The Resurrection

1. In the end of the sabbath, as it began to dawn toward the first day of the week, came Mary Magdalene and the other Mary to see the sepulchre.
1. Après le sabbat, à l`aube du premier jour de la semaine, Marie de Magdala et l`autre Marie allèrent voir le sépulcre.
1. ARY tamin' ny fiafaran' ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany tamin' ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
2. And, behold, there was a great earthquake: for the angel of the Lord descended from heaven, and came and rolled back the stone from the door, and sat upon it.
2. "Et voici, il y eut un grand tremblement de terre; car un ange du Seigneur descendit du ciel, vint rouler la pierre, et s`assit dessus."
2. Ary, indro, nisy horohoron-tany mafy, fa ilay anjelin' ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato teo amin' ny varavarana, dia nipetraka teo amboniny.
3. His countenance was like lightning, and his raiment white as snow:
3. Son aspect était comme l`éclair, et son vêtement blanc comme la neige.
3. "Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala;"
4. And for fear of him the keepers did shake, and became as dead men.
4. Les gardes tremblèrent de peur, et devinrent comme morts.
4. Ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
5. And the angel answered and said unto the women, Fear not ye: for I know that ye seek Jesus, which was crucified.
5. "Mais l`ange prit la parole, et dit aux femmes: Pour vous, ne craignez pas; car je sais que vous cherchez Jésus qui a été crucifié."
5. "Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin' ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin' ny hazofijaliana no tadiavinareo."
6. He is not here: for he is risen, as he said. Come, see the place where the Lord lay.
6. "Il n`est point ici; il est ressuscité, comme il l`avait dit. Venez, voyez le lieu où il était couché,"
6. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa teo no nandrian' ny Tompo.
7. And go quickly, and tell his disciples that he is risen from the dead; and, behold, he goeth before you into Galilee; there shall ye see him: lo, I have told you.
7. et allez promptement dire à ses disciples qu`il est ressuscité des morts. Et voici, il vous précède en Galilée: c`est là que vous le verrez. Voici, je vous l`ai dit.
7. "Ary mandehana faingana, ka lazao amin' ny mpianany fa efa nitsangana tamin' ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho."
8. And they departed quickly from the sepulchre with fear and great joy; and did run to bring his disciples word.
8. Elles s`éloignèrent promptement du sépulcre, avec crainte et avec une grande joie, et elles coururent porter la nouvelle aux disciples.
8. Dia niala faingana tamin' ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hitondra teny tamin' ny mpianany.
9. And as they went to tell his disciples, behold, Jesus met them, saying, All hail. And they came and held him by the feet, and worshipped him.
9. Et voici, Jésus vint à leur rencontre, et dit: Je vous salue. Elles s`approchèrent pour saisir ses pieds, et elles se prosternèrent devant lui.
9. Koa raha nandeha hilaza tamin' ny mpianany ireo,indro Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra ianareo. Dia nanatona izy ireo ka nihazona ny tongony sady niankohoka taminy.
10. Then said Jesus unto them, Be not afraid: go tell my brethren that they go into Galilee, and there shall they see me.
10. "Alors Jésus leur dit: Ne craignez pas; allez dire à mes frères de se rendre en Galilée: c`est là qu`ils me verront."
10. "Fa hoy Jesosy taminy: Aza matahotra, fa mandehana ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy."

The Guards' Report

11. Now when they were going, behold, some of the watch came into the city, and shewed unto the chief priests all the things that were done.
11. Pendant qu`elles étaient en chemin, quelques hommes de la garde entrèrent dans la ville, et annoncèrent aux principaux sacrificateurs tout ce qui était arrivé.
11. Ary nony nandeha izy ireo, indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna ka naneho tamin' ny lohan' ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao nitranga.
12. And when they were assembled with the elders, and had taken counsel, they gave large money unto the soldiers,
12. Ceux-ci, après s`être assemblés avec les anciens et avoir tenu conseil, donnèrent aux soldats une forte somme d`argent,
12. Ary rehefa niangona izy ireo mbamin' ny loholona, ka niara-nihevitra dia nanome vola be ny miaramila,
13. Saying, Say ye, His disciples came by night, and stole him away while we slept.
13. en disant: Dites: Ses disciples sont venus de nuit le dérober, pendant que nous dormions.
13. "Nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay;"
14. And if this come to the governor's ears, we will persuade him, and secure you.
14. Et si le gouverneur l`apprend, nous l`apaiserons, et nous vous tirerons de peine.
14. Ary raha tonga any an-tsofin' ny governora izany, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
15. So they took the money, and did as they were taught: and this saying is commonly reported among the Jews until this day.
15. Les soldats prirent l`argent, et suivirent les instructions qui leur furent données. Et ce bruit s`est répandu parmi les Juifs, jusqu`à ce jour.
15. "Dia nandray ny vola izy ireo ka nanao araka izay natorony azy; ary izany teny izany dia naelin' ny Jiosy mandraka androany."

The Great Commission

16. Then the eleven disciples went away into Galilee, into a mountain where Jesus had appointed them.
16. Les onze disciples allèrent en Galilée, sur la montagne que Jésus leur avait désignée.
16. Ary ny mpianatra iraika ambin' ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin' ilay tendrombohitra efa nasain' i Jesosy halehany.
17. And when they saw him, they worshipped him: but some doubted.
17. Quand ils le virent, ils se prosternèrent devant lui. Mais quelques-uns eurent des doutes.
17. Ary nony nahita Azy izy ireo, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
18. And Jesus came and spake unto them, saying, All power is given unto me in heaven and in earth.
18. Jésus, s`étant approché, leur parla ainsi: Tout pouvoir m`a été donné dans le ciel et sur la terre.
18. "Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;"
19. Go ye therefore, and teach all nations, baptizing them in the name of the Father, and of the Son, and of the Holy Ghost:
19. Allez, faites de toutes les nations des disciples, les baptisant au nom du Père, du Fils et du Saint Esprit,
19. Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin' ny anaran' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
20. Teaching them to observe all things whatsoever I have commanded you: and, lo, I am with you alway, even unto the end of the world. Amen.
20. et enseignez-leur à observer tout ce que je vous ai prescrit. Et voici, je suis avec vous tous les jours, jusqu`à la fin du monde.
20. Sady mampianatra azy hitandrina izay zavatra rehetra nandidiako anareo, ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan' ny fahataperan' izao tontolo izao. Amena.
<
>