Clean and Unclean
1. Then came together unto him the Pharisees, and certain of the scribes, which came from Jerusalem.
1. Les pharisiens et quelques scribes, venus de Jérusalem, s`assemblèrent auprès de Jésus.
1. ARY niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna sasany, izay avy tany Jerosalema.
2. And when they saw some of his disciples eat bread with defiled, that is to say, with unwashen, hands, they found fault.
2. Ils virent quelques-uns de ses disciples prendre leurs repas avec des mains impures, c`est-à-dire, non lavées.
2. Ary nony nahita ny sasany tamin' ny mpianany fa nihinan-kanina tamin’ny tanana maloto ireo, izany hoe, tsy voasasa, dia nanome tsiny Azy.
3. For the Pharisees, and all the Jews, except they wash their hands oft, eat not, holding the tradition of the elders.
3. "Or, les pharisiens et tous les Juifs ne mangent pas sans s`être lavé soigneusement les mains, conformément à la tradition des anciens;"
3. Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra matetika tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tanana, satria mitana ny fomba amam-panaon' ny razana izy.
4. And when they come from the market, except they wash, they eat not. And many other things there be, which they have received to hold, as the washing of cups, and pots, brasen vessels, and of tables.
4. et, quand ils reviennent de la place publique, ils ne mangent qu`après s`être purifiés. Ils ont encore beaucoup d`autres observances traditionnelles, comme le lavage des coupes, des cruches et des vases d`airain.
4. Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro hafa koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’ny fanaka varahina ary ny latabatra.
5. Then the Pharisees and scribes asked him, Why walk not thy disciples according to the tradition of the elders, but eat bread with unwashen hands?
5. Et les pharisiens et les scribes lui demandèrent: Pourquoi tes disciples ne suivent-ils pas la tradition des anciens, mais prennent-ils leurs repas avec des mains impures?
5. Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanoradalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fomba amam-panaon' ny razana, fa mihinan-kanina amin’ny tanana tsy misasa?
6. He answered and said unto them, Well hath Esaias prophesied of you hypocrites, as it is written, This people honoureth me with their lips, but their heart is far from me.
6. Jésus leur répondit: Hypocrites, Ésaïe a bien prophétisé sur vous, ainsi qu`il est écrit: Ce peuple m`honore des lèvres, Mais son coeur est éloigné de moi.
6. Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: “Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.
7. Howbeit in vain do they worship me, teaching for doctrines the commandments of men.
7. C`est en vain qu`ils m`honorent, En donnant des préceptes qui sont des commandements d`hommes.
7. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho foto-pampianarana izy”
8. For laying aside the commandment of God, ye hold the tradition of men, as the washing of pots and cups: and many other such like things ye do.
8. Vous abandonnez le commandement de Dieu, et vous observez la tradition des hommes.
8. "Mahafoy ny didin’Andriamanitra ianareo, ka mitana ny fomba amam-panaon’ny olona, toy ny fanasana kapoaka sy famarana; ary zavatra hafa toy izany koa no ataonareo."
9. And he said unto them, Full well ye reject the commandment of God, that ye may keep your own tradition.
9. Il leur dit encore: Vous anéantissez fort bien le commandement de Dieu, pour garder votre tradition.
9. Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomba amam-panaonareo!
10. For Moses said, Honour thy father and thy mother; and, Whoso curseth father or mother, let him die the death:
10. "Car Moïse a dit: Honore ton père et ta mère; et: Celui qui maudira son père ou sa mère sera puni de mort."
10. Fa hoy Mosesy: “Manajà ny rainao sy ny reninao” ary koa: “Izay manozona ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa”
11. But ye say, If a man shall say to his father or mother, It is Corban, that is to say, a gift, by whatsoever thou mightest be profited by me; he shall be free.
11. Mais vous, vous dites: Si un homme dit à son père ou à sa mère: Ce dont j`aurais pu t`assister est corban, c`est-à-dire, une offrande à Dieu,
11. Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ny rainy sy ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe: efa fanomezana ho an’Andriamanitra) izay rehetra tokony hanasoavako anareo, dia afaka izy,
12. And ye suffer him no more to do ought for his father or his mother;
12. vous ne le laissez plus rien faire pour son père ou pour sa mère,
12. Dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy,
13. Making the word of God of none effect through your tradition, which ye have delivered: and many such like things do ye.
13. annulant ainsi la parole de Dieu par votre tradition, que vous avez établie. Et vous faites beaucoup d`autres choses semblables.
13. "Ka dia foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fomba amam-panaonareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo."
14. And when he had called all the people unto him, he said unto them, Hearken unto me every one of you, and understand:
14. Ensuite, ayant de nouveau appelé la foule à lui, il lui dit: Écoutez-moi tous, et comprenez.
14. Ary rehefa niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy dia nanao taminy hoe: Mihainoa ahy ianareo rehetra, ka mahafantara:
15. There is nothing from without a man, that entering into him can defile him: but the things which come out of him, those are they that defile the man.
15. "Il n`est hors de l`homme rien qui, entrant en lui, puisse le souiller; mais ce qui sort de l`homme, c`est ce qui le souille."
15. "Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy."
16. If any man have ears to hear, let him hear.
16. Si quelqu`un a des oreilles pour entendre, qu`il entende.
16. Raha misy manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
17. And when he was entered into the house from the people, his disciples asked him concerning the parable.
17. Lorsqu`il fut entré dans la maison, loin de la foule, ses disciples l`interrogèrent sur cette parabole.
17. Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’ny fanoharana.
18. And he saith unto them, Are ye so without understanding also? Do ye not perceive, that whatsoever thing from without entereth into the man, it cannot defile him;
18. Il leur dit: Vous aussi, êtes-vous donc sans intelligence? Ne comprenez-vous pas que rien de ce qui du dehors entre dans l`homme ne peut le souiller?
18. Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy?
19. Because it entereth not into his heart, but into the belly, and goeth out into the draught, purging all meats?
19. Car cela n`entre pas dans son coeur, mais dans son ventre, puis s`en va dans les lieux secrets, qui purifient tous les aliments.
19. "Satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ny fivoahana; mba hahadio ny hanina rehetra."
20. And he said, That which cometh out of the man, that defileth the man.
20. Il dit encore: Ce qui sort de l`homme, c`est ce qui souille l`homme.
20. Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy.
21. For from within, out of the heart of men, proceed evil thoughts, adulteries, fornications, murders,
21. Car c`est du dedans, c`est du coeur des hommes, que sortent les mauvaises pensées, les adultères, les impudicités, les meurtres,
21. Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, ny fijangajangana, ny fahavetavetana, ny vonoana olona,
22. Thefts, covetousness, wickedness, deceit, lasciviousness, an evil eye, blasphemy, pride, foolishness:
22. les vols, les cupidités, les méchancetés, la fraude, le dérèglement, le regard envieux, la calomnie, l`orgueil, la folie.
22. Ny halatra, ny fieremana, ny faharatsiana, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny blasfemia, ny avonavona, ny fahadalana:
23. All these evil things come from within, and defile the man.
23. Toutes ces choses mauvaises sortent du dedans, et souillent l`homme.
23. Izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.
The Faith of a Syrophoenician Woman
24. And from thence he arose, and went into the borders of Tyre and Sidon, and entered into an house, and would have no man know it: but he could not be hid.
24. "Jésus, étant parti de là, s`en alla dans le territoire de Tyr et de Sidon. Il entra dans une maison, désirant que personne ne le sût; mais il ne put rester caché."
24. "Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisin-tanin’i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany, kanefa tsy afa-niery Izy."
25. For a certain woman, whose young daughter had an unclean spirit, heard of him, and came and fell at his feet:
25. Car une femme, dont la fille était possédée d`un esprit impur, entendit parler de lui, et vint se jeter à ses pieds.
25. Fa nisy vehivavy anankiray izay nanan-janakavavy tanora azom-panahy maloto, nandre ny aminy, dia nanatona ka niankohoka teo an-tongony.
26. The woman was a Greek, a Syrophenician by nation; and she besought him that he would cast forth the devil out of her daughter.
26. Cette femme était grecque, syro-phénicienne d`origine. Elle le pria de chasser le démon hors de sa fille. Jésus lui dit:
26. "Ary Grika ravehivavy, avy amin’ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny devoly amin’ny zanany vavy."
27. But Jesus said unto her, Let the children first be filled: for it is not meet to take the children's bread, and to cast it unto the dogs.
27. "Laisse d`abord les enfants se rassasier; car il n`est pas bien de prendre le pain des enfants, et de le jeter aux petits chiens."
27. "Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely."
28. And she answered and said unto him, Yes, Lord: yet the dogs under the table eat of the children's crumbs.
28. Oui, Seigneur, lui répondit-elle, mais les petits chiens, sous la table, mangent les miettes des enfants.
28. "Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboa kely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombin-tsombin’ny mofon-jaza ihany."
29. And he said unto her, For this saying go thy way; the devil is gone out of thy daughter.
29. Alors il lui dit: à cause de cette parole, va, le démon est sorti de ta fille.
29. "Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany, mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ny zanakao vavy ny devoly."
30. And when she was come to her house, she found the devil gone out, and her daughter laid upon the bed.
30. Et, quand elle rentra dans sa maison, elle trouva l`enfant couchée sur le lit, le démon étant sorti.
30. Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ny farafara ny zanany vavy, ary ny devoly efa nivoaka taminy.
The Healing of a Deaf and Mute Man
31. And again, departing from the coasts of Tyre and Sidon, he came unto the sea of Galilee, through the midst of the coasts of Decapolis.
31. Jésus quitta le territoire de Tyr, et revint par Sidon vers la mer de Galilée, en traversant le pays de la Décapole.
31. Ary Jesosy niala indray tamin’ny sisin-tanin’i Tyro sy Sidona ka nankany amoron’ny Ranomasin' i Galilia rehefa namaky ny tany Dekapolisy.
32. And they bring unto him one that was deaf, and had an impediment in his speech; and they beseech him to put his hand upon him.
32. On lui amena un sourd, qui avait de la difficulté à parler, et on le pria de lui imposer les mains.
32. Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentina tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametra-tànana aminy.
33. And he took him aside from the multitude, and put his fingers into his ears, and he spit, and touched his tongue;
33. "Il le prit à part loin de la foule, lui mit les doigts dans les oreilles, et lui toucha la langue avec sa propre salive;"
33. "Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;"
34. And looking up to heaven, he sighed, and saith unto him, Ephphatha, that is, Be opened.
34. puis, levant les yeux au ciel, il soupira, et dit: Éphphatha, c`est-à-dire, ouvre-toi.
34. Ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
35. And straightway his ears were opened, and the string of his tongue was loosed, and he spake plain.
35. Aussitôt ses oreilles s`ouvrirent, sa langue se délia, et il parla très bien.
35. Dia nalady niaraka tamin’izay ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
36. And he charged them that they should tell no man: but the more he charged them, so much the more a great deal they published it;
36. "Jésus leur recommanda de n`en parler à personne; mais plus il le leur recommanda, plus ils le publièrent."
36. "Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’iza na iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa."
37. And were beyond measure astonished, saying, He hath done all things well: he maketh both the deaf to hear, and the dumb to speak.
37. "Ils étaient dans le plus grand étonnement, et disaient: Il fait tout à merveille; même il fait entendre les sourds, et parler les muets."
37. "Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana."