Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”."
7. Jesus said unto him, It is written again, Thou shalt not tempt the Lord thy God.
7. Jésus lui dit: Il est aussi écrit: Tu ne tenteras point le Seigneur, ton Dieu.
7. Fa hoy Jesosy taminy: Voasoratra koa hoe: “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”.
8. Again, the devil taketh him up into an exceeding high mountain, and sheweth him all the kingdoms of the world, and the glory of them;
8. Le diable le transporta encore sur une montagne très élevée, lui montra tous les royaumes du monde et leur gloire,
8. Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,
9. And saith unto him, All these things will I give thee, if thou wilt fall down and worship me.
9. et lui dit: Je te donnerai toutes ces choses, si tu te prosternes et m`adores.
9. Dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Ianao.
10. Then saith Jesus unto him, Get thee hence, Satan: for it is written, Thou shalt worship the Lord thy God, and him only shalt thou serve.
10. Jésus lui dit: Retire-toi, Satan! Car il est écrit: Tu adoreras le Seigneur, ton Dieu, et tu le serviras lui seul.
10. "Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana; fa voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”."
11. Then the devil leaveth him, and, behold, angels came and ministered unto him.
11. Alors le diable le laissa. Et voici, des anges vinrent auprès de Jésus, et le servaient.
11. Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
Jesus Begins to Preach
12. Now when Jesus had heard that John was cast into prison, he departed into Galilee;
12. Jésus, ayant appris que Jean avait été livré, se retira dans la Galilée.
12. Ary nony ren’i Jesosy fa efa natao an-tranomaizina Jaona, dia nankany Galilia Izy.
13. And leaving Nazareth, he came and dwelt in Capernaum, which is upon the sea coast, in the borders of Zabulon and Nephthalim:
13. Il quitta Nazareth, et vint demeurer à Capernaüm, située près de la mer, dans le territoire de Zabulon et de Nephthali,
13. Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ny zara-tanin’ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
14. That it might be fulfilled which was spoken by Esaias the prophet, saying,
14. afin que s`accomplît ce qui avait été annoncé par Ésaïe, le prophète:
14. Mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe:
15. The land of Zabulon, and the land of Nephthalim, by the way of the sea, beyond Jordan, Galilee of the Gentiles;
15. Le peuple de Zabulon et de Nephthali, De la contrée voisine de la mer, du pays au delà du Jourdain, Et de la Galilée des Gentils,
15. "“Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly, ao amin’ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, Galilia, tanin’ny Jentilisa;"
16. The people which sat in darkness saw great light; and to them which sat in the region and shadow of death light is sprung up.
16. "Ce peuple, assis dans les ténèbres, A vu une grande lumière; Et sur ceux qui étaient assis dans la région et l`ombre de la mort La lumière s`est levée."
16. "Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana”."
17. From that time Jesus began to preach, and to say, Repent: for the kingdom of heaven is at hand.
17. Dès ce moment Jésus commença à prêcher, et à dire: Repentez-vous, car le royaume des cieux est proche.
17. Ary hatramin’izany fotoana izany dia nanomboka nitoriteny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
The Calling of the First Disciples
18. And Jesus, walking by the sea of Galilee, saw two brethren, Simon called Peter, and Andrew his brother, casting a net into the sea: for they were fishers.
18. "Comme il marchait le long de la mer de Galilée, il vit deux frères, Simon, appelé Pierre, et André, son frère, qui jetaient un filet dans la mer; car ils étaient pêcheurs."
18. "Ary nony nandeha teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nandatsaka harato tao amin’ny ranomasina; fa mpanarato izy ireo."
19. And he saith unto them, Follow me, and I will make you fishers of men.
19. Il leur dit: Suivez-moi, et je vous ferai pêcheurs d`hommes.
19. Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
20. And they straightway left their nets, and followed him.
20. Aussitôt, ils laissèrent les filets, et le suivirent.
20. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
21. And going on from thence, he saw other two brethren, James the son of Zebedee, and John his brother, in a ship with Zebedee their father, mending their nets; and he called them.
21. De là étant allé plus loin, il vit deux autres frères, Jacques, fils de Zébédée, et Jean, son frère, qui étaient dans une barque avec Zébédée, leur père, et qui réparaient leurs filets.
21. "Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy;"
22. And they immediately left the ship and their father, and followed him.
22. Il les appela, et aussitôt ils laissèrent la barque et leur père, et le suivirent.
22. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
Jesus Heals the Sick
23. And Jesus went about all Galilee, teaching in their synagogues, and preaching the gospel of the kingdom, and healing all manner of sickness and all manner of disease among the people.
23. Jésus parcourait toute la Galilée, enseignant dans les synagogues, prêchant la bonne nouvelle du royaume, et guérissant toute maladie et toute infirmité parmi le peuple.
23. Ary Jesosy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.
24. And his fame went throughout all Syria: and they brought unto him all sick people that were taken with divers diseases and torments, and those which were possessed with devils, and those which were lunatick, and those that had the palsy; and he healed them.
24. "Sa renommée se répandit dans toute la Syrie, et on lui amenait tous ceux qui souffraient de maladies et de douleurs de divers genres, des démoniaques, des lunatiques, des paralytiques; et il les guérissait."
24. Ary niely eran’i Syria ny lazany, ka dia nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ny aretina maro samihafa sy ny fangirifiriana, dia ny olona nidiran' ny devoly sy izay mararin’ny androbe ary ny mararin’ny paralysisa mihovitrovitra, ka nahasitrana ireny Izy.
25. And there followed him great multitudes of people from Galilee, and from Decapolis, and from Jerusalem, and from Judaea, and from beyond Jordan.
25. Une grande foule le suivit, de la Galilée, de la Décapole, de Jérusalem, de la Judée, et d`au delà du Jourdain.
25. Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’i Jordana.